Etazonia — Wikipedia
Hankany amin'ny vontoatiny
Avy amin'i Wikipedia
United States of America
en
en
Etazonian'i Amerika
mg
Antsipirihany
Antsipirihany
Teny filamatra
(1776 - ankehitriny)
E Pluribus Unum
latina
: «Tokana avy amin'ny maro»)
(1956 - ankehitriny)
en:In God We Trust
Anglisy
: «Andriamanitra no itokiantsika»)
Teny ofisialy
Faritra federaly
Anglisy Amerikanina
avy hatrany
Teny ofisialy ny teny anglisy anaty ny staty 30
20
% ny mponina miteny teny afa, ny teny
espaniola
tena be indrindra
Renivohitra
en:Washington, DC
38° 53' N, 77° 02' O
Tanàna lehibe indrindra
New York
Los Angeles
Atlanta
Seattle
Miami
Fitondrana sy governemanta
Filoham-pirenena
Repoblika federaly
Donald Trump
Velarantany
- Tontaliny
- Rano (%)
faha 4
9 833 520
km²
4.66
Isam-ponina
- Tontaliny (
2020
hakitroka
faha 3
331 449 281 mpo.
33,6 mpo./km²
{{{1}}}
Anaran'ny mponina
Amerikana
IDH
2019
Mihakatra 0,926 (ambony) faha-12
Sandam-bola
Dollar Amerikana
USD
Faritr'ora
UTC
-5 -10
Hiram-pirenena
en:The Star-Spangled Banner
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+1
Etazonia
dia firenena any
Amerika Avaratra
izay mizara ho
fanjakana
mizakatena (
states
) dimampolo sy distrika federaly iray ary
fizaràn-tany
ivelany (
territory
) efatra ambin' ny folo foronina nosy miparitaka manerana ny
Ranomasina Karaiba
sy ny
Ranomasimbe Pasifika
. Ny 48 amin'ny fanjakana 50 no mifanila sady mandrafitra ny "Renitany" (anglisy:
Mainland
), izay faritan'ny
Ranomasimbe Atlantika
any atsinanana, ny
Hoalan' i Meksika
any atsimo-atsinanana ary ny
Ranomasimbe Pasifika
any andrefana, ary mifanefitra amin' i
Kanada
any avararta sy amin' i
Meksika
any atsimo-andrefana. Ny fanjakana roa tsy ao anatin' ny Tanibe dia i
Alaska
, ao avaratra-andrefan'i Kanada, ary ny vondronosy
Hawaii
, vondronosy ao amin'ny tapany avaratry ny
Ranomasimbe Pasifika
. Atao amin' ny teny anglisy hoe
United States
United States of America
US
USA
na
America
ity firenena ity.
Ny renivohitra federaly,
Washington
, dia ao amin'ny Distrikan'i Kolombia, faritra iray mihidy ao amin' ilay firenena, fa ivelan' ny fanjakana dimampolo. Mampihatra rafitra ara-pôlitika
repoblika
sady fanjakana federaly misy rafi-pitondrana ananan' ny filoham-pirenena fahefana betsaka i Etazonia. Tsy misy ny
fiteny ôfisialy
any Etazonia na dia amin' ny fiteny anglisy amerikana aza ny fitenin' ny firenena
Manana velarana 9,8 tapitrisa km
io firenena io, ka izany no mahatonga azy, arakaraka ny mason-tsivana, ho firenena fahatelo na fahefatra maneran-tany amin' ny velaran-tany, aorian' i
Rosia
sy i
Kanada
ary i Sina. Tamin' ny taona 2020 i Etazonia dia nisy mponina eo amin' ny 331 tapitrisa eo ho eo, izay nametraka azy ho firenena fahatelo eran-tany amin'ny habetsahan'ny
mponina
, aorian' i
Sina
sy i
India
.Mitombo ny mponina amerikana noho ny fifandanjana voajanahary miabo sy ny fifindra-monina. Ny mponina ao Etazonia dia fitambarana foko (firenena niaviana) samihafa noho ny fifindra-monina taloha isan-karazany.
Ny
jeôgrafia
sy ny
toetany
ao amin' ilay firenena dia tena samihafa, fonenan'ny zavamaniry sy biby isan-karazany, ka mahatonga an' i Etazonia ho isan' ireo firenena 17 manana karazana zavaboary betsaka dia betsaka eto amin' izao tontolo izao.
Talohan' ny fizahana ny tany nataon' ny Eorôpeana sy sy nahazoana an'i Etazonia
, dia ny
Amerindiana
, izay nifindra monina avy any
Eorazia
tokony ho 15
000 taona lasa izay, no nonina tao. Nanomboka tamin'ny taonjato faha-16 ny fanjanahan-tany eorôpeana. Tamin' ny 14 Mey 1607 dia naorina ny zanatany anglisy any Virginia; taorian' izay, zanatany britanika roa ambin' ny folo hafa no naorina teo amin' ny morontsirak' i
Atlantika
, fa ny firenena eorôpeana hafa kosa dia nisavasava ny ambiny tamin' ny tanin'i Amerika. Nitarika ho amin' ny ady ho an'ny fahaleovan-tea tamin' ny taona 1775 ny fifandonana nifanesy nifanaovan' ny zanatany telo ambin’ny folo tamin' i
Britaina Lehibe
. Natao tamin'ny 4 Jolay 1776 ny fanambàrana ny fahaleovantena, izay nivondronan' ny zanatany telo ambin' ny folo ka nahaforona an' i Etazonia, izay firenena nanafoana ny fanjanahan-tany ao aminy voalohany eran-tany, neken' i Britaina Lehibe tamin' ny fiafaran' ny ady, tamin' ny taona 1783 izany. Ny tantaran'i Etazonia ankehitriny dia voamariky ny fifandrafiana teo amin' i
New York
sy i Philadelphia, avy eo ny fakana ny tany any Andrefana, ny ady nifanaovana tamin' ny
Indianan' i Amerika
ary ny adim-pisaraham-bazana. Ny fiafaran' ny
fanandevozana
ny Afrô-Amerikana (Amerikana mainty hoditra) tamin' ny taona 1865 dia narahin' ny
fanavakavaham-bolon-koditra
nandritra ny taonjato iray. Tany am-piandohan' ny taonjato faha-20, i Etazonia dia nanjary firenena mandroso amin' ny sehatry ny taozava-baventy, nanana fitaovana nahafahany miditra an-tsehatra ivelan' ny taniny. Nandray anjara tamin' ny
Ady Lehibe Voalohany
àry izy, ary avy eo niharan' ny krizy ara-toekarena lehibe tany (frantsay:
Grande dépression
/ anglisy:
Great Depression
) am-piandohan' ny taompolo 1930. I Etazoniza, izay mpandresy tamin' ny
Ady Lehibe Faharoa
niaraka tamin' ny firenena mpiara-dia (anglisy:
Allies /
frantsay:
Alliés
), dia firenena matanjaka ara-nokleary nanomboka tamin' ny taona 1945. Lasa firenena matanjaka indrindra eran-tany izy, avy eo niatrika ny rafitra
kôminista
tao amin' ny
Firaisana Sôvietika
sy ny mpiara-dia aminy, nandritra ny efapolo taona, ka izany fifanadrinana tsy misy fitaovam-piadiana izany no tondroina amin' ny teny hoe "
Ady Mangatsiaka
".
Ny toekarem-pirenena, izay
kapitalista
, no matanjaka indrindra eran-tany, izay manana
harin-karena faobe
ambony indrindra tamin' ny 2022; izany dia vokary ny fahafahan' ny asa mamokatra ambony dia ambony. Ny seha-pamokarana maneho ny tanjak' i
Etazonia
dia ny fambolena, ny indostrian' ny teknôlôjia avo lenta ary ny serivisy. Ny toekarena amerikana koa dia anisan' ny mpanao taozavara lehibe indrindra eran-tany. Io firenena io dia manao fandaniana ara-tafika mitentina 37
% amin' ny totaliny maneran-tany. Hery lehibe ara-pôlitika sy ara-kolontsaina ihany koa i Etazonia ary mpitarika manerantany amin' ny fikarohana ara-tsiansa sy amin' ny fanavaozana ara-teknôlôjia.
I Etazonia dia mpikambana ao amin' ny
North Atlantic Treaty Organization
(NATO) na
Organisation du traité de l'Atlantique nord
(OTAN), ao amin' ny
Asia-Pacific Economic Cooperation
(APEC), ao amin' ny
Canada-United States-Mexico Agreement
(CUSMA), ao amin' ny
Organisation of American States
(OAS), ao amin' ny
Australia, New Zealand, United States Security Treaty
(ANZUS), ao amin' ny
Organisation de coopération et de développement économiques
(OCDE), ao amin' ny
Groupe des sept
(G7), ao amin' ny
Groupe des vingt
(G20), ary mpikambana maharitra ao amin' ny
Filankevi-Pilaminan' ny Firenena Mikambana
Jeôgrafia
hanova
hanova ny fango
I Etazonia dia manana velarana mirefy 9,6 tapitrisa km
ary milahatra fahefatra amin' ny firenena ngeza indrindra eto an-
tany
Vohon-tany
Rotsak' orana isan-taona
Ny tanàna ngeza indrindra
Hakitroky ny mponina
Toerana misy azy sy refiny
hanova
hanova ny fango
I Etazonia dia
firenena
fahefatra ngeza indrindra eto an-tany (9 631 417
km
) eo aorian' i
Rosia
, i
Kanada
ary i
Sina
. Ny hangezan' ny tanim-pirenena amerikana dia saika hangezan' ny
Kôntinenta Eorôpeana
na in-15-n' i
Madagasikara
.A ny
Amerika Avaratra
no misy ny
Mainland
na ny
Renitany
, ao amin' io
Mainland
io ny 48 amin' ny fanjakana mizaka-tenana ao Etazonia miisa 51. Ny endriky ny
Mainland
moa dia
dimilafy
ivelaran' ny hasin' ora dimy. 4 500 km ny halaviran' ny morontsirak' i
Atlantika
sy ny morontsirak' i
Pasifika
, ary 2 500 km ny halava ny dia tokony atao raha miainga ao
Meksika
ka raha te-ho any
Kanada
. Ny totalin' ny sisin-tany ma,asaraka an i Etazonia amin' ny firenena hafa dia mirefy 12 034 km
; 8 893 km miaraka amin' i
Kanada
, (2 477 km miaraka amin' i
Alaska
), 3 141 km miaraka amin' i
Meksika
ary 28 km miaraka amin' i
Kioba
(any Guantanamo). Ny tontalin' ny halavan' ny morontsiraka dia 19 924 km.
Vohon' ny tany sy rano
hanova
hanova ny fango
Vohon' ny tany any Etazonia
Ny lemaka amorontsirak' i
Atlantika
dia mitondra mankany amin' ny ala mikitroka sy ny havoan' i Piedmont. Ny Tendrombohitra Appalachians sy ny tangoron-tendrombohitra Adirondack dia mampisaraka ny morontsiraka atsinanana amin' ny
Great Lakes
sy ny velaran-tanin' ahitra (
grasslands
) any Midwest. Ny ony
Mississippi
Missouri
, izay rafi-drenirano fahaefatra lava indrindra eran-tany, dia mikoriana avy avaratra mianatsimo amin' ny ankapobeny eo afovoan' i Etazonia. Ny tany lemaka sady lonaka anirian' ahitra sy zavamaniry fohy ao amin' ny Great Plains dia mipaka any andrefana, ka tapahan' ny faritra avo any atsimo-atsinanana (
U.S. Interior Highlands
).
Ny Rocky Mountains, ao andrefan' ny Great Plains, dia avy avaratra mianatsimo mamakivaky an' i Etazonia, ary mahatratra 4
300 m any Colorado ny tampony. Any andrefana no misy ny Great Basin be vatolampy sy ny tany efitra toa an' i Chihuahua sy i Sonoran ary i Mojave. Manakaiky ny morontsirak' i Pasifika ny tandavan-tendrombohitra Sierra Nevada sy Cascade Range, ary mahatratra haavo mihoatra ny 4300 m ny haavon' izy roa ireo. Ny toerana iva sy avo indrindra mifanila any Etazonia dia ao amin' ny Fanjakan' i Kalifôrnia, ary eo amin' ny 135 km eo ho eo ny elanelany.
Amin' ny haavony mirefy 6 190,5 m, i Denali any Alaska no tendro avo indrindra ao amin' ilay firenena sy any
Amerika Avaratra
. Ny volkano mbola velona dia fahita manerana ny nosy Alexander sy ireo nosy Aleotiana any Alaska, ary i Hawaii dia misy nosin' afotroa. Ny afotroa goavana ao ambanin' ny Yellowstone National Park ao amin' ny Rockies no fiforonana afotroa lehibe indrindra ao amin' ny kôntinenta.
Toetany
hanova
hanova ny fango
Ankapobeny
hanova
hanova ny fango
Rotsak' orana
ao Etazonia
Ny toetra mampiavaka an' i Etazonia dia ny maha firenena kôntinenta azy, ahitana elanela-maripana lehibe isan-taona sy
rotsak' orana
tsy ampy. Na izany aza, i Etazonia dia ahitana
toetany
isan-karazany, vokatry ny fitambaran' ny anton-javatra ara-jeôgrafia maro: ny hangezan' ny taniny, ny fiavian' ny
rivotra
(avy any amin' ny
tendrontany
sy any amin' ny
zana-pehintany
), ny fikitoantoanan' ny tany izay manaraka ny zotran' ny
laharan-jarahasina
(ny tendrombohitra Appalachian sy Rockies, sns) ary ny fisian' ny
korian-dranomasina
mangatsiaka na mafana.
Sakanana' ny tendrombohitra (Tendrombohitra Be Vatolampy) eo amin' ny tokonan' i
Amerika Avaratra
ny rivo-dranomasina mando avy any
Pasifika
, izay ampitain' ny tso-drivotra avy any andrefana. Ao ambadiky ny
tandavan-tendrombohitra
amoron-tsiraka (ny
Pacific Coast Ranges
, ny
Cascade Range
), izay mahazo rotsak' orana mihoatra ny 1,5 m isan-taona, no misy ny
hain-tany
amin' ny ambaratonga samihafa, hatramin' ny laharan-jarahasina faha-100, ka tena ilaina ny fitarihan-drano.
Fanampin' izany, ny tsy fisian' ny fikitoantoanana ao amin' ireo
Great Plains
afovoany - izay mamela malalaka ny fivezivezen' ny rivotra avy any amin' ny tendrontany sy avy any amin' ny zana-pehintany, avy any avaratra mianatsimo sy mifamadika amin' izany - no anton' ny maha be ny fifanoherana misy eo amin' ny
maripana
amin' ny fiovana
fizaràn-taona
. Amin' ny fahavaratra, ny rivotra mafana sy mando avy any amin' ny
Hoalan' i Meksika
dia miakatra avo be any avaratra, hatrany Manitoba (any
Kanada
), nefa amin' ny ririnina kosa ny rivotra mangatsiatsiaka any
Arktika
any avaratra, izay matetika mijanona ao
North Dakota
, dia miditra indraindray hatrany Florida. Amin' ny faran' ny fahavaratra na ny fararano dia miforona ny
hurricanes
(rivodoza trôpikaly) any amin' ny morontsiraka atsimo amin' ny
Ranomasimbe Atlantika
na any amin' ny
Hoalan' i Meksika
, izay mitondra oram-be sy tondra-drano mahery vaika, indrindra ny any amin’ ny faritra akaiky morontsiraka.
Karazana toetany
hanova
hanova ny fango
Mizara amina faritra enina ny karazana toetany any Etazonia.
Ny
toetanin-tanibe
mando any avaratra-atsinanana (New-England, any afovoany-atsinanana) dia ahitana fifanoherana ara-kafana amin' ny fiovana fizaràn-taona. Mafana ny fahavaratra ary mangatsiaka be ny ririnina noho ny maha akaiky ny
Ranomasimbe Atlantika
(korian-dranomasin' i Labrador). Be dia be ny rotsak' orana, indrindra amin’ ny ririnina, rehefa mitondra oram-panala be ny fifangaroan’ ny hamandoana sy ny hatsiaka.
Ny toetany ambanin-jana-pehintany mando any atsimo-atsinanana dia ahitana ririnina malefaka sy fahavaratra mafana sy mando. Andalovan' ny rivodoza tsy tapaka ny morontsiraka.
Ny toetany maina ao amin' ireo Lemaka Lehibe afovoany dia iharan' ny fiantraikan' ny maha firenena kôntinenta an' i Etazonia: ankoatry ny fifanoherana ara-kafana amin' ny fiovana fizaràn-taona, dia mihena tsikelikely ny rotsak' orana raha avy any atsinanana mankany andrefana. Ilaina ny fitarihan-drano any andrefan' ny laharan-jarahasina faha-100, izay mmpitombo ny hain-tany miampy ny tsy fitovian' ny rotsak' orana amin' ny fiovana fizaràn-taona. Indraindray ny lembalemba ao amin' ny "High Plains" dia ahitana rivotra mahery vaika tena mangatsiaka sy misy
rambondanitra
, indrindra ao ampin' ny
Fanjakan' i Oklahoma
sy ny
Fanjakan' i Kansas
, izay miteraka fikao-tany noho ny rivotra mahery vaika.
Ny toetany karankaina any amin' ny lembalemban' ny Afovoany Andrefana, indrindra any atsimon' ny Great Basin (lohasahan' ny Fahafatesana, Efitr' i Mojave), izay ahitana fahavaratra tena mafana.
Ny toetanin-dranomasimbe any
Pasifika
Avaratra-Andrefana izay tena mando sady miavaka amin' ny fisiana elanela-maripana kely isan-taona (ririnina malefaka, fahavaratra mangatsiatsiaka). Be dia be ny rotsak' orana any an-tendrombohitra (Olympic Mountains, Range Cascade).
Ny toetany mediteraneanan' i Pasifika Atsimo-Andrefana izay maina amin' ny fahavaratra. Ny morontsiraka atsimo dia ahitana ny rivotra mafana sy mainan' i Santa Ana, izay miteraka fahamaizan' ny ala. Somary mangatsiatsiaka ny fahavaratra any amin' ny faritra amorontsiraka, noho ny
korian-dranomasin
' i Kalifôrnia, miteraka zavona matevina ampian' ny fahalotoan' ny atmôsfera. Mihamafana izany ao arakaraka ny fandrosoana any afovoan-tany izay lasa tany efitra ka ilaina fitarihan-drano.
Zavamaniry sy biby
hanova
hanova ny fango
Zavamaniry
hanova
hanova ny fango
Biby
hanova
hanova ny fango
Toekarena
hanova
hanova ny fango
I Etazonia dia firenena manan-karena indrindra eto an-tany. Betsaka ny otri-karena sy ny
harena an-kibon' ny tany
misy any, izay kosa dia manazava ny hery ara-toekarenan' i Etazonia.
Mponina sy kolontsaina
hanova
hanova ny fango
Isan' ny mponina
hanova
hanova ny fango
Hakitroky ny mponina ao Etazonia
Nihoatra 300 tapitrisa ny isan' ny olona tamin' ny taona 2008, noho izany, anisan' ny
firenena
be olona indrindra i Etazonia eo aorian' i
Sina
sy i
India
Foko sy fiaviana
hanova
hanova ny fango
Onenan' olona avy amin' ny foko maro samy hafa i Etazonia. Ny 80
% n' ny mponina ao Etazonia dia taranaky ny mpifindra monina avy any
Eorôpa
. Olona avy any
Alemaina
Angletera
Ekôsy
Irlandy
Afrika
, ary
Italia
. Ny 13
% amin' ny mponina any Etazonia dia
Afrikana-Amerikana
. Ny ankamaroan' izy ireo taranaka avy any amin' ny andevo afrikana izay nentina tao
Amerika
. Ny Amerikana Aziatika dia 5
% -n' ny mponina any Amerika, fa lehibe kokoa izany ao amin' ny morontsiraka andrefana. Ohatra ao California, Aziatika-Amerikana ny 13
% -n' ny mponin' izany fanjakana izany. Ny
Hispanô-Amerikana
, na ny taranaky ny olona miteny
espaniôla
dia 15
% amin' ilay firenena. Ny
Teratanin' i Amerika
sy ny
Inoita
(Eskimô) dia vondrona kely dia kely. Ny 11
% amn' ny mponina any Etazonia dia teraka tany ivelany.
Ny
fanisam-bahoaka
tamin' ny taona 2000 dia ahitana tatitra mikasika ny razamben' ny mponina. Avy amin' izany dia 43 tapitrisa ny Alemana-Amerikana, 30,5 tapitrisa ny Irlandey-Amerikana, 24,9 tapitrisa ny
Afrikana-Amerikana
, 24,5 tapitrisa ny Anglisy-Amerikana, ary 18.4 tapitrisa ny Meksikana-Amerikana.
Fiteny
hanova
hanova ny fango
Ny
fiteny anglisy
no be mpampiasa indrindra any Etazonia nefa tsy mbola nisy
fiteny ôfisialy
amin' ny ambaratonga federaly. Ny 18
% no miteny fiteny hafa ankoatra ny fiteny anglisy ao an-trano. Na izany aza, ny fiteny anglisy dia fiteny ôfisialy any amin' ny fanjakana 32 amin' ny 50. Ankoatr' izany, ny fanjakan' i
Hawaii
dia nisafidy fiteny ôfisialy faharoa (dia ny
fiteny haoaiana
), i Alaska sy i Dakota Atsimo dia nanaiky ny
fitenin-drazan' ny Amerindiana
eo an-toerana ary faritany amerikana maromaro no nandray fiteny ôfisialy faharoa (
fiteny espaniôla
any
Pôrtô Rikô
, ny
fiteny samôrô
any Guam, ny
fiteny samôana
any Samôa Amerikana). Ny paroasy sasany any
Louisiana
dia mampiasa ny
fiteny frantsay
, ary misy tanàna sy distrika any Etazonia miteny espaniôla; na izany aza, tsy nisy tamin' ireo fanjakana dimampolo ireo ny nandray ny fiteny frantsay na espaniôla ho
fiteny ôfisialy
faharoa.
Fanabeazana
hanova
hanova ny fango
Amin' ny olona 25 taona no ho miakatra, ny 80
% no nahazo diplôma avy amin' ny sekoly ambony raha 25
% no manana ny mari-pahaizana lisansa, na kely na ambony kokoa.
Fivavahana
hanova
hanova ny fango
Ny
fivavahana
dia mbola be mpanaraka ary ilaina ny fahafantarana azy mba hahatakarana ny fiarahamonina amerikana, izay anana' ny fivavahana anjara toerana lehibe. Na dia eo aza ny fisarahan' ny Fiangonana sy ny Fanjakana dia hita eny amin' ny toera-malalaka ho an' ny daholobe any Etazonia ny fivavahana ka izany no ampiasana ny andian-teny hoe "fivavahana sivily". Matetika dia ahitana Baiboly ny ao amin' ny efitranon' ny trano fandraisam-bahiny, indrindra ny
Baibolin' ny Mpanjaka James
King James Version
), ary matetika ny
filoha amerikana
no mitoka an' Andriamanitra amin' ny kabary ataony.
Araka ny fanadihadiana nataon' ny
Pew Research Center
tamin' ny taona 2014, dia 70,6
% amin' ny Amerikana no milaza fa
Kristianina
(ka ny 46,5
Prôtestanta
fa ny 20,8
% kosa
Katôlika
), 22,8
% no tsy manana fivavahana ary 5,9
% no manaraka fivavahana hafa (
jodaisma
- 1,9
%,
silamo
- 0,9
%,
bodisma
- 0,7
%,
hindoisma
- 0,7
%, fivavahana hafa - 1,8
%).
Pôlitika
hanova
hanova ny fango
Pôlitika anatiny
hanova
hanova ny fango
I Etazonia dia ahitana fanjakana miazaka tena 50, sy faritany 5 sy distrika 1 (Washington DC). Ny lalàna dia mifehy ny zavatra ao amin' ny fanjakana miezaka tena tsirairay, fa ny lalàna federaly matetika momba ny zavatra mifandray amin' ny fanjakana mihoatra ny iray, na momba ny fifandraisana amin' ny firenen-kafa. Any amin' ny faritra sasany, raha ny governemanta federaly no manao lalàna izay milaza zavatra hafa avy amin' ny lalànan' ny fanjakana mizaka tena, ny olona dia tsy maintsy manaraka ny lalàna federaly, satria tsy manan-kery intsony ny lalàn' ny fanjakana mizaka tena. Samy manana ny lalàm-panorenana avy ny fanjakana mizaka tena, hafa noho ny lalàm-panorenana federaly (nasiônaly).
Ny fankakana federaly sy ny fanjakana mizaka tena, indrindra ny fitondram-panjakana, dia anjakan' ny antoko pôlitika roa: ny
Repoblikana
sy ny
Demôkraty
. Misy ihany koa ny antoko kely kokoa maro be; ny lehibe indrindra amin' ireo dia ny Libertarian Party sy ny Antoko Maitso. Ny olona dia afaka manome vola izay tiany ho an' ny fampielezan-kevitra ara-pôlitika, ary miezaka ny mandresy lahatra ny mpanao pôlitika mba hanampy azy ireo. Izany no antsoina hoe
lobbying
Nanomboka tamin' ny taona 2009, ny filoha dia demôkraty, ka demôkraty manana fahefana kely kokoa ao amin' ny governemanta federaly. Na izany aza, dia mbola maro ny repoblikanina izay afaka hisakana ny demôkraty tsy hanao zavatra izay heveriny ho ratsy ho an' ny firenena.
Fitantanana ny tanim-pirenena
hanova
hanova ny fango
Ny tanàna lehibe any Etazonia
Tamin' ny fahaleovan-tenany tamin' ny taonjato faha-17, repoblika federaly misy fanjakana mizakatena dimampolo manam-pahefana i Etazonia. Ny renivohiny dia i
Washington D.C
, fa i
New York
no tanàna ngeza indrindra sy manan-karena indrindra.
Tantara
hanova
hanova ny fango
Saika mpiavy ny olona rehetra ao aminy, na ny tera-tany aza. Ny zanatany anglisy 13 izay niforona teo amin' ny sisin-dranomasin' i
Atlantika
sy nanambara ny fahaleovan-tenany tamin' ny 4 Jolay 1776 no lasa Etazonia amin' izao fotoana izao. Nanomboka teo dia niitatra nankany andrefana ny sisin-tany ka resy tosika ireo foko isan-karazany izay nonina tao talohan' ny Eorôpeana.
Vanimpotoana prekôlômbiana (talohan' ny taona 1492)
hanova
hanova ny fango
Tsy mbola mikatona ny adihevitra momba ny fiaviana sy ny daty nahatongavan' ny
Amerindiana
any
Amerika Avaratra
. Hita tamin' ny fikarohana
arkeôlôjika
fa efa nisy mponina ny faritra atsinanana amin' i Etazonia 12 000 taona mahery izay, fa mety efa 30 000 taona mahery kosa ny fahatongavan' ny mponina voalohany tao amin' ilay
kôntinenta
. Nanomboka tamin' ny taona 1927, ny rijan-kevitra eken' ny besinimaro indrindra dia ny fifindran' ny
vahoaka aziatika
12 000 taona lasa izay namakivaky ny andilan-dranomasin' i Bering. Na izany aza, ny fikarohana arkeôlôjika sasany natao tato anatin' ny taona vitsivitsy dia manome todika vaovao momba ny dingan' ny fiorenam-ponenana talohan' ny tantara tany Amerika Avaratra.
Ny mpahay siansa sasany dia mihevitra fa mety nisy vahoaka hafa tonga tany amin' ny morontsiraka avaratra, 17 000 taona talohan' ny androntsika, nandritra ny faharavan' ny ranomandry tany amin' ny faritra avaratra. Ny manam-pahaizana hafa dia mino fa ny mponina voalohany dia niampita ny
Ranomasimbe Pasifika
tamin' ny sambo mba ho tonga tany
Amerika Atsimo
aloha.
Talohan' ny nahatongavan' ny
Eorôpeana
dia nisy sivilizasiôna maromaro nivoatra teo amin' ny tanin' i Etazonia amin' izao fotoana izao: ny
Mound Builders
dia nametraka ny dongom-pasana (
tumulus
) voalohany tamin' ny 3 400 tal. J.K. Tamin' ny taonjato faha-12, ny tanànan' i Cahokia, any akaikin' i Saint-Louis, dia nisy mponina 15 000 ka hatramin' ny 30 000 teo ho eo sy 120 dongom-pasana (
tumulus
).
Na dia eo aza ny fahasarotana amin' ny fametrahana antontan' isa, ny ankamaroan' ny mpahay tantara dia miombon-kevitra amin' ny fanombanana ny mponina tompontany tany amin' ny faritra misy an' i Etazonia ankehitriny ho 7 ka hatramin' ny 8 tapitrisa, tamin' ny taona 1492. Tamin' ny taonjato faha-16, ny tany ao atsinanan' ny
Tendrombohitra Be Harambato
(anglisy:
Rocky Moutains
) dia nonenan' ny
Amerindiana
: ny
Seiena
Cheyena
), ny
Absarôka
Crow
), ny
Ôtsety Sakôina
Sioux
), ny
Oendata
Wendat
), ny
Irôkoa
Iroquois
), ny
Tserôky
Cherokee
) ary ny
Moskôge
Creeks
) izay mpihaza ombidia bizôna nefa koa manao fambolena, fiotazana voankazo an' ala, fiompiana ary jono. Ny Irôkoa dia mipetraka ao amin' ny lohasahan' i Saint Lawrence (frantsay:
Saint-Laurent
), ao amin' ny faritry ny
farihy Erie
sy
Ontario
, ao amin' ny lohasahan' ny
ony Hudson
ary any amin' ny faritra andrefana amin' ny
tandavan-tedrombohitra Appalaches
. Mizara ho fokom-pirenena (
tribu
) lehibe enina izy ireo.
Fokon' ny mpiandry omby sy mpamboly, ny
Apasy
Apaches
), ny
Kômantsa
Comanches
) na Poeblô (
Pueblos
), no nonina tao amin' ny Tendrombohitra Be Harambato (
Rocky Moutains
).
Vanimpotoan' ny fananjahan-tany (1492-1775)
hanova
hanova ny fango
Christophe Colomb
Nahita ny
Kôntinanta Amerikana
Christohpe Colomb
(italiana:
Cristoforo Colombo
) tamin' ny taona 1492, ary avy eo nizaha ny zava-lisy tany amin' ny faritra misy an' i
Porto Rico
ankehitriny tamin' ny taona nanaraka. Tamin' ny taonjato faha-16 dia niondrana an-tsambo ny Eorôpeana nitady ny lalana an-dranomasina any Avaratra-Andrefana sy harena ary nanorim-ponenana nanaraka ny morontsirak' i
Atlantika
. Nifanarakaraka tonga ny voanjo
espaniôla
, ny voanjo
anglisy
, ny voanjo
frantsay
, ny voanjo
hôlandey
ary ny voanjo
skandinaviana
izay nitoetra tsy ela na maharitra kokoa. Ny toeram-pandraharahana malaza sy tranainy indrindra dia ny an' i Saint Augustine (Florida, 1565), Jamestown (1607) ary Plymouth (naorin' ireo
Ray mpivahiny masina
(anglisy:
Pilgrim Fathers
poritana
tamin' ny taona 1620).
Tany atsimo-andrefana, ny Espaniôla dia nanitatra an' i Espaina Vaovao (espaniôla:
Nueva España
) tamin' ny fanaovana diabe avy any
Meksika
. Tany avaratra-andrefana dia nanorim-ponenana teo amin' ny morontsirak' i Pasifika ny
Rosiana
. Nifandray sy nivarotra amin' ny tompon-tany ny
Fotsy Hoditra
. Tsy nahatohitra ny areti-mifindra (
nendra
kitrotro
) nampidirin' ny Eorôpeana, ny fampidirana fomba fiainanana vaovao (
toaka
basy
), ny fadringanana sy ny ady tamin' ny
fanjanahantany
anefa ny
Amerindiana
Nandritra ny taonjato faha-17 sy faha-18 dia niforona tsikelikely ny Zanatany Britanika telo ambin' ny folo tany amin' ny morontsiraka atsinanana, izay hikambana ka lasa Etazonia aty aoriana. Ny fanjanahana ny tany dia niantohan' ny kômpania sy ny fametrahana dina. Nizaha zava-misy any amin' ny lohasahan' i Mississippi ny
Frantsay
ary nanorina an' i Louisiana (frantsay:
Louisiane
). Vetivety dia nanjary nifaninanana sy niadian' ny firenena mpanjanaka i
Amerika Avaratra
: nametraka tsikelikely ny fahamboniany ny
Fanjakan' i Angletera
(izay lasa
Britaina Lehibe
tamin' ny taona 1707 taorian' ny fanakambanana azy amin' i
Ekôsy
) tamin' ny fandresena amin' ny
ady nifanandrinan' ny Anglisy sy ny Hôlandey
ary avy eo tamin' ny
Ady Fito Taona
(1763) tamin' i Frantsa, izay namoizany ny tany fananany any atsinanan' ny Mississippi.
Ny mpifindra monina britanika sy ny
varotra andevo
no tena nampisy ny mponina. Ny andevo mainty hoditra dia niasa any amin' ny toeram-pambolena
paraky
any atsimo sy niasa koa tamin' ny fampandrosoana ny
fotodrafitrasa
. Manodidina ny taona 1775 dia  niroborobo ny toekaren' ny zanatany telo ambin' ny folo ary nisy mponina maherin' ny roa tapitrisa tao amin' izy ireo.
Revôlisiôna, fahaleovan-tena, andim-panjakana vaovao (1776-1800)
hanova
hanova ny fango
Nandritra ny taompolo 1770 dia nitombo hatrany ny fanoheran' ny voanjo amerikana ny firenena niaviany any
Eorôpa
: nolavin' i
Lôndra
tsy nomena azy ireo ny tanin' ny
Indiana
any andrefan' ny
tendrombohitra Appalaches
. Nitombo ny hetra nefa tsy nanana solontena ao amin' ny Antenimiera britanika ny olom-pirenena amerikana. Nampijaly ny mpivarotra any amin' ny morontsiraka atsinanana ny fisian' ny ampihimamba amin' ny fividianana sy ny fivarotan' ny firenena mpanjanaka (frantsay:
exclusif colonial
). Nalefa tany Amerika ny andian-tafika vaovao ary niforona any New England sy any Philadelphia ary any Virginia ny hetsika revôlisiônera. Tamin' ny taona 1770 dia notifirin' ny miaramila britanika (izany ny fandringanana tao Boston) ny mpanao fihetsiketsehana. Tamin' ny Desambra 1773 dia natsipy sy nopotehin' ny voanjo ny entana dite tao anaty sambo (izany no atao amin' ny teny anglisy hoe
Boston Tea Party
): nipoaka amin' izay ny ady ho an' ny fahaleovantena tamin' ny taona nanaraka.
Ny mpikomy dia nandefa solontena ho any amin' ny Kôngresy Kôntinentaly (anglisy:
Continental Congress
) izay nankasitraka ny lahatsoratry ny Fanambaràna ny Fahaleovantenan' i Etazonia tamin' ny 4 Jolay 1776. Ity lahatsoratra ity, izay nosoratan' i
Thomas Jefferson
, dia manambara ny fotopotony momba ny fahafahana, momba ny fitoviana ary momba ny zo hikatsaka fahasambarana. Ny Fanambaràna ny Fahaleovatena amerikana ihany koa no nanorina firenena voalohany
afaka amin' ny fanjanahantany
, na dia tsy nanaiky izany aza i
Britaina Lehibe
tamin' ny voalohany. I
Marôka
no firenena voalohany nanaiky ny fahaleovantenan' i Etazonia, tamin' ny taona 1777. Nandritra ny ady dia olona an' arivony izay tsy nivadika (anglisy:
Loyalists
) tamin' ny fahefana britanika no nandositra an' ilay firenena. Ny tafika amerikana, izay nampian' i
Frantsa
(sy i
Espaina
ary i
Nederlandy
), notarihin' i
George Washington
, dia nandresena ny Britanika tamin' ny farany; ny fifanarahana tany Paris (anglisy:
Treaty of Paris
) dia nosoniavina tamin' ny taona 1783, izay naneken' i Britaina Lehibe ny fahaleovantenan' i Etazonia, sady namarana ny ady.
Ny Kôngresy Kôntinentaly Faharoa, izay nanamafy ny Lalàm-panorenan' ny Kônfederasiôna (anglisy:
Articles of Confederation and Perpetual Union
) tamin' ny taona 1781, dia namolavola ny Lalàm-panorenan' i Etaznia tamin' ny Fifanarahana tao Philadelphia (anglisy:
Philadelphia Convention
) tamin' ny taona 1787. Ity lahatsoratra ity, izay nampiana fanitsiana folo (Fanambaràna ny Zo, na
Bill of Rights
amin' ny teny anglisy) tamin' ny taona 1789 (nankatoavina tamin' ny tamin' ny taona 1791), dia mbola mijanona ho fototry ny demôkrasia amerikana ankehitriny. I George Washington no voafidy ho filoham-pirenena amerikana voalohany tamin' ny taona 1789. Niorina tanteraka tao an-tanànan' i Washington ny andrim-panjakana rehetra tamin' ny taona 1800.
Ny Fanambaràna ny Fahaleovantena (anglisy:
United States Declaration of Independence
) sy ny Fanambaràna ny Zon' ny fanjakan’ i Virginia (anglisy:
Virginia Declaration of Rights
), ary ny Fanambaràna ny Zo (anglisy:
United States Bill of Rights
) tamin' ny taona 1789 dia nisy fiantraikany tamin' ireo izay nampandry an-tsoratra ny Fanambaràna ny Zon'  Olombelona sy ny an' ny Olom-pirenena tamin' ny taona 1789 (frantsay:
Déclaration des droits de l'homme et du citoyen de 1789
). Tamin' ny taonjato faha-19 sy faha-20 dia nanao môdely an' io lahatsoratra io koa ny mpitarika ny fitakiana fahaleovantena toa an' i
Ho Chi Minh
tay
Vietnamy
nandritra ny
fanafahana amin' ny fanjanahantany
Fahazoana ny tany andrefana sy fampandrosoana ny indostria ary fiafaran' ny fanandevozana (1800-1917)
hanova
hanova ny fango
Ny tantara amerikana tamin' ny taonjato faha-19 dia voamariky ny zava-nitranga lehibe efatra: ny fakana ny tany any Andrefana, ny fanandevozana any atsimo, ny fandrosoan' ny indostria ary ny fifindra-monina.
Niitatra tsikelikely niankandrefana ny tanim-pirenena amerikana tamin' ny alalan' ny fividianana (Louisiana tamin' i
Frantsa
tamin' ny taona 1803, i
Alaska
tamin' i
Rosia
tamin' ny taona 1867) sy tamin' ny alalan' ny ady. Noho ny foto-pampianarana "Lahatra Miharihary" (anglisy: "
Manifest Destiny
") sy ny "petra-kevitra momba ny sisintany" miitatra hatrany (anglisy: "
Frontier Thesis
"), dia niady tamin' ny
Amerindiana
ny Amerikana ary niitatra miankandrefana ny taniny. Ny ady tamin' i
Meksika
(1846-1848) sy ny fifanarahana tao Guadalupe Hidalgo dia nitarika ny fanakambanana an' i
Texas
sy i
Califoria
amin' i Etazonia. Ny fifanarahana tao Oregon (1846) dia namaritra ny sisintany eo anelanelan' i
Kanada
sy i Etazonia any andrefan' ny
Tendrombohitra Be Vatolampy
. Nanafaingana ny fanjanahan-tany fotsy teo amin' ny tany Andrefana ny firohotana mankany amin' ny itrandrahana
volamena
(anglisy:
Gold rush
; frantsay:
ruée vers l’or
) tamin' ny tapaky ny taonjato faha-19. Tamin' ny taona 1859, ny fahitana ireo lalam-bolafotsy ambany tany lehibe indrindra teo amin' ny tantara dia niteraka firohotan' ny olona maro tany Nevada, tao amin' ny toeram-pitrandrahana
volafotsy
ao Comstock Lode.
Farany, ny fanamboarana ny
lalamby
miampita kôntinenta voalohany (taona 1869) dia nanamora ny fampidirana tany vaovao. Ny fahazoana ny tany Andrefana dia nifarana tamin' ny fandripahana olona tao Wounded Knee (taona 1890), sy ny fampidirana an' i
Hawaii
(1898) sy an' i
Arizona
(taona 1912) ho isan' i Etazonia.
Nofoanana teo amin' ny ambaratonga federaly tamin' ny taona 1808 ny
varotra andevo
mainty hoditra ary nofoanan' ireo fanjakana ao Avaratra ny fanandevozana teo anelanelan' ny taona 1777 sy 1804, nefa nanohy niaro an' io fanao io ny tompon' ny tany fambolena midadasika any Atsimo. Teo anelanelan' ny taona 1801 sy 1815 ny ady roa tamin' ireo
fanjakana barbareska
(tanin’ ny
Ôtômana
nefa tsy voafehiny) mba hiarovana ny sambo amerikana amin' ny
jiolahin-tsambo
barbareska izay misambotra ireo sambo ireo sy nanandevo ny tantsambo, ireo no ady voalohany nataon' i Etazonia ivelan' ny taniny.
Tamin' ny taona 1860, i
Abraham Lincoln
, kandidan' ny antoko manohitra ny fanandevozana, dia nandresy tamin' ny fifidianana filoham-pirenena: fanjakana mpanankasitraka ny fanandevozana fito no niala ary namorona ny
Confederate States of America
. Ny ady tao Fort Sumter (Avrily 1861) dia nanamarika ny fiandohan' ny ady an-trano fisaraham-bazana izay nahafaty olona 970 000 (3
% n' ny mponina amerikana), anisan' izany ny miaramila miisa 620 000. Nifarana ny ady tamin' ny taona 1865, izay nandresen' ny fanjakana any Avaratra, mpiaro ny varotra anatiny sy mpandala ny fitoviana eo anatrehan' ny lalàna, nanoloana ny fanjakana any Atsimo, izay mpankasitraka ny fifanakalozana ara-barotra malalaka sy ny fanandevozana.
Taorian' io fandresena io dia nisy fanitsiana telo tamin' ny
lalàm-panorenana
nolaniana mba hanafoanana ny
fanandevozana
, hanafahana ny andevo efatra tapitrisa, hanomezana azy ireo ny zom-pirenena sy ny zo hifidy. Saingy ny "lalàna Jim Crow" (anglisy:
Jim Crow Laws
) dia nampiditra ny fanavakavaham-bolon-koditra tany Atsimo, izay nanank-kery hatrany amin' ny taompolo 1950 sy 1960. Ny ady fisaraham-bazana koa dia nisy fiantraikany tamin' ny fanamafisana ny fahefana federaly.
Nanomboka tamin' ny taompolo 1850 ny fampandrosoana ny indostria. Niteraka korontana tamin' ny firafitry ny mponina sy ara-toekarena ary ara-tsôsialy izany. Nihamaro sy nihalehibe haingana ny tanàn-dehibe amerikana. Nihafaingana sy niseho amin' ny fomba isan-karazany ny
fifindra-monina
. Tamin' ny faran' ny taonjato faha-19 sy ny fiandohan' ny taonjato faha-20, ny revôlisiôna indostrialy faharoa dia nisehoan' ny fiarahamonina anjakan' ny
fanjifana
sy ny
fiarakodia
. Ny trano mijoalajoala (anglisy:
skyscrapers
) voalohany dia naorina tao afovoan-tànan' i
Chicago
sy i
New York
Ny gazety an-tsoratra dia tafiditra tan-tranon' ny tokantrano maro noho ny fanontana lehibe azo natao vokatry ny famoronana milina mihodinkodina.
Nandresy tamin' ny ady nifanaovany tamin' i
Espaina
i Etazonia tamin' ny taona 1898: lasza teo ambany fifehezan' i Washington i
Pôrtô Rikô
sy i
Filipina
, ary i
Kiobà
dia lasa
prôtektôrata
n' i Etazonia.
Famintinana
Toa izao ny fivoaran' ny fahazoany ny tany
Archived
Septambra 26, 2007 at the
Wayback Machine
1798
dia teo am-pelantanan' ny Amerikana ny faritra atsinanan' ny ony
Mississippi
manontolo.
1803
dia novidiny avy tamin' ny
Frantsay
ny faritra lemaka andrefan' i Mississippi.
1818
notapahina niaraka tamin' ny Britanika ny tokony ho sisin-tany avaratra.
1819
nanome tany vitsy any Louisiana sy any Colorado i
Espaina
izay resy an' ady.
1845
nahaleo tena avy tamin' i
Meksika
Texas
ka nitambatra tamin' i Etazonia
1846
nomen' ny Britanika ny faritra Oregon
1848
nomen' i Meksika izay resy an' ady ny faritra misy an' i California ankehitriny
1853
novidina tamin' i Meksika ny faritra atsimon' i Arizona
1857
novidina tamin' i
Rosia
i Alaska
1898
nozanahina ny nosy
Hawaii
1898
nomen' i Espaina izay resy an' ady ny nosy
Pôrtô-Rikô
1917
novidina tamin' i
Danemarka
ny nosy
Virgin Islands
sy ireo nosy madinika manodidina azy.
Lasa firenena matanjaka (1914-1945)
hanova
hanova ny fango
Taorian' ny
Ady Lehibe Voalohany
(1914-1918) vao azo lazaina hoe
firenena
anisan' ny matanjaka eran' izao tontolo izao i Etazonia. Niharan' ny fahantrana mafy anefa izy taorian' ny taona
1929
. Tsy nitsahatra izany raha tsy tapitra ny
Ady Lehibe Faharoa
(1945). Ka nanomboka ny
Ady Mangatsiaka
nifanoherany tamin' ny
Firaisana Sôvietika
Ny Ady Lehibe Voalohany tokoa no nanangana ny tanjak' i Etazonia; tamin' ny taonjato faha-20, i Etazonia no lasa firenena matanjaka ara-toekarena, ara-kolontsaina, ara-pôlitika ary ara-tafika voalohany eto an-tany. Tamin' ny voalohany dia firenena tsy niandany i Etazonia tamin' ny fiandohan' ny Ady Lehibe Voalohany, nanatevin-daharana ny Triple Entente tamin' ny naha filoham-pirenena an' i
Woodrow Wilson
ity firenena ity ary niditra an-tsehatra tamin' ny ady tamin' ny 6 Avrily 1917.
Nampitsimbadika ny fifandanjan-kery teo amin' ny ady i Etazonia. Ny Kôngresin' i Etazonia dia nandà ny hanamafy ny fifanarahana tao Versailles (1919) sy ny hampiditra ny Ligin' ny Firenena, ka tsy niala amin' ny fotokevitry ny fitokana-monina (isolationism). Ny vanim-potoana teo anelanelan' ny Ady Lehibe roa dia vanim-potoan' ny firoboroboana ara-materialy sy ara-kolontsaina, fantatra amin' ny anarana hoe "
Roaring Twenties
". Ny
vehivavy
ary avy eo ny
Amerindiana
dia mahazo zo hifidy. Fotoana fandrarana ny toaka (anglisy:
Prohibition
) sy fametrahana ny asa vaventim-panjakana nataon' ny filoha isan-karazany (indrindra ny Tohodranon' i Hoover sy ny Tetezana Golden Gate tamin' ny taompolo 1930) koa izany.
Franklin D. Roosevelt
Ny Fahasahiranana ara-Toekarena Lehibe (anglisy:
Great Depression
; frantsay:
Grande Dépression
) tamin' ny taona 1929 taorian' ny fianjeran' ny Wall Street (anglisy:
Wall Street Crash of 1929
) dia tena nahatonga ny fitomboan' ny tsy fananana asa. Ny rivotra narahim-bovoka mahery vaika (anglisy:
Dust Bowl
) dia nisy fiantraikany goavana tamin' ny faritra atsimo amin' i Etazonia sady nampitombo ny fahorian' ny tantsaha. Voafidy tamin' ny taona 1932 i
Franklin Delano Roosevelt
ary nanolotra
New Deal
("Fifanarahana Vaovao") hiadiana amin' ny krizy, amin' ny alalan' ny fametrahana ny fototry ny "fanjakana mpiahy" (anglisy:
Welfare state
; frantsay:
Etat providence
), tsy tahaka an' i
Calvin Coolidge
sy i
Herbert Hoover
filoham-pirenena teo alohany izay nanatanteraka ny pôlitikan' ny
Laissez-faire
("avelao hana"), izany hoe tsy fidiran' ny fanjakana amin' ny lamina ara-toekarena. Nihena tanteraka ny tsy fananana asa nandritra ny
Ady Lehibe Faharoa
Ny fanafihan' ny
Japôney
tao
Pearl Harbor
tamin' ny 7 Desambra 1941 dia nahatonga an' i Etazonia hiditra an-tsehatra nanampy ny firenena mpiara-dia (anglisy:
Allies
; frantsay:
Alliés
) niady amin' ny firenena ao amin' ny "Teza" (anglisy:
Axis
; frantsay:
Axes
), ka namarana ny lalàn' ny tsy fiandanian' ny taona 1930 (anglisy:
Neutrality Acts
). Ny tafika amerikana dia nanana anjara toerana lehibe amin' ny fanafahana an' i
Eorôpa Andrefana
sy nandritra ny ady tao Pasifika (nifanaovan' ny
Allies
tamin' i Japana). Tamin' ny Aogositra 1945, ny filoha
Harry S. Truman
dia nanapa-kevitra ny handatsaka
bômba atômika
roa ao amin' ny Empiran' i Japana mba hahatonga an' ity farany tsy hiady intsony. Lasa firenena matanjaka indrindra miaraka amin' ny
Firaisana Sôvietika
i Etazonia. Ny
Dinan' ny Firenena Mikambana
, nosoniavina tamin' ny Jona 1945 tany
San Francisco
, dia nametraka ny fototra ijoroan' ny
Firenena Mikambana
, izay manatanteraka ny fihaonambeny ao
New York
Ny Ady Mangatsiaka (1945-1991)
hanova
hanova ny fango
Harry S. Truman
Ny
Ady Mangatsiaka
dia tsy nahitana fifandonana ara-tafika fa fifandonan-kevitra. Tao anatin' ny taona maro taorian' ny ady, i Etazonia dia lasa mpitarika ny toby kapitalista nanohitra ny
Firaisana Sôvietika
: nanomboka amin' izay ny Ady Mangatsiaka izay nampifanandrina môdely ara-pôlitika sy ara-toekarena roa. Mba hisakanana ny fiitaran' ny
kôminisma
amin' ny firenena hafa (anglisy:
Containment
; frantsay:
endiguement
) dia niditra an-tsehatra tany
Eorôpa
ny Amerikana tamin' ny alalan' ny
Drafitra Marshall
(anglisy:
Marshall Plan
; frantsay:
Plan Marshall
) - famatsiam-bola ny fanarenana ny firenena eorôpeana taorian' ny ady, sy amin' ny alalan' ny fametrahana miaramila ao an-drenivohitr' i
Alemaina
nandritra ny fanakanan' ny
Firaisana Sôvietika
ny fidiran' ny firenena matanjaka telo (i Etazonia sy i
Frantsa
ary ny
Fanjakana Mitambatra
) amin' ny lalana an-tanenty mankao
Berlin
(anglisy:
Berlin Blockade
; frantsay:
blocus de Berlin
) - ary ny fananganana ny
Fikambanan' ny Fifanarahan' i Atlantika Avaratra
(frantsay:
Organisation du traité de l'Atlantique nord
– OTAN, na anglisy:
North Atlantic Treaty Organization -
NATO) sy fametrahana miaramila any Azia (
Ady tao Kôrea
sy
Ady tao Vietnamy
).
Toy izany koa, tamin' ny taona 1949, i Truman dia nanamafy ny fanampiany ny
firenena tsy mandroso
hampitombo ny fari-piainan' izy ireo amin' ny alalan' ny fampandrosoana ny indostria, amin' ny alalan' ny fandraisana fanampiana ara-teknika avy any Etazonia. Nanomboka tamin' ny taona 1948, ankoatra izany, dia niaro an' i
Israely
ara-diplômasia sy nanome fitaovam-piadiana ho an' ity firenena ity i Etazonia, dia i Israely izay notohanany tamin' ny fananganana azy ho fialofan' ny
Jiosy
taorian' ny fandripahana foko (
Shoah
) nihatra taminy. I Etazonia koa dia nanomboka tamin' ny hazakazaka amin' ny fanamboarana fitaovam-piadiana sy ho eny amin' ny habakabaka (namorona ny NASA tamin' ny taona 1958, dingana voalohany teny amin' ny
volana
tamin' ny taona 1969). Tamin' ny taona 1962, ny krizin' ny balafomanga tao
Kiobà
dia saika nampipoaka ny
Ady Lehibe Fahatelo
ary nitarika ho amin' ny fanaovan' i Etazonia ankivy tanteraka an' i Kiobà nofaritan' i
John Fitzgerald Kennedy
, izay mbola manan-kery, na dia nohalefahina aza izany hatramin' izay.
Richard Nixon
Ny tantara anatin' i Etazonia dia voamariky ny
hetsiky ny Afrô-Amerikana momba ny zo sivily
(anglisy:
Civil rights movement
) tamin' ny taompolo 1950 sy 1960, notarihan' ny
Afrikana-Amerikana
toa an' i
Martin Luther King
sy i
Malcolm X
, sy ny
tantara ratsin' i Watergate
nahavoarohirohy ny filoha
Richard Nixon
tamin' ny taona 1974, izay nanery azy hametra-pialana. Ny pôlitika vaovaon' i
Ronald Reagan
(fantatra amin' ny anarana hoe Reaganomics), voafidy tamin' ny taona 1980, dia nahomby teo amin' ilay firenena sy tany ivelany, izay nankasitraka ny fifandraisana, indrindra amin' ny
Firaisana Sôvietika
, sy ny fampihenana ny fitaovam-piadiana. I Etazonia dia heverina ho mpandresy tamin' ny
Ady Mangatsiaka
taorian' ny firodanan' ny
Vondrona Kômonista
Tantarany ankehitriny (1991- ankehitriny)
hanova
hanova ny fango
Bill Clinton
Hatramin' ny nifaranan' ny
Ady Mangatsiaka
sy ny faharavan' ny
Firaisana Sôvietika
teo anelanelan' ny taona 1989 sy 1991 dia i Etazonia no hany firenena matanjaka indrindra eran-tany. Hita izany amin' ny alalan' ny herisetra izay azony atao izay tsy ilany fierana amin' ny
Firenena Mikambana
. Miditra an-tsehatra amin' ny fiakaran' ny disadisa ara-diplômatika any
Afovoany Atsinanana
i Etazonia, ary nandray anjara amin' ny
Ady tao amin' ny Hoala
. Ny vanipotona naha filoham-pirenena an' i
Bill Clinton
dia voamariky ny ady ao
Iogôslavia
, ny
raharaha Monica Lewinsky
, ny firongatan' ny "tapoaka Internet" (frantsay:
bulle Internet
; anglisy:
dot-com bubble
) ary ny fitohizan' ny fitomboan' ny toekarena.
Tonga teo amin' ny fitondrana i
George W. Bush
tamin' ny taona 2001 taorian' ny fifidianana izay anisan’ ny nahabe resaka indrindra teo amin' ny tantaran' ilay firenena, saingy fanapahan-kevitry ny Fitsarana Tampon' i Etazonia no nahafahany nandresy an' i
Al Gore
. Tamin' ny 11 Septambra 2001 i Etazonia dia niharan' ny fanafihan' ny
mpampihorohoro
islamista
izay namoizana ain' olona efa ho telo arivo. Ho setrin' izany dia nanangana "ady amin' ny fampihorohoroana" tany
Afganistàna
ary avy eo tany
Iràka
ny governemanta federaly.
Tamin' ny taona 2005 dia namely ny atsimon' ilay firenena ny rivodoza Katrina, izay iray amin' ireo nandrava indrindra teo amin' ny tantara. Nanomboka tamin' ny taona 2007 dia niharan' ny krizy ara-toekarena sy ara-bola i Etazonia, vokatr' ilay atao hoe
subprime mortgage crisis
(frantsay:
crise des subprimes
) ary naneni-tany izany. Bankirompitra ny orinasa lehibe toa an' i
Lehman Brothers
sy ny
General Motors
Barack Obama
Tamin' ny taona 2008 dia voafidy ho filoham-pirenena i
Barack Obama
ary izy no filoham-panjakana afrikana-amerikana voalohany tao Etazonia. Ny pôlitikany dia mifanohitra amin' ny an' ny teo alohany, indrindra teo amin' ny sehatra anatiny, izay nahomby tamin' ny fanavaozana ny lamim-pahasalamana, ny drafitra fanarenana ara-toekarena ary ny fanaovana ho ara-dalàna ny
fanambadian' ny mitovy fananahana
taorian' ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Tampony.
Tamin' ny taona 2010, ny
Hoalan' i Meksika
sy ny morontsiraka atsimon' i Etazonia dia niparitahan' ny solitany izay ratsy indrindra nahazo ilay firenena taorian' ny fipoahan' ny toeram-pitrandrahana solitanin' ny BP. Niady tamin' ny
fanjakana islamika
tany
Iràka
sy tany
Siria
indray tany
Afovoany Atsinanana
i Etazonia tamin' ny taona 2014; roa taona taty aoriana dia voafidy ho filoha i
Donald Trump
. I
Joe Biden
no nandimby azy tamin' ny taoa 2021.
Jereo koa
hanova
hanova ny fango
Firenena ao Amerika:
Antigoa-sy-Barboda
Arjentina
Bahamasy
Barbady
Belizy
Bôlivia
Brezila
Dôminika
Ekoadôra
Etazonia
Goatemala
Goiana
Grenady
Haity
Hôndorasy
Jamaîka
Kanada
Kioba
Kôlômbia
Kôsta Rika
Meksika
Nikaragoa
Orogoay
Panama
Paragoay
Però
Pôrtô Rikô
Repoblika Dôminikana
Salvadôro
Santa Losia
Santa-Kity-sy-Nevisy
Santa-Vinsanta-sy-Grenadina
Silia
Sorinama
Trinite-sy-Tôbagô
Venezoela
Kôntinenta eto an-tany:
Afrika
Amerika
Amerika Avaratra
Amerika Atsimo
) -
Azia
Eorôpa
Ôseania
Antarktika
Lahatsoratra ilaina
Ady Mangatsiaka
Teratanin' i Amerika
Louisiane française
Frantsa V
ao
vao -
New York
Ady ho an' ny fahaleovantena
Ny fanjakana 50 any Etazonia
Jeôgrafian' i Etazonia
Tantaran' i Etazonia
Kolontsaina ao Etazonia
Fivavahana ao Etazonia
Toekaren' i Etazonia
AL
Alabama
Montgomery
AK
Alaska
Juneau
AZ
Arizona
Phoenix
AR
Arkansas
Little Rock
CA
California
Sacramento
CO
Colorado
Denver
CT
Connecticut
Hartford
DE
Delaware
Dover
FL
Florida
Tallahassee
GA
Georgia
Atlanta
HI
Hawaii
Honolulu
ID
Idaho
Boise
IL
Illinois
Springfield
IN
Indiana
Indianapolis
IA
Iowa
Des Moines
KS
Kansas
Topeka
KY
Kentucky
Frankfort
LA
Louisiana
Baton Rouge
ME
Maine
Augusta
MD
Maryland
Annapolis
MA
Massachusetts
Boston
MI
Michigan
Lansing
MN
Minnesota
Saint Paul
MS
Mississippi
Jackson
MO
Missouri
Jefferson City
MT
Montana
Helena
NC
North Carolina
Raleigh
ND
North Dakota
Bismarck
NE
Nebraska
Lincoln
NV
Nevada
Carson City
NH
New Hampshire
Concord
NJ
New Jersey
Trenton
NM
New Mexico
Santa Fe
NY
New York
Albany
OH
Ohio
Columbus
OK
Oklahoma
Oklahoma City
OR
Oregon
Salem
PA
Pennsylvania
Harrisburg
RI
Rhode Island
Providence
SC
South Carolina
Columbia
SD
South Dakota
Pierre
TN
Tennessee
Nashville
TX
Texas
Austin
UT
Utah
Salt Lake City
VT
Vermont
Montpelier
VA
Virginia
Richmond
WA
Washington
Olympia
WV
West Virginia
Charleston
WI
Wisconsin
Madison
WY
Wyoming
Cheyenne
Rohy Ivelany
hanova
hanova ny fango
en
Etazonia
es
Etazonia
Hita tao amin'ny "
Sokajy
Endrika ampiasaina amin'ny jeografia
Jeografia
Etazonia
Etazonia
Hanampy lohahevitra