Fiteny malagasy — Wikipedia
Hankany amin'ny vontoatiny
Avy amin'i Wikipedia
Fiteny malagasy
Isan'ny mpiteny
25 tapitrisa (teny nibeazana)
Faritany
Madagasikara
Komaoro
Sata
Ofisialy any Madagasikara (miaraka amin'ny teny frantsay)
Mpandamina
Akademia Malagasy
Kaodim-piteny
mg, mlg
Soratra
latina
Fiteny malagasy
Ny
fiteny
malagasy
dia fiteny ao amin'ny
vondrom-piteny baritô
, anisan'ny
fiteny aostrôneziana
sy
fitohizam-pitenim-paritra
ampiasaina indrindra eto
Madagasikara
. Ny karazany mahazatra, antsoina hoe "
malagasy ôfisialy
", no
fiteny ôfisiali
n'ny
Repoblikan'i Madagasikara
, miaraka amin' ny
fiteny frantsay
. Ny fiteny malagasy no
fiteny malaiô-pôlineziana andrefana indrindra
, fitenin'ny mponina eto
Madagasikara
nanomboka tamin'ny fiorenam-ponenan'ny
Aostrôneziana
avy any amin'ny
Nosy Sunda
(eo amin' ny 7 300 km any ho any) tamin'ny manodidina ny taonjato faha-5 taor. J.K. Anisan' ny
fiteny baritô
ny fiteny malagasy ary mifandray akaiky indrindra amin'ny
fiteny maaniany
, izay mbola ampiasaina any
Borneo
. Ahitana teny indrana avy amin'ny
fiteny maley
maro koa ny fiteny malagasy
, nanomboka tamin'ny fiorenam-ponenan'ny Aostrôneziana sy ny varotra teo amin'i Madagasikara sy ireo Nosy Sunda
. Taorian'ny taona 1000 taor. J.K. dia nampiditra
teny banto
sy
teny arabo
maro, nentin'ny mpivarotra sy mpifindra monina vaovao, ny fiteny malagasy.
Manodidina ny 29 tapitrisa ny olona miteny malagasy eto Madagasikara sy ao
Kômôro
. Ny ankabeazan'ny mponina eto Madagasikara dia manao an'io fiteny io ho fiteny voalohany, toy ny ataon'ny sasany amin'ny taranaky ny Malagasy any amin'ny toeran-kafa. Mizarazara ho
fitenim-paritra
roa ambin'ny folo ny fiteny malagasy, izay azo avondrona amina sokajim-pitenim-paritra roa lehibe: fitenim-paritra tatsinanana sy fitenim-paritra tandrefana. Miteny amin'ny
fitenim-paritra merina
ny mponina ao amin' ny tany avo afovoan'ny Nosy, izay misy an'Antananarivo renivohitra sy nisy ny
Fanjakana Merina
taloha. Ny fitenim-paritra merina no fototry ny fiteny malagasy ampiasain' ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny haino aman-jery eto Madagasikara. Io fiteny malagasy manara-penitra io no iray amin' ny fiteny ôfisialy roa ao Madagasikara, miaraka amin'ny fiteny frantsay, araka ny
lalàm-panorenan
'ny
Repoblika fahefatr
'i Madagasikara tamin' ny taona 2010.
Soratana amin'ny
tarehin-tsoratra latina
nampidirin'ny misiônera tandrefana tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-19 ny fiteny malagasy. Talohan'izany dia nampiasaina ny
Sorabe
izay fampifanarahana ny
abidy arabo
amin'ny fiteny malagasy.
Araka ny antontanisan'ny
Akademia malagasy
dia ny 83,61
% dia tsy miteny afatsy amin' ny fiteny malagasy
Fanasokajiana
hanova
hanova ny fango
Ny endriky ny fiteny malagasy dia tsy tahaka ny fiteny ao
Afrika
satria io fiteny io dia ao amin'ny vondrona
malaiô-pôlineziana
, sampan'ny vondrona
aostrôneziana
, vondrona ahitana koa fiteny any
Indônezia
Malezia
Filipina
ary any nosy any
Pasifika
. Raha ny marina, ny fifandraisan'ny fiteny malagasy amin'ny fiteny aostrôneziana hafa dia efa tsikaritry ny manampahaizana tany am-boalohany, toa an'ilay Hôlandey manampahaizana,
Adriaan Reland
, tamin'ny taona 1708
Ny fiavian'ny fiteny malagasy dia fantatry ny mpandinika ny fiteny hatramin'ny taonjato faha-19. Ny fiteny malagasy dia iray vondrona amin'ny
fiteny baritô
any amin' ny faritany atsimo-atsinanana amin'ny nosy
Bôrneô
. Amin'ny fiteny aostrôneziana rehetra, i
Dahl
(1951) dia nampiseho fa ny fiteny malagasy sy ny fiteny maaniany – izay fiteny baritô atsinanana ampiasaina any Kalimantan Afovoany (any Indônezia ao amin'ny nosy Borneo) – dia tena mifandray akaiky
. Io fiteny io koa dia misy nandray singa maro avy amin'ny
fiteny malay taloha
. Fanampin'izany dia nindrana teny sy singa momba ny fanakambanana feo avy amin'ny
fiteny banto
ny fiteny malagasy (Dahl 1988).
Betsaka ny fitovian'ny fiteny malagasy amin'ny
fiteny maaniany
, fiteny tenenina ao amin'ny faritry ny renirano
Barito
, ao amin'ny tapany atsimon'i
Bôrneô
. Lazaina fa
mponina aotrôneziana
avy amin'ny
Tambanosy Maley
nandalo tany Bôrneô no nipetraka teto Madagasikara, na dia tsy fantatra aza ny anton'io fifindramonina io. Taty aoriana dia nihevitra i
Adelaar
(1995) fa ny voambolana ao amin'ny fiteny malagasy koa dia ahitana teny maro avy any
Sulawesi Atsimo
10
. Ny porofo fanampiny momba ity sosokevitra ity dia natolotr'i
Blench
(2018)
11
Taonjato maro taty aoriana, nifangaro tamin'ny
Arabo
sy ny
Masombika
(Afrikana avy amin'ny Tontolo Soahily) ny
Aostrôneziana
. Any
Banjarmasin
, nosin'i
Kalimantan
Indônezia
) no foiben'ny fiteny baritô. Ny fiteny akaikikaikin'ny fiteny malagasy ankehitriny dia ny
fiteny maaniany
. Misy koa ny
fiteny samihima
sy ny
fiteny dosona deiaha
sns. Ao amin'ny fiteny malagasy dia misy indran-teny avy amin'ny
fiteny arabo
sy avy amin'ny
fiteny soahily
Oha-pampitahana
hanova
hanova ny fango
Azo ampitahaina ny voambolana fototra avy amin' ny
lisitra Swadesh
ary izy io dia mamoaka ity tabilao manaraka ity:
malagasy
malay-indôneziana
tahisiana
tany
tanah
fenua
(ind.
benua
= "kôntinenta")
lanitra
langit
ra'i
rano
air
danau
= "farihy")
vai
afo
api
āuahi
lehilahy
lahy
laki-laki
tane
vehivavy
vaviny
wanita
perempuan
vahine
mihinana
homana
makan
'amu
misotro
minona
minum
inu
lehibe
ngeza
,"be"
besar
rahi
kely
tity
kecil
iti
alina
Maizina
malam
po
andro
matsana
hari
mahana
Fanisana
10
prôtô-aostrôneziana
, tokony 4000 tal. J.K.
*isa
*duSa
*telu
*Sepat
*lima
*enem
*pitu
*walu
*Siwa
*puluq
malagasy
iray/isa
roa
telo
efatra
dimy
enina
fito
valo
sivy
folo
maaniany
isa
rueh
telo
epat
dime
enem
pitu
balu
su'ey
sapulu
kadazana
iso
duvo
tohu
apat
himo
onom
tu'u
vahu
sizam
hopod
dosona
iso
duo
tolu
apat
limo
onom
turu
walu
siam
hopod
varay
usá
duhá
tuló
upát
limá
unóm
pitó
waló
siyám
napúlo
tagalôga
isá
dalawá
tatló
ápat
limá
ánim
pitó
waló
siyám
sampu
hiligainôna
isa
duha
tatlu
apat
lima
anum
pito
walu
siyam
pulo
kinaray-a
sara
darwa
tatlo
apat
lima
anəm
pito
walo
siyam
pulû
ilôkanô
maysá
dua
talló
uppát
limá
inném
pitó
waló
siam
sangapúlo
samôrô
maisa/håcha
hugua
tulu
fatfat
lima
gunum
fiti
guålu
sigua
månot/fulu
maley
indôneziana
sy
maleziana
satu
dua
tiga
empat
lima
enam
tujuh
(de)lapan
sembilan
sepuluh
sondaney
hiji
dua
tilu
opat
lima
genep
tujuh
dalapan
salapan
sapuluh
javaney
siji
loro
telu
papat
limå
nem
pitu
wålu
sångå
sepuluh
tetoma
ida
rua
tolu
haat
lima
neen
hitu
ualu
sia
sanulu
fijiana
dua
rua
tolu
vā
lima
ono
vitu
walu
ciwa
tini, -sagavulu
tôngana
taha
ua
tolu
fā
nima
ono
fitu
valu
hiva
-fulu
samoan
tasi
lua
tolu
fa
lima
ono
fitu
valu
iva
sefulu
Tantara
hanova
hanova ny fango
Sorabe
mandraikitra ny ampahan' ny tadidy mikasika an' i
Ralitavaratra
. Ny sorabe no abidy nampiasaina tamin' ny fanoratana ny teny malagasy malagasy alohan' ny naha-ôfisialy ny
abidy latina
Ny
Aostrôneziana
avy any
Azia Atsimo-Atsinanana an-dranomasina
avy any amin'ny
Nosy Sunda
(Tangoro-nosy Maley) no nanorim-ponenana voalohany teto
Madagasikara
12
. Mikasika ny làlan'izy ireo, ny mety ho nahatongavan'ny
fiteny aostrôneziana indôneziana
dia niampita mivantana ny
Ranomasimbe Indianina
avy any
Java
ka hatraty Madagasikara. Azo inoana fa namakivaky ireo nosin'i
Maldiva
izy ireo, izay misy porofon'ny famolavolana endriky ny sambo indôneziana tranainy sy ny teknôlôjian'ny fanjonoana izay mbola misy mandraka ankehitriny
13
. Nitohy nandritra ny arivo taona voalohany ny fifindramonina, araka ny nohamafisin'ny mpikaroka momba ny fiteny izay naneho ny fifandraisana akaiky teo amin'ny fiteny malagasy sy ny
fiteny maley taloha
sy ny
fiteny javaney taloha
tamin'io vanim-potoana io
14
. Avy amin'ny
fiteny baritô
atsimo-atsinanana ny fiteny malagasy, ary ny fiteny maaniany no mpihavana akaiky indrindra aminy, miaraka amin'ny indran-teny maley sy javaney maro
15
. Fantatra fa nentin'ny
Maley
sy ny
Javaney
mpivarotra ho mpiasa sy
andevo
tamin'ny andian-tsambon'izy ireo ny
Maaniany
, andian-tsambo izay tonga teto Madagasikara tamin'ny manodidina ny taona 50–500 taor. J.K.
16
17
. Taty aoriana, tokony tamin'ny taona 1000, ny Aostrôneziana tonga voalohany dia nifangaro amin'ny
Banto
sy ny
Arabo
, ankoatra ny hafa
18
. Misy ny porofo fa ny fahatongavan'ny
fitenim-paritra malagasy
voalohany tany amin'ny faritra atsimon'ny morontsiraka atsinanan'i Madagasikara
19
Manana zavakanto nentim-paharazana amin'ny teny (
hainteny
) ary tantara sy angano an-tononkalo ny
Malagasy
. Ny malaza indrindra dia ny tantaran'i Ibonia, izay Malagasy maherifo
20
Ny haisoratra malagasy dia efa nanomboka tamin'ny taonjato faha-19. Ny Frantsay tonga tao Fort-Dauphin (
Taolagnaro
) tamin'ny taonjato faha-17, dia nahita soratra tamin'ny
sorabe
. Ny soratra voalohany natao amin'ny
abidy latina
dia ny
rakibolana
malagasy-hôlandey nosoratana tamin' ny fanombohan'ny taonjato faha-17 navoakan' i
Gabriel Ferrand
voalohany tamin'ny 1908. Ny sorabe dia soratra mety nampidirina eto Madagasikara tamin'ny taonjato faha-15.
Radama I
, mpanjaka nahay mamaky teny sy manoratra tao amin'ny
Fanjakana Merina
, dia nametra ny
litera
ampiasaina ao amin'ny
abidy malagasy
avy amin'ny
abidy latina
mbola ampiasaintsika amin'izao fotoana izao; saingy ny fitsipi-panoratana ampiasaina fotsiny no niova. Nikasa hanangana fiangonana sy trano sekoly hianarana
abidy
miaraka amin'ireo misiônera prôtestanta avy ao amin'ny
London Missionary Society
i Radama I.
Ny boky voalohany natonta printy tamin'ny teny malagasy soratana amin'ny abidy vaovao, dia ny
Baiboly
, nadikan'ny misiônera kristiana britanika niasa tao Imerina tamin'ny taona 1835. Ny
rakibolana
vita printy voalohany dia ny rakibolana malagasy-frantsay nataon'i
Étienne de Flacourt
Faritra itenenana azy
hanova
hanova ny fango
Ny fiteny malagasy no tena fiteny ampiasaina indrindra eto
Madagasikara
. Miteny izany koa ny vondrom-piarahamonina malagasy any amin’ ireo nosy manodidina ao amin'ny
Ranomasimbe Indianina
toa an'i
La Réunion
, i
Mayotte
ary i
Maorisy
. Misy ihany koa ny vondrom-piarahamonina malagasy mpila ravinahitra miteny io fiteny io any
Eorôpa
sy any
Amerika Avaratra
Satan'ny fiteny malagasy
hanova
hanova ny fango
Ny
fitenim-paritra merina
ao amin'ny fiteny malagasy no heverina ho
fitenim-pirenena
eto Madagasikara. Anisan'ny
fiteny ôfisialy
roa, miaraka amin'ny
fiteny frantsay
izy io ao amin' ny
Lalàm-panorenana
tamin'ny taona 2010 izay nametraka ny
Repoblika fahefatra
. Teo aloha, araka ny lalàm-panorenana tamin'ny taona 2007, ny fiteny malagasy dia iray amin'ireo fiteny ôfisialy telo miaraka amin'ny fiteny frantsay sy ny
fiteny anglisy
. Ny fiteny malagasy no fiteny enti-mampianatra eny amin'ny sekolim-panjakana rehetra hatramin'ny kilasy fahadimy ho an'ny taranja rehetra, ary mijanona ho fiteny enti-mampianatra hatramin'ny lisea ho an'ny taranja tantara sy ny teny malagasy. (jereo:
Fanagasiana
Fitenim-paritra eto Madagasikara
hanova
hanova ny fango
Fitenim-paritra malagasy
Rehefa jerena amin'ny lafiny fandiniham-piteny ny fiteny malagasy, dia misy
fitenim-paritra
maromaro fa mitovitovy, izay heverina fa tsy fiteny mahaleotena ny tsirairay aminy. Ny mpahay teny dia mizara ny fitenim-paritra malagasy ho vondrona roa, dia ny fitenim-paritra tatsinanana (ahitana ny
fiteny merina
) sy ny fitenim-paritra tandrefana (ahitana ny
fiteny sakalava
), ka ny faritry ny tovifiteny dia manaraka ny hazondamosin' ny Nosy, ary amin'izany ny atsimo dia ao amin'ny vondrona andrefana, fa ny lembalemba afovoany sy ny ankamaroan'ny avaratra (ankoatra ny any amin'ny tendrony indrindra) dia ao amin'ny vondrona atsinanana. Ny
Ethnologue
dia mirakitra fitenim-paritra malagasy roa ambin'ny folo izay sokajiany ho fiteny miavaka. Misy fitoviana voambolana eo amin' ny 70
% amin'ny fiteny merina izy ireo. Na dia mitondra anaram-poko aza ny fitenim-paritra malagasy dia tsy mltovy ny isan'ny
foko
sy ny fitenim-paritra eto Madagasikara.
Fitenim-paritra tatsinanana
hanova
hanova ny fango
Araka ny fanasokajian'ny
Ethnologue
dia misy fitenim-paritra dimy ny vondrona atsinanana, dia ireto izany:
fiteny betsimisaraka avaratra
(mpiteny miisa 1 270 000) – fitenin'ny
Betsimisaraka
any amin'ny morontsiraka avaratra-atsinanan'ny Nosy;
fiteny betsimisaraka atsimo
(misy mpiteny miisa 2 000 000) – tenenin'ny
Betsimisaraka
ao amin'ny tapany avaratra amin'ny
Faritra Vatovavy sy Fitovinany
fitenin'ny afovoan-tany
, (misy mpiteny miisa 10 893 000) – tenenina ao afovoan'ny Nosy sy ahitana fitenim-paritra
betsileo
bezanozano
merina
sihanaka
tanala
antefasy
, ary
antemoro
fiteny tanosy
(ahitana mpiteny miisa 639 000) – tenenin'ny
Antanosy
any atsimon'ny Nosy
21
fiteny tesaka
(misy mpiteny miisa 1 130 000) – tenenin'ny Antaisaka any atsimo-atsinanan'ny Nosy
22
Fitenim-paritra tandrefana
hanova
hanova ny fango
Araka ny fanasokajian'ny
Ethnologue
dia misy fitenim-paritra enina, miampy ny
fiteny kibosy
, ny vondrona andrefana, dia ireto izany:
fiteny antankarana
(misy mpiteny miisa 156 000) – tenenin'ny
Antankarana
any amin'ny tendrony avaratry ny Nosy;
fiteny bara
(misy mpiteny miisa 724 000) – tenenin'ny
Bara
any amin'ny tapany atsimon'ny Nosy;
fiteny masikoro
(misy mpiteny miisa 550 000) – tenenin'ny
Masikoro
any amin'ny tapany atsimo-andrefan'ny Nosy;
fiteny sakalava
(misy mpiteny miisa 1 210 000) – fitenin'ny Sakalava any amin'ny morontsiraka andrefan'ny Nosy;
fiteny tandroy-mahafaly
(mpiteny miisa 1 300 000) – fitenin'ny Antandroy sy ny Mahafaly any amin'ny tendrony atsimo amin'ny Nosy, izay mizara ho
fiteny tandroy
sy
fiteny mahafaly
fiteny tsimihety
(misy mpiteny miisa 1 615 000) – tenenin'ny
Tsimihety
22
fiteny kibosy
(misy mpiteny miisa 41 700) dia tenenina ao amin'ny faritr' i
Mayotte
23
, izay ao anatin'ny
Vondro-nosy Kômôro
any avaratra-andrefan'i Madagasikara.
Eto Madagasikara dia misy ny
fiteny malagasy ôfisialy
izay miasa eran'ny Nosy amin'ny raharaham-panjakana sy ny haino aman-jery (
gazety
sy ny
radiô
ary ny
fahitalavitra
) ary ny
fivavahana
nampidirina teto
Madagasikara
Fahasamihafan'ny fitenim-paritra
hanova
hanova ny fango
Hita eo ambany ny tabilao maneho ny lanjan'isan'ny fahasamihafan'ny tenim-paritra.
Lanjan' isan' ny fitoviam-boambolana amin' ny tenim-paritra
10
11
12
13
14
15
16
17
18
Merina
100
81
81
92
92
86
78
80
79
68
71
68
70
70
61
77
69
61
Temoro
81
100
78
79
80
78
81
88
88
67
69
71
72
69
61
76
73
65
Betsimisaraka
81
78
100
84
78
77
80
78
75
77
70
65
66
62
54
74
96
61
Sihanaka
92
79
84
100
86
81
76
79
77
72
69
67
68
66
59
72
68
58
Betsileo
-1
m 1
92
80
78
86
100
88
77
81
79
68
74
71
75
71
61
79
71
62
Betsileo-2
m 2
86
78
77
81
88
100
77
80
77
67
71
74
79
74
66
82
75
66
Antambahoaka
78
81
80
76
77
77
100
74
74
69
66
64
64
60
52
67
64
56
Antesaka
80
88
78
79
81
80
74
100
89
67
70
71
73
72
62
76
72
63
Zafisoro
79
88
75
77
79
77
74
89
100
63
68
68
72
71
61
76
71
63
10
Tsimihety
68
67
77
72
68
67
69
67
63
100
75
61
64
63
54
68
64
56
11
Tankarana
71
69
70
69
74
71
66
70
68
75
100
65
68
69
59
70
67
56
12
Vezo
68
71
65
67
71
74
64
71
68
61
65
100
84
74
64
77
80
69
13
Mahafaly
70
72
66
68
75
79
64
73
72
64
68
84
100
80
68
83
86
76
14
Sakalava
-1
m 3
70
69
62
66
71
74
60
72
71
63
69
74
80
100
82
79
75
66
15
Sakalava-2
m 4
61
61
54
59
61
66
52
62
62
54
59
64
68
82
100
70
67
63
16
Bara
77
76
74
72
79
82
68
76
76
68
70
77
83
79
70
100
85
74
17
Tandroy
-1
m 5
69
73
69
68
71
75
64
72
71
64
67
80
86
75
67
85
100
83
18
Tandroy-2
m 6
61
65
61
58
62
66
56
63
63
56
56
69
76
66
68
74
83
100
Ambositra
Fianarantsoa
Morondava
Belon' i Tsiribihina
Masinoro, Ambalavao
Antanimoro
Voambolana
hanova
hanova ny fango
Ny ankamaroan'ny voambolana fototra dia itovian'ny fiteny malagasy amin'ny
fiteny maaniany
, izay fiteny any amin'ny faritry ny ony
Barito
any amin'ny tapany atsimon' i
Borneo
. Ny fiteny malagasy koa dia ahitana indran-teny sasany avy amin'ny
fiteny arabo
sy
banto
(indrindra ny
sampana sabaky
, izay niavian'ny
fiteny soahily
indrindra), ary vao haingana avy amin'ny
fiteny frantsay
sy
anglisy
Indran-teny tamin' ny fiteny javaney sy maley
hanova
hanova ny fango
Betsaka ny indran-teny amin'ny fiteny malagasy avy amin'ny
fiteny maley
sy
fiteny javaney
taloha; anisan'ireo teny ireo ny hoe
trozona
, iray amin'ny teny maley hoe
duyung
; ny
horita
avy amin'ny teny hoe
gurita
; ny
fano
avy amin' ny teny hoe
penyu
, ny
hara
avy amin'ny teny maley hoe
karah
, ny
fanohara
(karazan-tsokatra) avy amin'ny teny maley hoe
penyu karah
rivotra
avy amin'ny teny maley hoe
ribut
midika "rivomahery" na "rivodoza";
tanjona
avy amin'ny teny maley hoe
tanjung
harana
avy amin' ny teny maley hoe
karang
sambo
sy
nosy
avy amin' ny
teny javaney
hoe
sāmvaw
sy
nusa
, sns.
Indran-teny avy amin' ny fiteny sanskrity
hanova
hanova ny fango
Ny indran-teny avy amin'ny
teny sanskrity
dia mikasika ny isa sy ny
tetiandro
. Azo atao ohatra izao ny teny hoe
tantara
avy amin'ny teny sanskrity hoe
tantra
midika "rijan-kevitra" na "teôria"; toraka izany koa ny teny hoe
hetsy
(100 000) izay avy amin'ny teny maley hoe
keti
nindramina tamin'ny teny sanskrity hoe
koṭi
midika hoe "folo tapitrisa".
Ny teny avy amin'ny
fiteny sanskrity
moa dia nindramin'ny fiteny malagasy talohan'ny nahatongavan' ny
Malagasy
teto Madagasikara. Noho izany dia niharan'ny fiovàna ara-drafipeo izy ireo, ka tsy fantatra avy hatrany intsony ny fiaviany raha tsy dinihana amin'ny alalan'ny
haifiteny
mampitaha (
frantsay
linguistique comparative
24
Indran-teny avy amin'ny fiteny hafa
hanova
hanova ny fango
Ankehitriny ny fiteny malagasy dia indran-teny tamin'ny
fiteny arabo
(voambolana mikasika ny
fanandroana
), ny
fieny soahily
(voambolana mikasika ny biby ompiana toy ny teny hoe
omby
ondry
na
akoho
) ary tamin'ny
teny frantsay
sy
anglisy
ho an'ny voambolana mikasika ny fitaovana ampiasaina amin'izao fotoana izao, toy ny
solosaina
azo tenenina koa hoe
ordinatera
na
kompiotera
. Ao koa ny anaran'ny karazan-java-kohanina toy ny
piza
(na
pija
), ny
makaraona
sns...
Nanana ny fianjadiany ihany koa ny
fiteny arabo
, indrindra indrindra amin'ny voambolana ampiasaina amin'ny
fanandroana
ary ireo vondron-kintan'ny
zôdiaka
Alahamady
Adaoro
Asorotany
, sns...; ary koa amin'ny lafiny
tetiandro
, amin'ny fampiasana ireo teny arabo ho fiantsoana ny
anaran'andron' ny herinandro
Alatsinainy
Talata
Alarobia
, sns..
Feon-teny
hanova
hanova ny fango
Zanapeo
hanova
hanova ny fango
Aseho anatin'ity fàfana eto ambany ity ny
zanapeo
n'ny fiteny malagasy.
Aloha
Afovoany
Aoriana
Avo
(i, y)
(o)
Afovoany
(e)
Ambany
(a)
Renifeo
hanova
hanova ny fango
Ireto kosa ny
renifeo
n'ny fiteny malagasy.
Amolotra roa
Amolora sy anify
Anify
Ankihy
Andanilany
Ambavatraoka
Mipoaka
Marenina
(p)
(t)
t͡s
(ts)
(k)
Misy feo
(b)
(d)
d͡z
(j)
(g)
Marenina mialohan'ny orona
ᵐp
(mp)
ⁿt
(nt)
ⁿt͡s
(nts)
ŋk
(nk)
Misy feo mialohan'ny orona
ᵐb
(mb)
ⁿd
(nd)
ⁿd͡z
(nj)
ᵑɡ
(ng)
Mikasaoka
Marenina
(f)
(s)
(h)
Misy feo
(v)
(z)
An' orona
(m)
(n)
An-tsisiny
(l)
Mikodia
(r)
Fanoratana ny teny malagasy
hanova
hanova ny fango
Ny fampiasana ny abidy arabo: ny Sorabe
hanova
hanova ny fango
Sorabe
malagasy
Ny fiteny malagasy dia nanana literatiora an-tsoratra izay azo inoana fa efa tamin'ny taonjato faha-15. Rehefa nanorina an'i
Fort-Dauphin
ny Frantsay tamin'ny taonjato faha-17, dia nahita soratra arabo-malagasy nampiasaina, antsoina hoe
Sorabe
سُرَبِ
).
Ny Sorabe dia
abidy
avy amin'ny
abjady arabo
ajami
) izay natao hanoratana ny fiteny malagasy, indrindra indrindra ny fiteny ao amin'ny tapany atsimo-atsinanan'i Madagasikara: ny fiteny
antemoro
anteoñy
sy
anakara
). Fantatra fa isaina aman-jatony ny lahatsoratra nosoratana tamin'ny alalan'io abidy io; ny tena antitra amin'ireo lahatsoratra ireo dia nosoratana tany amin'ny taonjato faha-17 tany ho any.
Io abidy sorabe io dia nampiasaina indrindra tamin'ny lahatsoratra momba ny
fanandroana
. Ny sora-tanana tranainy indrindra fantatra fa natao tamin'io soratra io dia angona voambolana fohy malagasy-
hôlandey
tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-17, izay navoakan'i
Gabriel Ferrand
25
voalohany tamin'ny taona 1908 na dia tsy maintsy efa tafiditra tany amin'ny tapany atsimo-atsinanan'i Madagasikara aza ilay soratra tamin'ny taonjato faha-15
26
Tamin'ny taonjato faha-18 dia fantatra ary nampiasain'ny
foko
rehetra eran'i Madagasikara io abidy io: tao Imerina, nanafatra mpanoratra antemoro i
Andrianampoinimerina
mba hampianatra ny ankizy hamaky teny ary hanoratra. Izay no nahatonga an-d
Radama
hahay manoratra sy namaky teny hatry ny fahazazàny.
Ny fandikana amin'ny fiteny roa voalohany ny lahatsoratra ara-pivavahana dia ny nataon'i
Étienne de Flacourt
27
, izay namoaka ny rakibolana voalohany tamin'io fiteny io koa
28
Sorabe ampifandraisina amin'ny tarehin-tsoratra latina
Litikana
Fiafarana
Anatiny
Fiandohana
IPA
Abidy latina
ا
ـا
ا
/ʔ/
ب
ـب
ـبـ
بـ
/b, ᵐb/
b / mb
ت
ـة
ـتـ
تـ
/ts, ⁿts/
ts / nts
ج
ـج
ـجـ
جـ
/dz, ⁿdz/
j / nj
ڊ
ـڊ
ڊ
/d/
ر
ـر
ر
/r/
رّ
ـرّ
رّ
/ɖʳ, ᶯɖʳ, ʈʳ, ᶯʈʳ/
dr / ndr / tr / ntr
س
ـس
ـسـ
سـ
/s/
ࢋ
ـࢋ
ـࢋـ
ࢋـ
/t, ⁿt/
t / nt
ع
ـع
ـعـ
عـ
/ŋ/
n̈
غ
ـغ
ـغـ
غـ
/g, ᵑɡ/
g / ng
ٯ
ـٯ
ـڧـ
ڧـ
/f/
ٯّ
ـٯّ
ـڧّـ
ڧّـ
/p, ᵐp/
p / mp
ك
ـك
ـكـ
كـ
/k, ᵑk/
k / nk
ل
ـل
ـلـ
لـ
/l/
م
ـم
ـمـ
مـ
/m/
ن
ـن
ـنـ
نـ
/n/
و
ـو
و
/v/
ه
ـه
ـهـ
هـ
/h/
ي
ـي
ـيـ
يـ
/z/
Ny fampiasana ny abidy latina
hanova
hanova ny fango
Radama I
, izay nahay namaky teny voalohany tao amin'ny
Fanjakana Merina
, na dia nahay nampiasa ny Sorabe aza
29
, dia nisafidy ny
abidy latina
avy amin'i
David Jones
tamin'ny taona 1823 ary nanasa ny misiônera prôtestanta tao amin'ny
London Missionary Society
hanangana sekoly sy fiangonana. Ny
Baiboly
, izay
nadika tamin'ny teny malagasy
tamin'ny taona 1835 nataon'ny misiônera prôtestanta britanika niasa tany afovoan-tany teto Madagasikara, no boky voalohany natao pirinty tamin'ny teny malagasy nampiasa ny tarehin-tsoratra latina
20
. Misy
litera
21 (
a, b, d, e, f, g, h, i, j, k, l, m, n, o, p, r, s, t, v, y, z
) ny
abidy malagasy
ankehitriny.
Samy maneho ny feo [i] ny litera
sy
: ny
ampiasaina any amin'ny fiafaran'ny teny, fa ny
kosa any an-kafa.Tononina hoe [u] ny
o,
tahaka ny ou amin' ny teny frantsay.
Ny feo [ʈʂ/] sy [ɖʐ] dia soratana hoe
tr
sy
dr
, ary ny [ts] sy [dz] dia soratana hoe
ts
sy
. Matetika dia tsy tononina ny litera
. Manaraka ny fanononana azy ao amin'ny
Abidy ara-drafipeo iraisam-pirenena
ny litera hafa rehetra. Tsy ampiasaina amin'ny fanoratana ny teny malagasy na amin'ny teny vahiny
nohagasina
ny litera
c, q, u, w
ary
Ny
mp
, ary indraindray ny
nt
, dia mety manomboka teny iray, saingy tononina [p] sy [t].
Mitovy rafitra amin'ny abidy ampiasaina amin'izao fotoana izao ny abidin-dRadama I: ny isan'ny
litera
ampiasaina dia mbola iraika ambin'ny roapolo. Izany anefa tsy misakana ny fampiasana ny litera latina hafa mba hanoratana ny teny vahiny tsy nohagasina (toy ny hoe
watt
).
Ireto ny
litera
ampiasaina amin'ny teny malagasy (ny eo anelanelan'ny fononteny dia ampiasaina amin'ny fiteny malagasy noho ny fampiasana azy ireo amin' ny teny vahiny): a, b, (c), d, e, f, g, h, i, j, k, l, m, n, o, p, (q), r, s, t, (u), v, (w), (x), y, z.
Fivoaran'ny fanoratana ny teny malagasy
hanova
hanova ny fango
Niharan'ny fiovana ny fanoratana ny teny malagasy. Samihafa ny fanoratana ny teny malagasy tamin'ny andron-d
Radama I
(taona 1820-1830) sy ny fanoratana ny teny malagasy tamin'ny faramparan' ny
Fanjakan' i Madagasikara
(faran'ny taonjato faha-19). Io fanoratana ny teny malagasy tamin'ny faran'ny taonjato faha-19 io koa dia samihafa amin'ny fanoratana ny teny malagasy tamin'ny
fanjanahantany
izay samihafa ihany koa amin'ny fanoratana ny teny malagasy amin'izao fotoana izao.
Ny
tendro satroka
dia apetraka eo ambonin' ny litera
) mba hanoratana ny teny indrana sasany na amin'ny
fitenim-paritra malagasy
sasany, araka ny Didim-panjakana laharana 17-603 AC tamin' ny 10 Nôvambra 1965
30
31
Misy fitenim-paritra malagasy ampiasana litera fanampiny, ny roa amin' ireo dia nampidirina tamin' ny alalan' ny Didim-panjakana laharana 62-404 tamin' ny 9 Aogositra 1962:
ny
n̂
ilazana ny feo
, alohan' ny fototeny manomboka amin' ny
na
, ohatra:
man̂embana
man
embana
) (izay midika hoe "mangalatra") sy manembana (
man
sembana
) (izay midika hoe "manakorontana");
ny n̈ manamarika ny
, alohan' ny fototeny manomboka amin' ny
na
, ohatra:
man̈asa
man
asa
) (izay midika hoe "madranitra") sy
manasa
man
sasa
) (izay midika hoe "manadio amin' ny rano")
32
Fampiasana ny teny malagasy
hanova
hanova ny fango
Ampisain'ny Malagasy amin'ny endrika
fitenim-paritra
na ny
fiteny ôfisialy
ny fiteny malagasy. Amin'ny lafiny ôfisialy dia ny tenim-pirenena (
malagasy ôfisialy
) no tena ampiasaina ary matetika io ihany no fiteny an-tsoratra. Mampiasa ny teny malagasy fiteny ôfisialy na tenim-paritra koa ny Malagasy mipetraka any ivelan' i
Madagasikara
, na dia tsy maro aza ny fianakaviana malagasy tsy mampianatra ny tenindrazany amin'ny zanany.
Eo amin'ny
aterineto
indray, dia vitsy ny tranonkala mampiasa ny teny malagasy ho fitenin'ny votoatiny. Matetika ny Malagasy dia mampiasa ny
teny frantsay
rehefa miresaka momba ny fampahalalàna. Miampy izany koa ny safidin'ny mpikarakara tranonkala izay misafidy ny teny frantsay ho fitenin'ny votoatiny. Araka izany dia mamaky ary matetika mifanakalo hevitra amin'ny teny frantsay ny Malagasy eo amin'ny tranonkala.
Volana natokana ho an'ny fiteny malagasy ny volana Jona, ka ny
Akademia Malagasy
sy ny Ministera misahana ny kolontsaina no mikarakara ny fankalazàna azy.
Wikipedia sy Aterineto amin' ny teny malagasy
hanova
hanova ny fango
Tsy mampiasa ny
Wikipedia
amin'ny fiteny madinika ny olona noho ny
ratsy mifamahana
. "Tsy tia hamorona votoatiny ny olona satria tsy hisy hamaky, ary tsy misy mamaky satria tsy misy votoatiny." Tahàka ireo
Jordanianina
manoratra amin'ny
teny anglisy
mba ho azon'ny olona bebe kokoa, manoratra amin'ny
teny frantsay
ny Malagasy mba ho azon'ny olona any ivelan'i Madagasikara. Hoy izay mpanoratra izay," raha mamorona votoatiny bebe kokoa amin' ny teny nibeazany ny Malagasy, dia hisy kokoa ny votoatiny amin'ny teny malagasy ary ho vaky ilay boribory vetaveta". Araka izany, amin'ny lafiny sasany, hahafahana mamorona fitaovana toy ny mpandika teny anglisy-malagasy ireo orinasa lehiben'ny tranonkala.
33
Rakibolana
hanova
hanova ny fango
Ny rakibolana voalohany amin’ny teny malagasy an-tsoratra dia nosoratana tamin’ny alalan’ny sorabe. Ny rakibolana voalohany nampiasa abidy latina dia ny
Dictionnaire de la langue de Madagascar
nosoratan’i Etienne de Flacourt, izay natonta tamin’ny taona 1658.
Taorian’izany dia nivoaka ny
English-Malagasy Vocabulary
. Tamin’ny taona 1885, dia navoakan’ny London Missionary Society ny rakibolana malagasy-anglisy iray izay ahitana pejy 892. Na izany aza, dia misy voambolana tranainy ao anatin’io rakibolana io. Efa nisy fanovàna maro natao tamin’io rakibolana io taty aoriana, indrindra amin’ny lafiny hatetika, izay miankina amin’ny firaketan-dahatsoratra misy teny mihoatra ny dimy tapitrisa.
Winterton, M. et al.:
Malagasy–English, English–Malagasy Dictionary / Diksionera Malagasy–Anglisy, Anglisy–Malagasy
. Raleigh, North Carolina. USA: Lulu Press 2011, 548 p.
Richardson:
A New Malagasy–English Dictionary
. Farnborough, England: Gregg Press 1967, 892 p.
ISBN 0-576-11607-6
(Original edition, Antananarivo: The London Missionary Society, 1885).
Diksionera Malagasy–Englisy
. Antananarivo: Trano Printy Loterana 1973, 103 p.
An Elementary English–Malagasy Dictionary
. Antananarivo: Trano Printy Loterana 1969, 118 p.
English–Malagasy Phrase Book
. Antananarivo: Editions Madprint 1973, 199 p. (Les Guides de Poche de Madagasikara.)
Paginton, K:
English–Malagasy Vocabulary
. Antananarivo: Trano Printy Loterana 1970, 192 p.
Bergenholtz, H. et al.:
Rakibolana Malagasy–Alemana
. Antananarivo: Leximal/Moers: aragon. 1991.
Bergenholtz, H. et al.:
Rakibolana Alemana–Malagasy
. Antananarivo: Tsipika/Moers: aragon. 1994.
Régis Rajemisa-Raolison:
Rakibolana Malagasy
. Fianarantsoa 1995, 1061 p.
Fitsipi-pitenenana
hanova
hanova ny fango
Ny fehezanteny amin’ny teny malagasy dia matetika manaraka ny rafitra manaraka izao: Matoanteny – Fameno – Lazaina (MFL), izay fantatra amin’ny teny anglisy hoe VOS (Verb–Object–Subject). Na izany aza, mety hiovaova io firafitry ny fehezanteny io arakaraka ny endriky ny matoanteny ampiasaina, araka ny ohatra aseho etsy ambany. MFL tsotra
Mandahatra ny miaramila aho.
Mampiasa endrika mivantana ny
matoantenin' ny mpanao
ny fehezanteny eo ambony
34
Rariteny M(L)F
Alahatro ny miaramila.
Mampiasa ny
matoantenin' ny atao
ny fehezanteny eo ambony. Miraikitra amin'ny matoanteny ny mpanao ny asa (-
ko
).
Matoanteny
hanova
hanova ny fango
Ny
matoanteny
no fanahin'ny fiteny ary mamaritra ny
tao
sy
hetsika
ary
fiainana
ny matoanteny. Mamaritra ny fisiana izy, noho ny fisian'ny matoanteny
misy
; mamaritra ny
tao
izy, ohatra: "tia aho", "miasa ianareo"; mamaritra ny fiaretana izy, amin'ny alalan'ny matoantenin'ny atao: "tiana aho", "esorina ianao".
35
Ny matoanteny dia ampiasaina amin'ny filazàna,
fandavana
na fanambaràna zavatra izay mbola atao na efa natao: "miasa ny olona", "nomen'olona vola aho"; mibaiko, manasa na mametra-panontaniana
36
Matoantenin' ny mpanao sy ny matoantenin' ny atao
hanova
hanova ny fango
Ny matoanteny dia azo atao anaty sokajy telo: ny
matoantenin'ny mpanao
sy ny
matoantenin'ny atao
, ary ny matoanteny tsy mitongilana. Ny matoantenin'ny mpanao dia mamaritra ny
lazaina
manao zavatra. Ny matoantenin'ny atao dia mamaritra ny lazaina miaritra na iharan-javatra.
Ny matoantenin'ny mpanao dia:
lazaina fa mivantana (anglisy:
direct
) rehefa manaraka ny matoanteny ny lazaina: ohatra: "miteny aho"; "miasa aho", sns.
lazaina fa manilika (anglisy:
exclusive
) rehefa manaraka ny lazaina ny mpameno. Izany dia midika fa ilay lazaina ary ilay lazaina ihany no manao ilay zavatra. Ohatra: "izaho no miteny"; "Rakoto no manjono", sns.
lazaina fa manantitra (anglisy:
emphatic
) rehefa manaraka ny matoanteny ny lazaina. ohatra
: "izaho miteny", "izaho misotro".
Telo no endriky ny matoantenin'ny atao.
Ny voalohany dia antsoina hoe
endrika tsotra
, satria avy amin'ny
filaza mandid
'ny fototeny izy. Ohatra: ny matoantenin'ny atao "sotroina" dia avy amin'ny filaza mandidy "sotroy" izay avy amin'ny fototeny "sotro".
Ny endrika faharoa dia manana
tovana
mamaritra ny mpanao, na ny
lazaina
. Ohatra "ampianariko ny ankizy", "dioviko ny trano", sns.
Ny fahatelo dia ny endrika ara-
toejavatra
, satria mampiasa ny toejavatry ny fotoana, na toerana, na fomba. Ohatra: "Tany an-trano no nisotroan'ny olona rano".
Ny matoantenin'ny atao tsotra dia manana endrika mivantana, manantitra na manilika.
37
Ny matoanteny tsy mitongilana dia mamaritra tao izay mikasika ny mpanao ary ny mpanao ihany. Ohatra: "Velona aho"; "Mandeha ianao". Manana fiendrika manano ary fiendrika anoina ny matoanteny tsy mitongilana: "Mandeha aho" (mat. mpanao); "andehanako", "alehako" (mat. atao). Manana ny endrika mivantana, manantitra ary manilika ireo matoanteny tsy mitongilana ireo.
Sokajy matoanteny dimy
hanova
hanova ny fango
Faharoa, azo sokajina dimy ny matoanteny malagasy
Ny
matoanteny mitampody
(reflektiva),
Ny matoanteny mamari-pahafahana (
anglisy
potentative verb
). Ny
tovona
mamaritra azy io dia ny tovona
maha-
. Manana endrika mivantana, manantitra (emfatika) ary mandroaka ireo matoanteny ireo.
Ny matoanteny mamaritra fivoarana (
anglisy
intensive verb
) dia mamaritra ny hafatratra, ny fitomboana na ny fivoaran'ny
tao
iray. Ny tovona mamaritra ireo matoanteny ireo dia ny tovona
miha-
ohatra ao anatin'ny
mihalava
mihafohy
mihavitsy
mihafeno
, sns. Misy fiendrika manano sy ny fiendrika anoina io matoanteny io. Ao amin' ny
fiendrika manano
(ang.:
active voice
) sy amin'ny
fiendrika anoina
(ang.
passive voice
) dia ahitana ny endrika mivantana, endrika manantitra (emfatika) ary endrika mandroaka (ang.:
exclusive form
). Amin'ny endrika misy solonteny voatovana amin'ny matoanteny mamaritra fivoarana dia ahitana ny endrika mivantana manantitra sy mandroaka.
38
Ny matoanteny mampita (ang.:
transitive verb
) izay mamaritra ny tao ataon'ny lazaina eo amin'ny fameno. Ny tovona mamaritra ireo matoanteny ireo dia ny tovona
man-
(manana endrika miova arakaraky ny
fototeny
Ny matoanteny
mpifanao
(ang.:
reciprocative verb
) Ao amin'io sokajy matoanteny io dia ahitana ny fiendrika manano ary ny fiendrika anoina izay samy manana ny endrika mivantana, manantitra ary manilika.
39
. Ny endrika mpifanao dia manana ny fiendrika manano, ny fiendrika anoina ary ny endrika voatovana solonteny.
Amin'ny fàfana eo ambany dia aseho ny
tsirinteny
araky ny endriky ny matoanteny avy amin'ny fototeny "latsaka".
Tsirinteny matoanteny* araky ny sokajiny
fiendrika manano
fiendrika anoina
ary endrika voatovana soloteny
Reflektiva
milatsaka
latsahana
Mamari-pahafahana
mahalatsaka
ahalatsahana
Mamari-pivoarana
mihalatsaka
ihalatsahana
Mampita
mandatsaka
andatsahana
Mifanao
mifandatsaka
ifandatsahana
(*) Ny endrika ankehitriny ihany no aseho.
Zana-pizaràna na fisokajiana fanampiny
hanova
hanova ny fango
Ny fizaràna fanindroan'ny matoanteny malagasy dia sokajy telo: endrika
mpampanao
(ang.:
causative
), endrika mampanao mpifanao (ang.:
reciprocative causative
) ary endrika mampanao mamaritra fahafahana (ang.:
potentative causative
). Ny
tovona
amin'ireo matoanteny ireo dia fitambaran'ny tovona ao amin'ny endrika mampanao amin'ny tovoy na ao amin'ny endrika mpifanao na mamari-pivoarana.
Tsirintenin' ny matoanteny* mampanao
40
fiendrika manano
fiendrika anoina
na endrika voatovana soloteny
Mampitranga
reflektiva
mampilatsaka
ampilatsahana
Mampitranga
mamari-pahafahana
mampahalatsaka
ampahalatsahana
Mampitranga
mamari-pivoarana
mampihalatska
ampihalatsahana
Mampitranga
mampita
mampandatsaka
ampandatsahana
Mampitranga
mifanao
mifampilatsaka
ifampilatsahana
(*) Ny endrika ankehitriny ihany no aseho.
Ireo matoanteny mampanao mpifanao dia natao hamaritana ny zavatra mampanao, na, ny zavatra ataon'ny olona na zavatra mifampivoho. Ireo matoanteny ireo dia aorina amin'ny alalan'ny fanovàna ny tovona
m-
ho
mif-
amin'ny endrika mampanao ny matoanteny mivantana.
Tsirintenin'ny matoanteny mampanao* mifampivoho
41
fiendrika manano
fiendrika anoina
na endrika voatovana soloteny
mampitranga mpifanao
ny matoanteny reflektiva
mifampilatsaka
ifampilatsahana
mampitranga mpifanao
ny matoanteny mamari-pahafahana
mifampahalatsaka
ifampahalatsahana
mampitranga mpifanao
ny matoanteny mamari-pivoarana
mifampihalatsaka
ifampihalatsahana
mampitranga mpifanao
ny matoanteny mampita
mampandatsaka
ampandatsahana
mampitranga mpifanao
ny matoanteny mifamoivoho
mifampilatsaka
ifampilatsahana
(*) Ny endrika ankehitriny ihany no aseho.
Ny endrika mampitranga fahafahana dia maneho ny fahafahana na ny fahafahana mampanaon'ny tao.
Tsirintenin'ny matoanteny mampanao* fahafahana
42
fiendrika manano
fiendrika anoina
na endrika voatovana soloteny
mampitranga fahafahana
ny matoanteny reflektiva
mahampampilatsaka
ahampampilatsahana
mampitranga fahafahana
ny matoanteny mamari-pahafahana
mahampampahalatsaka
ahampampahalatsahana
mampitranga fahafahana
ny matoanteny mamari-pivoarana
mahampampihalatsaka
ahampampihalatsahana
mampitranga fahafahana
ny matoanteny mampita
mahampampandatsaka
ahampampandatsahana
mampitranga fahafahana
ny matoanteny mifanao
mahampampifandatsaka
ahampampifandatsahana
(*) Ny endrika ankehitriny ihany no aseho.
Anarana sy mpisolo
hanova
hanova ny fango
Ny
mpisolo
tena amin'ny teny malagasy dia maro ary miankina amin'ny fifandraisan'ilay mpiteny amin'ilay olona itenenana ny fampiasana azy.
Tambinteny
hanova
hanova ny fango
Ny
tambinteny
dia teny ampiarahina amin'ny
mpamaritra
, ny
matoanteny
(mamaritra anarana na tsia) ary tambinteny hafa. Ao amin'ny teny malagasy dia ahitana karazana tambinteny telo: ny tambinteny mamaritra isa (fandaharana na fanisàna); tambinteny mamaritra fotoana: ankehitriny (oh.:
ankehitriny
izao ihany
anio
, sns.), efa lasa (
sahady
taloha
rahateo
, sns.) na ho avy (oh.:
hatrizay
arakizao
rahampitso
, sns.); ireo tambinteny mamaritra fitsingerenana (
matetika
indraindray
rahoviana
, sns.); ireo tambinteny mamaritra fitsingerenana voatanisa (oh.:
indray
indroa
intelo
isan'andro
isam-bolana
, sns.); ireo tambinteny mamaritra toerana (oh.:
aloha
aoriana
dia
mandavanandro
, sns.); ireo tambinteny mamaritra zava-mitranga tsy misy fiafaràna (oh.:
mandrakariva
mandrakizay
tsy ... intsony
43
Mpamaritra toerana
hanova
hanova ny fango
Mpamaritra toerana malagasy
Akaiky
Lavidavitra
Lavitra
Tambinteny
Tsy hita
atỳ
àto
ào
àtsy
àny
aròa*
arỳ
Hita
etỳ
èto
èo
ètsy
èny
eròa
erỳ
Soloteny
Tsy hita
izatỳ*
izàto*
izào
izàtsy*
izàny
izaròa*
izarỳ*
Hita
itỳ
ìto
ìo
ìtsy
ìny
iròa*
irỳ
Hita pl.
irèto
irèo
irètsy
irèny
ireròa*
irerỳ*
Fanamarihana
Tsy voatery asiana
tendro
ny mpamaritra toerana.
Tsy ampaisaina matetika ny mpamaritra toerana misy ny *.
Jereo koa
hanova
hanova ny fango
Abidy malagasy
Fiteny eto Madagasikara
Fitsipiteny malagasy
Lohahevitra sasany momba ny fitsipiteny malagasy
Fameno
Mpampiankina
Fitodika
na
fiendrika
Tsirinteny
Filazam-potoana
Fanehoan-javatra
Filaza
Sokajin-teny
Fiteny be mpampiasa ao Afrika
Ireto ireo fiteny be mpampiasa ao Afrika: ny
fiteny afrikansa
agny
amharika
anglisy
arabo
bambara
baole
berbera
bete
diola
fanga
fola
(na
fiteny peola
),
frantsay
haosa
iôroba
kitoba
lingala
malagasy
môre
pôrtogey
soahily
sômaly
sôninke
soso
tigrinia
vôlôfo
ary
zolo
Rohy ivelany
hanova
hanova ny fango
Tatitra
Ethnologue
mikasika ny teny malagasy
Foibe momba ny Teny an' ny Akademia Malagasy
Ny fifehezanteny malagasy
ao amin'i teny.org (
renisokajy
Archived
Aprily 8, 2022 at the
Wayback Machine
Rakibolana sy Rakipahalalana malagasy
Mediatioran' ny Repoblika “Mila hadika amin' ny teny malagasy ny didy aman-dalàna
”",
www.tiatanindrazana.mg
Boky malalaka
en
A grammar of the Malagasy language, in the Ankova dialect
, nosoratan'i David Griffiths, 1854
Клименко В. В.
Малагасийский язык // Большая российская энциклопедия. Том 18. Москва, 2011, с. 600-601.
Archived
Desambra 23, 2023 at the
Wayback Machine
Клименко В. В.
Словари малагасийского языка в России и за рубежом // Архонт, 2023, № 2, с. 83-91.
Tsiahy
hanova
hanova ny fango
Isaina ny teny malagasy ofisialy miaraka amin'ny tenim-paritra
Jereo ny
fiteny antalaotra
Lisitry ny kaody ISO 639 ho an'ny fitenim-paritra
Blench, Roger (2009),
Remapping the Austronesian expansion
Archived
Mey 16, 2024 at the
Wayback Machine
(PDF), p. 8. In Evans, Bethwyn (2009). Discovering History Through Language: Papers in Honour of Malcolm Ross. Pacific Linguistics.
Otto Chr. Dahl,
Malgache et Maanjan: une comparaison linguistique
, Egede-Instituttet Avhandlinger, no. 3 (Oslo: Egede-Instituttet, 1951), p. 13.
archive
Malagasy's family tree
" on
Ethnologue
Blench, Roger (2007).
"New Palaeozoogeographical Evidence for the Settlement of Madagascar"
(PDF).
Azania: Archaeological Research in Africa
Arsiva
tamin’ ny 21 -07-2011.
Dahl, Otto Christian (1951),
Malgache et Maanyan: Une comparaison linguistique
, Avhandlinger utgitt av Instituttet 3 (in French), Oslo: Egede Instituttet
Adelaar, Alexander (1995). "
Asian Roots of the Malagasy: A Linguistic Perspective
".
Bijdragen tot de Taal-, Land- en Volkenkunde
. 151 (3): 325–356..
Blench, Roger (2018),
Interdisciplinary Approaches to Stratifying the Peopling of Madagascar
Archived
Mey 23, 2024 at the
Wayback Machine
(PDF) – via
www.rogerblench.info
Ricaut, François-X; Razafindrazaka, Harilanto; Cox, Murray P; Dugoujon, Jean-M; Guitard, Evelyne; Sambo, Clement; Mormina, Maru; Mirazon-Lahr, Marta; Ludes, Bertrand; Crubézy, Eric (2009).
"A new deep branch of eurasian mtDNA macrohaplogroup M reveals additional complexity regarding the settlement of Madagascar"
BMC Genomics
. 10 (1): 605.
P. Y. Manguin.
Pre-modern Southeast Asian Shipping in the Indian Ocean: The Maldive Connection
. ‘New Directions in Maritime History Conference’ Fremantle. December 1993.
Adelaar, K. Alexander; Himmelmann, Nikolaus, eds. (2005).
The Austronesian Languages of Asia and Madagascar
. Psychology Press.
K. Alexander Adelaar, "
The Indonesian Migrations to Madagascar: Making Sense of the Multidisciplinary Evidence
" (PDF), in Truman Simanjuntak, Ingrid Harriet Eileen Pojoh and Muhammad Hisyam (eds.),
Austronesian Diaspora and the Ethnogeneses of People in Indonesian Archipelago
, (Jakarta: Indonesian Institute of Sciences, 2006), pp. 8–9.
Dewar, Robert E.; Wright, Henry T. (1993).
"The culture history of Madagascar"
Journal of World Prehistory
. 7 (4): 417–466.
Burney DA, Burney LP, Godfrey LR, Jungers WL, Goodman SM, Wright HT, Jull AJ (August 2004).
"A chronology for late prehistoric Madagascar"
Journal of Human Evolution
. 47 (1–2): 25–63..
Ferrand, Gabriel (1905), "
Les migrations musulmanes et juives à Madagascar
",
Revue de l'histoire des religions
, Paris
Serva, Maurizio; Petroni, Filippo; Volchenkov, Dima; Wichmann, Søren (2011). "
Malagasy Dialects and the Peopling of Madagascar
".
Journal of the Royal Society
, Interface. 9 (66): 54–67.
La traduction de la Bible malgache encore révisée
".
haisoratra.org
. 3 May 2007.
Arsiva
tamin' ny 22 Jolay 2011.
Antanosy in Madagascar
".
Joshua Project
Madagascar
".
Ethnologue
. Notsidihina tamin' ny 17 jona 2017
Bushi
".
Ethnologue
. Notsidihina tamin' ny 18 Marsa 2024.
Hita ao amin' ny fiteny malay koa ireo indran-teny ireo, ka anisan' ny poforon' ny fiantraikan' ny fiteny sanskrity tamin' ny fiteny malagasy talohan' ny nahatongavan' ny Malagasy teto Madagasikara izany zavatra izany.
Ferrand, Gabriel (1908). "Un vocabulaire malgache-hollandais."
Bijdragen tot de taal-, land- en volkenkunde van Nederlandsch Indië
61.673-677.
Ferrand, Gabriel (1905), "Les migrations musulmanes et juives à Madagascar",
Revue de l'histoire des religions
, Paris
Flacourt, Étienne de (1657).
Le Petit Catéchisme madécasse-français
.Paris; (1661).
Histoire de la grande isle Madagascar
.Paris, pp.197–202.
Flacourt, Étienne de (1658).
Dictionnaire de la langue de Madagascar
. Paris.
Berthier, H.J. (1934).
De l'usage de l'arabico=malgache en Imérina au début du XIXe siècle: Le cahier d'écriture de Radama Ier
. Tananarive.
L’enseignement du malgache: les fautes d’orthographe
",
www.degruyterbrill.com
Narivelo Rajaonarimanana
Dictionnaire du malgache contemporain
: malgache-français français-malgache
, Karthala, 1995,
p.
37.
Oliva Ramavonirina, "Les caractères spéciaux dans l’orthographe courante: le cas du malgache",
Cahiers du Rifal
, vol. 23 «
Le traitement informatique des langues
», novembre 2003, p. 73-75
Ethan Zuckerman, 2013
Rewire: Digital Cosmopolitans in the Age of Connection
A Grammar of the Malagasy language
nosoratan'i David Griffith, p. 106
A Grammar of the Malagasy language
nosoratan'i David Griffith, p. 106
A Grammar of the Malagasy language
nosoratan'i David Griffith, p. 106-107
A Grammar of the Malagasy language
nosoratan'i David Griffith, p. 109-110
A Grammar of the Malagasy language
nosoratan'i David Griffith, p. 116
A Grammar of the Malagasy language
nosoratan'i David Griffith, p. 117
A Grammar of the Malagasy language
nosoratan'i David Griffith, p. 119
A Grammar of the Malagasy language
nosoratan'i David Griffith, p. 119-120
A Grammar of the Malagasy language
nosoratan'i David Griffith, p. 121
A Grammar of the Malagasy language
nosoratan' i David Griffith, p. 190
Hita tao amin'ny "
Sokajy
Fiteny
Madagasikara
Fiteny malagasy
Hanampy lohahevitra
US