Na dia hita indrindra tany Mezôpôtamia aza ny Elkesaita sy ny Mandeana tamin' ny taonjato vitsivitsy voalohany taor J.K., dia toa ny Jodeana-Isiraelita tany amin' ny Lohasahan' i Jordana no niaviany.

Sampana jodeô-kristiana batista izay nipoitra tao amin' ny faritr' i Transjordania ny Elkesaita na Elkesaita, izay niasa teo anelanelan' ny taona 100 sy 400 taor. J.K. Nanao batisa imbetsaka ho fanadiovana ny mpikambana tao aminy io sekta io ary nanana toe-tsaina gnôstika. Nantsoina avy amin' ny anaran' ny mpitarika azy hoe Elkesai ilay sekta. Araka ny voalazan' i Joseph Lightfoot, dia toa nanavaka ny antokon' olona lehibe roa tao amin' ny Eseniana, ilay Rain' ny Fiangonana atao hoe Epifaniôsy (nanoratra tamin’ ny taonjato faha-4 taor J.K.), dia ny Ôseana sy ny Nasareana izany.

Toa hetsiky ny Kristiana manam-piaviana jiosy nipoitra tamin' ny taonjato faha-2 ary nanjavona taorian' ny taonjato faha-10, tamin' ny daty tsy voafaritra, ny elkasaisma. Iadian-kevitra eo amin' ny fikarohana ny niaviany. Voaporofo fisiana voalohany tany Mezôpôtamia Avaratra, izay toa nipoirany tany amin' ny fiandohan'ny taonjato faha-2, ity hetsika ity.

Fivavahana mônôteista, manana fomba fijery doalista momba izao tontolo ny mandeisma. Manandratra an' i Adama, i Abela, i Seta, i Enôsy, i Nôa, i Sema, i Arama ary indrindraindrindra i Joany Batista ny Mandeana. Tany amin' ny tany manodidina an' i Eofrata ambany sy Tigrisy (na Tigra) ary amin' ny renirano manodidina ny lalan-dranon' i Shatt-al-Arab no tena ahitana ny Mandeana tamin' ny voalohany. Ankehitriny dia ao amin' ny fizaran-tanin' i Iràka sy ny faritanin' i Khuzestan any Iràna io faritra io. Monina misaraka amin' ny tsy mitovy finoana aminy ny Mandeana. Avy amin' ny teny arameana hoe "manda" izay midika hoe "fahalalana" ny anarana hoe mandeisma na mandeana.

Mino ny Mandeana fa misy ady na fifanoherana tsy tapaka eo amin' ny herin' ny tsara sy ny an' ny ratsy. Asehon' i Nhura ("Mazava") sy i Maia Hayyi ("Rano velona") ny herin' ny tsara, fa ny herin' ny ratsy kosa dia asehon' i Hshuka ("Haizina") sy i Maia Tahmi ("Rano maty" na "Rano maloto"). Mifangaro ao amin' ny zava-drehetra ireo rano roa ireo mba hampisy fifandanjana. Mino ny fiainana aorian' ny fahafatesana na ny lanitra, izay antsoina hoe Alma d-Nhura (Tontolon' ny Fahazavana), ny Mandeana.

Ao amin' ny mandeisma dia tarihin' ilay Andriamanitra Avo Indrindra ny ny Tontolon' ny Fahazavana. Ity andriamanitra ity dia fantatra amin' ny anarana hoe Hayyi Rabbi ("Ny Fiainana Lehibe" na "Ilay Andriamanitra Velona Lehibe"). Ny Tompon' ny Haizina (Krun) no mpitondra ny Tontolon' ny Haizina miforona avy amin' ny rano maizina maneho ny korontana (khaos). Biby goavam-be na dragona no tena mpiaro ny tontolo maizina, izay mitondra ny anarana hoe Ur, ary misy mpitondra vavy, ratsy fanahy koa mipetraka ao amin' ny tontolo maizina, antsoina hoe Ruha.

Araka ny voalazan' i Magris dia sampam-pivavahana milaza fa avy amin' i Joany Batista ny hetsika batista samaritana. Nisy sampana iray hafa koa izay notarihin' i Dôsiteôsy sy i Simôna Magy ary i Menandrôsy. Teo amin' io tontolo io no nipoiran' ny hevitra hoe anjely tsy mahay na inona na inona no namorona izao tontolo izao. Manaisotra ny vokatry ny fahotana ny fombafomba atao amin' ny batisan' izy ireo, ary mitarika ho amin' ny fahaterahana indray izay naharesy ny fahafatesana voajanahary vokatry ny asan' ireo anjely ireo. Heverin' izy ireo ho fisehoana ara-batan' ny hery na fanahy na fahendren' Andriamanitra, sy ho mpanavotra sy mpanambara ny tena fahalalana ny mpitarika samaritana. Anisan' io hetsika io ny Simôniana sy ny Valentiniana ary ny Kokita,

Ahitana ny setianisma, ny valentinisma, ny basilidiana, ny tômasina, ary ny gnôstikan' ny bibilava, ary koa vondrona vitsy anisa sy mpanoratra sasany ny gnôstisisma siriana-ejipsiana. Ny hermetisma koa dia endriky ny gnôstisisma tandrefana, na dia tsy mitovy amin' ireo vondrona hafa ireo amin' ny lafiny sasany. Nahazo ny ankamaroan' ny fomba fijeriny avy amin' ny fitaoman' ny platônisma ny sekoly siriana-ejipsiana. Amin' izy ireo, ny famoronana dia andiana fielezana (emanation) avy amin' ny loharano mônadika voalohany, izay niteraka ny famoronana izao rehetra izao amin' ny farany. Mazàna ireo sekoly ireo dia mihevitra ny ratsy ho matiera tena ambany noho ny tsara sady tsy ampy fahalalana ara-panahy sy fahatsaram-panahy, fa tsy hery mitovy.

Maro amin' ireo hetsika ireo no nampiasa lahatsoratra mifandraika amin' ny kristianisma, ary misy amin' izy ireo no milaza fa Kristiana, na dia tsy mitovy amin' ny endrika ôrtôdôksa na katôlika rômana aza. Lazain' izy ireo fa mpanorina ny endrika tômasianan' ny gnôstisisma i Jesoa sy ny apôstôliny sasany, toa an' i Tômasy, izay hita ao amin' ny lahatsoratra gnôstika maro. Nohajainy sy noheveriny ho mpitarika gnôstika i Maria Magdalena, ary heverina ho ambony noho ny apôstôly roa ambin' ny folo izy ao amin' ny lahatsoratra gnôstika sasany, anisan' izany ny Filazantsaran' i Maria. Lazain' ny mpandika teny gnôstika sasany ho gnôstika i Joany Evanjelista, eny fa na i Paoly koa aza. Fantatra amin' ny alalan' ny Vondrom-bokin' i Nag Hammadi ny ankamaroan' ny literatiora avy amin' ity sokajy ity.

Anisan' ny hetsika lehibe tao amin' ny gnôstisisma nandritra ny taonjato faha-2 ka hatramin' ny faha-3 ny setianisma, ary ny endrika voalohan' ny gnôstisisma nohelohin' i Ireneo. Ny setianisma dia nihevitra ny gnosis ho avy amin' i Seta, zanakalahy fahatelon' i Adama sy i Eva, sy amin' i Nôrea vadin' i Nôa, izay mitana anjara toerana ao amin' ny mandeisma sy ao amin' ny manikeisma. Ny Apôkrifan' i Joany no lahatsorata lehibe ao amin' izy ireo, izay tsy ahitana singa kristiana, ary fitambaran' ny fedrà roa taloha kokoa. Mampiseho famantarana ny maha talohan' ny kristianisma azy ary mifantoka amin' i Seta ny lahatsoratra taloha toa ny Apôkalipsin' i Adama. Mbola mifandray amin' ny platônisma ny lahatsoratra setiana tatỳ aoriana.

Araka ny voalazan' i John D. Turner dia niharan' ny fiheverana kristiana sy platônisma antenatenany ny setianisma, ary nipoitra tamin' ny taonjato faharoa tamin' ny alalan' ny fitambaran' ny antokon' olona jiosy mpanao batisa izay mety ho taranaky ny mpisorona, izay antsoina hoe Barbelôita (nomena anarana avy amin' ny an' i Barbelô, izay fisehoana voalohan' Andriamanitra Avo Indrindra) sy antokon' ny mpandalina ny Baiboly, atao hoe Setita, ny "taranak' i Seta". Tamin' ny faran' ny taonjato faharoa, ny setianisma dia nitombo tao ivelan' ny ôrtôdôksia kristiana andalam-pivoarana izay nandà ny fomba fijery dôketikan' ny Setiana momba an' i Kristy.

Tamin' ny faramparan' ny taonjato fahatelo dia notsikerain' ny Neôplatonisiana mafy toa an' i Plôtinôsy ny setianisma, ary nanjary tafasaraka tamin' ny platônisma. Tany am-piandohan' ny taonjato fahefatra ka hatramin' ny tenatenany, ny setianisma dia nizarazara ho vondron-ketsika gnôstika isan-karazany toy ny Arkôntika, ny Aodiana, ny Bôrbôrita, ary ny Fibiônita, ary angamba koa ny Stratiôtika, ary ny Sekondiana. Ny sasany amin' ireo vondrona ireo dia nisy hatramin' ny Andro Antenatenany.

Nahazo ny anarany avy amin' ny mpanorina azy Valentinôsy (latina: Valentinus, teraka manodidina ny taona 100 ary maty manodidina ny taona 180) ny valentinianisma. Kandidà ho evekan' i Rôma i Valentiniôsy, nefa nanomboka nanangana vondrona manokana rehefa olona hafa no voafidy. Niroborobo ny valentinianisma taorian' ny tapaky ny taonjato faharoa. Nalaza ilay sekoly izay niely tany Afrika Avaratra-Andrefana sy Ejipta, ary hatrany Azia Minora sy Siria any atsinanana, ary nomen' i Ireneo anarana manokana hoe gnostikos i Valentinôsy.

Tokony ho mônista fa tsy doalista ny gnôstika valentiniana. Ao amin' ny fedrà valentiniana dia tsy noho ny tsy finiavana ratsin' ny Demiorga ny famoronana ny tontolo materialy tsy tonga lafatra, fa noho ny tsy fahampian' ny fahatanterahany raha mitaha amin' ny an' ireo fanahy ambony nipoirany. Tsy manamavo loatra ny tontolo fizika ny Valentiniana, tsy toy ny ataon' ny vondrona gnôstika hafa, fa mihevitra ny maha materialy, tsy ho toy zavatra hafa noho ny an' Andriamanitra, fa vokatry ny fahadisoam-pahatsapana izay lasa aseho am-panoharana ho toy asa famoronana ara-materialy.

Niezaka namaky amin' ny fomba mirindra ny Epistily ny mpanaraka an' i Valentinôsy, ary nilaza fa nanao fahadisoana ny ankamaroan' ny Kristiana tamin' ny fanakarana ara-bakiteny ny Epistily fa tsy tamin' ny fanakarana ara-panoharana. Nihevitra ny Valentiniana fa ny fifandirana misy eo amin' ny Jiosy sy ny Jentilisa ao amin' ny Epistilin' ny Rômana dia filazana miafina (misy kaody) momba ny fahasamihafana misy eo amin' ny Psisika (olona izay miaina ara-panahy amin' ny nefa mbola tsy tafasaraka amin' ny maha nofo) sy ny Pneomatika (olona miaina ara-panahy tanteraka). Nanohan-kevitra ny Valentiniana amin' ny filazana fa tsy afa-misaraka amin' ny gnôstisisma ny kaody toy izany, satria zava-dehibe ny tsiambaratelo mba hiantohana ny fivoarana tsara mankany amin' ny fahatakarana anaty tena izy.

Naorin' i Basilidesy avy any Aleksandria (grika: Βασιλείδης / Basileidês) tamin' ny taonjato faharoa ny hetsiky ny Basilidiana na Basilideana. Nilaza i Basilidesy fa azony avy amin' ny fotopampianarin’ i Glaoko (Glaucus), mpianatr’ i Petera, ny fampianarany, nefa mety ho mpianatr’ i Menandrôsy koa izy. Nisy hatramin' ny niforonany ka hatramin' ny faran' ny taonjato faha-4 ny basilidianisma, satria fantatr' i Epifaniôsy ny fisian' ny Basilidiana nonina tao amin' ny Vinanin' i Nily. Saika voafetra tao Ejipta ihany anefa izy io, na dia milaza i Solpikio Severo (Sulpicius Severus) fa toa niditra tany Espaina tamin' ny alalan' ny olona atao hoe Marka avy any Memphis. Nilaza i Md Zerôma (Hierônimo) fa voan' izy io ny Priskilianista.

Manondro andian-dahatsoratra izay lazaina fa nosoratan' ny apôstôly Tômasy ny hoe "Lova Tômasiana" (en). Ohatra amin' izany ny Evanjelin' i Tômasy. Nanamarika i Karen L. King fa misy mitsikera ny gnôstisisma tômasina, amin' ny filazana azy io ho sokajy manokana, ary mety tsy hahajoro amin' ny fisedran' ny fanadihadiana ataon' ny manam-pahaizana.

Firehana teôlôjika tao amin' ny Fiangonana voalohany sady doalista (finoana ny fisian' ny andriamanitra roa mifanohitra) gnôstika no manohitra ny jodaisma ny markiônisma na marsiônisma, izay hetsika naorin' i Markiôna na Marsiôna avy any Sinôpesy. Amin' ny markiônisma dia vaovao mahafalim-pitiavana madiodio ny vaovao mahafalin' i Kristy ka mifanohitra amin' ny Lalàn' i Mosesy izay an' ny vahoakan' i Israely taloha. Noho izany dia tsipahiny ny Testamenta Taloha. Ilay andriamanitra mpamorona ao amin' ny Testamenta Taloha (ny Demiorga) dia tsy misy ifandraisany amin' ny Andriamanitra fitiavana ao amin' ny Testamenta Vaovao.

Nitory ny fahasamihafana lehibe misy eo amin’ ny Andriamanitry ny Testamenta Taloha izy, ny Demiurge, ilay "mpamorona ratsy ny tontolo materialy", sy ilay Andriamanitra avo indrindra, ilay "Andriamanitra be fitiavana sy ara-panahy izay rain' i Jesoa”, izay naniraka an' i Jesoa ho ety an-tany mba hanafaka ny olombelona amin' ny fampahorian' ny Lalàn' ny Jiosy. Misy ny mpikaroka izay tsy manao ny markiônisma ho gnôstika.

Notorin' i Markiôna tao Rôma tamin' ny taonjato faha-2 taor. J.K. izany finoana izany ka nambaran' ny Fiangonana tamin' ny taona 144 fa fampianaran-diso ary naongana i Markiôna.

Ny hermetisma dia rafitra ara-pivavahana sy ara-pilôzôfia izay mifototra indrindra amin' ny fampianaran' i Hermesy Trismegistôsy (izay fitambaran' andriamanitra grika sy ejipsiana). Voarakitra ao amin' ny asasoratra isan-karazany izay heverina fa nataon' i Hermesy ireo fampianarana ireo (asasoratra atao hoe Hermetica).

Nandritra ny tantarany, ny hermetisma dia nifandray akaiky tamin' ny hevitra momba ny fahendren-janahary voalohany, izay tsy nambara afa-tsy tamin' ny olon-kendry tranainy indrindra, toa an' i Hermesy Trismegistôsy.

Ny gnôstikan' ny Bibilava izay ahitana indrindra ny Naasena sy ny Ôfita ary ny Serpentariana, dia manome lanja ambony ny bibilava, ary ny fikirakirana ny bibilava dia manana ny anjara toerana tamin' ny fombafomba ataony.

Mpanorina sekoly ahitana singa gnôstika i Kerintôsy na Kerintô (tokony tamin' ny taona 100). Sahala amin' ny Gnôstika, i Kerintôsy dia nampiseho an' i Kristy ho fanahy any an-danitra misaraka amin' ilay Jesoa olombelona, ary nilaza izy fa ny Demiorga no namorna ny tontolo materialy. Tsy toy ny Gnôstika i Kerintôsy fa nampianatra ny Kristianina hitandrina ny lalàna jiosy. Masina fa tsy ambany toetra ny Demiorga. Nampianatra ny fiavian' i Kristy fanindroany i Kerintôsy. Fampianarana miafina nolazaina tamin' ny apôstôly ny gnosis ampianariny. Misy manam-pahaizana izay mihevitra fa ny Taratasy voalohany nosoratan' i Joany dia nosoratana hamaliana an' i Kerintôsy.

Natsoina amin' izany anarany izany ny Kainita satria nilaza i Hipôlito avy any Rôma fa nivavaka tamin' i Kaina, tamin' i Esao, tamin' i Kôrà, ary tamin' ny Sôdômita izy ireo. Tsy misy porofo firy ahafantarana ny toetran' ity vondrona ity. Nilaza i Hipôlito fa nino izy ireo fa ny fanaranam-po amin' ny fahotana no fanalahidin' ny famonjena satria ratsy ny vatana, dia tsy maintsy lotona amin' ny fanaovan-dratsy (jereo ny libertinisma). Nampiasaina ho anaran' antokom-pivavahana ny hoe Kainita, fa tsy araka ny ao amin' ny Baiboly mahazatra ny olona izay manondro ny taranak' i Kaina.