Ruhollah Khomeini

Naharitra teo anelanelan' ny taona 1979 sy 1989 ny fitondran' i Khomeini. Ny fitondrana vaovao notarihin' ny ayatollah Khomeini dia namarana ny fifandraisana akaiky amin' i Etazonia ary namono an' arivony amin' ny mpikambana ao amin’ ny Savak sy amin' ny mpanohana ny shah. Tamin' ny Novambra 1979, rehefa nisesitany tany Etazonia ny mpanjaka voaongana, dia nanafika ny masoivoho amerikana tao Teheran ny mpikatroka tao amin' ilay Revôlisiôna, ka naka olona telo amby dimampolo hatao takalon' aina. Ho takalon' ny famotsorana azy ireo dia nitaky ny hamerenana ny shah any amin' ny fireneny ny fitondrana vaovao mba hahafahana mitsara azy, ary koa nitaky ny fanonerana ny vola an-davitrisany dôlara izay iampangan' ny Islamista azy ho nanodinkodina ny kitapom-bolam-panjakana. Nafahana ihany ireo takalon' aina ireo tamin' ny Janoary 1981, nefa tsy nisy fifanarahana ôfisialy nifanaovana.

Niharatsy ihany koa ny fifandraisana tamin' i Iràka izay nitaky, tamin' ny Septambra 1980, ny fanavaozana ny fifanarahan' ny taona 1975. Nolavin’ i Iràna ity fanavaozana ity ka nanafoana ny fifanarahana i Iràka, ary nanafika an' i Iràna, tamin' ny volana Desambra, naka ny faritra amin' ny sisin-tanin' i Khuzestan, any atsimo-andrefan' i Iràna, izay manankarena indrindra amin' ny solitany. Naharitra valo taona ny ady nifanaovan’ i Iràna sy Iràka. Nandritra io vanim-potoana io ihany, ny Kiorda any andrefana sy ny Azery any avaratra ary ny Arabo any atsimo-andrefana dia nandray fiadiana hanoherana ny governemanta mba hahazoana fizakan-tena.

Ny Repoblika Islamika dia nambara tamin' ny alalan' ny fitsapan-kevi-bahoaka tamin' ny 1 Avrily 1979, izay nanterin' ny Lalàm-panorenana vaovao nankatoavina tamin' ny Desambra 1979. Nandritra ny fifidianana filoham-pirenena natao tamin' ny Janoary 1980, ny mpandatsa-bato dia nisafidy an' i Abol Hassan Bani Sadr, mpahay toekarena liberaly niofana tany amin' ny firenena tandrefana, mpiara-miasa amin' ny ayatollah Khomeini, "Mpitarika Faratampon' ny Revôlisiôna". Na izany aza, ny fifidianana ny mpanao lalàna dia nandresen' ny Antoko Repoblikana Islamika, nampivondrona ny ampahany be amin' ny mpitondra fivavahana, izay mpankasitraka ny fananganana teôkrasia.

Niafara tamin' ny volana Jona 1981 io fifandonana io tamin' ny fandroahan' i Khomeini ny filohan' ny Repoblika Bani Sadr, izay noterena hisesitany. Tamin' ny fifidianana ankapobeny natao tamin' ny Ôktôbra 1982 dia voafidy ny mpitondra fivavahana Ali Khamenei. Feno tanteraka ny fepetra hahazoan' ny mpitondra fivavahana fahefana amin' ny lafin-javatra rehetra ao amin' ny fanjakana. Nanova amin' ny fomba lalina ny fiarahamonina iraniana izany, izay efa eo ambany fifehezany tanteraka, ao anatin' izany ny sehatry ny fitsarana.

Rehefa maty i Khomeini tamin' ny volana Jona 1989 dia notendrena ho "Mpitarika Faratampony" i Ali Khamenei. Tamin' ny volana Jolay dia voafidy ho filohan' ny Repoblika i Ali Akbar Hashemi Rafsanjani, mpitondra tenin' ny Antenimiera.

Tamin' ny taona 1990 dia nanameloka ny fanafihan' i Iràka an' i Kôety sy ny fametrahana miaramila iaraha-mitantana any Arabia Saodita i Iràna, saingy nanohy ny fifandraisana ara-diplômasia tamin' i Iràka, izay nandao ny fitakiana tany tamin' i Iràna. Nandritra ny Ady tao amin' ny Hoala dia nijanona ho tsy miandany tamin' ny fomba ôfisialy i Iràna, saingy nampiantrano fiaramanidina mpiady irakiana maherin' ny zato. Avy eo dia manohana ny fikomian' ny Siita any atsimon' i Iràka manohitra ny fitondran' i Saddam Hussein i Teheran.

Tsy afaka nanondrana ny revôlisiôna islamikany any ivelany i Iràna, nefa nanandrana nanamafy ny sata maha firenena matajaka ao amin’ ny faritra misy azy indray izy: nanatona an' i Sina, an' i Pakistàna, an' i Torkia, ary koa, taorian' ny 1991, an' ireo repoblika maro tao Kaokazy sy any Azia Afovoany, izay nahaleotena vao haingana.

Tamin' ny volana Mey 1995 dia namoaka didy fanaovana ankivy ara-barotra an' i Iràna i Etazonia, ary nohamafisina tamin' ny Aogositra 1996 izany, nefa tsy nampiharin' ny firenena eorôpeana. Aleon' izy ireo nanao fifampiresahana amin' ny governemanta iraniana, na dia teo aza ny fanamafisana indray, tamin' ny Janoary 1993, nataon' ny filoha Rafsanjani momba ny fatwa manameloka ny mpanoratra Salman Rushdie ho faty tamin' ny taona 1989 noho ny bokiny The Satanic Verses. Na tsy nanafoana ity farany aza ny governemantan' i Khatami dia nisaraka taminy tamin' ny taona 1998, ka nanokatra lalana ho amin' ny famerenana indray ny fifandraisana ara-diplômasia amin' ny Fanjakana Mitambatra.

Mohammad Khatami

Ny fiharatsian' ny toekarena dia nampitombo ny hetsi-panoherana ara-tsôsialy, fa nitombo isa kosa ny foibem-pahefana ary nitombo ny fanoherana teo amin' ny "mpitahiry ny nentin-drazana" sy ny "mpandala fahalalahana", mpanohana ny fisokafana amin' ny zava-baovao. Ny fifidianana solombavam-bahoaka tamin’ ny Avrily 1996, izay nandresen' ny mpandala ny nentin-drazana, dia nahitana mpirotsaka ho fidina tsy miankina niditra tao amin' ny Madjlis (Antenimiera). Tamin' ny volana Mey 1997 dia lasa filohan' ny Repoblika ilay islamista antonony, Mohammad Khatami.

Hita taratra amin’ izany fandresena izany ny fanetsiketsehana ny tanora sy ny vehivavy, ary koa ny fahasosorana vokatry ny pôlitikan' ny fitsitsiana nataon' ny fitondrana. Na dia eo aza ny fifanolanana eo amin' ny mpandala ny nentin-drazana sy ny mpandala ny fomba vaovao dia toa tsapa fa tena nilaina ny fampitomboana ny fisarahana eo amin' ny fahefana ara-pôlitika sy ny fahefana ara-pivavahana.

Na dia eo aza ny fanoheran' ny mpandala ny nentin-drazana, izay tsy nifidy zavatra hanakanana ny pôlitikan' ny fisokafan' ny governemanta (fisamborana, fandrarana ny famoahana ny gazety sasany, sns.), dia nitady ny hamoaka an' i Iràna amin' ny fitokana-monina iraisam-pirenena ny governemanta: fikasana ny hisokatra amin' i Etazonia tamin' ny taona 1998; fiantsoana fifampiresahana amin' ny Vondrona Eorôpeana tamin' ny taona 1998; fitomboan' ny orinasa vahiny, indrindra eo amin' ny sehatry ny solitany; fisokafana amin' i Arabia Saodita, amin' i Siria ary amin' i Katara tamin' ny volana Mey 1999. Etsy ankilany, ny fahombiazan' ny Talibàna tany Afganistàna, niaraka amin' ny famonoana ny diplômaty iraniana, dia nitarika fifandonana mafy teo amin' ny firenena roa tonta tamin' ny faran' ny taona 1998.

Na dia teo aza ireo mariky ny fisokafana ireo, ny fahavaratry ny taona 1999 dia nisongadinan' ny fifandonana mahery vaika tsy manam-paharoa nanomboka tamin' ny taona 1979, teo amin' ny mpianatra, izay nanohitra ny famerana ny fahalalahan' ny asa fanaovan-gazety, sy ny mpitadro filaminana tohanan' ny fôndamentalista (integrista). Ny fifidianana solombavam-bahoaka tamin' ny lohataonan' ny taona 2000 dia nahazoana ny maro anisa tanteraka (toerana 170 amin' ny 290 tamin' ny fihodinana voalohany) ho an' ny tia fanavaozana manohana ny filoha Khatami.

Singa tsara amin' ny mety hisian' ny demôkrasia eo amin' ny andrim-panjakana ireo vokatra ireo, na dia mbola eo am-pelatanan' ny mpandala ny nentin-drazana aza ny tafika sy ny fitsarana ary ny hery revôlisiônera. Tamin' ny volana Mey 2000 dia nanomboka ny fitsarana ny Jiosy iraniana 13 voampanga ho nalefan' i Israely hitsikilo, nanaporofo ny fisaratsarahana eo amin' ny mpandala fanavaoana sy ny mpandala ny nentin-drazana. Niezaka nanao fanalalahana ny fitondrana ireo voalohany ireo, na ara-toekarena na ara-diplômasia, nanohitra izay mety ho fivoarana ihany kosa ireo farany ireo ka nampitombo ny fanakatonana ny gazety refôrmista sy ny fisamborana ny olona manana fironana liberaly.

Araka izany, nihamanakaiky kokoa an' i Arabia Saodita i Iràna, i Arabia Saodita izay nanaovan' i Teheran sonia fifanaraham-piarovana tamin' ny Avrily 2001, ary nanomboka ny famerenana indray ny fifandraisana amin' i Iràka. Tamin' izany fotoana izany anefa, ny Fitsarana Revôlisiônera izay teo am-pelatanan' ny mpandala ny nentin-drazana dia nisambotra mpikambana teo amin' ny efapolo teo avy amin' ny Hetsika ho an' ny Fahalalahana ao Iràna (Mouvement pour la Liberté en Iran), fikambanana voarara, akaiky an' i Khatami. Vao mainka mampitombo ny disadisa ny mety hanaovana fifidianana filoham-pirenena amin' ny Jona 2001.

Tamin' ny volana Jona 2001 dia voafidy indray tamin' ny 77 % amin' ny vato i Mohammad Khatami, mihoatra noho ny tamin' ny fifidianana voalohany nirotsahany tamin' ny taona 1997. Nahazo 16,5 % tamin' ny vato ny mpifanandrina aminy, Ahmad Tavakkoli, mpandala ny nentin-drazana. Tafapetraka ho filoham-pirenena indray mandritra ny efa-taona i Mohammad Khatami, ka nanohy namelona ny fanantenan' ny Iraniana mandala fahafahana. Nanantena ny mpomba azy fa hamela azy hanana fahalalahana bebe kokoa hanohitra ny mpandala ny nentin-drazana ny fanohanan' ny vahoaka betsaka, sady hahafahany manatanteraka ny fanavaozana andrasana. Vetivety dia hita fa tsy izany no zava-nisy.

Eo amin' ny fifandraisana iraisam-pirenena, tamin' ny Janoary 2002, i Iràna dia notafihin' i Etazonia tamin’ ny fitondran’ i George W. Bush, izay nametraka azy ho eo amin' ny "Tezan' ny Ratsy" (anglisy: "Axis of evil”, frantsay: "Axe du mal"), miaraka amin' i Iràka sy i Kôrea Avaratra, noho ny asa nokleary nataony.

Nandritra ny adin' ny tafika amerikana tamin' i Iràka faha Saddam Hussein tamin' ny lohataona 2003 dia tsy niandany na amin' iza na amin' iza i Iràna.

Tamin' ny Desambra 2003 dia nisy horohoron-tany nanana tanjaka 6,3, izay namely ny tanàna manan-tantaran' i Bam, izay nahafatesana olona miisa 40 000.

Tao anatin' ny korontana ara-pôlitika sy ara-tsôsialy saro-bahàna i Iràna raha nosembantsembanin' ny mpandala ny nentin-drazana, izay nanao ampihimamba ny fitsarana, ny hetsika fanavaozana. Nanamafy izany toe-javatra izany voalohany ny fifidianana mpanao lalàna tamin' ny taona 2004, izay naharesy ny mpandala fanavaozana, faharoa ny fitomboan' ny fitsabahan' ny "Filankevitry ny Mpiambina" tamin' ny zotram-pifidianana, ary fahatelo ny fihoa-pampan’ ny tsy fandehanan’ ny olona mifidy.

Mahmoud Ahmadinejad

Ny fahombiazan' ny mpandala ny nentin-drazana dia niaraka amin' ny fihamafisan' ny resaka momba ny nokleary, izay niteraka fifandirana mafy teo amin’ i Iràna sy ny fiarahamonina iraisam-pirenena, izay miahiahy an' i Iràna ho mamolavola fandaharan’ asa nokleary manan-tanjona ara-tafika izay heverin' ny Tandrefana fa nosarontsaromana fandaharan' asa fikarohana sivily mandala fandriam-pahalemana. Nihamafy izany ahiahy izany tamin' ny fahalanian' i Mahmoud Ahmadinejad mpandala ny nentin-drazana ho filoham-pirenena tamin' ny volana Jona 2005.

Tsy nampoizina ny fandresen' i Mahmoud Ahmadinejad (nahazo 61,7 % tamin' ny fihodinana faharoa, 48 taona) an' i Rafsanjani filoha teo aloha, ka nahatonga azy ho noheverina ho solontenan' ny taranaka vaovao amin' ny "Ankavanana ara-potokevitra", izay nahazo tombony tamin' ny fahadisoam-panantenan' ireo izay voaroaka tao amin’ ny Repoblika Islamika. Voafidy ho ben' ny tanànan' i Teheran tamin' ny taona 2003 izy, izay toa nahavita naka ny fon' ny vondron' olona sahirana noho ny fiaviany sy ny fomba fiainany tsotsotra, sy noho ny lazany amin' ny maha mozilmana tsara azy, ary noho ny fahaizany manao kabary mambabo fom-bahoaka.

Na dia natahorana aza ny fanakorontanan' ny fitondrana, ny filoha vaovao dia manolo-tena amin' ny fananganana Fanjakana Islamika mandroso sy matanjaka, sy amin' ny fampihenana ny tsy fitoviana ara-tsôsialy amin' ny alalan' ny fiantohana ny fitsinjarana tsara kokoa ny harena. Teo amin' ny pôlitika ivelany, niavaka haingana izy tamin' ny famelezany an' i Israely sy ny vahoaka jiosy, tsy natahotra ny fandavana ny tantaran' ny fandringanana jiosy (negasiônisma), ary koa tamin' ny tsy fahazoana mifampiraharaha aminy momba ny tsy maintsy hanohizana ny tetikasa nokleary iraniana.

Nisongadina tamin' ny fifidianana filoham-pirenena tamin' ny taona 2009 ny fifanoherana tamin' ny fahalanin' i Mahmoud Ahmadinejad indray. Nofaizin' ny manampahefana islamika mafy ireo fihetsiketsehana am-pilaminana ireo: mpanao fihetsiketsehana an-jatony no voalaza fa novonoina, toa an' i Neda Agha-Soltan izay nataon' ny milisy Basij mpomba ny governemanta, na ny pôlisy misahana ny rotaka, nandratra olona maro ihany koa, ary roa arivo mahery no nosamborina. araka ny tatitry ny Amnesty International.

Hassan Ruhani

Tamin' ny 14 Jona 2013 dia voafidy ho filohan' ny Repoblika Islamika, tamin' ny 50,7 % amin' ny vato tamin' ny fihodinana voalohany i Hassan Ruhani, izay hany mpilatsaka mpandanjalanja. Taorian' ny fifidianana an' i Hassan Rohani dia nanambara ampahibemaso ny fahavononany hitady fifanarahana nokleary i Iràna. Tamin' ny faran' ny volana Nôvambra 2015 dia nisy fifanarahana natao teo amin' i Iràna sy i Etazonia, ny Fanjakana Mitambatra, i Frantsa, i Sina, i Rosia ary i Alemaina, fifanarahana momba ny fampiatoana ny fampitomboana ny fahafahan' ny vihina oranioma hisaratsaraka (hampiasaina amin' ny baomba nokleary) sy ny fanaraha-maso nitombo avy amin' ny Agence Internationale de l'Energie Atomique (IAEA), ho takalon' ny fanesorana ampahany ny sazy tandrefana.