Israely — Wikipedia
Hankany amin'ny vontoatiny
Avy amin'i Wikipedia
Sainan' i Israely
Sarin-tanin' i Israely eo anivon' izao tontolo izao
Israely
na
Fanjakan' i Israely
dia firenena ao amin' ny faritra
Atsinanana Akaiky
, any
Azia
. Ao amin' ny morontsiraka atsinanan' ny
Ranomasina Mediteranea
izy ary mitomandavana mianatsimo hatrany amin' ny
Hoalan' i Aqaba
izy. I
Jerosalema
no renivohiny nefa tsy ankatoavin’ ny
Fianakaviambe iraisam-pirenena
izany. I Jerosalema ihany koa no tanàna lehibe indrindra dia raha ampidirina ao i
Jerosalema Atsinanana
. 20
770 km
ny velarany ary 8
847
400 ny isan' ny mponina tao aminy araka ny fanisana natao tamin' ny Avrily 2018. Ny faritr' orany dia +2. Mamaritra an' i Israely ao avaratra i
Libanona
, ao avaratra-atsinanana i
Siria
, any atsinanana i
Jôrdania
sy i
Sisjôrdania
(na
Jôrdania Andrefana
), ary any atsimo-andrefana i
Ejipta
sy ny
Salavantanin' i Gaza
. Ny laharam-pehintaniny sy ny laharan-jarahasiny dia 29° avaratra sy 34° atsinanana.
Atao hoe יִשְׂרָאֵל /
Yisrā'el
sy מְדִינַת יִשְׂרָאֵל /
Medīnat Yisra'el
izy amin' ny
teny hebreo
fa إِسْرَائِيلُ /
Isrā'īl
sy دولة إسرائيل /
Dawlat Isrā'īl
kosa amin' ny
teny arabo
Jôrdania Andrefana
na
Sisjôrdania
(faritra bodoin' i Israely nanomboka tamin' ny
Ady Enina Andro
, ankehitriny tantanan' i Israely ny 60
% fa tantana n' i
Palestina
ny 18
% ary 22
% iarahan' izy roa mitantana.
Manana morontsiraka ao amin' ny ranomasina telo i Israely, dia ny
Ranomasina Mediteranea
ao avaratra, sy ny
Ranomasina Maty
ao atsinanana, ary ny
Ranomasina Mena
ao atsimo (izay ampifandraisin’ ny
Hoalan' i Aqaba
). Na dia eo aza ny
tany efitr' i Negev
(izay mameno ny antsasa-manilan' ny tanim-pirenen' i Israely) dia nisy ny fambolena hazo miisa 200 tapitrisa any ho any nanomboka tamin' ny taona 1948. Mihoatra ny 80
% amin' ny
Israeliana
ny
Jiosy
, fa ny 20
% kosa dia
Arabo
. Anisan' ny firenena manan-karena indrindra eto an-tany i Israely raha ny fidiram-bolan' ny isam-batan' olona no heverina.
Vokatry ny fizaràna ny
faritr' i Palestina
izay natolotry ny
Firenena Mikambana
tamin' ny taona 1947 ny Fanjakan' i Israely, izay niforona tamin' ny taona 1948 taorian' ny fanambaràna ny fahaleovantenany. Ankehitriny dia manana velarana mirefy 21
946 km
i Israely. Tsy ankatoavin' ny
Fianakaviambe iraisam-pirenena
anefa ny sisintaniny ankehitriny, izay vokatry ny ady voalohany nifanaovany tamin' ny firenena arabo manodidina azy tamin' ny taona 1949.
Sarin-tanin' i Israely
Taorian' ny fandreseny tamin' ny
Ady Enina Andro
tamin' ny taona 1967 dia nibodo ny
Salavantanin' i Gaza
sy i
Jôrdania Andrefana
(na Sisjôrdania) i Israely. Nampidiriny ho isan' ny taniny tamin' ny taona 1981 ny
Lembalemban' i Golan
, izay azony tamin' ny alalan' ny fanafihana tamin' io fotoana io. Naitany koa ny velaran-tany ananany
fiandrianana
ao amin' ny ampahan-tanànan' i
Jerosalema
onenan' ny
Arabo
. Lasa nitambatra indray ity tanàna ity ary nambaran' ny mpitondra israeliana ho renivohitry ny Fanjakan' i Israely. Tsy ankatoavin' ny Fianakaviambe iraisam-pirenena anefa izany fanatambarana an' i Jerosalema izany.
Hoalan' i Eilat
Tamin' ny volana Mey 1994 dia nisy fifanarahana, teo amin' i Israely sy ny
Fikambanam-Panafahana an' i Palestina
frantsay
Organisation de libération de la Palestine
-- OLP), izay nametraka fitantanana palestiniana mizaka tena ho an' ny
Salavantanin' i Gaza
sy ny tanànan' i
Jerikô
ao
Jôrdania Andrefana
(na Sisjôrdania). Miteraka fifanoherana mahery vaika teo amin' ny roa tonta ny fifampiraharahana maro momba ny fandriam-pahalemana teo amin' i Israely sy ny firenena arabo – niantomboka tamin' ny Septambra 1993 ary niompana amin' ny satan' ny fizaràn-tany maro voabodo na nakamban' i Israely amin' ny tanim-pireneny ary amin' ny fiandrianana palestiniana.
Jeôgrafia
hanova
hanova ny fango
Ny vohon' ny tany sy ny rano
hanova
hanova ny fango
Ny vohon' ny tany
hanova
hanova ny fango
Manana halava mirefy 425 km sy sakany eo anelanelan' ny 16 sy 115 km i Israely. Ao atsimo dia mibahana saika ny antasaky ny velaran' ilay firenena ny taniefitr' i Negev. Ao amin' ny tapany avaratra dia mirefy 190 km manamorona ny
Ranomasina Mediteranea
ny tany amorontsiraka azo ampiasaina.
Ny tendrombohitra Hermon rakotra oram-panala tazana avy eo amin’ ny Lohasahan’ i Hula.
Misy korian-drano manasaraka ny Lemak' i Zebolôna, ao avaratr' i
Haifa
, ny Lemak' i Sarôna, hatrany Haifa ka hatrany
Tel-Aviv-Jaffa
sy ny Lemak' i Jodea, hatrany Tel-Aviv-Jaffa ka hatrany
Gaza
Ny tangoron-kavoanan' i Jodea
Izany rehetra izany dia mifarana eo amin' ny
Tendrombohitra Karmela
izay ahitana ny
Lohasahan' i Jezreel
miainga avy eo am-potony. Ao amin' ny tendrony avaratra no ahitana an' ny tangoron-tendrombohitr' i Galilea, izay manohy ny
tandavan-tendrombohitr' i Libanona
sy manana ny tampony avo indrindra ao amin' ny Tendrombohitra Meiron (1
208 m). Ny tangoron-kavoanan' i Samaria, izay mitohy amin' ny
Tendrombohitra Karmela
ao andrefana, no mampitohy azy ireo amin' ny tangoron-tendrombohitr' i Jodea (881 m).
Tabajotran-drano
hanova
hanova ny fango
Ny ony
Jordana
dia mamakivaky ny sisin-tany manelanelana an' i
Jôrdania
, i
Jôrdania Andrefana
, i Israely ary
Siria
atsimo-andrefana.
Ao atsinanan' ireo tendrimbohitra sy havoana ireo ny ony
Jordana
izay mikoriana ao amin' ny Lempon' i Ghor, mamatsy rano ny
Farihin' i Tiberiada
(na
Farihin' i Tiberiasy
, izay antsoina hoe
Ranomasin' i Galilea
koa) ary mifarana any amin' ny
Ranomasina Maty
, izay faritra farany iva indrindra ao Israely, 408 m ambanin' ny haavon' ny ranomasina.
Nanaovana fanajariana i Jordana, izay hany ony lehibe ao amin' ilay faritra, mba hahafahana manao
fitarihan-drano
ao
Galilea
sy ao amin' ny ampahany andrefana amin’ ny Lempon' i Ghor ary ao
Negev
. Anisan' ny antom-pifandirana lehibe eo amin' i Israely sy ny firenena arabo manodidina ary ny
Palestiniana
ny fampiasana ny ranon' i Jordana.
Toetany
hanova
hanova ny fango
Miovaova arakararaka ny faritra ny
toetani
n' i Israely, hatramin' ny
toetany mediteraneana
ka hatramin' ny toetany somary karankaina.
Rotsak' orana
hanova
hanova ny fango
Miovaova be ararakaraka ny faritra ny
rotsak' orana
, izay tsy misy firy raha tsy amin' ny ririnina: mahatratra 1
015 mm izany ao amin' ny tangoron-kavoan' i Galilea, 551 mm ao
Tel-Aviv-Jaffa
, 200 mm ao amin' ny Lempon' i Ghor, ary 25 mm ao amin' ny seranan-tsambon' i Eilat ao amin' ny tendrony atsimo indrindra.
Maripana
hanova
hanova ny fango
Ny lalana Gaza ao Rehavia (
Jerosalema
), rakotra
oram-panala
tamin' ny ririnin' ny taona 2002.
Tamin' ny taona 1942 no nahatratrarana ny maripana ambony indrindra tao amin' ny
Kôntinenta Aziatika
(53,7 °C) tao amin' ny
kibotsi
n' i Tirat-Zvi, any avaratr' i
Jordana
. Tao Tel Hatanim ao amin' ny lohasaha Beit Netofa any Galilea Ambany tamin' ny taona 1950 ny maripana ambany indrindra ao amin' ilay firenena (−13,7 °C), avy eo teo amin' ny kibotsin' i Meron Golan (−14,2 °C) tamin' ny taona 2015.
Karazan-javamaniry sy karazam-biby
hanova
hanova ny fango
Karazan-javamaniry
hanova
hanova ny fango
Mihoatra ny 200 tapitrisa ny hazo hita ao israely (indrindra ny
ôaka maitso
sy ny
kônifera
) izay novolena tao nanomboka tamin' ny taona 1948, ary mahatratra 8,1
% amin' ny velaran-tanin' i Israely ireo faritra novolena hazo ireo.
Karazam-biby
hanova
hanova ny fango
Ôriksa
ao amin' ny tahirin-javaboarin' i Hai-Bar, ao Yotvata.
Misy karazany anjatony ny biby misy nono ary misy karazany be dia be ny vorona. Anisan' ny biby mpihaza lehibe ny lotira sy ny
lopa
ary ny
mangosta
. Any amin' ny tany efitra no ahitana ny
sakaly
sy ny
hiena
. Ahitana
ôriksa
koa ny any.
Loharanon-karena
hanova
hanova ny fango
Nofon-tany
hanova
hanova ny fango
Ny tany efitr' i Negev.
Tsy mamokatra firy ny
nofon-tany
any Israely afa-tsy ny
lemaka
amorontsiraka izay ahitana tandavan-
tanidilatra
sy tany azo volena tamin' ny alalan' ny fanamainana ny
honahona
ao amin' ny
Lohasahan' i Jezreel
izay tena mamokatra tokoa.
Rano
hanova
hanova ny fango
Anisan' ny olana lehibe ao Israely ny famatsiana
rano
. Ny telo ampahefatry ny rano ampiasaina ao amin' ilay firenana dia atokana ho an' ny
fambolena
. Voafetra sady tsy voatsinjara mitovy ny rano. Ny manam-pahefana amin' ny fitantanan-draharaham-panjakana (ny
Mekorot
) no misahana ny fitrandrahana sy ny fitsinjarana ny rano, ny fitadiavana ny loharano voa-janahary hahazoana
ranomamy
ary ny fanesorana ny
sira
amin' ny
rano masira
. Ny tambajotran-drano manerana ilay firenena, izay ahitana
fantson-drano
sy tonelina, no miantoka ny fitaterana ny rano avy ao amin' ny
Farihin' i Tiberiada
(na Tiberiasy) hatrany
Negev
. Ao amin' ny fizaran-tany voabodo ny fitrohana ny tahirin-drano anaty tany ary toherin' ny
Palestiniana
ny fampiasana ny ranon' ny Farihy Tiberiada ho an' ny fambolena israeliana.
Harena an-kibon' ny tany
hanova
hanova ny fango
Ahitana akorana
varahina
sy
vy
sy
fôsfaty
ary
manganezy
ary koa
vatorano
(na
granita
) sy
vatovandana
(na
marbra
) ny ao ambanin' ny tanin' i
Negev
. Nahitana tahirin-t
solitany
sy tahirin'
etona voajanahary
azo anaovana fitrandrahana ara-barotra koa ao. Ahitana
brôma
sy
pôtasy
be dia be koa ny ao amin' ny
Ranomasina Maty
. Ahitana
fompotra
sy akoram-by koa ny ao
Galilea
Kolontsaina
hanova
hanova ny fango
Fiteny sy fivavahana ary fanabeazana
hanova
hanova ny fango
Ny fiteny
hanova
hanova ny fango
Ny
fiteny hebreo
sy
arabo
no
fiteny ôfisiali
n' i Israely. Ny fiteny hebreo no fiteny be mpampiasa indrindra, nefa ampiasaina any an-tsekoly sy amin' ny fanaovan-dalàna sy ny fitsarana ny fiteny arabo. Ampiasain' ny olona maro koa ny
fiteny anglisy
sy
idisy
sy
rosiana
ary
fiteny eorôpeana
hafa koa.
Ny fivavahana
hanova
hanova ny fango
Tanora
ziônista
mivavaka eo amin' ny
Kotel
(Rindrin' ny fitomaniana)
Ny ministeran' ny Raharaham-pivavahana no misahana ny raharaha momba ny fivavahana telo lehibe (
jodaisma
sy
silamo
ary
kristianisma
). Momba ny olom-pirenena kosa dia ny lalàna ara-pivavahana mifehy ny vondrom-piarahamonina misy azy no ampiharina aminy mahakasika ny satany manokana (ny fanambadiana, ny fisaraham-panambadiana, sns).
Fanaovam-
batisa
ao amin' ny ony
Jodana
Toy izao ny fitsinjarana ara-pivavahan' ny mponina israeliana tamin' ny taona 2022: 73,6
% no manaraka ny
jodaisma
, ny 18,1
Mozilmana
, ny 1,9
Kristiana
ary ny 1,6
Droza
. Ny 4,8
% ambiny dia ahitana finoana toy ny
samaritanisma
sy ny
bahaisma
, ary koa ny mpanaraka fivavahana hafa. Eo ambany fahefan' ny Rabinata Ôrtôdôksa avokoa ny
Jiosy isiraeliana
, nefa ny toe-tsaina manokan' ny tsirairay dia samy manana ny azy, hatramin' ny mpanindrahindra tafahoatra ny ôrtôdôksia ka hatramin' ny tsy fananana fivavahana sy ny
tsy finoana an' Andriamanitra
Môske ao amin' ny tanàna israelian' i Abu Ghosh
Manaraka ny fivavahana silamo ny 82
% amin' ny
Arabo israeliana
fa ny 18
% kosa dia Kristiana. Manana sata manokana ny vahoaka
droza
, izay tsy manao fanompoam-pirenena. Ny
Ôrtôdôksa
no maro anisa amin' ny Kristiana.
Fanabeazana sy fampianarana
hanova
hanova ny fango
Tsy maitsy omena fanabeazazna an-tsekoly maimaimpoana ny zaza 5 ka hatramin' ny 15 taona. Nohamafisin' ny lalàna tamin' ny taona 1953 ny fampianarana ambaratonga faharoa. Ankoatra ny fanabeazana laîka dia misy koa ny rafi-panabeazana ara-pivavahana jiosy. Ahitana sekoly misiônera kristiana koa ny ao Israely.
Toeram-pampianarana maro no misahana ny fampianarana ambaratonga ambony:
ny Oniversite Hebreon' i Jerosalema (
hebreo
: האוניברסיטה העברית בירושלים /
hā’Universitah hā‘Ivrith bYirūšāláyim
anglisy
The Hebrew University of Jerusalem
na HUJI) - izay niorina tamin' ny taona 1918 sy misahana ny
siansa
sy ny
fivavahana
ny Institota Israeliana momba ny Teknôlôjia ao
Haifa
(hebreo: הטכניון – מכון טכנולוגי לישראל; arabo: التخنيون - معهد إسرائيل للتكنولوجيا; anglisy:
Technion – Israel Institute of Technology
) niorina tamin' ny taona 1912, misahana ny siansa sy ny teknika;
ny Oniversiten' i Haifa (hebreo: אוניברסיטת חיפה; arabo: جامعة حيفا), niorina tamin' ny taona 1963;
ny Oniversiten' i Bar-Ilan (hebreo: אוניברסיטת בר-אילן /
Universitat Bar-Ilan
) niorina tamin' ny taona 1953) ao Ramat Gan;
ny Oniversiten' i Tel-Aviv (hebreo: אוּנִיבֶרְסִיטַת תֵּל אָבִיב /
Universitat Tel Aviv
arabo
: جامعة تل أبيب /
Jami’at Tel Abib
) -- niorina tamin' ny taona 1953);
ny Oniversite Ben Gurion ao Negev (hebreo: אוניברסיטת בן-גוריון בנגב
/ Universitat Ben-Guriyon baNegev
) niorina tamin' ny taona 1965, ao Beer-Sheva;
ny Institota Weizmann ho an' ny Siansa (hebreo: מכון ויצמן למדע /
Machon Vaitzman LeMada
) niorina tamin' ny taona 1949 ao Rehovot.
Tamin' ny taona 2011 dia nahatratra 97,7
% ny tahan' ny fahaiza-mamaky teny sy manoratra. Ny 57
% eo ho eo amin' ny sokajin-taona voakasika no mandranto fianarana ao amin' ny ambaratonga fahatelo.
Zavakanto sy singa ara-kolontsaina hafa
hanova
hanova ny fango
Ny kolontsaina israeliana dia mampiseho ny fahasamihafan' ny mponina ao amin' ilay firenena.
Asasoratra
hanova
hanova ny fango
Ny literatiora israeliana dia soratana indrindra amin' ny
fiteny hebreo vaovao
, izay fiteny avy amin’ ny
fiteny hebreo litorzika
fahiny, izay nanjary fiteny velona nanomboka tamin' ny faran' ny taonjato faha-19, nampandrosoin' i Eliezer Ben-Yehudah, ilay loha no voalohany amin' ny mpitondra fanavaozana. I Ben-Zion zanany lahy no olona teraka tao Israely voalohany niteny hebreo vaovao.
Ny mpanao asasoratra malaza indrindra dia ireo izay naka aingam-panahy avy amin' ny fomban-drazana sy lovantsofina jiosy, toa ilay mpanoratra tantana foronina atao hoe Samuel Joseph Agnon, izay nahazo ny
loka Nobel
momba ny literatiora tamin' ny taona 1966, ary ilay filôzofa Martin Buber.
I Samuel Joseph Agnon no mpanoratra israeliana voalohany nahazo ny
loka Nobel
momba ny literatiora. I David Grossman no mpanoratra israeliana malaza indrindra amin' izao fotoana izao. I Amos Oz dia anisan' ny mpanoratra be mpamaky indrindra eran-tany nandritra ny androm-piainany.
Dihy sy mozika
hanova
hanova ny fango
Ny mozika israeliana dia maneho ny tantaran' ny fiorenam-ponenan' ny mponina ao Israely: nifangaro amin' ny fototra litorjika manam-piaviana semitika taloha ny singa avy amin' ny mozika arabo, sy ny ny mozika nentim-paharazana avy amin' ny faritra rehetra amin' izao tontolo izao izay nahitana ny Jiosy am-pielezana, indrindra fa avy any
Eorôpa Atsinanana
. Ohatra, ny mozika jiosy dia nanampy ny mozika hebreo (fifangaroan' ny mozika jodeô-arabo
sefarada
sy mozika arabo-andaloziana ary koa ny mozika
askenazy
na klezmera).
Ny ôrkesitra lehibe indrindra ao Israely dia ny Ôrkesitra Filarmônikan' i Israely izay mandray lehiben' ôrkesitra sy mpitendry irery sasany avy amin' ny firenana hafa. Ny hiram-bahoaka, izay ahitana singa avy amin' ny fomban-drazana momba ny mozila jiosy tatsinanana, dia nahita fahombiazana, toraka izany koa ny dihy.
Ny zavakanto hafa
hanova
hanova ny fango
Ny tantara an-tsehara (teatra) lehibe indrindra ao amin' ilay firenena dia ny Teatra Nasiônalin' i Israely ao
Tel-Aviv
Manana tranom-bakoka (mozea) maherin' ny zato i Israely, ka ny lehibe amin' ireo ny Mozean' i Tel-Aviv sy ny Mozean' i Israely ao
Jerosalema
izay ahitana fanangonana zavakantom-bahoaka jiosy lehibe, fanangonana sarisokitra môderna, zavatra momba ny
Baiboly
sy arkeôlôjika ary indrindra ny
Soratanan' ny Ranomasina Maty
. Ahitana tranom-boky azon’ ny rehetra tsidihina mihoatra ny 500 ny ao Israely ka ny tena malaza dia ny Tranombokim-Pirenena Jiosy sy ny Tranombokin' ny Oniversite Hebreon' i Jerosalema.
Ny sehatry ny haino aman-jery sy ny fifandraisana dia tantanin' ny fanjakana. Manana
gazety
mpivoaka isan' andro mihoatra ny dimy amby roapolo i Israely, ka ny tena manan-danja indrindra dia ireto: ny
Ha’aretz
, ny
Davar
, ny
Ma’ariv,
ny
Yedioth Aharonoth
ary ny
Jerusalem Post.
Pôlitika ao Israely
hanova
hanova ny fango
Rafi-pitondrana sy andrim-panjakana
hanova
hanova ny fango
Rafi-pitondrana
hanova
hanova ny fango
Benyamin Netanyahu
, praiminisitra nanomboka tamin' ny taona 2022.
Ny rafi-pitondrana ao amin' ny Fanjakan' i Israely dia fitondrana parlemantera izay itanan' ny prainisitra ny ankabeazan' ny asan' ny
mpanatanteraka
. Tsy manana
lalàm-panorenana
voasoratra i Israely: ny lalàna nolanin' ny
Knesset
Antenimiera
israeliana) no itantanana ny fampandehanan-draharana eo amin' ny governemanta.
Fahefana mpanatanteraka
hanova
hanova ny fango
Ny filohan' i Israely dia fidîn' ny Antenimiera mba hitondra ny firenena mandritra ny dimy taona. Amin' ny ankapobeny izy no misolo tena an' i Israely, izay no fahefany. Amin' ny ankapobeny, ny
fahefana mpanatanteraka
dia sahanin' ny governemanta izay ahitana minisitra miisa 25 tarihin' ny praininisitra fidin' ny olom-pirenena mivantana ary lany amin' ny alalan' ny vaton' ny maro anisa nanomboka tamin' ny taona 1996.
Ny fahefana mpanao lalàna
hanova
hanova ny fango
Tranon' ny Knesset, ilany atsimo
Ny
Knesset
dia antenimiera tokana ahitana mpikambana miisa 120 voafidy hiasa mandritra ny efa-taona araka ny fomba fifidianana mifandanja, izany fomba fifidianana izany dia manome tombony ho an' ny antoko madinika. Afaka mifidy ny olom-pirenena rehetra rehefa feno 18 taona.
Ny rafi-pitsarana
hanova
hanova ny fango
Manana rafi-pitsaràna roa i Israely, ny iray sivily ary ny iray ara-pivavahana. Mahefa amin' ny fitsarana ny heloka bevava sy ny raharaha sivily lehibe ny fitsarana sivily. Ny fitsarana ara-pivavahana kosa dia mahefa amin' ny raharaham-panambadiana sy amin' ny fandovana.
Ny fiarovam-pirenena
hanova
hanova ny fango
Ny Merkava Mark 4
Ny tafika israeliana, izay fantatra amin' ny fanafohezan-teny hebreo hoe
Tsahal
(fanafohezana ny hoe
Tsva Hagannah LeIsrael
, "Tafi-piarovan' i Israely"), dia niforona tamin' ny volana Mey 1948, izay nanambatra vondrona mitam-piadiana
ziônista
maromaro (Irgun, Haganah, sns.); ny lehibe indrindra dia ny Hagana.
Fiaramanidina mpiady F-16I Sufa, an' ny Tafika ana habakabaka israeliana, manao fisafoana.
Mitari-dalana ny pôlitikan' ny fiarovam-pirenena ao amin' ny Fanjakan' i Israely ny fiheverana ny mety hisian' ny fanafihana avy any ivelany. Izany fiarovana izany dia asehon' ny tanjaky ny tafika mandritra ny ady maro nifanaovan' i Israely sy ny firenena arabo. Misy lehilahy sy vehivavy miisa 168
300 sy zanadambo miisa 430
000 any ho any ny ao amin' ny tafika israeliana. Ny zazalahy sy ny zazavavy 14 hatramin' ny 18 taona dia efa omanina hanao raharaha miaramila. Tsy maintsy atao manomboka amin' ny 18 taona ny fanompoam-pirenena, tsy maitsy manatanteraka fanompoana mandritra ny 30 volana fara-fahakeliny ny lehilahy, ary ny vehivavy mandritra ny 24 volana.
Sa'ar V class, an' ny tafika an-dranomasina israeliana.
Ny Israeliana dia miomana mandrakariva amin' ny ady hatramin' ny faha 55 taonany, fara fahakeliny iray ka hatramin' ny roa volana ao anatin' ny taona. Tsy manao fanompoam-pirenena ny
vahoaka droza
sy ny mpitondra fivavahana jiosy sasany. Ahitana miaramila miisa 125
000 ny tafika an-tanety. Ny tafika ana habakabaka dia ahitana olona miisa 35
000 sy fiaramanidina mpiady miisa 450. Miisa 8
300 sady ahitana lehilahy sy vehivavy ny miaramila ao amin’ ny tafika an-dranomasina. Mahatratra 9,5
% amin' ny
harin-karena faobe
n' ilay firenena ny tetibola atokana ho an' ny fiarovam-pirenena.
Ny antoko pôlitika
hanova
hanova ny fango
Antoko pôlitika lehibe
hanova
hanova ny fango
Ny fikambanan' antoko pôlitika izay manjaka ao amin' ny fiainana ara-pôlitikan' ny Isaraeliana nandritra ny taompolo maro dia ny Likud, izay
antoko pôlitika
mpitahiry ny nentin-drazana noforonin' ny fikambanan' ny hetsika maro tamin' ny taona 1973, dia ny Gahal sy ny Antoko Afovoany Malalaka andaniny, sy ny Antokon' ny Mpiasa Israeliana izay niforona tamin' ny taona 1969 tamin' ny alalan' ny fikambanan' ny antoko Mapai (
sôsialista
) sy ny Rafi ary ny Achdut Ha’avoda an-kilany.
Izany lamina ara-pôlitika izany dia nosembanin' ny fivakisan' ny Likud tamin' ny Nôvambra 2005 taorian' ny fanorenan' i
Ariel Sharon
, mpitarika azy, ny fikambanan' antoko atao hoe Kadima ("mirosoa") izay mitana ny toerana afovoany.
Antoko pôlitika madinika
hanova
hanova ny fango
Maro koa ireo antoko pôlitka hafa izay mihamahazo mpankasitraka eo amin' ny sehatry ny fiparitahan' ny latsa-bato izay nahazo vahana nanomboka tamin' ny taompolo 1990. Ireto antoko ireto dia antoko ara-pivavahana amin' ny elatra an-kavanana na an-kavanana indrindra – anisan' izany ny Shas (
jodaisma ôrtôdôksa
ahitana
Sefarada
be dia be), ny Antoko Nasiônaly ara-Pivavahana, ny Firaisana Nasiônaly ary ny antoko Jodaisma miray ao amin' ny Torah. Ao koa ny antoko pôlitika tsy mivoy fivavahana (laîka) toa ny Shinui (afovoany ankavanana) sy ny Meretz (ankavanana mpandala fandriam-pahalemana); ny antoko Tranontsika Israely, izay antoko ankavanana indrindra misolo tena ny Rosiana vitsy anisa, dia misy fivoarany.
Toekarena
hanova
hanova ny fango
Ankapobeny
hanova
hanova ny fango
Tamin' ny taona 2006 dia nahatratra 140
000 tapitrisa dôlara ny
harin-karena faobe
n' i Israely, izany hoe 19
926,9 dôlara isan' olona. Tamin' ny taompolo 1970 sy 1980 dia nisedra ny
fidangan' ny vidim-piainana
mihazakazaka ny toekaren' i Israely sady nitontongana nandritra izany fotoana izany ny mizanam-pandoavam-bola. Vola be dia be no natokana ho an' ny fiarovam-pirenena sy ny fampidirana ny mpifindra monina vaovao, indrindra ireo avy any
Rosia
(miisa 700
000 nanomboka tamin' ny taona 1986), ao amin' ny fiarahamonina israeliana. Taorian' ny taona 1990 dia nihasalama ny toekarena israeliana: na dia ambony aza ny fisondrotry ny vidim-piainana dia nihena (2,30
% tamin' ny taona 2006), ary nitoetra maharitra ny fisodrotry ny toekarena (5,1
% isan-taona ny salany tamin' ny taona 2006). Taorian' ny tahan-tombo 6,4
% tamin' ny taona 2000 dia nitambotsotra 0,5
% ny toekarena israeliana tamin' ny taona 2001, tao anaty toe-draharaha nisongadinan' ny fiverenan' ny fifanandrenana tamin' ny
Palestiniana
. Ny tsy fananana asa, izay namely mafy ny vahoaka arabo sy nahazo ny 10,7
% amin' ny mponina afaka miasa tamin' ny taona 2003, dia nitombo roa heny nanomboka tamin' ny taona 1996.
Ny Histadrut no fikambanana
sendikaly
lehibe indrindra any Israely. Izy ihany koa dia anisan' ny mpampiasa lehibe indrindra izay ahitana tambajotran' orinasa ara-barotra sy ara-taozavatra ao amin' ilay firenena. Ny servisy no
sehatra
ara-toekarena lehibe indrindra: tamin' ny taona 2005 dia nahatratra 75
% amin' ny mponina afaka miasa no nivelona amin' ity sehatra izay niantoka ny 50
% amin' ny
harin-karena faobe
ity.
Fambolena sy fiompiana
hanova
hanova ny fango
Tsy nitsaha-nihena ny anjara toeran' ny
fambolena
sy
fiompiana
eo amin' ny toekarena israeliana, izay ahitana taratra ny dingam-pandrosoana tratran' ilay firenena. Tamin' ny taona 2005 dia 2
% amin' ny mponina afaka miasa no nivelona amin' io seha-pihariana io.
Ny fambolena sy fiompiana israeliana, na dia eo aza ny zava-misy momba ny toetany sy ny tsy fahampian’ ny rano, dia afaka niantoka ny 3/4 amin’ ny filana anatiny, vokatry ny fomba fiasa ara-tsiansa sy ny sehatry ny hairaha (
teknôlôjia
) avo lenta. Nanomboka amin’ ny taona 1948, ny velaran-tany fambolena dia nitombo telo heny, indrindra vokatry ny asa
fitarihan-drano
. Ikambanana ny fananan-tany, ny tany dia fananan' ny fikambanana izay ahitana ny Tahirim-Bolam-Pirenena Jiosy. Amin’ny toeram-pambolena sy fiompiana lehibe iombionana (
kibbutzim
) dia mifampizara amin’ ny fomba tsy miangatra ny asa sy ny tombontsoa ny mpiasa. Ny
moshavim
dia
kôperativa
m-pamokarana. Avo dia avo ny tamberim-bokatra
Ny famokarana amin' ny fambolena dia ahitana ny
voasary
(950 000 taonina), ny
legioma
, ny
ovy
, ny
varimbazaha
ary ny
zavôka
. Aondrana ny voasary sy ny
voankazo
hafa.
Tamin' ny taona 2006 dia nahatratra 398 000 ny
omby
, 445 000 ny
ondry
, 87 000 ny
osy
ary 42,7 tapitrisa ny
akoho amam-borona
Ny vokatry ny
jono
isan-taona dia mahatratra 26 555 taonina, anatin' izany ny trondron-dranomamy ompina anaty
dobo
izay miantoka ny antsasaky ny vokatra.
Harena an-kibon' ny tany sy taozava-baventy
hanova
hanova ny fango
Ny loharanon-karena ara-taozavatra momba ny
harena an-kibon' ny tany
any Israely dia ny
pôtasy
sy ny
fôsfaty
(900
000 taonina). Ankoatr' izany, i Israely dia mitrandraka
brôma
sy
maneziôma
ary
akora mineraly
hafa izay trandrahina avy amin’ ny tahirin-t
sira
voajanahary ao amin' ny
Ranomasina Maty
. Ny fitrandrahana ny
vatovandana
(na
marbra
) sy ny
vatorano
(na
granita
) dia miantoka ny filana anatiny ao amin' ny sehatry ny fanorenana. Ny famokarana
solitany
tsy voadio dia zara raha mahantoka ny 1
% amin' ny fanjifana anatiny.
Ny indostria dia mampiasa 21,7
% amin' ny mponina afaka miasa. Saika ny 30
% amin' ny famokarana taozavatra no iantohan' ny orinasa ho an' ny sehatra ara-panjakana na ho an' ny sehatra sôsialy. Ny
seha-pihariana
lehibe dia ny famokarana milina, fitaovam-pitaterana, ny fanodinana sakafo, ny fanenoman-damba ary ny famokarana akora ilaina amin' ny fanorenana. Nanomboka tamin' ny taompolo 1980 ny
indostria
israeliana dia tao amin' ny sehatry ny
fifandraisan-davitra
sy ny
infôrmatika
ary ny
biôteknôlôjia
Ny herinaratra dia saika novokarina manontolo amin' ny alalan' ny solitany. Ny fanorenana vaovao rehetra dia nahitana fitaovana famanàn-drano amin' ny masoandro.
Fifanakalozana
hanova
hanova ny fango
Ny vola ampiasaina any Israely dia ny
shekel
izay mizara ho 100
agorot
(ny shekel iray dia nitentina 0,179
euro
tamin' ny Febroary 2005). Ny Banky Foiben' i Israely no mamoaka ny vola ary izy no hany bankin' ny governemanta.
Ny mizanan' ny varotra ivelany dia nitontongana. Manafatra fitaovana ho an' ny miaramila, vokatra solitany, milina, vokatra simika ary vokatra momba ny sakafo mantsy i Israely. Manondrana
diamondra
voasa, vokatra simika,
voasary
, lamba, ary vokatry ny taozavatra koa ilay firenena.
Ny mpiara-miombona antoka ara-barotra lehibe amin' i Israely dia i
Etazonia
, i
Alemaina
, i
Britaina Lehibe
, i
Japàna
, i
Soisa
ary i
Hong Kong
. Ampahany be amin' ny vola vahiny no azo amin' ny alalan' ny
fizahan-tany
sy avy amin' ny fandefasam-bola avy amin' ny vondrom-piarahamonina jiosy any ivelany, indrindra avy any Etazonia. I Israely koa dia mahazo fanampiana avy amin' i Etazonia (3
000 tapitrisa dôlara isan-taona).
Haifa
, ny seranan-tsambon' i Ashdod ary i Eilat, ao amin' ny
Hoalan' i Aqaba
, no seranan-tsambo lehibe ao amin' ilay firenena.
Ny fanjakana no mitantana ny
lalamby
izay mirefy 899 km. Mirefy 17 446 km ny tambajotran' arabe. Ny sidina iraisam-pirenena dia iantohan' ny kômpaniam-pirenena
El Al
sy ny kômpaniam-pitaterana ana habakabaka maro hafa iraisam-pirenena, fa ny sidina anatiny kosa dia iantohan' ny kômpania
Arkia
. Ny seranam-piaramanidina Ben-Gurion ao
Tel-Aviv-Jaffa
no seranam-piaramanidina lehibe indrindra any Israely.
Tantara
hanova
hanova ny fango
Fampandrosoana ny ziônisma: Kôngresy tao Basel
hanova
hanova ny fango
Ny kôngresy
ziônista
voalohany dia nivory tao Basel (na Bâle), any
Soisa
, tamin' ny 29 ka hatramin' ny 31 Aogositra 1897, ary nanamarika ny kihon-dalana lehibe teo amin' ny tantaran' ny hetsiky ny "Mpitia an' i Ziôna", izay lasa hetsika "ziônista-pôlitika" tamin' ny fomba ôfisialy. Nanolotra ny fandaharan' asany i
Theodor Herzl
, izay nantsoiny hoe "drafitra fampivondronam-pirenena jiosy". Hoy i Herzl tao amin' ny diariny: "Raha tsy maintsy mamintina amin' ny teny iray ny Kôngresy tao Basel aho, dia izao: tao Basel no nanorenako ny fanjakana jiosy. Angamba ao anatin' ny dimy taona ary azo antoka fa ao anatin' ny dimampolo taona, ho fantatry ny rehetra izany". Natao impolo tao an-tanàna helvetika ilay kôngresy mandra-piorin' i Israely tamin' ny taona 1948.
Fitantanan' ny Britanika
hanova
hanova ny fango
Tamin' ny taona 1917, ny
Britanika
no nifehy an' i
Palestina
taorian' ny faharesen' ny
Empira Ôtômana
tamin' ny
Ady Lehibe Voalohany
Araka ny fampanantenana nataon' i Lord Balfour tamin' i
Chaim Weizmann
dia azon' izy ireo tamin' ny fihaonambe tao San Remo ny fametrahana ny fitantanana britanika ilay faritra izay mikendry indrindra ny hananganana "akanim-pirenena jiosy" ao Palestina araka ny hetahetan' ny hetsika ziônista.
Tamin' ny taona 1945 dia nisy fanadihadiana izay nampiseho fa nisy mponina 1
845
560 tao amin' ilay faritra, ka anisan' izany ny
Mozilmana
miisa 1
076
780, ny
Jiosy
miisa 608
230, ny
Kristiana
miisa 145
060 ary ny olona miisa 15
490 avy amin' ny vondrona hafa.
Taona
Totaly
Mozilmana
Jiosy
Kristiana
Hafa
1922
752
048
589
177
(78
%)
83
790
(11
%)
71
464
(10
%)
617
(1
%)
1931
033
314
759
700
(74
%)
174
606
(17
%)
88
907
(9
%)
10
101
(1
%)
1945
845
960
076
780
(58
%)
608
230
(33
%)
145
060
(8
%)
15
490
(1
%)
Ankoatra ny fitomboana voajanahary, ny fifindra-monin' ny olona 100
000 hatramin' ny 200
000 dia manazava ny fitomboan' ny isan' ny mponina arabo.
Latsabato momba ny drafi-pizaràna an' i Palestina
hanova
hanova ny fango
Tamin' ny 29 Nôvambra 1947, ny
Firenena Mikambana
dia nanao latsabato momba ny drafi-pizaràna an' i Palestina ho fanjakana jiosy sy fanjakana arabo sady manao an' i
Jerosalema
ho
corpus separatum
(tany mitokana) eo ambany fitantanana iraisam-pirenena. Firenena telo amby telopolo no nifidy "manohana", telo ambin' ny folo "manohitra", ary folo no tsy nifidy.
Ny ampitson' io dia nipoaka ny
ady an-trano
teo amin' ny vahoaka jiosy sy arabo tany Palestina raha nikarakara ny fialany avy ao ny Britanika.
Fahaleovantenan' ny Fanjakan' i Israely
hanova
hanova ny fango
Tamin' ny 14 May 1948, andro farany amin' ny fotoam-pitantanan' ny Britanika an' i Palestina, ny filohan' ny Masoivoho Jiosy ho an' i Israely (
hebreo
: הסוכנות היהודית לארץ ישראל /
HaSochnut HaYehudit L'Eretz Yisra'el
), i
David Ben-Gurion
, dia nanambara ny fahaleovan-tenan' ny Fanjakan' i Israely, ka izy no lasa praiminisitra voalohany.
Ny firenena arabo mpifanolo-bodirindrina notohanan' ny
Ligy Arabo
dia namaky ady taminy avy hatrany. Miatrika ny tafik' i
Transjôrdania
(i
Jôrdania
ankehitriny), ny an' i
Ejipta
, ny an' i
Siria
ary ny an' i
Iràka
i Israely ary naorin' ny
Ligy Arabo
ny Tafi-Panafahana Arabo (
arabo
: جيش الإنقاذ العربي /
Jaysh al-Inqadh al-Arabi
) nandritra ny
Ady Arabo-Israeliana tamin' ny taona 1948-1949
Nandritra ny fotoana fohy nisian' ny ady izay nifandimby tamin' ny fampitsaharana ady dia nanitatra ny fari-tany teo ambany fahefany i Israely. Tamin' ny taona 1949 dia nisy fampitsaharana ady maromaro nosoniavin' i Israely sy ny fanjakana mpifanolo-bodirindrina aminy. Voalohany indrindra amin' i Ejipta, tamin' ny 12 Febroary 1949 izay nibodo ny
Salavantanin' i Gaza
, i Libàna tamin' ny 23 Marsa 1949 teo amin' ny "tsipika manga", i
Jôrdania
tamin' ny 3 Avrily 1949 izay nampiditra an' i
Jôrdania Andrefana
sy ny ilany atsinanana amin' i
Jerosalema
ary nizotra nankany amin' ny fifanakalozam-pari-tany miaraka amin' i Israely mankany amin' ny sisin-tany ankehitriny voafaritry ny "tsipika maitso" ary farany i
Siria
tamin' ny 20 Jolay 1949. Na izany aza, ireo fampitsaharana ady ireo dia tsy nahazoana afa-tsy fiatoana fohy fia fohy teo amin' ny
Ady Israeliana-Palestiniana
sy ny
Ady Israeliana-Arabo
izay naharitra mandraka androany.
Fiantombohan' ny Fanjakan' i Israely: ny mpitsoa-ponenana
hanova
hanova ny fango
Ireo taona voalohany nisian' ilay firenena dia voamariky ny fahatongavan' ireo sisa velona tamin' ny Hôlôkaosta ary indrindra ireo mpitsoa-ponenana avy amin' ny firenena arabo, avy eo tamin' ny taompolo 1970, ny
Jiosy
avy amin' ny
Firaisana Sôvietika
Nandritra ny Ady Arabo-Isiraeliana tamin' ny taona 1948-1949 dia Arabo palestiniana efa ho 750
000 amin' ireo nbiisa 900
000 nonina tany amin' ny faritany maro navela noho ny torohevitry ny firenena arabo mifanila aminy izay nihevitra fa handresy an' i Israely ao anatin' ny fotoana fohy. Ny ankamaroan' ny taranak' izy ireo ankehitriny dia monina any
Jôrdania
sy any
Siria
ary any
Libàna
Tao anatin' ny taona maro taorian' ny namoronana an' i Israely dia nitombo ny fifindrà-monina jiosy avy any amin' ny firenena arabo sy mozilmana, 900
000 ny nandositra avy amin' ny firenena arabo, nandao ny fananany. Anisan' izy ireo ny 600
000 izay nialokaloka tany Israely. Ny
Jiosy
avy any amin' ny
Tontolo Arabo
ankehitriny no ankamaroan' ny Jiosy ao
Frantsa
sy ny fiarahamonina israeliana.
Sisin-tany
hanova
hanova ny fango
Nivoatra be ny sisin-tanin' ny firenena hatramin' ny nanambaràna ny fahaleovan-tenany, nandritra ny Ady Arabo-Israeliana ary araka ny fifanaraham-pandriam-pahalemana.
Ny fehinkevitry ny
Firenena Mikambana
sasany dia manan-danja lehibe ho an' i Israely, anisan' izany ny Fehinkevitra 181 an' ny
Fivoriamben' ny Firenena Mikambana
, izay manohana ny fananganana fanjakana jiosy sy ny ny fananganana fanjakana arabo, ary avy eo ny Fehinkevitra 242 an' ny
Filankevi-Piarovan' ny Firenena Mikambana
tamin' ny 22 Nôvambra 1967, taorian' ny
Ady Enina Andro
sy ny Fehinkevitra 338 an' ny Filankevi-Piarovan' ny Firenena Mikambana tamin' ny 22 Ôktôbra 1973, izay nanolotra lasitra ho an' ny famahana ny
Ady Israeliana-Arabo
Ny sisin-tany eken' ny sehatra iraisam-pirenena dia ireo manasaraka an' i Israely amin' i
Ejipta
sy i
Jôrdania
izay nanaovan' i Israely sonia fifanaraham-pandriam-pahalemana, tamin' ny taona 1979 sy tamin' ny taona 1994. Ireo manasaraka an' i Israely amin' i
Libàna
sy ny
Salavantanin' i Gaza
dia tsipika fampitsaharana ady tamin' ny
Ady Arabo-Israeliana tamin' ny taona 1948
izay antsoina koa hoe "sisin-tanin' ny 1967", izany hoe talohan' ny
Ady Enina Andro
. Ny ankamaroan' ny firenena maneran-tany dia manaiky an' i Israely ao anatin' ireo sisintany ireo. Na izany aza, taorian' ny Ady Enina Andro dia noraisin' i Israely ihany koa ny
Lembalemban' i Golan
avy amin' i
Siria
, i
Jôrdania Andrefana
avy amin' i
Jôrdania
ary ny
Saikanosin' i Sinay
avy amin' i
Ejipta
. Ny ilany atsinanana amn' i
Jerosalema
dia nampidirin' i Israely ho ao amin' ny tanim-pireneny nefa tsy nahazo fankatoavana iraisam-pirenena izany. Hatramin' ny nandaozany an' i Sinay tamin' ny taona 1981 sy ny Salavantanin' i Gaza tamin' ny taona 2005 dia mbola mibodo an' i Jôrdania Andrefana -- izay takîna hananganana fanjakana palestiniana -- i Israely, ary tamin' ny taona 1981 dia nampiditra ny Lembalemban' i Golan izay takîn' i Siria (sy ny toeram-pambolena ao Chebaa notakîn' i Libàna nanomboka tamin' ny taona 2000 na dia ao anatin' ny Lembalemban' i Golan aza).
Jereo koa
hanova
hanova ny fango
Jiosy
Hebreo
Jodaisma
Fiteny hebreo
Palestina (faritra)
Tantaran' i Israely
Jeôgrafian' i Israely
Toekaren' i Israely
Fivavahana ao Israely
Mponina ao Israely
Firenena ao Azia:
Afganistàna
Arabia Saodita
Armenia
Azerbaijàna
Bangladesy
Bareina
Botàna
Broney
Emirata Arabo Mitambatra
Filipina
Iemena
India
Indônezia
Iràka
Iràna
Israely
Japàna
Jôrdania
Kambôdia
Katara
Kazakstàna
Kirgizistàna
Kôety
Kôrea Atsimo
Kôrea Avaratra
Laôsy
Libàna
Maldiva
Malezia
Mianmara
Môngôlia
Nepaly
Ômàna
Ozbekistàna
Pakistàna
Palestina (fanjakana)
Rosia
Sina
Singaporo
Siria
Srilanka
Tailandy
Taioàna
Tajikistàna
Torkia
Torkmenistàna
Vietnamy
Kôntinenta eto an-tany
Afrika
Amerika
Amerika Avaratra
Amerika Atsimo
Azia
Eorôpa
Ôseania
Antarktika
Mbola
ambangovangony
ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina
Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny
fanitarana azy
Jereo koa ny pejy
Ahoana ny manao takelaka
rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.
Hita tao amin'ny "
Sokajy
Vangovango
Firenena
Firenena ao Azia
Israely
Israely
Hanampy lohahevitra
US