Jiosy — Wikipedia
Hankany amin'ny vontoatiny
Avy amin'i Wikipedia
Fankalazana ny Torah
Ny
Jiosy
na
Jody
dia vondrona ara-poko sy ara-pivavavahana
sady firenena
, avy amin' ny
Zanak' i Israely
na
Isiraelita
tao amin' ny fanjakana ara-tantaran' i
Israely
sy i
Jodà
, niaina taorian' ny
fahababoana tany Babilôna
, ary ny fivavahan' izy ireo dia ny
jodaisma
. Atao hoe יְהוּדִים /
yehudim
izy ireo amin' ny
teny hebreo
, Ἰουδαῖοι /
Ioudaĩoi
, amin' ny
teny grika
, ary
Iudaei
amin' ny
teny latina
. Ny Jiosy tsirairay dia mpikambana ao amin' ny vahoaka iray fantatra amin' ny fivavahany manokana, ny jodaisma, sy amin' ny firazanana ara-poko, amin' ny heviny malalaka, na dia tsy ara-pivavahana aza izany
. Mifandray be ny maha foko sy ny fivavahana ary ny fiarahamonina jiosy, satria
fivavaham-poko
ny jodaisma
, saingy tsy ny foko jiosy manontolo no manaraka ny jodaisma. Na dia eo aza izany, ny Jiosy ara-pivavahana dia mihevitra ny olona niova fo ho amin' ny jodaisma ho Jiosy koa
Ny lovantsofina jiosy dia mampifandray ny razambeny amin' ny patriarika
Abrahama
sy
Isaaka
ary
Jakôba
(izay antsoina koa hoe Israely). Nanenika an' i
Jodea
na
Jodia
sy ny
Fanjakan' i Isiraely
izy ireo ary nandrafitra ny fiainany andavanandro manodidina ny
Baiboly hebreo
, izay ahitana ny Boky dimy ao amin' ny
Torah
nomena an' i
Mosesy
na
Môizy
, ny
Bokin' ny mpaminany
tatỳ aoriana ary
asasoratra
hafa. Mamaritra ny
finoany
, ny tantarany, ny maha firenena azy ary ny lalàna amin' ny lafiny rehetra momba ny fiainany ny Baiboly. Araka ny
Baiboly
dia nomen' i
Iahveh
Andriamanitra
azy ireo io tany io.
Nifindra monina na natao sesitany avy tany Jodea ny Jiosy ary nanorim-ponenana nanerana an' izao tontolo izao, taorian' ny fiovaovan' ny tantarany. Miezaka mitazona ny fomba fiainan' ny razambeny eo anivon' ny vahoaka manodidina izay iarahany monina izy ireo, ka namolavola
fomban-drazana
ara-pivavahana,
nahandro
sy
fiteny
ary toetrany manokana hafa. Mifamaly amin' izany koa dia nanintona ny mponina nampiantrano azy izy ireo ary betsaka ny niova finoana ho amin' ny jodaisma tao amin' ny
Empira Rômana
. Ny fiantraikany sy ny halehiben' ny isan' ny olona voakasin' izany fiovam-pinoana izany dia ady hevitra eo amin' ny samy mpahay tantara. Ny tantaran' izy ireo nandritra ny roa arivo taona mahery dia voamariky ny fanenjehana, na eo amin' ny tontolo kristiana na silamo; tany Eorôpa dia nifarana tamin' ny fandripahana faobe (
Shoah
) izany tamin’ ny taonjato faha-20.
Ny revôlisiôna lehibe tamin' ny vanim-potoana môderina dia nitarika ho amin' ny fahaverezana na fandaozana manontolo na amin' ny ampahany amin' ny mari-pamantarana nentim-paharazana teo maro amin' izy ireo. Maro ny ezaka atao mba hamaritana azy ireo ho vondrona ara-pivavahaha, ara-poko na ara-kolontsaina, ka avahana noho izany ny Jiosy ara-poko (olona avy amin' ny vahoakan' i
Israely fahiny
) sy ny Jiosy ara-pivavahana (olona manaraka ny jodaisma)
Sarotra ny mombana amin' ny fomba marina ny isan' ny Jiosy ankehitriny
, ary anaovana fanombanana samihafa, saingy araka ny tombana natao tamin' ny taona 2016 dia manodidina ny 14,4 tapitrisa ny isan' izy ireo
10
. Araka ny fanisana iray hafa notontosain' ny Berman Jewish DataBank tamin' ny taona 2021 dia eo anelanelan' ny 15,2 tapitrisa sy 19,9 tapitrisa izany
11
, izany hoe latsaky ny 0,2
% amin' ny mponina eran-tany. Ny ankamaroan' izy ireo dia monina any
Israely
sy any
Etazonia
, ary ny ambiny dia hita indrindra any
Eorôpa
, any
Kanada
ary any
Amerika Latina
Ny anarana hoe
jiosy
na
jody
hanova
hanova ny fango
Fiforonan-teny
hanova
hanova ny fango
Roa ny
teny malagasy
voakasika eto dia ny hoe
Jiosy
sy ny hoe
Jody
. Ny teny hoe
Jiosy
, izay ampiasain' ny
Prôtestanta malagasy
, dia tsy fanagasiana avy hatrany avy amin' ny
teny hebreo
na grika fa avy amin' ny
teny anglisy
hoe
Jews
na
Jewish
izay vakina hoe /dʒuːz/ sy /dʒu:iʃ/. Ity indray dia avy amin' ny
teny frantsay
tranainy hoe
Giu
izay mbola avy amin' ny teny frantsay talohan' io hoe
Juieu.
Io indray dia avy amin' ny
teny latina
hoe
Iudaeus.
Ny teny malagasy hoe
Jody
, izay ampiasain' ny
Katôlika malagasy
, dia avy amin' ny
teny latina
hoe
Iudaeus
. Ny teny latina hoe
Iudaeus
dia avy amin' ny
teny grika
hoe
Ἰουδαῖος
Ioudaios
Ἰουδαῖοι
Ioudaioi
raha milaza maro) izay fandikana ny teny hebreo hoe יהודי /
Yehudhi
(na יְהוּדִים /
Yehudhim
raha milaza maro).
Ny
Baiboly prôtestanta amin' ny teny malagasy
dia mampiasa ny hoe
Jiosy
fa
Jody
kosa ny ao amin' ny
Baiboly katôlika amin' ny teny malagasy
. I
Jodea
(na
Jodia
) dia atao hoe
Iudaea
amin' ny teny latina,
Ἰουδαία
Ioudaía
amin' ny teny grika, ary יְהוּדָה /
Yehuda
amin' ny teny hebreo.
Hebreo sa Israelita?
hanova
hanova ny fango
Tsy tokony hafangaro ny hoe
Hebreo
(na
Hebrio
) sy
Israelita
. Ny
Hebreo
na
Hebrio
dia vondrom-poko
semitika
izay nifindra avy any
Mesôpôtamia
na
Mezôpôtamia
nankany
Palestina
tamin’ ny taonarivo faha-2 tal. J.K. Izy ireo no heverina fa razamben' ny Jiosy na Jody ankehitriny.
Ao amin' ny
Testamenta Taloha
, ao amin' ny
Baiboly
dia manondro ny taranaky ny zanaka lahin' i
Jakôba
, izay lohan' ny
fokom-pirenena roa ambin' ny folon' i Israely
, ny teny hoe
Israelita
. Ny Jiosy izany dia tokony ho ampahan' ny Israelita ary ny Israelita (raha tsy manondro manokana ny vahoaka tao amin' ny
Fanjakan' i Israely
na Fanjakan' i Samaria) dia tokony ho ampahan' ny Hebreo.
Kolontsaina
hanova
hanova ny fango
Ny jodaisma
hanova
hanova ny fango
Mônôteisma
hanova
hanova ny fango
Menôrà (jiro fito rantsana)
Ny
jodaisma
no fivavahan' ny Jiosy, izay fivavahana
mônôteista
, izany hoe mino andriamanitra tokana, ary
YHWH
no anaran' izany andriamanitra izany. Io anarana io anefa, araky ny finoan' izy ireo, dia masina loatra ka tsy azo tononina, ka izany no mahatonga ny Jiosy tsy hanonona afa-tsy ny hoe
Adonai
("Tompo") na
HaShem
("ilay Anarana") rehefa miresaka na mivavaka. Mino ny Jiosy fa tokana Andriamanitra, ka noho izany tsy manaiky ny
Trinite
kristiana izy. Ny fiteny masin' ny Jiosy dia ny
fiteny hebreo
Ny Sabata sy ny andro tokony ho tandremana
hanova
hanova ny fango
Andro fitsaharana mifanandrify amin' ny andro fahafito amin' ny herinandro jiosy, izany hoe ny
Asabotsy
, ny
Sabata
izay atao hoe שָׁבַת /
Shabbat
amin' ny
teny hebreo
. Araka ny voalaza ao amin' ny
Baiboly
dia nasain' Andriamanitra notandreman' ny
Zanak' i Israely
ny andro Sabata. Zava-dehibe indrindra ao amin' ny jodaisma ny andro Sabata ka hajain' ny Jiosy fatratra. Tokony hampitsahatra na hampihena araka izay azo atao ny asa rehetra amin' ny andro Sabata ny olona tsirairay mba hifantohany amin' ny fikarakarana ny fianakaviany sy ny ankohonany. Andro tsy fiasana ara-panjakana ny andro Sabata ao
Israely
ka mahazo ny trano fivarotana sy ny fitaterana koa izany.
Vehivavy
jiosy etiôpiana
eo amin' ny Rindrin' ny Fitomaniana
Ny
Pesakh
(hebreo: פֶּסַח) no
Paska jiosy
; ahatsiarovana ny nandalovan' ny fahafatesana eny ambonin' ny tranon' ireo Hebreo tany Ejipta ka tsy nahafaty ny voalohan-terany sady ahatsiarovana koa ny fivoahan' ny razany avy tamin' ny fanandevozana tany Ejipta; ankalazaina manomboka amin' ny faha-15 hatramin' ny faha-22n' ny volana
Nisan
ao amin' ny
tetiandro hebreo
io fety io.
Ankalazana ny fijinjana ny varimbazaha sy ahatsiarovana ny nanomezan' Andriamanitra ny
Torah
(ny boky dimy voalohany ao amin' ny Baiboly) tany an-
tendrombohitra Sinay
(na
Sinaia
) ny
Shavuot
(hebreo: שבועות "herinandro"), izay ataon' ny Kristiana hoe
Pentekôsta
na
Pentekôty
; amin' ny faha-6n' ny volana
Sivan
no anatanterahana izany fankalazana izany.
Ny
Sukkot
(hebreo: חַג הַסֻּכּוֹת /
Hag ha-Sukkot
"fetin' ny trano lay" na "
fetin' ny tabernakely
") dia ahatsiarovana ny nanampian' Andriamanitra ny
Zanak' i Isiraely
tamin' ny
nivoahany avy any Ejipta
, ahatsiarovana ny fivahiniana mandritra ny 40 taona tany an-tany efitra taorian' ny fivoahan' ny Hebreo avy tany Ejipta, ary iravoravoana amin' ny fahataperan' ny tsingerin' ny fotoam-pambolena amin' ny taona. Ankalazaina manomboka amin' ny faha-15 hatramin' ny faha-21 (na faha-22) ao amin' ny volana
Tishri
io fety io.
Ny Soratra Masin' ny jodaisma
hanova
hanova ny fango
Ny
Torah
(hebreo: תּוֹרָה "Lalàna") dia fitambaran' ny boky dimy voalohany ao amin' ny
Baiboly hebreo
Tanakh
). Ny fitambaran’ ireo no mamorona ilay ataon' ny Kristiana hoe
Pentateoka
na
Boky dimin’ i Mosesy
ao amin' ny asasoratra kristiana (dia ny
Genesisy
na
Jenezy
, ny
Eksôdôsy
na
Eksaody
, ny
Levitikosy
na
Levitika
, ny
Nomery
na
Fanisana
ary ny
Deoterônômia
na
Deoterônômy
). Mino ny Jiosy fa nomen' Andriamanitra an' i
Mosesy
na
Môizy
(hebreo:
Mosheh
) ny Torah. Misy didy 613 ao anatin' ny Torah. Anisan' ireny didy ireny ny fifadiana biby tsy mivaky kitro sy ny fifadiana
trondro
tsy misy kirany.
Ny
Nevi'im
na
Nebi'im
(hebreo: נְבִיאִים "Mpaminany") dia ilazàna ny boky mamorona ny fizaràna faharoa ao amin' ny
Baiboly hebreo
. Mizara roa ny
Nevi'im
, dia ny
Nevi'im rishonim
("mpaminany taloha") sy ny
Nevi'im aharonim
("mpaminany taoriana"). Ny Mpaminany taloha dia ireo boky ataon' ny Kristiana hoe "
boky ara-tantara
" fa ny Mpaminany taoriana kosa mifanandrifindrify amin' ireo ataon' ny Kristiana hoe "
bokin' ny mpaminany
".
Ny
Ketuvim
na
Ketubim
(hebreo: כְּתוּבִים "Soratra") dia fitambaran' ny boky iraika ambin' ny folo mamorona ny fizaràna fahatelo sady farany ao amin' ny Baiboly hebreo. Anisan' izany ny
Bokin' ny Salamo
sy ny
Bokin' ny Ohabolana
sy ny boky toy ny
an' i Daniela
(na
Daniely
) sy ny
an' i Estera
Ny vahoaka jiosy ankehitriny
hanova
hanova ny fango
Iza no Jiosy?
hanova
hanova ny fango
Jiosy any
Sina
tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-20.
"? מיהו יהודי" /
Mihu yehudi
("Iza no Jiosy?"). Ankehitriny ny hoe
Jiosy
na
Jody
dia teny enti-manondro indrindra ny mponina tao
Jodea
(na
Jodia
) tamin' ny andron' i
Jesoa
na ny olona mpivavaka amin' ny
jodaisma
. Zavatra roa samy hafa ireo, nefa mifampiankina, satria misy ny Jiosy noho ny firenena niaviany (Jiosy ara-poko), mety ho Kristiana na tsy mivavaka ireo; nefa misy koa ny Jiosy noho ny fivavahany (Jiosy ara-pivavahana). Ny dikany voalohany anefa no hita ao amin' ny
Baiboly
. Mamaritra ny atao hoe "Jiosy" ho olona nateraka reny jiosy na olona niova finoana ho amin' ny jodaisma ny lalàna israeliana ankehitriny
12
Tsy tokony hafangaro koa ny hoe
Jiosy
(na
Jody
) sy ny hoe
Israelita
ary ny hoe
Israeliana
Ny foko jiosy lehibe ankehitriny
hanova
hanova ny fango
Ny Jiosy sefarada
hanova
hanova ny fango
Jiosy tao Aljeria tamin' ny taona 1890
Ny
Jiosy sefarada
dia ny Jiosy tamin' ny
Andro Antenatenany
nonina tao amin' ny
Saikanosy Iberika
Espaina
indrindraindrindra) sy tao
Afrika Avaratra
ary ny taranak' izy ireo. Nitsoaka avy ao amin' ny Saikanosy Iberika izy ireo tamin' ny taona 1492 noho ny fanenjehana nataon' ny Kristiana, nankany
Afrika Avaratra
sy tany amin' ny fizaràn-tany any atsinanana an' ny
Empira Ôtômàna
, avy eo nisy koa ny nifindra fonenana tany tany
Frantsa
, tany
Hôlanda
, tany
Angletera
, tany
Italia
, tany amin' ny
Balkàna
, sns. Manana ny fiteniny manokana ny Sefarada, dia fiteny vokatry ny fifangaroan' ny
fiteny hebreo
sy ny
fiteny kastilàna
, atao hoe
fiteny ladinô
Anondroana ny Jiosy avy any Afrika Avaratra sy avy any
Atsinanana Akaiky
miteny
arabo
sy
persiana
sady tsy manana fifandraisana ara-pirazanana amin' ny Jiosy ao amin' ny faritra eorôpeana koa ny teny hoe
Sefarada
. Ny Jiosy avy any
India
dia kilasina ho Sefarada koa
13
Ny Jiosy askenazy
hanova
hanova ny fango
Ny
Jiosy askenazy
dia ny Jiosy tamin' ny
Andro Antenatenany
nonina tao
Eorôpa Avaratra
, sy ny taranak' izy ireo na dia tsy mipetraka amin' io faritra io aza. Rehefa noroahina sy nenjehina ny Jiosy askenazy dia nifindra fonenana mankany atsinanana, any
Pôlônia
sy any
Litoania
ary any
Rosia
tamin' ny taonjato faha-15 sy faha-16. Maro amin' ny Jiosy askenazy ny nifindra monina any
Amerika Avaratra
sy any
Israely
tamin' ny taonjato faha-19 sy faha-20. Miteny amin' ny fiteny vokatry ny fifangaroan' ny fiteny hebreo sy ny
fiteny alemàna
, atao hoe
fiteny idisy
, ny Askenazy.
Ny foko jiosy hafa
hanova
hanova ny fango
Samaritana
mankalaza ny
Paska
eo amin' ny tendrombohitra
Gerizima
Ny Jiosy samaritana
hanova
hanova ny fango
Ny
Samaritana
dia anisan' ny vahoaka milaza fa taranaky ny
fokom-pirenen' i Israely very
. Misy ny Jiosy mitsipaka izany, nefa ao koa ny Jiosy mihevitra ny maha azo ekena an' izany. Be mpanaraka ny petra-kevitra manohana fa ny 80
% amin' ny mponina tao amin' ny
Fanjakan' i Samaria
dia nanohy ny fonenany tao ihany fa tsy natao sesitany (jereo:
Fahababoana asiriana
), ka ireo no nanjary Samaritana (amin' ny dikan' io teny io ara-pivavahana) araka ny ambaran' ny
Bokin' ny Mpanjaka
14
Fanambadiana
Bene Israely
Ny Bene Israely
hanova
hanova ny fango
Jiosy nifindra monina any
India
efa hatry ny ela ny
Bene Israely
. Araka ny lovantsofin' ny Bene Israely dia nifindra tany India ka nifangaro tsikelikely tamin' ny vahoaka manodidina ny razamben' izy ireo, nefa nihazona ny fomba mampiavaka ny Jiosy
15
. Tamin' ny taona 1964 dia nanao fanambaràna ny fikambanan' ny
raby
ao Israely fa Jiosy tanteraka ny Bene Israely
16
. Ireo Jiosy avy any India ireo dia kilasina ho
Sefarada
; nikambana tsara tamin' ny vahoaka sefarada ao Israely izy ireo
13
Jiosy etiôpiana
Ny Beta Israely
hanova
hanova ny fango
Vahoaka jiosy ao sy avy ao
Etiôpia
ny
Beta Israely
, izay atao hoe
Jiosy etiôpiana
koa. Neken' ny
Fanjakana israeliana
ho Jiosy izy ireo sady afaka nifindra monina any Israely noho ny faneken' i Ovadia Yossef (raby lehibe sefarada ao Israely) azy ireo tamin' ny taona 1973 ho taranaky ny
fokom-pirenen' i Dana
Ny Bney Menase
hanova
hanova ny fango
Vondron' olona
aziatika
monina any amin' ny sisin-tany
birmana
any amin' ny tapany avaratra-atsinanan' i
India
ny
Bney Menase
, izay nanambara, efa hatramin' ny taona 1950, fa taranaky ny
fokom-pirenen' i Manase
izay nitady fialokalofana tany amin' ny faritra faran' izay lavitra any
Azia
. Tamin' ny volana Marsa 2005, rehefa avy nanadihady ny amin' ny mety mbola hahitana ny taranaky ny
fokom-pirenena folo very
ny raby lehibe sefarada Rabbi Shlomo Amar ao
Israely
, dia nekeny ny maha taranaka jiosy ny Bney Menase. Monina ao Israely amin' izao fotoana izao ny 1
000 amin' izy ireo, sady efa niova finoana ho amin' ny
jodaisma
17
Ny vahoaka hafa mitaky ny maha Jiosy azy
hanova
hanova ny fango
Maro ny vahoaka eto an-tany izay milaza fa Jiosy na
Hebreo
(ohatra ny vondrom-poko sasany ao
Etiôpia
18
sy any
Sina
19
ary ny mainty hoditra sasany any
Etazonia
20
) na dia tsy fantatry ny olona maro sady mety tsy hinoany na mety ho diso tokoa aza izany, ka anisan' izany ny
Malagasy
sasany (na rehetra), dia ny olona na vondrom-poko na fikambanana miaiky ny tenany na heverin' ny sasany fa taranaka jiosy na jody eto
Madagasikara
21
22
Sary:Tribal and religious leaders in southern Afghanistan.jpg
Pastona
avy any amin' ny fritra atsimo amin' i
Afganistàna
Ny Pastona ao Afghanistàna sy Pakistàna
hanova
hanova ny fango
Vahoaka iraniana
betsaka mozilmana avy any
Afganistàna
sy
Pakistàna
ny
Pastona
Pashtun
), izay manaraka kolontsaina sy fomba fivavahana azy manokana sady efa nisy talohan' ny fidiran' ny
finoana silamo
, dia ny
pastoaly
pashtuwali
). Tsy mbola voaporofo ara-tantara azo tsapain-tanana ny maha
taranaky ny fokom-pirenena folon' i Israely very ny Pastona
23
24
. Midika hoe "zanak' i
Jôsefa
" ny anarana hoe
Ysef Zai
amin' ny
fiteny pastô
25
Nisy fikarohana sasany momba ny
foto-tarazo
izay mitsipaka ny mety hisian' ny fifandraisan' io vahoaka io amin' ny Jiosy, nefa ny fikarohana ara-poto-tarazo hafa dia miaiky ny mety hisian' izany fifandraisana izany
26
Ny Jiosy kiorda
hanova
hanova ny fango
Araka ny
lovantsofina
dia tonga voalohany tao amin' ny faritr' i
Kordistàna
ny
Israelita
n' ny
fokom-pirenen' i Benjamina
taorian' ny
fahazoan' ny Asiriana ny Fanjakan' i Israely
tamin' ny taonjato faha-8 tal. J.K. Avy eo izy ireo dia nipetraka tao amin' ny renivohitry ny
Asiriana
27
. Tamin' ny taonjato voalohany tal. J.K. dia niova finoana ho amin' ny
jodaisma
ny fianakavia-mpajakan' i Adiabene, izay lazain' i
Flavio Jôsefa
fa asiriana ara-poko sady nanao renivohitra an' i Erbil (
arameana
Arbana
kiorda
Hewlêr
28
Ny Jiosy kasmiriana
hanova
hanova ny fango
Al-Biruni
, ilay manampahaizana mozilmana
persana
tamin' ny taonjato faha-11 no voalohany nanolo-kevitra ny amin' ny fisian' ny taranaky ny fokom-pirenena verin' i Israely ao Kasimira. I François Bernier, mpitsabo frantsay tamin' ny taonjato faha-17, sy i Sir Francis Younghusband, izay nizaha ity faritra ity tamin' ny taonjato faha-19, dia niresaka ny amin' ny ny toe-batana mifanahaka eo amin' ny Kasmiriana sy ny Jiosy
29
, indrindra ny fihodirany mazava, ny orony somary lava, ny lohany somary mitovitovy
30
. Nilaza i Baikunth Nath Sharga fa na dia misy aza ny fifanahafana eo amin' ny fiforonan' ny anaram-pianakaviana kasmirita sy jiosy dia taranaka
indô-ariana
ny Pandita ao Kasimira, fa ny Jiosy kosa dia taranaka
semita
31
Ny fokom-pirenena sefoy ao Ganà
hanova
hanova ny fango
Nanaraka fanao jiosy mandrakariva ny
foko sefoy
sefwi
) ao
Ganà
, indrindra ny fitandremana ny
Sabata
, ny
famorana
ny zazalahy amin' ny fahavalo andro nahaterahany (
brit milah
), ny fomba fampidirana ny zazalahy ho anisan' ny lehilahy amin' ny faha-13 taonany, ny fitandremana ny lalàn' ny fahadiovan' ny fianakaviana (
taharat mishpcha
na
niddah
). Mihevitra ny manampahaizana sasany fa ny fomban-drazana jiosy dia mety nampidirin' ny Jiosy voaroaka avy any
Espaina
tao Ganà tamin' ny taona 1492 ka nifindra monina nankany atsimon' i
Marôka
. Lasa fantatra amin' ny anarana hoe "Tranon' i Israely" io foko io
32
I Rabbi Howshua Amariel maneho an' i Rabbi Hi Ben Daniel, filohan' ny
vahoaka jiosy igbô
miaraka amin' ny takelaka iray
Ny Jiosy igbô
hanova
hanova ny fango
Milaza ny tenany fa taranaka israelita ny
Jiosy igbô
ao
Nizerià
. Tsy voamarin' ny fandinihana tsara ny tantara anefa izany. Nandinika ny literatiora ara-tantaran' i
Afrika Andrefana
tamin' ny vanim-potoan' ny
fanjanahantany
ny mpahay tantara sady nanao izay hampazava tsara ny anjara asa sahanin' io petrakevitra io ho an' ny olona nanoratra izany
33
34
Ny Lemba
hanova
hanova ny fango
Foko mainty hoditra ao amin' ny
tapany atsimo amin' i Afrika
, ao
Afrika Atsimo
sy ao
Zimbaboe
sy ao
Malaoy
ary ao
Môzambika
ny
Lemba
. Izy ireo dia mitandrina fanao ara-pivavahana tahaka izay fahita amin' ny
fivavahana jiosy
, sy ny fomban' ny vahoaka mpifindrafindra monina izay heverina fa mety avy any
Afrika Avaratra
na avy any
Atsinanana Akaiky
. Mampiseho fitoviana amin' ny an' ny ampahan' ny vahoaka jiosy taranaky ny
mpisorona
(atao hoe
Kôhena
) ny fandinihana ny
foto-tarazo
Jereo koa
hanova
hanova ny fango
Vahoaka
Israeliana
Israelita
Hebreo
(vahoaka)
Fokom-pirenen' i Israely
Fokom-pirenena folo very
Sefarada
Askenazy
Jiosy malagasy
Fiteny sy soratra
Baiboly hebreo
Hebreo
Faritra sy tany
Ôfira
Israely
(ankehitriny)
Israely
(taloha)
Azo anovozan-kevitra
hanova
hanova ny fango
Momba ny
Jiosy
any Amerika sy aty Afrika
Morris Lounds,
's Black Hebrews
: Black Americans in search of identity
, University Press of America, 1981, 221 p. (
ISBN 0-8191-1400-6
).
"Diaspora Jiosy
Archived
Febroary 9, 2019 at the
Wayback Machine
Gasy"
Archived
Febroary 9, 2019 at the
Wayback Machine
in
African Jewish Communities
Momba ny
Jiosy malagasy
manokana
Ferrand, Gabriel (1905).
Les migrations musulmanes et juives à Madagascar
. Paris: Revue de l'histoire des religions.
Rabarioelina, Ndriana (Rev. Dr.) (2011),
Biblical Relations between Israel and Madagascar
, 2010, 458 p., États-Unis.
"121 personnes se convertissent ensemble au Judaïsme à Madagascar"
Archived
Jiona 7, 2016 at the
Wayback Machine
in
Coolamnews
"Les hébreux à Madagascar"
in
Ratsimandresy blogspot
"Jiosy ve ny Malagasy
?"
in Ratefy Tolotra,
TANIKO Madagascar
Loharano sy fanamarihana
hanova
hanova ny fango
John A. Shoup III (2011).
Ethnic Groups of Africa and the Middle East: An Encyclopedia: An Encyclopedia
. ABC-CLIO. p. 133. ISBN 978-1-59884-363-7.
Jacob Neusner (1991).
An Introduction to Judaism: A Textbook and Reader
. Westminster John Knox Press. pp. 375–. ISBN 978-0-664-25348-6. "That there is a Jewish nation can hardly be denied after the creation of the State of Israel"
Facts On File, Incorporated (2009).
Encyclopedia of the Peoples of Africa and the Middle East
. Infobase Publishing. pp. 337–. ISBN 978-1-4381-2676-0. "The people of the Kingdom of Israel and the ethnic and religious group known as the Jewish people that descended from them have been subjected to a number of forced migrations in their history"
Eli Lederhendler (2001).
Studies in Contemporary Jewry: Volume XVII: Who Owns Judaism? Public Religion and Private Faith in America and Israel
. Oxford University Press. pp. 101–. ISBN 978-0-19-534896-5. "Historically, the religious and ethnic dimensions of Jewish identity have been closely interwoven. In fact, so closely bound are they, that the traditional Jewish lexicon hardly distinguishes between the two concepts. Jewish religious practice, by definition, was observed exclusively by the Jewish people, and notions of Jewish peoplehood, nation, and community were suffused with faith in the Jewish God, the practice of Jewish (religious) law and the study of ancient religious texts"
Amiram Gonen et Rachel Gilon (dir.),
The Encyclopedia of the Peoples of the World
, New York, Marwyn Samuels & Michael Zand, coll. "Henri Holt Reference Book, Ethnic Groups - Encyclopaedias", 1993, p. 279-280
Alan Dowty (1998).
The Jewish State: A Century Later, Updated With a New Preface
. University of California Press. pp. 3–. ISBN 978-0-520-92706-3. "Jews are a people, a nation (in the original sense of the word), an ethnos"
BBC - Religions - Judaism: Converting to Judaism
". in
BBC
Article "Juif" du dictionnaire de l’Académie française
archive
], in
cnrtl.fr
Réflexions sur les évaluations du nombre de Juifs en France
", in
www.erudit.or
archive
Sergio DellaPergola,
World Jewish Population, 2019
archive
], 2020
World Jewish Population
",
Jewish Data Bank
, 2021 [
archive
].
"Are Jews a Religious Group or an Ethnic Group?"
(PDF). Institute for Curriculum Services
"Report of the High Level Commission on the Indian Diaspora"
(PDF). Indian Diaspora. Tahiry tamin'ny 11 Oktobra 2010. Notsidihina tamin'ny 10 Agostra 2018.
Israël Finkelstein, Neil Asher Silberman,
La Bible dévoilée, Les nouvelles révélations de l'archéologie,
2002, p. 256.
Weil, Shalva (2009) [2002]. "Bene Israel Rites and Routines". In Weil, Shalva (ed.).
India’s Jewish Heritage: Ritual, Art and Life-Cycle
(3rd ed.). Mumbai: Marg Publications. pp. 78–89.
Weil, Shalva (2008). "Jews in India". In Ehrlich, M. Avrum (ed.).
Encyclopedia of the Jewish diaspora
: origins, experiences, and culture
. ABC-CLIO. pp. 1204–1212. ISBN
978-1-85109-873-6
An aliya voyage across the millennia from India"
, MICHAEL FREUND, Jerusalem Post, 22 Novambra 2006.
Lisa Anteby-Yemini,
Les juifs éthiopiens en Israël
, C.N.R.S., 2004 (ISBN 2271062055), p. 25.
"Tribus perdues et retrouvées - Les Juifs de Kaifeng"
tahiry
"Black Jews"
Archived
Martsa 10, 2007 at the
Wayback Machine
tahiry
], The Religious Movements Homepage Project an'ny Oniversiten'i Virjinia [tahiry]
"International conference on Jewish Roots in Madagascar: "... 80% of Malagasy have Jewish origins"
"Report on Madagascar by WRF Member Ndriana Rabarioelina"
"Afhganistan Ethnic Groups"
. Library of Congress Country Studies. 1997.
Tahiry
tamin'ny 26 Jolay 2013.
"The People - The Pashtuns"
. Center for Applied Linguistics (CAL). 30 Jona 2002.
Tahiry
tamin'ny 5 Janoary 2007. Notsidihina tamin'ny 29 Oktobra 2010.
Weil, Shalva (7 Septambra 2011).
"The Israelite Connections of the Taliban"
Archived
Jolay 20, 2019 at the
Wayback Machine
ETH Zurich Center for Security Studies
Entine, Jon (2007)
. Abraham's children: race, identity, and the DNA of the chosen people (1st ed.).
Grand Central Publishing. p. 149. ISBN 978-0446580632.
Roth C in the
Encyclopedia Judaica
, p. 1296-1299 (Keter: Jerusalem 1972).
The Works of Josephus
, Complete and Unabridged New Updated Edition Translated by William Whiston, A.M., Peabody, MA: Hendrickson Publishers, Inc., 1987. ISBN 0913573868 (Hardcover).
Kashmir"
. Jewish Virtual Library. 2012
. Notysidihina talin'ny 28 Oktobra 2012
Bhandari, Mohan C. (2006).
olving Kashmir
. Lancer Publishers. p. 107. ISBN
8170621259
Kaw, M.K (2004).
Kashmir and Its People: Studies in the Evolution of Kashmiri Society
. APH Publishing. p. 51. ISBN
8176485373
Lidman, Melanie (14 Avrily 2016). "
Ghana's deep spirituality points some, joyfully, back to Judaism
".
Times of Israel
Sanders, Edith (1963).
"The Hamitic Hypothesis: Its Origin and Functions in Time Perspective"
. Journal of African History. 10 (4): 521–532. JSTOR 179896.
Zachernuk, Philip (1994).
"Of Origins and Colonial Order: Southern Nigerians and the 'Hamitic Hypothesis' c. 1870-1970"
Journal of African History
35
(3): 427–55. doi:10.1017/s0021853700026785. JSTOR 182643.
Hita tao amin'ny "
Sokajy
Mponina
Israely
Pejy misy rohin-drakitra tapaka
Jiosy
Hanampy lohahevitra
US