Jodaisma — Wikipedia
Hankany amin'ny vontoatiny
Avy amin'i Wikipedia
Menorah (jiro fito rantsana) tao amin'ny Tempolin'i Jerosalema (famerenana ny endriny)
Ny
jodaisma
dia endriky ny fivavahan' ny
Israelita
na ny
Jiosy
(na Josy), indrindra taorian' ny faharavan' ny
Tempolin' i Jerosalema
(taona 587 tal. J.K.) sy taorian' ny
fahababoan' ny Jiosy tany Babilôna
(587 - 538 tal. J.K.). Ny jodaisma dia finoana an'
Andriamanitra tokana
atao hoe
Iahveh
. Jiosy no fiantsoana ny mpino ao amin' io fivavahana io. 15
000
000 no isan' ny Jiosy manerana izao tontolo izao ary ny 7
000
000 amin' ireo no mipetraka any
Israely
. Anisan' ny finoana nolovana tamin' i
Abrahama
izy ka atao hoe "
finoana abrahamika
" sahala amin' ny
kristianisma
sy ny
finoana silamo
Kintan'i Davida
Milaza ny
Jiosy
fa ny fivavahany dia avy amin' i Abrahama (izay atao hoe rain' ny mino) sy amin' i
Mosesy
na
Môizy
(mpadahatra ny lalàn' i Israely). Ny
Tanakh
no
Soratra Masin
' ny jodaisma izay mirakitra ny
Lalàna voasoratra
Torah
) nambaran' Andriamanitra tamin' i Mosesy amin' ny ankamaroany teo amin' ny
Tendrombohitra Sinay
(na Sinaia). Misy koa ny
Lalàna am-bava
atao hoe
Misnà
izay manazava ny Lalàna voasoratra, izay voatahiry ao amin' ny
Talmoda
, asasoratra nataon' ny manampahaizana jiosy, ka ny fandraiketana an-tsoratra izany dia vita tamin' ny taonjato faha-6 taor. J.K.
Araka ny Baiboly dia i Abrahama razamben' ny
Hebreo
no rain' ny fivavahana jiosy. Nifindra fonenana tany
Egipta
ny Hebreo ka niharan' ny
fanandevozana
tao. Nampian' Andriamaitra i Mosesy hanafaka ny Israelita sy hitondra azy ireo mankany
Kanaana
. Rehefa tonga teo amin' ny tany Kanaana izy ireo dia niroborobo hatramin' izay ka hatramin' ny fandravan' ny
Rômana
azy ireo tamin' ny taona 70 taor. J.K. Ny fanompoam-pivavahana ao amin' ny
Tempolin' i Jerosalema
izay anatanterahana sorona dia nosoloana fanompoam-pivavahana ao amin' ny
sinagôga
izay trano fanaovana vavaka fa tsy fanaovana soro.
Tantaran' ny jodaisma
hanova
hanova ny fango
Ny fiavian' ny jodaisma
hanova
hanova ny fango
Fivavahan' i Abrahama, araka ny Baiboly
hanova
hanova ny fango
Araka ny Baiboly dia i
Abrahama
razamben' ny
Hebreo
no rain' ny fivavahana jiosy. Notarihin' i Mosesy ny vahoaka hebreo ka niala avy tany
Egipta
izay nanandevozana azy ireo. Niforona avy amin' izany ny vahoakan' i Israely. Fotoana fohy taorian' ny fiaingany dia nanolotra lalàna i Mosesy, dia ny
Didy Folo
, izay azony tamin' Andriamanitra teo amin' ny
Tendrombohitra Sinay
(na Sinaia).
Ny iahvisma, araka ny fikarohana ara-tantara anketriny
hanova
hanova ny fango
Araka ny filazan' ny manampahaizana sasany dia tsy
mônôteista
tanteraka ny fivavahan' ny Hebreo tany amboalohany fa
henôteista
atao hoe
iahvisma
, izany hoe manompo andriamanitra iray izy ireo, dia i
Iahveh
izay antsoiny hoe
Elohim
koa matetika, nefa mino ny fisian' ny andriamanitra maro ivavahan' ny firenena hafa manodidina. I Iahveh dia tsy iza fa ny andriamanitry ny razany izay nanafaka azy ireo tamin' ny fahandevozana sy nitondra azy ireo tany amin' ny Tany nampanantenaina. Talohan' ny
fahababoana tany Babilôna
dia vondrom-poko nikambana ho
fanjakana tokana
i Israely. Ny fanafahana azy ireo avy amin' ny fanandevozana tany Egipta sy ny famaboany ny tany
Kanaana
no zava-nitranga nanorina ny tantaran' i Israely sy ny fivavahany. Ny fanompoam-pivavahana anaovana sorona dia notanterahina tao amin' ny fitoerana masina tao
Jerosalema
, nefa nisy fitoerana masina koa naorina tany Betela any amin' ny tanin' i
Dana
any avaratra izay nifaninana taminy. Rehefa nisaraka ny
Fanjakan' i Jodà
any atsimo sy ny
Fanjakan' i Samaria
any avaratra dia nipoitra ireo
mpaminany
hetsehin' ny fanahy izay nanameloka ny
fivavahana mifangaroharo
sy ny fiharatsian' ny fiarahamonina. Ho setrin' izany tsy fahatokian' ny vahoaka izany dia nobaboin' ny firenena hafa, dia ny
Asiriana
sy ny
Babilôniana
, ireo fanjakana roa ireo.
Ny jodaisma tamin' ny Andro Taloha
hanova
hanova ny fango
Ny jodaisma nanomboka tamin' ny fahababoana
hanova
hanova ny fango
Fanaovan-tsesitany ny Jiosy tany Babilôna
Ny
fahababoana tany Babilôna
izay nanomboka tamin' ny fandravana an' i
Jerosalema
sy ny
Tempoly
tamin' ny taona 586 tal. J.K. dia nitondra fiovana lehibe teo amin' ny fivavahan' ny jiosy. Tany Babilôna no namitana ny fanoratana ny ankamaroan' ny
bokim-pivavanan' ny jiosy
izay nanao fivoasana ny tantaran' ny
Zanak' i Israely
tamin' ny fampifandraisana izany amin' ny faharavan' i Jerosalema sy ny Tempoly. Andriamanitra dia ninoana fa naniraka an' i Babilôna hanafay an' i Israely nefa izy ihany koa no hanafaka azy amin' ny fahababoana raha mibebaka ny vahoakany. Tany
Babilôna
no tena niovan' ny fivavahan' ny Hebreo ho tena mônôteisma, ka i Iahveh dia tsy andriamanitry ny Jiosy irery fa Andriamanitry ny olona rehetra izay miasa ao amin' ny tantaran' ny zanak' olombelona sy ny firenena rehetra. Nitsiry koa ny fanantenana mpamonjy izay hanorina indray ny fanjakan' i Jodà hotapan' ny olom-boahosotr' Andriamanitra, atao hoe
Mesia
. Nihevitra ny Jiosy tamin' izany fotoana izany fa ny mpanjaka
Kirôsy Lehibe
, izay nanome alalana ny vahoaka jiosy hody an-tanindrazana sy hanangana indray an' i Jerosalema sy ny Tempoly, io Mesia lazain' ny
mpaminany
io. Tsy tanteraka tao Jodà na
Jodea
amin' ny fomba feno anefa izany fanantenana izany satria tsy navelan' ny
Persiana
hitsangana ny fanjakan' i Jodà mahaleo tena fa fanjakana fehezim-bahiny nentin' ny
mpisoronabe
no nisy ka tsy nahafa-po ny Jiosy.
Ny jodaisma tamin' ny vanimpotoana rômana
hanova
hanova ny fango
Ny famaboan' i
Aleksandra Lehibe
ny Tany Atsinanana tamin' ny taona 331 tal. J.K. dia nampiditra ny kolontsaina grika izay tsy nankasitrahin' ny ankamaroan' ny vahoaka jiosy, na dia nisy ireo Jiosy helenista. Nipoaka noho izany ny
fikomian' ny Makabeo
teo anelanelan' ny taona 165 sy 142 tal. J.K. izay niseho tamin' ny endrika ady an-trano teo amin' ny Jiosy helenista sy ny Jiosy mandala ny fomban-drazana. Niova ho tolom-bahoaka izany ka azon' ny Jiosy ny fahaleovan-tena pôlitikan' i
Jodea
(na Jodia).
Nisy akony teo amin' ny fivoaran' ny jodaisma ireo ady ireo. Tamin' io vanimpotoana io no nipoiran' ny
literatiora apôkaliptika
izay maneho fa ny ady nifanaovan' ny Jiosy tamin' ny fanjakana hafa dia adin' ny
Tsara
sy ny
Ratsy
(jereo
doalisma
) izay tsy maintsy hiafara amin' ny fandresen' Andriamanitra. Nanomboka nampianarina sy nampanantenaina ny Jiosy fa ireo izay maty tamin' ny ady dia
hitsangan-ko velona
any am-parany, raha nampianarina fa ny
tsy feteza-maty
dia midika tsy fahataperan' ny fitohizan' ny taranaka fotsiny ihany fa tsy ny tsy fahafatesan' ny olona tsirairay, ary ny olona maty dia noheverina fa tsy hanam-pisiana ara-batana intsony fa ara-panahy ao amin' ny
fiainan-tsi-hita
atao hoe
Sheol
Nahaleo tena i Jodea nandritra ny 80 taona teo ho eo nefa fotoana nisian' ny korontana ara-pivavahana sy ny fizarazaràn' ny jodaisma koa izany. Nanorina ny fitondram-pianakaviana
hasmôneana
ny
Makabeo
. Tsy taranaky ny mpisorona levita izy ireo nefa nanendry ny tenany ho
mpisoronabe
nandova asam-pisoronana ka tsy nankasitrahin' ny
Jiosy
maro. Teraka noho izany sy noho ny fanarahany ny kolontsaina grika koa ny fanoheran' ny Jiosy azy ireo. Izany koa no nahatonga ny fiforonan' ny fikambanana tany
Komrano
nisaraka tamin' ny fivavahana tanterahina tao amin' ny Tempoly izay heveriny fa efa nolotoin' ny
Hasmôneana
ka nankanesan' izy ireo any an-tany efitra. Misy ny mpikaroka milaza fa ireo vahoaka nonina tany an' efitra ireo dia tsy iza fa ny
Eseniana
. Ny antoko matanjaka roa hafa, dia ny
Sadoseo
(na Sadoseanina) sy ny
Fariseo
(na Farizianina), ankoatry ny Eseniana, no nijanona nanao fanompoana miankina amin' ny Tempoly.
Tamin' ny fotoana nanaperan' ny tafika rômana ny fahaleovan-tena ara-pôlitikan' i Jodea tamin' ny taonjato voalohany tal. J.K. dia niroborobo ny
mesianisma
apôkaliptika
ka isan' izany ny endriky ny
fivavahana kristiana
tany am-boalohany. Nitohy izany toe-javatra izany mandra-pahatongan' ny fikomian' ny Jiosy teo anelanelan' ny taona 66 sy 70 taor. J.K. izay niteraka ny fandravan' ny
Rômana
an' i
Jerosalema
sy ny
Tempoly
. Niseho indray ny fanoherana mitam-piadiana ny Rômana teo anelanelan' ny taona 132 sy 135 taor. J.K. izay notarihin' i
Shimon Bar Kokhba
Ny jodaisma rabinika, tsy misy Tempoly
hanova
hanova ny fango
Ny fanompoam-pivavahana ao amin' ny
Tempolin' i Jerosalema
izay anatanterahana sorona dia nosoloana fanompoam-pivavahana ao amin' ny
sinagôga
izay trano fanaovana vavaka fa tsy fanaovana sorona.
Ny fandravan' i Tito (emperona rômana) ny
Tempoly Faharoa
tamin' ny taona 70 sy ny faharesen' i Shimon Bar Kokhba tamin' ny taona 136 dia trangan-javatra nitovy lanja amin' ny fandravan' ny Babilôniana ny
Tempoly Voalohany
tamin' ny taona 586 tal. J.K. Very tanteraka ny fahaleovantenan' ny vahoaka jiosy ary tsy nisy intsony ny Tempoly hatao ivon' ny fivavahany. Nipoitra noho izany toe-javatra izany ny fihetsiketsehan' ny
raby
, dia ireo mpandimby ny
Fariseo
, izay nanizingizina ny tokony hisian' ny fivondronana sy ny fampiroboroboana ny fiainana ara-panahy. Raha mbola andrasana ny fanavotan' Andriamanitra an' i Israely amin' ny alalan' ny
Mesia
dia ny fandinihana sy ny fampianarana ary ny fitandremana ny
Lalàna
(na
Torah
) ao amin' ny sinagôga sy any an-tranon' ny raby aloha no asolo ny Tempoly. Nisy raby sasany nampianatra fa rehefa mitandrina ny Lalàna ny Jiosy rehetra dia tsy maintsy ho tonga ny Mesia.
Ny jodaisma tamin' ny Andro Antenatenany
hanova
hanova ny fango
Ny fahefan' ny raby teo amin' ny vahoaka jiosy manontolo dia nipetraka miandalana. Nisy ihany anefa ny fikambanana nanohitra izany toy ny
Jiosy karaita
. Tamin' ny taonjato faha-7 taor. J.K. no tafapetraka tanteraka ny
jodaisma rabinika
manerana ny ankamaroan' ny faritra nonenan' ny Jiosy. Niezaka nandrindra ny fanao ara-pivavanana sy ny fombam-pivavahana ireo lohan' ny sekoly rabinika any
Babilôna
tao
Bagdad
tamin' ny alalan' ny fanaparitahany ny heviny any amin' ny Jiosy am-pielezana. Tsy tao
Palestina
intsony izany ny ivon' ny fivavanana jiosy fa tany Babilôna, ary ny
Talmodan' i Babilôna
no lasa filamatra.
Ny jodaisma niatrika ny filôzôfia grika
hanova
hanova ny fango
Ny jodaisma rabinika dia nifanehatra tamin' ny
filôzôfia grika
ka lasa nisy ny Jiosy nanao filôzôfia. Nandalina izany filôzôfia izany ny raby mba hiatrehany ny fanoherana ny jodaisma nataon' ny
Mozilmana
sady hanehoana amin' ny Jiosy fa mifanaraka koa amin' ny lalàn' ny saina ny Lalàn' ny jodaisma sy ny finoany. Ny tena malaza amin' ireo filôzôfa jiosy ireo dia ny raby Saadia ben Joseph tamin' ny taonjato faha-9 sy i Judah haLevi ary i
Moshe ben Maimon
(atao hoe
Maimônida
) izay nanoratra ny fehezan-dalàna atao hoe
Mishne Torah
Ny Sefarada sy ny Askenazy
hanova
hanova ny fango
Niteraka kolontsaina roa miavaka ny jodaisma tamin' ny
Andro Antenatenany
, dia ny
Sefarada
(tao Espaina) sy ny
Askenazy
(tao amin' ny tanin' ny
Empira Masina Rômana Jermanika
). Ny
filôzôfia
sy ny fanaovana ny Lalàna ho fehezan-dalàna voarindra dia nosahanin' ny Sefarada manokana, fa nifantoka tamin' ny fandalinana ny
Talmoda
ny Askenazy. Nanorina sekoly lehibe fandalinana ny Talmoda ny raby Shlomo ben Itzhak (atao hoe Rashi, fanafohezana ny hoe
Rabbi Shlomo Itzhaki
) tamin' ny taonjato faha-11. Nanohy ny asan' i Rashi ny mpianany sy ny zafikeliny, izay nanoratra ny literatiora
Tosafot
na
Tosefot
(hebreo: תוספות), izany hoe "tovana" amin' ny fivoasana nataon' i Rashi.
Ny kabala sy ny hasidisma
hanova
hanova ny fango
Nandritra ny Andro Antenatenany dia nipoitra ny antoko
mistika
sy antokon' ny
fitiavam-bavaka
jiosy. Ny lehibe amin' ireo dia ny fihetsiketsehan' ny
Hasidima
(hebreo:
Hasidim
"tia vavaka") tao
Alemaina
tamin' ny taonjato faha-12 sy ny
kabala
tao
Espaina
tamin' ny taonjato faha-13.
Tamin' ny voalohany dia filôzôfia tsy natao ho an' ny daholobe na natao ho fantatry ny maro ny kabala fa miafina, izay ahitana fampianarana
gnôstika
sy
neôplatonisiana
. Ny asasoratra fototra ao amin' izany dia ny
Sepher haZohar
("Bokin' ny famirapiratana") nosoratan' i Moshe ben Shem Tov. Tandindona sy famantarana ary sary an' ohatra momba ny
Torah
sy momba ireo didy maro no votoatiny. Nanjary firehana be mpanaraka izy taorian' ny fandroahan' ny
Fiangonana katôlika
ny Jiosy avy ao Espaina tamin' ny taona 1492. Izany fitomboan' ny isan' ny olona afaka manaraka ny kabala izany dia vokatry ny fivoasana manasongadina ny anjara toeran' ny
Mesia
nataon' i Yitzhak Ben Sh'lomo Luria. Ny kabalan' i Luria dia manome heviny ny fahoriana sy ny fijalian' ireo Jiosy nisesy tany ka nilaza fa misahana anjara asa iankinan-javatra betsaka ao amin' ny tantaran' ny
fanavotana
eto amin' izao tontolo izao izy ireo. Niteraka hetsika
mesianika
lehibe izay nanova tanteraka ny fiainan' ny vahoaka jiosy tamin' ny taonjato faha-17 izany fiheveran' i Luria izany, ka i Sabbatai Zevi no nitarika izany.
Nisy akony tamin' ny firoborobon' ny hasidisma
pôlôney
koa izany fiheveran' i Luria izany nanomboka tamin' ny taonjato faha-18. Ny asa nataon' i Israel Baal Shem Tov no nampalaza izany hasidisma izany. Nambarany fa ny fanoloran-tena amim-pahazotoana sy ny hafanam-pon' ny Jiosy mahantra sady tsy mahay taratasy dia tsara lavitra hanompoana an' Andriamanitra noho ny fandalinana am-pahazarana fotsiny ny
Talmoda
. Nanohitra ny hasidisma ny antokon' ny raby nefa nihen-danja izany noho ny tahotr' ireo antoko roa mpifanohitra ireo ny fivoaran' ny
filôzôfian' ny Fahazavana
tao
Eorôpa
andrefana sy ny mety ho vokatr' io filôzôfia io teo amin' ny jodaisma.
Ny jodaisma amin' ny Andro Vaovao
hanova
hanova ny fango
Nisy ny fankahalan' ny olona sasany ny Jiosy (
antisemitisma
) nefa nanomboka tamin' ny Revôlisiona frantsay dia nisy ny fahalalahana izay niteraka fiovana betsaka teo amin' ny fivavahan' ny Jiosy tao Eorôpa. Vokatr' izany dia teraka ny fanavaozam-pivavahana (
jodaisma nohavaozina
) izay niezaka ny hampirindra kokoa ny jodaisma ka anisan' izany ny fanaovana amin’ ny fitenin' ny olona andavanandro ny toriteny (fa tsy amin' ny
teny hebreo
izay nihavitsy mpampiasa), ny fandaozana ny ankamaroan' ny fomba amam-panao jiosy noheverina fa antitra loatra, ny fanafohezana ny faharetan' ny fotoam-pivavahana. Naka tahaka ny fomban' ny mpitondra fivavahana kristiana ny
raby
mpankasitraka ny fanavaozana. Ny teôlôjianan' ny jodaisma mpanohana ny fanavaozam-pivavahana dia nanantitra ny momba ny fitondrantena sady natoky ny fivoaram-pandrosoan' ny zanak' olombelona. Na dia izany aza dia nisy ireo mpanavao fivavahana nandanjalanja ka nanohy ny fitorian-teny amin' ny teny hebreo sady nanaja ny fomba amam-panao nentin-drazana.
Ny
jodaisma ôrtôdôksa
nanohitra ny mpanavao fivavahana dia niezaka ny hampisy fifandanjana eo amin' ny fomba nolovaina tamin' ny razana sy ny fampianarana vaovao.
Ny Jiosy
hanova
hanova ny fango
Ny
Jiosy
na Jody dia ireo
Zanak' i Israely
niaina taorian' ny
fahababoana tany Babilôna
, na ny olona manaraka ny fivavahana
jodaisma
. I
Israely
no tany fiavian' ny Jiosy sy ny jodaisma. Araka ny
Baiboly
dia nomen' i
Iahveh
Andriamanitra
azy ireo io tany io. Miisa any amin' ny 14
000
000 ny Jiosy amin' izao.
Ankehitriny na ny hoe
Jiosy
na
Jody
dia teny enti-manondro indrindra ireo mponina tao
Jodea
(na Jodia) tamin' ny andron' i
Jesoa
na ireo olona mpivavaka amin' ny
jodaisma
. Zavatra roa samy hafa ireo, nefa mifampiankina, satria misy ny Jiosy noho ny firenena niaviany, mety ho Kristiana na tsy mivavaka ireo; nefa misy koa ny Jiosy noho ny fivavahany. Ny dikany voalohany anefa no hita ao amin' ny
Baiboly
. Ny Lalàna israeliana ankehitriny dia mamaritra ny atao hoe Jiosy ho olona nateraka reny jiosy na olona niova finoana ho amin' ny jodaisma
Ny jodaisma sy ny fivavahana hafa
hanova
hanova ny fango
Ny jodaisma sy ny fivavahana hafa tamin' ny Andro Taloha
hanova
hanova ny fango
Ny jodaisma sy ny fivavahana tao Kanaana
hanova
hanova ny fango
Ny fivavahana kanaanita dia ireo fivavahana semitika taloha izay narahin' ireo Kanaanita niaina tao
Kanaana
tamin' ny fiandohan' ny
Andron' ny Alimo
ka hatramin' ny taonjato voalohany taor. J.K. Ny Kanaanita dia mivavaka amin'
andriamanitra
maro (
pôliteisma
), nefa indraindray koa amin' ny iray amin' ireo andriamanitra maro (
mônôlatria
). Isan' ny andriamanitry ny Kanaanita ireo andriamanitra mitondra ny anaran hoe
Ahserah
El
Baal
Dagon
ary
Yahweh
(lasa anaran' ny andriamanitry ny Israelita taty aoriana) izay resahina koa ao amin' ny
Baiboly
Ny jodaisma sy ny zôrôastrisma
hanova
hanova ny fango
Maro ireo mpahay tantara mihevitra fa nisy akony lehibe teo amin' ny jodaisma ny
zôrôastrisma
(fivavahana
mônôteista
naorin' i
Zaratostra
avy amin' ny fivavahana pôliteista) tamin' ny taonjato faha-6 tal. J.K. rehefa nahazo an' i Babilôna izay nanaovana
sesitany ny mponin' i Jodà
ny
Persiana
. Nisy fiantraikany teo amin' ny foto-pampianaranan' ny fivavahana jiosy ny rafitra nisy ao aminy araka ny hita ao amin' ny
Bokin' ny fitsipi-pifehezana
hita tao amin' ireo
soratanam-piraketan' ny Ranomasina Maty
. Hita ao ireo lohahevitry ny zôrôastrisma izay mitovitovy amin' ny an' ny jodaisma sy ny
kristianisma
ary ny
finoana silamo
Ny ankamaroan' ny lahatsoratry ny jodaisma - momba ny lohahevitra toy ny
fiainana aorian' ny fahafatesana
, ny
fiandrasana mesia
, ny
fitsarana
aorian' ny fahafatesana, ny
lanitra
sy ny
helo
, ny
safidy malalaka
ananan' ny olombelona - dia niseho tamin' ny vanimpotoana nanjakan' ny Persiana amin' i
Jodea
, ka azo eritreretina ny fisian' ny akon' ny zôrôastrisma amin' ny fivavahana jiosy, izany hoe lohahevitra momba ny
eskatôlôjia
. Anisan' ny lohahevitra mety azon' ny jodaisma tamin' ny zôrôastrisma koa ny
demônôlôjia
. Izany dia tsy hita raha tsy ao amin' ny soratra jiosy taorian' ny fahababoana tany Babilôna (taona 597 - 538 tal. J.K.), izay nifampikasohan' ny manampahaizana jiosy tamin' ny Persia sy ny
fivavahana iraniana
sy
kiorda
Ny jodaisma sy ny kristianisma ary ny silamo
hanova
hanova ny fango
Ny jodaisma sy ny kristianisma
Ny jodaisma sy ny
kristianisma
dia
fivavahana abrahamika
samy miorina amin' ny
Baiboly hebreo
antsoin' ny Kristiana hoe
Testamenta Taloha
. Nipoitra avy tamin' ny
andron' ny Tempoly Faharoa
ny kristianisma nefa nisaraka ireo fivavahana roa ireo tamin' ny taonjato voalohany taor. J.K. Nihamafy miandalana izany fisarahana izany nanomboka tamin' ny taonjato faha-2 taor. J.K.
Nanamafy ny ataony hoe "finoana marina" (na ôrtôdôksia) ny kristianisma ka nifantoka amin' ny fanekem-pihavanana vaovao amin' ny alalan' i
Jesoa Kristy
, araka ny voasoratra ao amin' ny boky manokan' ny Kristiana, dia ny
Testamenta Vaovao
. Ny jodaisma kosa dia manamafy izay ataony hoe "fitondrantena marina" (na ôrtôpraksia) izay mifantoka amin' ny fanekem-pihavanan' i
Mosesy
(na
Môizy
) araka ny hita ao amin' ny
Torah
sy ny
Talmoda
Mino ny
famonjena
ny olona tsirairay ho afaka amin' ny
fahotana
amin' ny alalan' ny fandraisany an' i Jesoa ho Tompo sy mpamonjy ny Kristiana. Ny Jiosy kosa mino ny fandraisana anjaran' ny olona tsirairay sy miaraka ao amin' ny fifampiresahana mandrakizay amin' Andriamanitra amin' ny alalan' ny lovam-pampianarana, ny fombafombam-pivavahana, ny vavaka ary ny fitondran-tena tsara. Mino Andriamanitra tokana misy
persôna telo
ny ankamaroan' ny Kristiana, ka ny iray amin' ireo
persôna
telo ireo dia inoany fa
tonga olombelona
ao amin' i Jesoa Kristy. Ny jodaisma kosa manamafy ny maha iray tsy mivaky an' Andriamanitra ka mitsipaka ny fiheverana kristiana ny amin' ny Andriamanitra tonga olombelona.
Ny jodaisma sy ny finoana silamo
Fivavahana abrahamika sahala amin' ny jodaisma sy ny kristianisma ny
finoana silamo
. Nanomboka tamin' ny taonjato faha-7 taor. J.K. tamin' ny nahaterahan' ny fivavahana silamo sy ny fielezany tao amin' ny
Saikanosin' i Arabia
. Samy mandala soatoavina sy hevitra fototra ary fitsipika mitovitovy ny jodaisma sy ny finoana silamo. Ataon' ny silamo ho ampahan-tantarany ny tantaran' ny jodaisma. Zava-dehibe amin' ny finoana silamo ilay fitenenana hoe "
Zanak' i Israely
". Amin' ny silamo dia mpaminany lehibe i
Mosesy
arabo
: موسى /
Musa
) sady heveriny fa mpaminanin' ny finoana silamo no irak' Andriamanitra. Resahina matetika kokoa noho ny hafa rehetra i Mosesy ao amin' ny
Kor'any
ary tantaraina bebe kokoa noho ny an' ny mpaminany hafa ny fiainany. Resahina in-43 ny
Israelita
ao amin' ny Kor'any, ary matetika ao amin' ny
Hadita
maro. Toy ny Kristiana sy ny Miozolmana koa dia ataon' ny fivavahana silamo hoe "
Olon' ny Boky
" (arabo: اهل الكتاب /
ahl al-kitâb
) ny Jiosy.
Maro ireo zavatra itovian' ny fivavahana roa noho ny maha samy
fivavahana abrahamika
azy ireo, sy ny akon' ny filôzôfia silamo amin' ny vahoaka jiosy any amin' ny tontolo miozolmana. Nifampikasoka sy nisy zavatra nifampizarana ireo fivavahana roa ireo nandritra ny 1
400 taona, na ara-pôlitika izany, na ara-teôlôjia. Tamin' ny fananganana ny
Fanjakan' i Israely
vaovao tamin' ny taona 1948 anefa dia niharatsy ny fifandraisana eo amin' ny Jiosy sy ny Miozolmana.
Finoana sy fitsipika ary fanompoam-pivavahana
hanova
hanova ny fango
Ny Lalàna
hanova
hanova ny fango
Ny Lalàna voasoratra, ny
Tanakh
(Baiboly jiosy), no loharano fototry ny fivavahana jiosy. Ao no ahitana ny
Torah
. Ao no ahitana ireo fitsipiky ny fiainam-pivavahana teo amin' i Israely. Ao koa no misy ireo soratra momba ny fiavian' izao tontolo izao sy ny tantaran' i Israely ary ny fampianarana momba ny fitondran-tena tokony hananan' ny vahoaka jiosy. Misy koa ny
Lalàna am-bava
(na Torah am-bava) izay voarakitra an-tsoratra ao amin' ny Talmoda, izay manome ny fanazavana ilaina amin' ny fampiharana ny didin' ny Torah.
Ny finoana
hanova
hanova ny fango
Ny
tenim-pinoana
lehibe ao amin' ny jodaisma dia ireto:
Tokana
Andriamanitra
sady izy no
mpahary
izao tontolo izao;
Mosesy
no lehibe indrindra amin' ny
mpaminany
rehetra, izay nandray avy amin' Andriamanitra ny Lalàna mifehy ny fiarahamonina sy ny fivavahana jiosy.
Handefa
Mesia
Andriamanitra, araka ny efa nambaran' Andriamanitra tamin' ny mpaminany mialoha, mba hamerina indray ny
fanjakan' Andriamanitra
Ny andro sy fety tokony tandremana
hanova
hanova ny fango
Ny
litorjia
dia mandidy fotoam-panompoana telo isan' andro. Ny
Sabata
sy ny andro firavoravoana dia misy fotoam-panompoana iray fanampiny atao amin' ny maraina.
Ny Sabata
hanova
hanova ny fango
Ny
Sabata
, izay atao hoe שָׁבַת /
Shabbat
amin' ny
teny hebreo
, dia andro fitsaharana izay mifanandrify amin' ny andro fahafito amin' ny herinandro jiosy, izany hoe ny
Asabotsy
. Araka ny voalaza ao amin' ny
Baiboly
dia nasain' Andriamanitra notandreman' ny
Zanak' i Israely
ny andro Sabata. Zava-dehibe indrindra ao amin' ny jodaisma ny andro Sabata ka hajain' ny Jiosy fatratra. Ny olona tsirairay dia tokony hampitsahatra na hampihena araka izay azo atao ny asa rehetra amin' ny andro Sabata mba hifantohany amin' ny fianakaviany sy ny ankohonany. Andro tsy fiasana ara-panjakana ny andro Sabata ao amin' ny
Fanjakan' i Israely
ka mahazo ny trano fivarotana sy ny fitaterana izany.
Ny andro fankalazana ara-pivavahana
hanova
hanova ny fango
Maromaro ireo andro ankalazain' ny Jiosy ka ny sasany efa natao araka ny voasoratra ao amin' ny
Tanakh
fa ny sisa niforonina taty aoriana. Ireto avy ny fety jiosy ankalazaina isan-taona. Ny andro fankalazana ifandian-kanina dia ny andron' ny taom-baovao (hebreo: רֹאשׁ הַשָּׁנָה/
rosh hashanah
) sy ny andron' ny famelan-keloka (hebreo: יוֹם כִּיפּוּר /
Yom kippur
) izay atokana manontolo amin' ny
vavaka
sy ny
fifadian-kanina
Fankalazana anaovana fivahiniana masina
Ny
Pesakh
hanova
hanova ny fango
Ny
Pesakh
(hebreo: פֶּסַח) io no
Paska jiosy
; ahatsiarovana ny nandalovan' ny fahafatesana eny ambonin' ny tranon' ireo Jiosy tany Ejipta ka tsy nahafaty ny voalohan-terany sady ahatsiarovana koa ny
fivoahan' ny razany
avy tamin' ny fanandevozana tany Ejipta; ankalazina manomboka amin' ny 15 hatramin' ny 22
Nisan
Ny
Shavuot
hanova
hanova ny fango
Ny
Shavuot
(hebreo: שבועות "herinandro") na
Pentekôsta
ankalazana ny fijinjana ny varimbazaha sy ahatsiarovana ny nanomezan' Andriamanitra ny Torah tany an-
tendrombohitra Sinay
; ankalazaina amin' ny 6
Sivan
Ny
Sukkot
hanova
hanova ny fango
Ny
Sukkot
(hebreo: חַג הַסֻּכּוֹת /
Hag ha-Sukkot
"fetin' ny trano lay" na "
fetin' ny tabernakely
"); ahatsiarovana an-kafaliana ny nanampian' Andriamanitra ny
Zanak' i Isiraely
tamin' ny nivoahany avy any Egipta, ahatsiarovana ny fivahiniana mandritra ny 40 taona tany an-tany efitra taorian' ny fivoahana avy tany Egipta, ary iravoravoana amin' ny fahataperan' ny tsingerin' ny fotoam-pambolena amin' ny taona; ankalazaina manomboka amin' ny 15 hatramin' ny 21 (na 22)
Tishri
Fankalazana tsy anaovana fivahiniana masina
Ny
Rosh ha-Shana
hanova
hanova ny fango
Ny
Rosh ha-Shana
(hebreo:
רֹאשׁ הַשָּׁנָה
"fiantombohan' ny taona" na יוֹם תְּרוּעָה‬ /
Yom Teruah
"androm-piantsoana"); ankalazana ny taom-baovao ivelan' ny fivavahana; ankalazaina amin' ny 1 sy 2
Tishri
(ny taom-baovaom-pivavahana dia ny 1
Nisan
).
Ny
Yom Kippur
hanova
hanova ny fango
Ny
Yom Kippur
(hebreo:
יוֹם כִּיפּוּר
‬ na
יום הכיפורים
Yom ha-Kippurim
"andron' ny famelan-keloka" na "androm-panavotana") anaovana fifadian-kanina sy vavaka be; tanterahina amin' ny 10
Tishri.
Ny
Shemini Atseret
hanova
hanova ny fango
Ny
Shemini Atseret
(hebreo:שְׁמִינִי עֲצֶרֶת‬ "valo andro fivoriana" na
יּוֹם הַשְּׁמִינִי עֲצֶרֶת
Yom ha-Shemini Atseret
"fetim-pamaranana amin' ny faha-valo andro"); anombohan' ny fotoana irotsahan' ny rononorana ao Israely; ankalazaina amin' ny 22
Tishri.
Ny
Simkhat Torah
hanova
hanova ny fango
Ny
Simkhat Torah
(hebreo: שמחת תורה
"hafalian' ny Lalàna"); ankalazana ny
Torah
("Lalàna") ka itondrana am-pilaharana ny horonam-boky mirakitra azy; tanterahina amin' ny 22 sy 23
Tishri.
Ny
Khanukka
hanova
hanova ny fango
Ny
Khanukka
(hebreo: חג החנוכה /
Hag ha-Khanukka
"fetin' ny fanorenana"); ahatsiarovana ny fitokanana indray ny alitara fanaovam-panatira ao amin' ny
Tempoly Faharoa
tao Jerosalema, tamin' ny fiverenana amin' ny fanompoam-pivavahana jiosy, telo taona taorian' ny nandraran' i
Antiôkôsy IV
Seleokida
) an' izany, manomboka amin' ny 25
Kislev
hatramin' ny 2
Tevet
Ny
Tu bi-Shevat
hanova
hanova ny fango
Ny
Tu bi-Shevat
(hebreo: ט"ו בִּשְׁבָט na חֲמִשָּׁה עָשָׂר בִּשְׁבָט / "dimy ambin' ny folo andron' ny Shevat"); taom-baovaon' ny hazo; ankalazaina amin' ny 15
Shevat
Ny
Purim
hanova
hanova ny fango
Ny
Purim
(hebreo: פּוּרִים /
He-Purim
); ahatsiarovana ny nanavotan' i
Estera
ny Jiosy tamin' ny fanenjehan' i Hamana; ankalazaina amin' ny 14 (sy 15)
Adar
Ny mpitondra fivavahana sy ny mpanazava ny Lalàna
hanova
hanova ny fango
Ny mpisorona sy ny levita hafa
hanova
hanova ny fango
Ny
mpisorona
dia mpitondra fivavahana ao amin' ny fivavahan' ny
Israelita
fahiny sy ny
Jiosy
izay natokana hanatanteraka ny fanompoana ao amin' ny
Tempoly
ka olona nofidina avy amin' ny
fokon' i Levy
taranak' i
Aarôna
izy ireo. Mizara roa ny mpisorona, dia ny mpisoronabe sy ny mpisorona tsotra. Lehilahy avy amin' ny fokon' i Levy tsy taranak' i Aarôna kosa no azo atao mpisorona madinika, fa tsy maintsy taranak' i Aarona kosa ny mpisoronabe. Izy ireo no misahana ny fanaovana sorona, ny fampianarana ny
Lalàn' i Mosesy
amin' ny vahoaka, ny fandaminana ny fotoam-pivavanana ao amin' ny Tempolin' i Jerosalema ary ny fitsofan-drano ny vahoaka. Nandritra ny vanimpotoan' ny Tempoly Faharoa dia anjara asan' ny mpisoronabe ny fisahanana ny maha filohan' ny
Sinedriona
azy. Ny Levita tsy mpisorona dia afaka manampy ny mpisorona amin' ny fanaovana raharaha amin' ny toerana sasany ao an-tempoly.
Rehefa rava ny
Tempoly Faharoa
sy i Jerosalema tamin' ny taona 70 taor. J.K. dia nihavery lanja ny mpisorona ary tsy nisy intsony ny asam-pisoronana eo amin' ny fivavahana jiosy. Nanjavona niaraka tamin' ny faharavan' ny Tempoly ny mpisoronabe.
Ny raby
hanova
hanova ny fango
Ny
raby
dia Jiosy mpiandraikitra ny fanompoam-pivavahana sady filoha ara-panahy no mpitarika ara-pivavahana ao amin' ny vondron' olona
jiosy
iray, izay misahana koa ny fampianarana ny Lalàna. Ny raby dia sady mpandalina no mpanao fivoasana ny
Torah
. Araka ny fomba jiosy taloha dia ny lehilahy ihany no afaka misahana ny asan' ny raby nefa maro ireo seminera izay manosotra raby vehivavy ankehitriny.
Ny mpanoradalàna
hanova
hanova ny fango
Ny
mpanoradalàna
na
mpampiana-dalàna
(hebreo: סופרים /
soferim
) dia olonkendry niasa nandritra ny
vanimpotoan' ny Tempoly Faharoa
. Ny vanimpotona niasany dia mety nandritra ny an' ny Fivoriam-be izay niantomboka tamin' ny andron' i
Ezra
na
Esdrasa
, izay sady lohan' ny Sôferima no filoha voalohan' ny Fivoriam-be, ka nifarana tamin' ny andron' i Simôna ilay Marina izany. Ny anjara asan' izy ireo dia ny mamaky eo anatrehan' ny vahoaka ny
Tanakh
sady manazava izany.
Ny firehana sy sampan' ny jodaisma taloha
hanova
hanova ny fango
Ny tena fantatra
hanova
hanova ny fango
Ny Sadoseo
hanova
hanova ny fango
Ny
Sadoseo
na Sadoseanina (
hebreo
: צְדוּקִים /
Ṣĕdûqîm
na
Tsadukim
) dia ireo mpikambana amin' ny antoko iray amin' ny efatra lehibe amin' ny firehan' ny fivavahana jiosy tamin' ny
Andro Taloha
tao
Jodea
tamin' ny taonjato faha-2 tal. J.K. sy taonjato voalohany taor. J.K. Nahitana ireo mpisorona amin' ny saranga ambony ny Sadoseo. Tsy inoany ny
fitsanganan-ko velona
. Tsy ekeny koa ny lovatsofin' ny
Fariseo
izay maneho fomba fijery ntaolo kokoa ny lalàna sy ny fivavahana.
Ny Fariseo
hanova
hanova ny fango
Ny
Fariseo
na Farizianina (hebreo: פְּרוּשִׁים /
pěrûšîm
) dia ireo
Jiosy
amin' ny antoko iray tao
Jodea
nandritra ny vanimpotoan' ny
Tempoly Faharoa
, izany hoe tamin' ny taonjato faha-2 tal. J.K. sy ny taonjato voalohany taor. J.K. Atao hoe
farisaisma
na
farizianisma
ny firehan-kevitra ara-pivavahan' izy ireo. Ny Fariseo no mpialoha lalana mivantana ny fihetsiketsehan' ny
Raby
izay nipoitra taorian' ny taona 70 taor. J.K. Maro ny fampianaran' ny Fariseo izay tafakambana ao amin' ny lovatsofin' ny Raby. Miavaka ny fampianaran' ny Fariseo noho izy mifototra amin' ny
Torah am-bava
mba handraiketana ny lalàna jiosy. Ny tena loharano manoritsoritra ny amin' ny Fariseo dia ny boky nosoratan' i
Flavio Jôsefa
sy ny
Testamenta Vaovao
ary ny soratr' ireo Raby.
Ny Eseniana
hanova
hanova ny fango
Ny
Eseniana
grika
: εσσήνοι /
essēnoi
; hebreo: אִסִּיִים,
Isiyim
) dia ireo olona tao amin' ny antoko mpanaraka ny jodaisma tamin' ny
vanimpotoan' ny Tempoly Faharoa
izay niroborobo nanomboka tamin' ny taonjato faha-2 tal. J.K. sady nanomboka fanta-pisiana tamin' ny taonjato voalohany tao
Palestina
. Fikambanan' olona miaina anaty fahantrana an-tsitrapo ny Eseniana sady manatanteraka filomana an-drano isan' andro (sahala amin' ny
batisa
) sady mifady ny fahafinaretana eto amin' izao tontolo izao.
Ny Filôzôfia fahefatra
hanova
hanova ny fango
Ny
Filôzôfia fahefatra
na
Sekta fahefatra
na
Fikambanan' i Jodasy Galileana
dia anarana nomen' i
Flavio Jôsefa
ny hetsika na fikambanana noforonin' i Jodasy Galileana (mpitarika ny Jiosy mpikomy tao
Galilea
sy tao
Jodea
tamin' ny nahalasa faritany rômana an' i Jodea) tamin' ny andron' ny fikomiana nataon' ny Jiosy (taona 66 taor. J.K.) hanoherana ny fanisam-bahoaka nampanaovin' i Kirinio tamin' ny taona 6 taor. J.K. raha lasa faritanin' i Jodea fehezin' ny Rômana mivantana ny faritra notapahin' i
Herôda Arkelaôsy
. Ity firehana ity dia manizingizina ny amin' ny atao hoe fahafahana sy ny atao hoe fanjakana tsy refesi-mandidin' ny Andriamanitr' i Israely ary manandratra avo ny fitiavan-tanindrazana sy ny fiandrasana ny fanafahana amin' ny
andro farany
hataon' Andriamanitra (fanafahana
eskatôlôjika
). Ny tapany farany tamin' ny fotoana nisehoan' ny fikomian' ny Jiosy dia ny fanoherana hiarovana ny toby famaharana
Masada
notarihin' i Eleazara zanak' i Jairo, izay zafikelin' i Jodasy Galileana (taona 74).
Ny firehana hafa
hanova
hanova ny fango
Ny Zelôta
hanova
hanova ny fango
Ny toeram-pamaharana Masada jerena avy atsinanana
Ny
Zelôta
grika
: ζηλωτής /
zêlôtês
; raha tokana, ζηλωταί /
zêlôtai,
raha maro), izay atao hoe
קנאים
Qana'im
amin' ny
teny hebreo
, dia fikambanana namporisika ny vahoaka jiosy tao amin' ny faritanin' i Jodea hikomy amin' ny Fanjakana rômana sady handroaka azy ity amin' ny alalan' ny fiadiana. Izy no lohany tamin' ny fandraisana anjara tamin' ny
Fikomiana lehibe nataon' ny Jiosy
tamin' ny taona 66 hatramin' ny taona 70 taor. J.K.
Ny Ebiônita
hanova
hanova ny fango
Ny
Ebiônita
(grika:
Ἐβιωναῖοι / Ebiônaîoi
, izay avy amin' ny teny hebreo hoe
אביונים / ebyonim
"mahantra, malahelo") dia ireo Kristiana jiosy tamin' ireo taonjato voalohandohany nisian' ny
kristianisma
. Amin' izy ireo dia i
Jesoa
no
Mesia
nefa lavin' izy ireo ny maha Andriamanitra azy sy ny
fiteraham-birijiny
azy sady manamafy izy ireo fa tokony hotandremana ny
Lalàna
sy ny fombam-pivavahana jiosy. Ny
Evanjely hebreon' i Matio
, manomboka amin' ny toko fahatelo, no ampiasainy. Hajainy i
Jakôba
rahalahin' i Jesoa
(atao hoe Jakôba ilay Marina) nefa laviny i
Paoly
noho ity apôstôly ity mandà ny Lalàna jiosy. Midika fanoloran-tena ho amin' ny fiainana ao anaty fahantrana io anarana
Ebiônita
iantsoana azy ireo io. Ny teny hoe
Ebionim
dia nampiasain' ny sekta tao
Komrano
izay nisaraka tamin' ny fahasimban' ny fivavahana tao an-
Tempoly
Ny Nazôreana
hanova
hanova ny fango
Ny
Nazôreana
na
Nazareana
(grika:
Ναζωραῖος
Nazôraios;
hebreo: נוצרים /
Notzrim
) dia vondrona ara-pivavahana
jiosy mesianika
tsy dia fantatra loatra, izay fanta-pisiana tamin' ny taonjato voalohany. Ity vondrona ity dia manaiky an' i Jesoa ho
Mesia
nefa manaja ny lalàm-pivavahan' ny Jiosy. Tsy mino ny maha Andriamanitra an' i Jesoa anefa izy ireo.
Ny Elkasaita
hanova
hanova ny fango
Ny
Elkasaita
na Elkesaita na Helkasaita na Elkesaiana (avy amin' ny anaran' ilay olona heverina fa namorona azy, atao amin' ny teny grika hoe Ἠλχασαΐ /
Elkhasai
na Ἠλξαί /
Elksai
na Ελκεσαΐ /
Elkesai
) dia ireo tao amin' ny fikambanana ara-pivavahana jodeô-kristiana batista sinkretika manam-pirehana
gnôstika
izay sady anisan' ny jodaisma ankapobeny amin' ny lafiny sasany, no isan' ny jodaisma nazôreana.
Ny Hasideana
hanova
hanova ny fango
Ny
Hasideana
(hebreo: חסידים /
Hassidim
"tia vavajka"
dia antoko jiosy tia vavaka izay nanomboka nandray anjara mavitrika teo amin' ny lafiny pôlitika nandritra ny
fikomian' ny Makabeo
, na dia efa nisy aza izany taloha. Ny
Bokin' ny Makabeo
dia miresaka azy ireo in-telo.
Ny Bôetôsiana
hanova
hanova ny fango
Ny
Bôetôsiana
(hebreo: בייתוסים /
baitôsîm
) dia ireo mpikambana ao amin' ny fikambanana jiosy tamin' ny faramparan' ny
vanimpotoan' ny Tempoly Faharoa
. Amin' ny lovantsofina rabinika dia manam-pifandraisana akaiky amin' ny
Sadoseo
na Sadoseanina ny Bôetôsiana na fivoaran' ny Sadoseo. Mety ho momba ny fianakaviana mpisoron' i Bôetôsy ny fikambanana bôetôsiana, nefa mbola tsy mifanaraka ny amin' izany ny mpikaroka.
Ny Jiosin' i Elefantina
hanova
hanova ny fango
Ny
Jiosin' i Elefantina
dia vahoaka jiosy tany Egipta tamin' ny vanimpotoan' ny
Persiana
akemenida
(taonjato faha-5 tal. J.K.) izay nonina teo amin' ny
nosy Elefantina
nantsoina hoe
Yeb
tamin' izany fotoana izany.
Ny sampan' ny jodaisma ankehitriny
hanova
hanova ny fango
Ny jodaisma rabinika
hanova
hanova ny fango
Ny
jodaisma rabinika
(hebreo: יהדות רבנית /
Yahadut Rabbanit
) izay atao hoe koa
rabinisma
no be mpanaraka indrindra ao amin' ny jodaisma, hany ka raha miresaka ny amin' ny jodaisma dia izy no tonga ao an-tsain' ny maro voalohany ka lasa ampitovina aminy. Misy sampam-pirehana telo lehibe ny jodaisma rabinika, dia ny
jodaisma nohavaozina
sy ny
jodaisma mpitahiry
ary ny
jodaisma ôrtôdôksa
Ny jodaisma ôrtôdôksa
hanova
hanova ny fango
Ny
jodaisma ôrtôdôksa
dia firehan' ny jodaisma rabinika mihevi-tena ho hany mandray tokoa ny finoana sy ny fanaon' ny Jiosy mandala ny
Lalàna voasoratra
sy ny
Lalàna am-bava
nampitain' i
Mosesy
teo amin' ny
Tendrombohitra Sinay
(na Sinaia), miaraka amin' ny fivoasana ireo lalàna ireo. Heverin' ny Jiosy ôrtôdôksa ho mihataka amin' ny lala-marina ny Jiosy hafa rehetra ka ataony ho manao
fampianaran-diso
. Ny teny hoe "ôrtôdôksa" dia napetak' ireo Jiosy manaraka ny
jodaisma nohavaozina
ka misy ny manaiky an' izany ary misy ny tsy tia an' izany fa misafidy ny teny hoe
Haredi
Ny jodaisma mpitahiry
hanova
hanova ny fango
Ny
jodaisma mpitahiry
, izay atao hoe koa
Masorti
, dia firehan' ny jodaisma rabinika izay mandray ny fotokevitry ny fanavaozana nefa tsy mandray izany ho lasan-davitra loatra na lalina loatra. Ny fihetsiketsehana masorti dia mitonon-tena ho firehana afovoany izay manome lanja ny fahefan' ny
Talmud
nefa manaraka ny fitsipika amin' ny fomba tsy hentitra loatra sady tsy mila fanajana amin' ny pitsopitsony ireo fanapahan-kevitra tany aloha, ka izany no mahatonga ireo rabiny halalaka kokoa amin' ny fivoasany ny
Halakà
. Ao
Etazonia
sy ao
Kanada
no tena ahitana ny jodaisma mpitahiry.
Ny jodaisma nohavaozina
hanova
hanova ny fango
Ny
jodaisma nohavaozina
dia sampan' ny jodaisma rabinika izay niseho tao
Alemaina
tamin' ny taonjaton' ny Fahazavana, tao amin' ny hetsika Haskala notarihin' i Moses Mendelssohn. Maro ireo firehana nipoitra tamin' izany izay namporisika ny Jiosy handray ny fandrosoana amin' izao andro ankehitriny izao sady hifanerasera amin' ny fiarahamonina ivelan' ny an' ny Jiosy. Indraindray koa ny jodaisma nohavaozina dia atao hoe
jodaisma liberaly
na
jodaisma prôgresista
Sampana hafan' ny jodaisma
hanova
hanova ny fango
Ny jodaisma karaita
hanova
hanova ny fango
Ny
jodaisma karaita
dia firehan' ny jodaisma miorina amin' ny
Baiboly hebreo
sy ny fandavana ny Lalàna am-bava. Mifanohitra amin' ny
jodaisma rabinika
izany ny jodaisma karaita. Atao hoe
קראות
qaraut
ny jodaisma karaita ary בני המקרא /
bnei haMiqra
(midika hoe "zanaky ny
Miqra
") ny Karaita amin' ny teny hebreo. Mihena hery miandalana ny jodaisma karaita nefa misy fikambanana maro mbola mijoro ny ao
Kahira
any
Ejipta
, ny any
Krimea
, ny any
Litoania
sy ny any amin' ny toeran-kafa.
Ny jodaisma rekônstroksiônista
hanova
hanova ny fango
Ny
jodaisma rekônstroksiônista
no firehan' ny
jodaisma prôgresista
niforona farany indrindra sady ahitana mpino farany vitsy indrindra. Tamin' ny taona 1968 tao
Etazonia
no niforonany ka ny raby Mordechai Kaplan no nanorina izany tamin' ny fotokevitra nipoitra tamin' ny taompolo 1920 sy 1930 ary 1940. Ao Etazonia sy ao
Kanada
no tena ahitana ity firehan' ny jodaisma ity. Ity firehana manaraka toetrandro ity dia mampianatra fa ny jodaisma dia sivilizasiona tsy mitsaha-mivoatra. Nitombo ilay fihetsiketsehana tamin' ny faramparan' ny taompolo 1920 sy 1940 ary ny taona 1968 ka nisy ny sekoly rabinika niforona. Ny
Halakà
dia tsy heverina ho zavatra tsy maintsy arahina fa ho sisasisan' ny kolontsaina sarobidy tokony hotehirizina, afa-tsy raha misy antony hafa tsy hanaovana izany.
Ny literatioran' ny jodaisma
hanova
hanova ny fango
Ny Soratra Masin' ny jodaisma
hanova
hanova ny fango
Ny Lalàna na
Torah
hanova
hanova ny fango
Ny
Torah
(hebreo: תּוֹרָה "Lalàna") dia fitambaran’ ireo boky dimy voalohany ao amin' ny Baiboly hebreo (
Tanakh
). Ny fitambaran’ ireo no atao hoe
Pentateoka
na
Boky dimin' i Mosesy
ao amin’ ireo asa soratra kristiana.
Ireto avy ny anaran’ ireo boky dimy ireo ao amin' ny Baiboly hebreo na
Tanakh
Sefer Bereshit
(ספר בראשית "Tamin' ny voalohany"):
Genesisy
na Jenezy
Sefer Shemot
(ספר שְׁמוֹת "ireo anarana"):
Eksôdosy
na Eksaody
Sefer Vayikra
(ספר ויקרא "ary niantso Izy"):
Levitika
na Levitikosy
Sefer Bemidbar
(ספר במדבר "tany an-tany efitra"):
Nomery
Sefer Devarim
(ספר דְּבָרִים "ireo teny"):
Deoterônômy
na Deoterônômia
Ny Mpaminany na
Nevi'im
hanova
hanova ny fango
Ny
Nevi'im
na
Nebi'im
(hebreo: נְבִיאִים‬ "mpaminany") dia ilazàna ireo boky mamorona ny fizaràna faharoa ao amin’ ny Baiboly hebreo. Mizara roa ny
Nevi'im
, dia ny
Nevi'im rishonim
("mpaminany taloha") sy ny
Nevi'im aharonim
("mpaminany taoriana").
Ny
Nevi'im rishonim
dia ahitana boky efatra, ka ireto avy izany:
Sefer Yehoshua
na
Yehoshua
Jôsoa
Sefer Shoftim
na
Shoftim
Mpitsara
Sefer Shemuel
na
Shemuel
Samoela voalohany
sy
Samoela faharoa
Sefer Melakhim
na
Melakhim
Mpanjaka voalohany
sy
Mpanjaka faharoa
Miisa efatra ny bokin’ ny mpaminany taoriana, dia ireto avy:
Sefer Yeshayahu
na
Yeshayahu
Isaia
Sefer Yrmeyahu
("bokin'i Jeremià") na
Yrmeyahu
Jeremia
Sefer Yehezkael
("bokin'i Ezekiela") na
Yehezkael
Ezekiela
Trei Assar
(תרי עשר “
mpaminany madinika roa ambin’ ny folo
”)
Ny
Trei Assar
dia manambatra ireo "mpaminany madinika", dia ny
Sefer Hoshea
(הושע) (
Hôsea
), ny
Sefer Yo'el
(יואל) (
Jôela
), ny
Sefer Amos
(עמוס) (
Amôsa
), ny
Sefer Ovadiyah
(עובדיה) (
Ôbadia
), ny
Sefer Yohnah
(יונה) (
Jôna
), ny
Sefer Mikhah
(מיכה) (
Mikà
), ny
Sefer Nahum
(נחום) (
Nahoma
), ny
Sefer 'Havakuk
(חבקוק) (
Habakoka
), ny
Sefer Tsefaniyah
(צפניה) (
Zefania
), ny
Sefer Haggai
(חגי) (
Hagay
), ny
Sefer Zekhariyah
(זכריה) (
Zakaria
) ary ny
Sefer Malakhi
(מלאכי) (
Malakia
).
Ny Soratra na
Ketuvim
hanova
hanova ny fango
Ny
Ketuvim
na
Ketubim
(hebreo: כְּתוּבִים "Soratra") dia fitambaran’ ny boky iraika ambin’ ny folo mamorona ny fizaràna fahatelo sady farany ao amin’ ny Baiboly hebreo. Ireto avy ireo boky voasokajy ho
Ketuvim
Sefer Tehillim
Salamo
Sefer Mishlei
Ohabolana
Sefer Iyyôb
Jôba
Sefer Shir Hashirim
Tononkira Fanaperana
Sefer Ruth
Rota
Sefer Eikhah
Fitomaniana
Sefer Qoheleth
Mpitoriteny
Sefer Ester
Estera
Sefer Daniel
Daniela
Sefer Ezra wu Nekhem'ya
Ezra
sy
Nehemia
mitambatra)
Sefer Divrei haYamim
Tantara
Marihina fa mitambatra ho boky iray ny
Bokin' i Ezra
sy ny
Bokin' i Nehemia
izay misaraka ao amin' ny Baiboly kristiana, toraka izany koa ireo
Bokin' ny Tantara
1Tantara
sy
2Tantara
).
Ny soratra mivaofy ny Soratra Masina jiosy
hanova
hanova ny fango
Ny Talmoda
hanova
hanova ny fango
Ny
Talmoda
(hebreoː תַּלְמוּד /
talmud
) dia fanangonan-dalàna izay ahitana ny fivoasana ny
Torah
ka ahitana ny fitambaran' ny fehezan-dalàna atao ho
Misnà
(hebreo: מִשְׁנָה /
Mishnah
), sy ny fivoasana ny Misnà atao hoe
Gemarà
(hebreo: גמרא /
Gemarah
), sy ny zavatra mahakasika ny lalàna nefa misy tsy itovizan' ny raby hevitra, mamorona ny atao hoe
Halakà
(hebreo: הֲלָכָה /
Halakha
), ary ny angano ampiasaina ho enti-manome ohatra momba ny lalàna dia atao hoe
Agadà
(hebreo: אגדה /
Agadah
). Misy karazany roa ny Talmoda, dia ny
Talmodan' i Palestina
(na
Talmodan' i Jerosalema
) sy ny
Talmodan' i Babilôna
. Ny Talmodan' i Babilôna no lasa soratra manam-pahefana noho ireo sekolin' ny raby tany Babilôna tsy ravan' ny zava-niseho rehetra mandritra ny taonjato maro, raha miohatra amin' ny an' i
Palestina
Ny Midrasa
hanova
hanova ny fango
Ny
Midrasa
(hebreoː מדרש /
midrash
) dia lahateny na lahatsoratra ivoasana ny Baiboly hebreo mba hanazavana ireo zavatra momba ny lalàna na ny fitondrantena. Ny tanjon' ny fanaovana midrasa dia ny hanazava ny hevi-dalina miafina ao ambadiky ny hevitra ara-bakitenin' ny Baiboly. Anangonana ny fivoasana nataon' ny raby maro ny amin' ny lalàna sy ny fomba amam-panao resahina ao amin' ny Soratra Masina ny Midrasa. Maro ny Midrasa (
Midrashim
) voasoratra ka naharitra taonjato folo no nanaovana izany. Ny midrasa tranainy indrindra dia voasoratra tany amin' ny taona 200 tal. J.K. any ho any, ary ny farany indrindra dia tamin' ny taonjato faha-12 taor. J.K. Misokajy roa ny Midrasa, dia ny
Midrasa halakà
(hebreoː מדרש הלכה /
Midrash halakha
) sy ny
Midrasa agadà
(hebreoː מדרש אגדה /
Midrash aggada
).
Ny soratra ara-pivavahana tsy kanônika
hanova
hanova ny fango
Ny literatiora apôkaliptika
hanova
hanova ny fango
Ny
literatiora apôkaliptika
jiosy dia ilazana ireo boky mirakitra ny fahitana ny hiafaran' izao rehetra izao sy ny hiavian' ny tontolo vaovao tonga lafatra. Amin' ny jodaisma dia apôkrifa daholo ireo boky apôkaliptika ireo. Teo anelanelan' ny nanoratana ny
Testamenta Taloha
sy ny
Testamenta Vaovao
no nanoratana ny literatiora apôkaliptika jiosy.
Ireto misy ohatra amin' izanyː
Apôkalipsin' i Mosesy
na
Bokin' ny Jobily
Apôkalipsiny grikan' i Ezra
(na
Boky fahefatr' i Ezra
Apôkalipsin' i Zefania
Bokin' i Henôka
(na
Henôka etiôpiana
Boky faharoan' i Henôka
(na
Henôka slava
Boky fahatelon' i Henôka
(na
Henôka hebreo
Testamentan' i Mosesy
Ny literatioran' ny Lapa
hanova
hanova ny fango
Ny "literatioran' ny Lapa" na "literatioran' ny Kalesin-danitra" (izay atao amin' ny treny hebreo hoe ספרות ההיכלות והמרכבה /
Sifrut ha-heikhalot ve ha-merkava
), izay ahitana lohahevitra
mistika
dia nosoratana tao Israely teo anelanelan' ny taonjato faha-4 sy faha-7 taor. J.K. Miisa 25 ny boky voasoratra tamin' izany. Ireo manampahaizana amin' ny
Misnà
na ny
Talmoda
no heverina fa nanoratra azy ireo. Ireo boky ireo dia mitantara fahitana tsapa tao anaty
fahavarianam-panahy
momba ny Lapa (
Heikhalot
) fito any an-danitra izay niseho mandritra ny fiakarana mistikan' ny Kalesin-danitra (
Merkava
) sy ny lanitra maro sy ny
anjely
sy ny seza fiandrianan' Andriamanitra ka ny toko voalohany ao amin' ny
Bokin' i Ezekiela
no velabelariny sy itariny.
Ny soratra mifandray amin' ny kolontsaina jiosy
hanova
hanova ny fango
Ny literatiora filôzôfika jiosy
hanova
hanova ny fango
Ny filôzôfia jiosy dia ny fihaonan' ny filôzôfia grika sy ny teôlôjia jiosy. Ny filôzôfa jiosy fantatra indrindra dia i Solomon ibn Gabirol, i Saadia Gaon, i Judah Halevi, i Maimonides ary i Gersonides. Nisy fiovana lehibe ny filôzôfia jiosy tamin' ny vanimpotoan' ny Fahazavana (taonjato faha-18 sy faha-19). Misy roa karazana ny firehan' ny filôzôfia jiosy, dia ny filôzôfia ôrtôdôksa sy ny filôzôfia tsy ôrtôdôksa. Isan' ny filôzôfa jiosy ôrtôdôksa i Eliyahu Eliezer Dessler, i Joseph B. Soloveitchik ary i Yitzchok Hutner. Isan' ireo filôzôfa tsy ôrtôdôksa malaza i Martin Buber, i Franz Rosenzweig, i Mordecai Kaplan, i Abraham Joshua Heschel, i Will Herberg ary i Emmanuel Lévinas.
Ny literatiora kabalistika
hanova
hanova ny fango
Niforona tao
Espaina
sy
Frantsa
tamin' ny taonjato faha-12 ny literatioran' ny kabala (hebreo: קבלה /
Qabbala
). Ny kabala dia firehana mistika (mampifandray mivantana ny fanahy amin' Andriamanitra) sy filôzôfika jiosy izay amin' ny ankapobeny tsy natao ho an' ny be sy ny maro. Tsy tenim-pinoana (na dôgma) ny kabala fa firehana ao anatin' ny jodaisma.
Heverin' ny mpanao azy ho "lalàna am-bava sy miafina" nomen' Andriamanitra an' i Mosesy tao amin' ny
Tendrombohitra Sinay
(na Sinaia) niaraka tamin' ny Torah izay "lalàna am-bava sy ho an'ny rehetra" ny kabala. Tanjon' ny kabala ny fahalalana ny tontolon' Andriamanitra ka ny fanaovana fivoasana ny
Torah
sy ny fandinihana ny
fiteny hebreo
no ahatongavana amin' izany. Ny fahalalana ny fitsipika mifehy ny fanakambanana ny literan' ny
abidy hebreo
no ahafahana miditra any amin' izany tontolo izany. Ny boky malaza indrindra amin' izany dia ny
Sefer ha-Zohar
("Bokin' ny famirapiratana"), hafohezina hoe
Zohar
(hebreo: זֹהַר), izay voasoratra amin' ny
fiteny arameana
tao
Espaina
tamin' ny taonjato faha-13.
Jereo koa
hanova
hanova ny fango
Jiosy
Tanakh
Torah
Jodaisma rabinika
Andriamanitra ao amin' ny jodaisma
Loharano sy fanamarihana
hanova
hanova ny fango
"Are Jews a Religious Group or an Ethnic Group?"
(PDF). Institute for Curriculum Services
Hita tao amin'ny "
Sokajy
Finoana
Jodaisma
Jodaisma
Hanampy lohahevitra