MediaWiki — Wikipedia
Hankany amin'ny vontoatiny
Avy amin'i Wikipedia
MediaWiki
MediaWiki
Mpamolavola
Wikimedia Foundation Inc.
OS (SE):
Cross-platform
mampiasa:
Wiki
Lisansy
GPL
Sehatra
www.mediawiki.org
MediaWiki
dia
rindrankajy wiki
iray manana ny lisansa
GNU General Public License
na GPL. Nosoratana tamin'ny
PHP
ary mitaky
banky angona
MySQL
. Ny namoronana azy tany am-boalohany dia ho an' i
Wikipedia
, raki-pahalalana malalaka mampiasa wiki, fa ankehitriny kosa dia efa fitaovana fanta-daza sy be mpampiasa, iray amin'ireo ankafizin' ny zatra
wiki
indrindra. Ankehitriny ohatra, dia ny tetikasa rehetra an' ny
Wikimedia Foundation
, ny wikis rehetra ao amin' i
Wikia
, ary ireo wiki ngeza maro no mampiasa azy.
Fantatra koa fa misy orinasa mampiasa azy hizarana fampahalalana anatiny na ataony
CMS
. Iray hosinganina amin' ireny i
Novell
Maro ny zavatra vitan'i MediaWiki, ary azo tovanana ihany koa izany fitaovana miaraka aminy izany. Noho ny lanja lehibe ananan' ny fampiasana tenim-pirenena maro amin' ireo tetikasa Wikimedia dia niitatra tany amin' ny mpamolavola rindrankajy ihany koa io lanjan' ny fahafahana mampiasa tenim-pirenena maro io. Voadika ampahany na manontolo amin' ny tenim-pirenena mihoatra ny 70 ireo voambolana sy fanazavana ifandraisan' ny mpitsidika sy ny solosaina, ary mbola azon' ny mpitantana ny sehatraaovain'a zany avy eo na hatsarainy (eo anivon'n y
wiki
ihany no anaovany izany fanovàna izany). Ary satria koa iray amin'ireo sehatra ngeza indrindra eran-tany i Wikipedia, dia lahasa iray ho an'n y mpamolavola nindrankajy ihany koa ny momba ny
cache
sy
replication
amin'ny banky angona.
Tantara
hanova
hanova ny fango
Tany am-boalohany dia ny mpianatra tao amin' ny anjerimanontolon' i Köln any
Alemaina
sy i
Magnus Manske
no nanoratra ny rindrankajy MediaWiki ho an' ny tetikasa
Wikipedia
. Talohan' izay dia
rindrankajy wiki
kely iray atao hoe
UseModWiki
, nosoratana tamin'ny
Perl
no nampiasain' i Wikipedia. Tamin'ny
25 janoary
2002
no nifindra nampiasa ilay rindrankajin' i Manske i Wikipedia mba hampiasana
fotodrafitrasa mora mivelatra kokoa (izany hoe
banky angona
MySQL
) sy hananana fitaovana vaovao. Na izany aza anefa, nahitana tsi-fetezana vitsivitsy tamin'ny fampiasaina ilay rindrankajy tany am-boalohany, ka nisy fanarenana nataon' i
Lee Daniel Crocker
. Tato aoriana dia noraisin' i
Brion Vibber
ny andraikitra fandaminana ny taon' ny rindrankajy sady izy rahateo no mavitrika indrindra amin'ireo mpamolavola azy.
Hatramin'ny tao voalohany novolavolain' i Manske dia maro ny anarana nentin' ny rindrankajy entina maneho ny dingana vita amin' ny famolavolana azy—"the PHP script", "phase II", "phase III", "the new codebase"—fa mbola tsy nananany ny anarana amin' ny maha vokatra azy. Taorian'ny
20 jiona
2003
nilazana ampahibemaso ny fitsanganan' ny
Wikimedia Foundation
, dia nosafidian' ilay mpikambana amin'ny Wikipedia atao hoe Daniel Mayer ny anarana hoe "MediaWiki", anarana izay hita misy ifandraisany amin'ny hoe Wikimedia rahateo,
ary notovanana ny dingana vita hatramin'ny
aogositra 2003
. Miteraka fifangaroana matetika ny anarany noho izy mifanakaiky amin'ny hoe "Wikimedia" (izay mitovitovy amin'ny hoe "Wikipedia" koa). Na izany na tsy izany dia
nahitana valiny mihoatra ny 370 tapitrisa ny fikarohana ny anarana hoe Mediawiki natao tao amin'i
Google
tamin'ny volana
jona 2006
Ny sary famantarana (logo) dia sarina voninkazo nopihan' i
Florence Nibart-Devouard
, izay fandraisana anjara iray tamin'ny fifaninanana sary famantarana na
logo
erantany ho an' i Wikipedia natao tamin'ny lohataona (ila-bolantany avaratra) 2003.
Laharana fahatelo tamin'io fifaninanana io ity sary famantarana (logo) sarim-boninkazo ity, koa nofidiana haneho an'i MediaWiki, ny nahazo ny laharana faharoa no nomena ho sary famantarana ny
Wikimedia Foundation
raha ny laharana voalohany kosa no an'i Wikipedia. Ilay fonosana lehibe anankiroa manodidina ilay voninkazo dia marika anehoana ny fitsipi-panoratana ampiasain' i MediaWiki hanaovana rohy amin' ny pejy wiki hafa.
Mampiavaka an'i MediaWiki
hanova
hanova ny fango
Endriky ny fanovana pejy amin' ny
Firefox
, MediaWiki 1.7, ahitana toolbar sy ohatra fitsipi-panoratana vitsivitsy.
Sary famantarana ny MediaWiki
Afaka mametraka JavaScript ho azy manokana ny mpikambana tsirairay. Nanjary nisy avy eo ny fitaovana vitsivitsy vita amin'ny JavaScript manampy ny mpikambana, toy ny
pop-up
, topi-maso kelin'ny lahatsoratra miseho rehefa mandalo eny ambony rohy eny ny korisa.
Semantic MediaWiki
, iray amin'ireo tovana matanjaka indrindra hanampiana an'i MediaWiki mba hanampy rafitra ifandraisan'ny pejy wiki izay azo anaovana fikarohana.
Anisan' ny misongadina indrindra mampiavaka an' i MediaWiki amin' ireo rindrankajy wiki hafa (sy i UseModWiki ihany koa) ny fahafahana manao lohatenim-pejy araka izay tiana fa tsy misy fitsipika toy ny
CamelCase
fanao amin' ny rohy. Amin' ny wiki hafa, dia voafetra ny litera azo ampiasaina anaovana lohatenim-pejy (izany hoe anaran'ny rohy), ary tsy maintsy toy ny hoe "JaoJoby" na "TarikaJaojoby" no fanoratana azy. (Io no antsoina hoe
CamelCase
, toy ny fanoratana ny hoe AmbondronA
: Miantomboka amin' ny renitsoratra ary ahitana renitsoratra hafa sy zanatsoratra ihany koa.) Amin' i MediaWiki kosa, atao ao anaty fonosana mahitsy anankiroa fotsiny ny rohy vaovao tiana hoforonina, dia azo ampiasaina ho lohatenim-pejy izay ao anatin'ireo fonosana ireo. Zava-dehibe loatra io fahafahana iray io amin'ny famolavolana raki-pahalalana satria ilaina mba tsy hisy diso tsipelina ny lohatenim-pejy.
Manampy amin'ny trangan-javatra maro hafa koa i MediaWiki mba handaminana ny rafitry ny votoatin'ny
wiki
. Iray amin'ny fitaovana manampy ny mpampiasa wiki sady fitaovana vaovao ny antsoina hoe
namespaces
na hadika tsotsotra hoe anaran-tsehatra. Olana iray naharitra teto amin'ny Wikipedia ny fomba hanasarahana ny votoatin'ny raki-pahalalana sy ny resaka momba izany ary koa ny pejy manokan'ny mpikambana milaza ny mombamomba azy. Noho izany dia namaritra sehatra maromaro ny MediaWiki mba hiavahan'ireo sokajin-drohy ireo, ary ny anaran-tsehatra dia tovona mialoha ilay anaram-pejy (toy ny hoe
Dinika
: na
Mpikambana
:), koa mety ahitana anaram-pejy iray any anatin'ireo sehatra ireo. Izany hoe ny pejy
[[Rakoto]]
dia mety ho lahatsoratra milaza ny momba ilay mpihira malagasy manao ilay hoe
Ô ry zandry kely!
, ary ny hoe
[[
Mpikambana
:Rakoto
]]
kosa dia pejin'ny mpikambana iray izay nifidy ny solonanarana hoe Rakoto. Amin'ny ankapobeny, ny pejy rehetra dia manana pejy iray miaraka aminy ao anatin'ny sehatra
Dinika
, izay ahitana resadresaka sy dinika momba ny votoatiny. Etsy ambany etsy misy lisitry ny anaran-tsehatra misy rehetra sy ny asany tsirairay avy.
Azo alaina sary an-tsaina toy ny hoe vata sarihina famdaminana fampahalalana arakaraky ny karazany ny anaran-tsehatra. Azo atao ny manampy sehatra vaovao, nefa amin'ny ankapobeny tsy dia mila sehatra betsaka loatra akory ny wiki.
anaran-tsehatra
(tovona)
asany
Special:
Tovona maneho pejy manokana manao lahasa iray, ohatra "Special:Recentchanges" no ahitana ny hetsika farany rehetra ao anatin'ny wiki (pejy vao niova, pejy voafafa, mpikambana vaovao, ...).
Media:
Tovona irohizana amin'ny sary na feo nalefa tao amin'ny wiki tsy mandalo amin'ny pejy misy ny famariparitana. Tsy toy ny pejy wiki mahazatra.
tsy misy tovana
Ny pejy tsy misy tovana no manome ny tena votoatin'ny wiki.
Mpikambana
Pejy manokan'ny mpikambana ametrahany ny mombamomba azy.
Project:
Matetika mitovy anarana amin'ny tetikasa ataon'ilay wiki ihany, ohatra "Wikipedia:". Ahitana ny fitsipika sy mombamomba ny tetikasa.
Sary
Fanampim-panazavana momba ny sary sy rakitra samihafa. Miaraka amin'ny fitaovana maro momba ny fikirakirana rakitra.
MediaWiki
Ireo teny sy hafatra eo amin'ny wiki, azon'ny mpitantana (sysop) ovaina.
Endrika
Lasitra asiana fampahalalana mety ho ampiasaina amin'ny tranga mihoatra ny iray, na karazam-pampahalalana mitovy firafitra, ka afaka faritana isaky ny ampiasàna azy ny mahasamihafa azy.
Fanoroana
Torolàlana momba ny fampiasana ny wiki.
Sokajy
Fanasokajiana lahatsoratra sy hanamboarana antanan-tohatr'izany sokajy izany (amin'ny alàlan'ny fanasokajiana ny pejy sokajy).
Dinika
:,
Dinika amin'ny mpikambana
:, Project talk:,
Dinika amin'ny sary
:, sns.
Resaka sy dinidinika maro miaraka amin'ny sehatra misy azy tsirairay. Ny "Media:" sy ny "Special:" ihany no anaran-tsehatra tsy manana seha-dresaka miaraka aminy. Ho an'ny resaka momba ny pejin'ny mpikambana manokana dia misy fanairana ny mpikambana ataon'ny MediaWiki isaky ny misy manova izany pejy izany.
Ho fanampin'izay dia misy koa ny atao hoe
zana-pejy
. Amin'ny pejy miendrika
[[Pejy reniny/Pejy zanany]]
dia ametrahan'i MediaWiki verindrohy mankamin'ny pejy reniny ho azy ao anatin'ity farany. Farany, afaka mamorona
sokajy
ihany koa ny mpikambana, ka ireo sokajy ireo dia mitovitovy amin'ny
tags
hita amin'ny sehatra maro amin'ny tranonkala, saingy manana rafitra sady miaraka amin'ny fanazavana fohy. Amin'ny wiki lehibe toy ny
Wikipedia
, dia nivelatra aoka izany io fisokajian'ny lahatsoratra io kanefa tsy misy drafitra maty paika akory napetraka hanaovana azy fa nanaraka io tetika io fotsiny.
Ny teny sy hafatra rehetra eo amin'ny MediaWiki dia azon'ny mpitantana ny sehatra ovaina amin'ny alàlan'ny sehatra wiki ihany. Ao anatin'ny sehatra "
MediaWiki
:" no anaovana izany, ka ny lohatenim-pejy dia manondro hafatra na teny iray miseho amin'ny mpitsidika. Tany am-boalohany dia nampiasaina nanao ny asan'ny "
Endrika
:" ihany koa io "
MediaWiki
:" io.
Ny lasitra kosa (
Endrika
:) nony noforonina dia afaka ampiasaina:
Hanavahana ireo pejy misy olana. Ohatra asiana lasitra hoe
{{ifandirana}}
ao anaty lahatsoratra iray, ka io lasitra io dia sady mampiseho kisary sy soratra amin'ny mpitsidika ny fisian'ny fifandirana momba ny votoatiny, no sady manasokajy ny pejy ihany koa mba hahafahana mahita ireo pejy rehetra misy fifandirana rehetra.
Hamoronana tabilao na fampahalalana miasa amin'ny pejy maromaro, ka ny votoatiny fotsiny no miova fa ny endriny dia itambaran'ireo pejy rehetra.
Handefasana hafatra ho an'ny mpandray anjara rehefa voasakana izy, na heverina ho tsy ara-dalàna ny asa ataony, sy ny sisa. Misy koa fomba iray ampiasàna ny lasitra amin'izany: asaina adikan'i MediaWiki indray mandeha ao anatin'ny pejy ny votoatin'ny lasitra, ka amin'izay fotoana izay dia tsy miova ilay dika ao anaty pejy na novaina aza ny votoatin'ny lasitra.
Ho an'ny fomba fanovàna ny votoatin'ny pejy indray, dia tsy mampiasa
WYSIWYG
i MediaWiki, fa manome toolbar kosa izay manamora ny fianarana sy fizàrana amin'ny fitsipi-panoratana wiki. Mba hanamoràna ny fanovàna pejy lavabe sy ny fahazoana ny lahatsoratra, dia azo atao ny manova pejy amin'ny ampahany fohy fotsiny (araka izay fizarany manaraka ny lohateny ao anatiny). Fanampin'izay dia afaka ampiasaina ihany koa ny fitaovana ivelan'ny rindrankajy hanovàna pejy na rakitra.
Afaka maneho raiki-pohy matematika ihany koa i MediaWiki amin'ny alàlan'ny
LaTeX
sy
OCaml
. Azo itarina koa aza izy raha ilaina, koa mety afaka haneho toy ny sary matematika, sns.
Manana ireo atao hoe "pejy manokana" ihany koa i MediaWiki mba handalinana ny fifandraisan'ny pejy sy ny votoatiny, manome fitaovana ifampizarana ny votoatin'ny wiki amin'ny alàlan'ny fanondranana sy fanafarana izany ihany koa izy. Misy rindrankajy fanampiny ihany koa ahafahana mandalina ny votoatin'ny pejy, toy ny "Wikistats" nosoratan'i Erik Zachte, na
API
(mbola andrana) ahafahana mifandray amin'ny wiki, ary efa misy karazana script maro ahafahana manamboatra rôbô izay manao asa samihafa ihany koa azo ampiasaina.
Afaka manao
takilan'angaly
sy
JavaScript
mandeha isaky ny pejy jerena ho azy manokana ihany koa ny mpitsidika, raha navelan'ny mpitantana ny sehatra hampiasaina izany. Ohatra mivaingana amin'izany ilay JavaScript nosoratan'ny mpikambana atao hoe "Lupin" izay mampiseho topi-mason'ny lahatsoratra rehefa mandalo eny ambonin'ny rohy eny ny korisa, ary manome hitsin-dàlana amin'ireo asa maro azo atao ihany koa.
Na dia afaka mifehy ny fahazoan-dàlana amin'ny pejy ao anatiny sy azo ananganana vondrona mpikambana aza i MediaWiki, dia tsy laharam-pahamehana ho an'ny mpamolavola azy ny resaka fitantanana ny fahazoan-dàlana. Ohatra amin'izany dia tsy misy fomba ahafahana mamaritra ny alàlana amin'ny pejy isaky ny
namespace
. Raha ny amin'izay resaka izay dia ny wiki hafa toy ny
TWiki
na
MoinMoin
no mendrika kokoa.
Ary satria koa ampiasain'ny iray amin'ireo sehatra goavana amin'ny tranonkala dia ny
Wikipedia
i MediaWiki, dia notsindriana tamin'ny famolavolana azy ny fahombiazana sy ny fetezany itarina. Isan'izany ny
cache
na eo anivon'ny serveur na eo anivon'ny mpitsidika, ny fanaparitahana lahasa, sns...
Mety ho diso lehibe loatra ihany i MediaWiki raha ampiharina amina tetikasa kelikely, ary amin'izay tranga izay dia hampihena ny fahombiazany fotsiny ireo zavatra marobe afaka atao aminy nefa tsy ho ampiasain'ilay sehatra. Etsy andaniny indray, dia tena antonona kosa ny fampiasàna io rindrankajy io amina tetikasa lehibe, toy ny tetikasan'ny Wikimedia Foundation, na ireo wiki hafa hita ao amin'i
Wikia
Jereo koa
hanova
hanova ny fango
Rindrankajy malalaka
portal
GetWiki
: taranak'i MediaWiki
IpbWiki - Fampidirana an'i MediaWiki ao anatin'ny Invision Power Board
Lisitry ny CMS
Fampitahana rindrankajy wiki
symptoms of mono
Archived
Desambra 6, 2011 at the
Wayback Machine
viagra kaufen
Archived
Jolay 3, 2011 at the
Wayback Machine
Hostgator Coupons
Archived
Desambra 2, 2020 at the
Wayback Machine
Gallbladder Removal
Inmotion Review
Archived
Jiona 28, 2011 at the
Wayback Machine
LPN schools
link building service
Veterinary technician
Archived
Jolay 17, 2011 at the
Wayback Machine
References
hanova
hanova ny fango
"mutante".
"Lisitry ny wikis araka ny habeny - Antontanisa S23"
. Archived from
the original
on 2008-09-06
. Retrieved
2006-06-29
{{
cite web
}}
Check
authorlink=
value (
help
External link in
authorlink=
help
Mayer, Daniel.
"Phase IV, Wikibooks.org/.com and WikimediaFoundation.org/.com (was Wikis and uniformity)"
Wikipedia-L mailing list archives
. Retrieved
2006-06-29
Jereo ny
firantsanan'ny sokajy
Archived
Martsa 6, 2013 at the
Wayback Machine
nasehon'i Erik Zachte nalaina avy amin'ny fampahalalana tao amin'i Wikipedia momba ny sokajy.
"Lupin"
[in Anglisy]
"Wikipedia:Tools/Navigation popups"
. Retrieved
2006-06-30
Rohy ivelany
hanova
hanova ny fango
Tranonkala ofisialin'i MediaWiki
Pejin'ny tetikasa MediaWiki
ao amin'i
SourceForge
MediaWiki ao amin'ny Meta-Wiki
P90x Workout Schedule
Archived
Jiona 15, 2011 at the
Wayback Machine
Torolàlana ho an'ny mpampiasa ny rindrankajy
Ireo rindrankajy mampiasa MediaWiki
Tetikasa iray mampiasa PostgreSQL amin'ny banky angona
Archived
Oktobra 10, 2006 at the
Wayback Machine
Link Building Service
Archived
Jolay 11, 2011 at the
Wayback Machine
Gallstone Symptoms
Fanampiana ireo mpiangaly tranonkala sy mpampiasa MediaWiki
Fanasiana tenimiafina hiarovana ny sehatra mampiasa MediaWiki amin'ny alàlan'ny mod_auth_mysql
Ny santiônan'ity pejy ity tamin'ny 2 Marsa 2010
dia lasa «
Lahatsoratra tsara
ampitahaina amin'ny santiôna ankehitriny
Hita tao amin'ny "
Sokajy
CS1 errors: external links
CS1 errors: parameter link
Lahatsoratra tsara
Endrika
Rindrankajy malalaka
MediaWiki
Hanampy lohahevitra
US