Rosia — Wikipedia
Hankany amin'ny vontoatiny
Avy amin'i Wikipedia
Российская Федерация
ru
Россия
ru
Federasionan'i Rosia
mg
Antsipirihany
Antsipirihany
Teny filamatra
: tsy misy
Teny ofisialy
fiteny rosy
Renivohitra
Môsikao
55° 45' N, 37° 42' E
Tanàna ngeza indrindra
Moskva
Fitondrana sy governemanta
Président
Président du gouvernement
Repoblika
firenena federaly
Vladimir Poutine
Dmitri Medvedev
Velarantany
- Tontaliny
- Rano (%)
faha 1
17 075 400
km²
0,5%
Isam-ponina
- Tontaliny (
2009
hakitroka
faha 8
141 800 000
mpo.
8,3 mpo./km²
{{{1}}}
Anaran'ny mponina
Rosy, rosianina
IDH
2008
(mitombo) 0,802
(ambony) 67
Sandam-bola
Robla
RUB
Faritr'ora
UTC
+3 hatramin'i +12
Hiram-pirenena
{{{hymne_national}}}
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+7
Rosia
na ny
Federasionan' i Rosia
dia
fanjakana federaly
sady firenena ngeza indrindra eto an-tany, misy mponina miisa 146 tapitrisa any ho any araka ny fanisam-bahoaka natao tamin' ny taona 2021. Atao hoe
Россия
Rossiya
na
Российская Федерация
Rossiyskaya Federatsiya
izy amin' ny
fiteny rosiana
. Misabaka eo amin' i
Eorôpa
(25,3
% amin' ny velarany) sy i
Azia Atsinanana
(74,7%) izy. Ny firenena rosiana dia manana velarana 17
234
033
km
(indroan' i
Etazonia
sy in-30n' i
Madagasikara
) izany. Manana faritr' ora iraika ambin' ny folo izy. I
Môskoa
no renivohiny, ny
fiteny rosiana
no
fiteny ôfisialy
any ary ny rubla no
vola
ampiasainy.
Na dia misy
ranomasina
maromaro aza ny manodidina an' i Rosia dia manana
toetanin-tanibe
amin' ny tany mangatsiaka sy sarotra ipetrahan' olona izy.
Betsaka ny
harena an-kibon' ny tany
any Rosia
: misy ny
solitany
sy ny
vato sarobidy
. Mivoatra be ny orinasa mikasika ny fanamboarana
sambondanitra
sy ny fanamboarana
fitaovam-piadiana
. Firenena laharana voalohany i Rosia amin' ny fanamboarana
sambondanitra
, izay nenti-nizaha ny habakabaka tamin' ny taona 1957.
Ny
Repoblika Sôsialista Federativan' i Rosia
(RSFR) no
repoblika
lehibe indrindra tao amin' ny
Firaisana Sôvietika
Tamin' ny faran' ny taona 1991 dia nisy firenena vaovao dimy ambin' ny folo avy amin' ny
Firaisana Sôvietika
taloha, anisan' izany i Rosia, izay nandova ny 3/4n' ny tanin' ny Firaisana Sôvietika taloha (izany hoe 17 tapitrisa km²) sy ny antsasaky ny mponiny sy ny 2/3n' ny orinasany ary ny antasaky ny toeram-pamboleny.
Tantara
hanova
hanova ny fango
Fiandohana
hanova
hanova ny fango
Ny fototry ny tantaran' i Rosia dia nanomboka tamin' ny fotoana niforonan' ny
vahoaka slava
tany
Eorôpa
teo anelanelan' ny taonjato faha-3 sy faha-8 taor. J.K.
Ny
Rosin' i Kiev
Nanorina ny fanjakana slavôniana voalohany tao amin' ny
Rosin' i Kiev
rosiana
: Киевская Русь /
Kievskaja Rus'
, izany hoe "Fanjakan' i Kiev") tamin' ny taonjato faha-9 ny
Vikingy
sy ny taranany. Nandray ny
kristianisma
avy amin' ny
Empira Bizantina
tamin' ny taona 988 izy ireo.
Niantraika amin' ny kolontsaina rosiana ity endriky ny
kristianisma
ity. Rava ny Rosin' i Kiev tamin' ny farany ary nizarazara ho firenena madinika. Ny
Diokea Lehiben' i Môskoa
no fanjakana mandroso indrindra tao amin' ny Rosin' i Kiev. Hery lehibe indrindra tao anatin' ny fampiraisana an' i Rosia taty aoriana sy tamin' ny ady amin' ny
Foko Volamena
avy any
Azia
io sehatra io. Nitombo tsikelikely ny fifehezany ny faritra manodidina an' i
Môskoa
izay nandova ny fiainana ara-kolontsaina sy ara-pôlitikan' ny Rosin' i Kiev.
Nandritra ny taonjato faha-18 dia nanitatra ny sisin-taniny tamin' ny alalan' ny fandresena sy fitetezana ny firenena ho lasa
Empira Rosiana
ilay fanjakana fahatelo lehibe indrindra teo amin' ny tantara. Nipongatra avy amin' ny Fitambaram-panjakan' i Pôlônia-Litoania any atsinanana mankany amin' ny
Ranomasimbe Pasifika
hatrany
Alaska
izany. Nofehezin' ny emperora antsoina hoe
Tsar
izany
empira
izany.
Petera Lehibe
Nanjaka tao Rosia i
Petera Lehibe
rosiana
: Пётр Великий /
Piotr Velikiy
) nanomboka tamin' ny taona 1689 ka hatramin' ny taona 1725. Namindra ny renivohitra avy any Môskoa ho any amin' ny tanàna iray antsoina hoe
Saint-Peterbourg
(rosiana: Санкт-Петербу́рг /
Sankt-Peterburg
) i Petera. Nataony môderina kokoa tamin' ny fomba maro ny fiarahamonina rosiana. Nanomboka nanamboatra
sambo
ho an' ny tafika rosiana ny governemanta.
Nanomboka tamin' ny taona 1904 ny
Ady Rosiana-Japôney
ary nifarana tamin' ny taona 1905 ka i
Japàna
no nivoaka mpandresy tamin' ny ady. Ny faharesen' ny Rosiana dia anisan' ny nampisy ny
revôlisiôna
taty aoriana.
I Rosia tao amin' ny Firaisan' ny Repoblika Sôsialista Sôvietika
hanova
hanova ny fango
Vladimir Lenin
Tamin' ny Ôktôbra 1917, ny
Bôlsevika
(antsoina hoe "
Kômonista
"), izay voatariky ny hevitr' i
Karl Marx
sy ny an' i
Vladimir Lenin
, dia nandray ny fitondrana firenena ary namono ny
Tsar
sy ny olona hafa nijoro nanohitra azy ireo. Raha vao nandray ny fahefana izy ireo dia namorona ny fanjakana
kômonista
voalohany ny
Bôlsevika
nentin' i Vladimir Lenin sy i
Leon Trotsky
Josef Stalin
Tamin' ny taona 1920 ka hatramin' ny 1950 i
Josef Stalin
no mpitarika mpanao
didy jadona
tao amin' i
Rosia Sôvietika
, ary nopotehiny avokoa izay rehetra nanohitra ny fitondrany, anisan' izany ny fananan' ny tantsaha sy ny mpivarotra. Olona an-tapitrisany no namoy ny ainy ary maty tao anatin' ny
mosary
vokatr' izany. Nesorin' i Stalin ihany koa, na "nodiovina", ny miaramila rehetra izay nivadika taminy, ary maro no maty na nalefa tany amin' ny toby famonjana, na
gulag
, nandritra ny taona maro. Na dia tany amin' ny
gulag
aza dia maro ny voafonja maty.
Nanaiky ny tsy hifanandrina i Rosia Sôvietika sy ny
Nazi
tamin' ny taona 1939. Tamin' ny volana Jona 1941 dia nanapaka ilay fifanarahana i
Alemaina
ka nanafika tamin' ny alalan' ny
Unternehmen Barbarossa
frantsay
Opération Barbarossa
). Tao anatin' ny
Ady Lehibe Faharoa
io fanafihana io. Naharitra tany
Eorôpa
hatramin' ny volana Mey 1945 izany ady izany, ary olona 200 tapitrisa mahery no namoy ny ainy nandritra izany fotoana izany. Na dia betsaka aza ny
Rosiana
namoy ny ainy vokatr' io ady io dia anisan' ny firenena nandresy ka lasa firenena matanjaka eran-tany i Rosia.
Tamin' ny taona 1922 ka hatramin' ny 1991 dia i Rosia no faritra lehibe indrindra tao amin' ny
Firaisana Sôvietika
. Indraindray ny olona dia nampiasa ny anarana hoe "Rosia" na "Rosia Sôvietika" hanondroana ny Firaisana Sôvietika. Anisan' ny Repoblika Sôsialista Sôvietika miisa 15 i Rosia. "Repoblika Sôsialista Federativa Sôvietika Rosiana" (RSFSR) no tena anaran' io repoblika io.
Rava ny Firaisana Sôvietika tamin' ny fiandohan' ny taona 1990. Naka ny toeran' ny Firaisana Sôvietika tao amin' ny
Firenena Mikambana
noho izany i Rosia.
I Rosia taorian' ny faharavan' ny Firaisana Sôvietika
hanova
hanova ny fango
Boris Yeltsin
Voafidy ho filohan' i Rosia tamin' ny volana Jona 1991 i
Boris Yeltsin
, tamin' ny fifidianana filoham-pirenena voalohany teo amin' ny tantaran' i Rosia. Nisy ny fanavaozana goavana natao, anisan' izany ny fizakan-tena sy ny lalàna momba ny varotra.
Ny "Fitsaboana Fanairana" dia natolotr' i
Etazonia
sy ny
Tahirim-Bola Iraisam-Pirenena
. Nisy krizy ara-toekarena lehibe taorian' izay. Very 50
% ny
harin-karena faobe
n' i Rosia teo anelanelan' ny taona 1990 sy 1995.
Nanjary namindra ny fifehezana ny orinasa avy amin' ny fanjakana mankany amin' ny olon-tokana manana fifandraisana ao amin' ny rafitra anatin' ny governemanta ny famindram-pitantanana any amin' ny tsy miankina (
frantsay
privatisation
). Maro tamin' ny mpandraharaha mpanankarena vao haingana no namoaka vola an' arivony tapitrisa sy fananana any ivelan' ilay firenena. Nitarika ny fandravana ny asa sôsialy sy ny fihakelezan' ny herim-panjakana ary ny toekarena izany. Olona an-tapitrisany no nanjary nahantra, 1,5
% ny fahantrana tamin' ny vanim-potoana sôvietika, teo anelanelan' ny 39
% sy 49
% izany tamin' ny tapaky ny taona 1993. Nahitana
kolikoly
sy fandikan-dalàna faran' izay henjana, sy firongatry ny andian-jiolahy ary
heloka bevava
mahery vaika ny taona 1990 hatramin' ny 1999.
Nandritra ny ady tamin' ny taona 1990 dia maro ny fifandonana mitam-piadiana tao
Kaokazy Avaratra
. Nisy ny
ady an-trano
sy ny antokom-pivavahana
islamista
maro samihafa. Hatry ny fanambaràn' i
Tsetsenia
ny fahaleovan-tenany tamin' ny fiandohan' ny taompolo 1990 dia nisy ady teo amin' ny antoko mpikomy tsetsena sy ny miaramila rosiana. Nahatonga fahafatesan' olona aman-jatony ny fanafihan' ny mpampihorohoro ny sivily. Ny
krizin' ny takalon' aina tao amin' ny teatran' i Môskoa
sy ny fahirano tany Beslan no tena nampiavaka azy ireo.
Nandray andraikitra tamin' ny fandoavana ny trosa ivelan' ny
Firaisana Sôvietika
i Rosia, na dia antsasaky ny isan' ny mponina tao amin' ny Firaisana Sôvietika fotsiny aza ny isan' ny mponiny tamin' ny fotoana nandravana ny Firaisana Sôvietika. Nahatonga ny krizy ara-bola rosiana tamin' ny taona 1998 ny tetibola tsy voalanjalanja tamin' izany fotoana izany, izay nampitontongana ny
harin-karena faobe
n' i Rosia.
Vladimir Putin
Tamin' ny 31 Desambra 1999 dia nametra-pialana ny filoha
Yeltsin
. Nomena an' i
Vladimir Putin
, izay vao voatendry ho
praiminisitra
, ny asan' ny
filoham-pirenena
. Nandresy tamin' ny fifidianana filoham-pirenena tamin' ny taona 2000 i Vladimir Putin. Nampitsahatra ny fikomian' ny Tsetsena haingana izy, nefa mbola nisy herisetra ihany teny amin' ny faritra avaratra ao
Kaokazy
tsindraindray.
Narahin' ny fiakaran' ny filàna eo an-toerana ny vidin-tsolika lafo sy ny fahalemen' ny vola rosiana, ary nanampy ny toekarena hitombo nandritra ny sivy taona misesy ny fividianana entana sy ny
famatsiam-bola
. Nampisondrotra ny fari-piainana sy nampitombo ny lanjan' i Rosia eo amin' ny sehatra iraisam-pirenena izany zavatra izany. Na dia notsikerain' ny
firenena tandrefana
aza ny fiovana nentin' i Putin dia niteraka fivoarana sy fahamarinan-toerana ny fitondrany. Nahatonga azy ho tiam-bahoaka any Rosia izany zavatra izany.
10
Tamin' ny volana Marsa 2008 dia lany ho filoham-pirenenan' i Rosia i
Dmitry Medvedev
, ary voatendry ho praiminisitra i Putin. Niverina ho filoham-pirenena i Putin tamin' ny fifidianana filoham-pirenena tamin' ny taona 2012 ary notendreny ho praiminisitra i Dmitry Medvedev.
Tany
okrainiana
voabodo, tamin' ny 30 Septambra 2022, fotoana nanambaràna ny fanakambanana azy ireo amin' i Rosia.
Hatramin' ny nahatongavan' i
Vladimir Putin
teo amin' ny fitondrana dia nivoatra tsikelikely ho lasa firenena anjakan' ny jadona i Rosia. Niavaka indrindra tamin' ny ady nanafihany tany
Tsetsenia
sy tany
Jeôrjia
(2008) ary tany
Okraina
(nanomboka tamin' ny taona 2014) io firenena io. Nanomboka tamin' ny taona 2022 dia nofaritan' ny
firenena tandrefana
ho anjakan' ny didy jadona tanteraka i Rosia, izay nahitana fanenjehana ny mpikambana ao amin' ny mpanohitra.
Jeôgrafia
hanova
hanova ny fango
Jeôgrafia fizika
hanova
hanova ny fango
Velaran-tany sy ny manodidina
hanova
hanova ny fango
Manerana ny tapany atsinanan' i
Eorôpa
sy ny tapany avaratr' i
Azia
ny velaran-tanin' i Rosia izay midadasika. Mamakivaky ny sisiny avaratra indrindra amin' i
Eorazia
izy io izay manana
morontsiraka
fahefatra lava indrindra eran-tany, mirefy 37
653 km. Eo anelanelan' ny
laharam-pehintany
41° sy 82° Avaratra i Rosia, ary eo anelanelan' ny 19° Atsinanana sy 169° Andrefana ny
laharan-jarahasiny
, izay mirefy 9
000 km eo ho eo avy any antsinanana miankandrefana, ary 2
500 ka hatramin’ ny 4
000 km avy avaratra mianatsimo. Lehibe noho ny kôntinenta telo amin' ny lafiny velaran-tany i Rosia, ary mitovy velaran-tany amin' ny
planeta zeny
Plotôna
Manana halava mirefy 57
792 km ny sisin-tanin' i Rosia izay lava indrindra eran-tany. Sisin-tany mirefy 20
139 km no manasatraka an' i Rosia amin' ny firenena 14: i
Pôlônina
sy i
Litoania
(samy tandrify ny Ôblastan' i Kaliningrad), i
Nôrvezy
, i
Failandy
, i
Estônia
, i
Letônia
, i
Belarosia
, i
Okraina
, i
Jeôrjia
, i
Azerbaijàna
, i
Kazakstàna
, i
Sina
, i
Môngôlia
, ary i
Kôrea Avaratra
Vohon' ny tany
hanova
hanova ny fango
Sarintany maneho ny vohon-tanin' i Rosia
Manana
tandavan-tendrombohitra
lehibe sivy i Rosia, ary hita any amin' ny tapany atsimo indrindra izy ireo, izay mizara ampahany lehibe amin' ny Tangoron-tendrombohitra Kaokazy (ahitana ny Tendrombohitra Elbrus, izay mirefy 5
642 m, izay tampony avo indrindra ao Rosia sy ao Eorôpa); ny Tendrombohitra Altai sy Sayan any
Siberia
; ary any amin' ny Tangoron-tendrombohitra Siberia Atsinanana sy ny Saikinosin' i Kamchatka any amin' ny Atsinanana Indrindra Rosiana (misy an' i Klyuchevskaya Sopka, izay ahitana ny
volkano
avo indrindra velona, mirefy 4
750 an' i
Eorazia
).
Ny Tangoron-tendrombohitra Ural Avaratra ao amin' ny faritry ny tendrontany.
Misy
harena an-kibon' ny tany
betsaka ny
Tangoron-tendrombohitra Ural
, avy avaratra mianatsimo mamakivaky ny andrefan' ilay firenena, ary mandrafitra ny sisintany manasaraka an' i
Eorôpa
sy i
Azia
. Eo amin' ny lohan' ny
Ranomasina Kaspiana
, izay ahitana ny Lempona Kaspiana 29 m ambanin' ny haabon' ny ranomasina, ny toerana ambany indrindra any Rosia sy any Eorôpa.
Nosy
hanova
hanova ny fango
Endri-paritra any Novaya Zemlya, Valan-javaboarim-pirenen' i Arktika Rosiana
I Rosia, amin' ny maha anisan' ny firenena telo fotsiny eto amin' izao tontolo izao manamorona
ranomasimbe
telo, dia manana fifandraisana amin' ny
ranomasina
maro be. Anisan' ny
nosy
sy
vondronosy
lehibe ao aminy i Novaya Zemlya, i Zemlya Frantsa-Iosifa, i Severnaya Zemlya, ny Vondronosy Siberia Vaovao, ny nosy Vrangelya, ny Vondronosy Kuril (izay iadiany amin' i
Japàna
ny efatra amin' ny nosy ao aminy), ary i Sakhalin. Manalavitra 3,8 km monja ny Vondronosy Diomida, izay tantanin' i Rosia sy i
Etazonia
; ary 20 km monja avy ao Hokkaido, any Japàna, ny Nosy Kunashir ao amin' ny Vondronosy Kuril.
Velaran-dranomamy sy korian-dranomamy
hanova
hanova ny fango
Ny farihy Baikal sy ny nosy Olkhon
I Rosia, izay firenena ahitana
ony
sy
renirano
maherin' ny 100
000, dia anisan' ny manana loharanon-drano lehibe indrindra eran-tany, miaraka amin' ny
farihy
izay ahitana ny ampahefatry ny
ranomamy
eran-tany. Ny farihy Baikal, izay lehibe indrindra sy misongadina indrindra amin' ny velaran-dranomamy ao Rosia, no farihy lalina indrindra, madio indrindra, tranainy indrindra ary be valarana indrindra eran' izao tontolo izao, sady miaty ny ampahadimin' ny ranomamy eran-tany.
Ny ony Volga ao amin' ny Tangoron-tendrombohitra Zhiguli.
I Ladoga sy i Onega any amin' ny tapany avaratra-andrefan' i Rosia no farihy roa amin' ny farihy lehibe indrindra any
Eorôpa
. I Rosia no faharoa aorian' i
Brezila
amin' ny fitambaran' ny loharanon-drano azo havaozina. I
Volga
any amin' ny tapany andrefan' i Rosia, izay heverina ho onim-pirenen' i Rosia, no
ony
lava indrindra any Eorôpa; ary mahaforona ny Vinanihefak' i Volga, izay
vinanihefaka
lehibe indrindra ao amin' ilay kôntinenta. Anisan' ny ony lava indrindra eran-tany i Ob, i Yenisey, i Lena, ary i Amur any
Siberia
Toetany
hanova
hanova ny fango
Toetanin' i Rosia, araka ny fanasokajian' i Köppen
Mahatonga ny
toetanin-tanibe
mando hanjaka manerana ny ampahany be amin' ilay firenena, afa-tsy ny faritry ny
tondrà
sy ny farany atsimo-andrefana, ny habe velaran' i Rosia sy ny halaviran' ny faritra maro ao aminy amin' ny ranomasina. Manakana ny fitsokan' ny rivotra mafana avy any amin' ny
Ranomasimbe Indiana
sy
Pasifika
ny tandavan-tendrombohitra any atsimo sy any atsinanana, fa ny Lemaka Eorôpeana miankandrefana sy mianavaratra kosa dia manokatra azy any amin' ny
Ranomasimbe Atlantika
sy
Arktika
. Manana toetany arktika antonony ny ampahany be amin' ny tapany avaratra-andrefan' i Rosia sy i Siberia, izay ahitana
ririnina
mamirifiry any amin' ny faritra anatiny any amin' ny tapany avaratra-atsinanan' i Siberia (i Sakha indrindra, izay misy ny Tendrontany Avaratra amin' ny hatsiaka dia ahitana mari-pana ambany indrindra −71,2 °C), ary ririnina antonony kokoa no hita any amin' ny toeran-kafa. Manana
toetanin-tendrontany
ny morontsiraka midadasika any Rosia manamorona ny
Ranomasimbe Arktika
sy vondronosy Arktika any Rosia.
Manana
toetany ambanin-jana-pehintany
mando ahitana ririnina malefaka sy mando ny faritry ny morontsiraky ny Krain' i Krasnodar ao amin' ny
Ranomasina Mainty
, indrindra fa i Sochi, ary ny faritra sasany amorontsiraka sy anatiny ao Kaokazy Avaratra. Any amin' ny faritra maro any Siberia Atsinanana sy ny any amin' ny Atsinanana Indrindra Rosiana dia maina raha oharina amin' ny fahavaratra ny ririnina; fa misy rotsak' orana bebe kokoa mandritra ny fizaran-taona maro kosa ny faritra hafa ao amin' ilay firenena. Matetika milatsaka amin' ny endrika
orampanala
ny
rotsa-drano
amin' ny ririnina any amin' ny ankamaroan' ny faritra ao amin' ilay firenena. Manana
toetanin-dranomasimbe
ny tapany andrefana indrindra amin' ny Ôblastan' i Kaliningrad sy ny faritra sasany any amin' ny tapany atsimon' ny Krain' i Krasnodar sy any Kaokazy Avaratra. Manana toetany somary maina ny faritra manamorona an' i
Volga Ambany
sy ny morontsirak' i
Kaspiana
, ary koa ny faritra atsimo indrindra any Siberia.
Tsy misy afa-tsy
fizaran-taona
roa miavaka manerana ny ampahany be amin' i Rosia, dia ny
ririnina
sy ny
fahavaratra
; fohy mantsy ny
lohataona
sy ny
fararano
. Ny volana Janoary (na Febroary any amin' ny morontsiraka) no volana mangatsiaka indrindra; fa ny mafana indrindra dia matetika ny volana Jolay. Mahazatra any amin' ilay firenena ny elanela-maripana lehibe. mihamangatsiaka avy any atsimo mianavaratra sy avy any andrefana miantsinanana ny maripana Amin' ny ririnina. Mety ho mafana be ny fahavaratra, na dia any
Siberia
aza. Miteraka
fahamaizan' ny tanety
matetika ny
fiovan' ny toetany
any Rosia, ary manalefaka ny fielezan' ny
ranomandry
tsy tantera-drano (
anglisy
permafrost
) lehibe ao amin' ilay firenena izany.
Jeôgrafia momba ny olona
hanova
hanova ny fango
Fizaràna ara-pitantanana ny tanim-pirenena
hanova
hanova ny fango
Môsko
Saint-Petersburg
Ankoatry ny fiovana vitsivitsy, ny ankamaroan' ny fizaràna ara-pitantanana sy ara-pizaràn-tanin' ny
Firaisana Sôvietika
tao amin' ny Repoblikan' i Rosia dia voahazona tamin' ny fotana nananganana ny Federasionan' i Rosia. Tamin' ny taona 2014 dia nisy fizaràn-tany ara-pitantanana 85 (antsoina amin' ny
teny rosiana
hoe субъекты Федерации /
subyekty federatsii
, izany hoe "faritra federaly"):
repoblika
22,
kray
(fizaràn-tany) 9,
ôblasta
(faritany) 46, ôblasta mizaka tena iray,
ôkroga
mizaka tena 4, ary tanàn-dehibe 3 manana sata federaly, dia i
Môsko
sy i
Saint-Petersburg
ary i
Sevastopol
Onenam-bondron' olona maro isan-karazany ireo repoblika ireo, anisan' izany ny
Eorôpeana Tavaratra
, ny
Tatara
, ny
Kaokaziana
, ary ny
Siberiana
teratany. Any
Siberia
no misy ny faritra federaly lehibe indrindra. Ny Repoblikan' i Sakha (Yakutia), izay any amin' ny faritr' i Siberia atsinana-afovoany, no faritra federaly lehibe indrindra ao amin' ilay firenena (sady fizaràna lehibe indrindra eran-tany), avo roa heny noho ny haben' i
Alaska
. Faharoa amin' ny habeny ny Krain' i Krasnoyarsk, any andrefan' i Sakha any Siberia. Ny Ôblastan' i Kaliningrad, izay any ivelan' ny fitambaran-tanin' i Rosia, no ôblasta kely indrindra. Ny Repoblikan' i Ingushetia no repoblika kely indrindra sy
subyekty federatsii
kely indrindra ao Rosia, ankoatry ny tanàna federaly telo. Any amin' ny tapany eorôpeanan' i Rosia no misy ny faritra federaly roa be mponina indrindra, dia ny Ôblastan' i Môskva (miaraka amin' i Môsko) sy ny Krain' i Krasnodar.
Tanàn-dehibe any Rosia
hanova
hanova ny fango
Ny renivohitr' i Rosia sy ny tanàna lehibe indrindra dia i
Môsko
. Ny tanàna lehibe faharoa dia St. Petersburg, izay renivohitr' i Rosia tamin' ny taonjato faha-18 sy faha-19. Tanàna rosiana misy olona maherin' ny iray tapitrisa no amin' ny filaharany:
Môsko
Saint Petersburg
Novosibirsk
Yekaterinburg
Kazan
Krasnoyarsk
Nizhniy Novgorod
Chelyabinsk
Ufa
Krasnodar
Samara
Rostov amin'i Don
Omsk
Volgograd
Ny faritra andrefana amin' i Rosia no misy an' i
Kaliningrad
, izay nantsoina taloha hoe
Königsberg
. Ny faritra atsinana amin' i Rosia dia ny nosy
Diomeda
, 35 km miala an' i Chukotka (Rosia) ary 35 km avy any
Alaska
Etazonia
). Ny faritra atsimo no an' i
Kaokazy
, eo amin' ny sisintanin' i
Azerbaijàna
. Ny faritra avaratra indrindra dia i Zemlya Frantsa-Iosifa any amin' ny
Ranomasimbe Arktika
, 900 km avy any amin' ny
Tendrontany Avaratra
Zavamananaina sy tontolo iainana
hanova
hanova ny fango
Rafitra tontolo iainana
hanova
hanova ny fango
Noho ny velarany midadasika dia midadasika, dia manana karazana
tontolo iainana
samihafa i Rosia, anisan' izany ny taniefitra an-tendrontany, ny
tondrà
, ny tondrà be ala, ny
taigà
, ny ala mifangaro sy malala-dravina, ny stepa be ala, ny stepa, ny faritra saikan-taniefitra ary ny faritra manana
toetany ambanin-jana-pehintany
. Saika ny antsasaky ny fizaran-tanin' i Rosia no misy ala, ary ity firenena ity no manana ala lehibe indrindra eran-tany, izay manala ny ampahany be indrindra amin' ny
etona karbônika
eran-tany.
Karazan-javamaniry
hanova
hanova ny fango
I Rosia dia ahitana karazana zavamaniry
tracheophyta
(zavamaniry misy lalan-dranon-kazo) miisa 12
500, karazana
bryophyta
(zavamaniry tsy misy lalan-dranon-kazo) miisa 2
200, karazana
savoronala
miisa 3
000 eo ho eo, karazana
ahidrano
miisa eo anelanelan' ny 7
000 sy 9
000, ary karazana
holatra
eo anelanelan' ny 20
000 sy 25
000.
Karazam-biby
hanova
hanova ny fango
Ny karazam-biby rosiana dia ahitana
biby mampinono
320 karazana, karazana
vorona
maherin' ny 732, karazana
biby mandady na mikisaka
75, karazana
sahona
sy ny mitovitovy aminy (
Amphibia
) 30 eo ho eo, karazana
trondro
an-dranomamy 343 (tsy fahita amin' ny toerana hafa), karazana trondro an-dranomasina 1
500 eo ho eo, karazana
Cyclostomata
(trondro tsy misy
valanorano
) miisa 9, ary eo anelanelan' ny 100
000 sy 150
000 ny
biby tsy manana hazondamosina
Invertebrata
) (tsy fahita any amin' ny toerana hafa). Manodidina ny 1
100 ny karazana zavamaniry sy biby tsy fahita firy izay atahorana ho lany tamingana tafiditra ao amin' ny
Boky Menan' i Rosiana
Fiarovana ny tontolo iainana
hanova
hanova ny fango
Valan-javaboarim-pirenena Yugyd Va ao amin' ny Repoblikan' i Komi no valan-javaboarim-pirenena lehibe indrindra any Eorôpa.
Voatahiry ao amin' ny faritra voajanahary arovana manokana miisa efa ho 15
000, araka ny sata isan-karazany, ny
rafitra tontolo voajanahary
ao Rosia, izay mameno ny 10
% amin' ny velaran-tanin' ilay firenena. Tafiditra ao anatin' izany ny
tahirin-javaboary
45, ny
valan-javaboarim-pirenena
64, ary ny
zapovednik
101. Ity firenena ity dia manana rafitra tontolo iainana maro izay mbola heverina ho ala tsy vaky, na dia misy aza ny fihenana, indrindra any amin' ny tapany avaratry ny faritry ny taigà, sy ny tondrà manana toetany ambany arktika any
Siberia
Vahoaka sy kolontsaina
hanova
hanova ny fango
Mponina
hanova
hanova ny fango
Niisa 146,17 tapitrisa eo ho eo ny mponina ao Rosia tamin' ny taona 2021 (ny 73
% amin' izany dia mponina an-tanàn-dehibe). Ny
hakitroky ny mponina
dia 8,5 mp/ km
, izay mitsinjara amin' ny fomba tsy mitovy manerana ny tanim-pirenena: 26,9 izany ao amin' ny ampahany eorôpeana (anisany ny ao amin' ny
tangoron-tendrombohitra Ural
), midina any amin' ny 2,5 izany any amin' ny ampahany aziatika. Ny fandaminana ho tanàn-dehibe dia mazàna mampihena ny mponina tao "Rosia lalina" ho any amin' ny tanàna lehibe ary indrindra ho any amin' ny tanànan' i Rosia eorôpeana.
Vondrom-poko
hanova
hanova ny fango
Firenena ahitana
vondrom-poko
maro isan-karazany, izay misampantsampana sady ahitana vahoaka vitsy anisa samihafa, i Rosia. Misy vondrom-poko 193 mahery manerana ilay firenena. Tamin' ny
fanisam-bahoaka
n' ny taona 2021 dia efa ho 71,73
% amin' ny mponina no voalaza fa ao amin' ny
vondrom-poko rosiana
(anisan' ireo izay nanambara ny fiaviany ara-poko), ary eo amin' ny 19
% eo ho eo amin' ny fitambaran' ny mponina no voalaza fa vondrom-pokon' ny vitsy anisa. Tombanana ho 3,94
% tamin' ny taona 2010 ary nitombo ho 11,27
% tamin' ny taona 2021 ny isan-jaton' ny olom-pirenena rosiana izay tsy nanambara ampahibemaso ny foko misy azy tamin' ny fanisam-bahoaka.
Araka ny fanisam-bahoaka rosiana tamin' ny taona 2021 dia nihena efa ho 5,43 tapitrisa ny isan' ny Rosiana ara-poko (111 tapitrisa teo ho eo tamin' ny taona 2010 nefa lasa 105,5 tapitrisa teo ho eo tamin' ny taona 2021). Tamin' ny taona 2010 dia any amin' ny tapany andrefan' ny
Tangoron-tendrombohitra Ural
ny efatra ampahadimin' ny mponina ao Rosia — amin' izany dia
Slavy
ny ankamaroany, misy koa ny
vahoaka finô-ogriana
sy
jermanika
vitsy anisa. Vitsy anisa tsy azo tsinontsinoavina ny
vahoaka torkika
izay miparitaka amin' ny faritra madinika maro manerana ilay firenena. Misy vondrom-poko samihafa koa mipetraka any
Kaokazy Avaratra
. Anisan' ny vahoaka vitsy anisa hafa ny
Môngôliana
Boriata
sy
Kalmika
), ny vahoaka teratanin' i Siberia, ny
Jiosy
mpifidra monina hatry ny ela, ary ny
Kôriô-Sarama
(anisan' izany ny
Kôreana Sakalina
).
Araka ny filazan' ny
Firenena Mikambana
dia ny mpifindra monina mankao Rosia no fahatelo betsaka indrindra eran-tany, izay mahatratra 11,6 tapitrisa mahery tamin' ny taona 2016; avy amin' ny firenena tao amin' ny
Firaisana Sôvietika
taloha ny ankamaroany, indrindra fa avy any
Azia Afovoany
. Misy
repoblika
22 any Rosia, izay samy manana ny vondrom-poko sy ny kolontsainy ary ny fiteniny avy. Ao amin' ny 12 amin' izy ireo, tamin' ny 2021, dia vitsy anisa ny Rosiana ara-poko.
Fiteny
hanova
hanova ny fango
Ny
fiteny rosiana
no
fiteny ôfisialy
sady fiteny be mpampiasa indrindra any Rosia. Io no
fitenin-drazana
be mpampiasa indrindra any
Eorôpa
, fiteny miely patrana indrindra ao
Eorazia
, ary
fiteny slava
be mpampiasa indrindra eran-tany. Anisan' ny fiteny ôfisialy roa ao amin' ny International Space Station ny fiteny rosiana, ary anisan' ny fiteny ôfisialy enina ampiasaina ao amin' ny
Firenena Mikambana
(ankoatra ny
fiteny sinoa
, ny
fiteny anglisy
, ny
fiteny frantsay
, ny
fiteny espaniôla
, ary ny
fiteny arabo
).
Firenena manana fiteny maro i Rosia; eo anelanelan' ny 100 sy 150 ny isan' ny fitenin' ny vahoaka vitsy anisa ampiasaina manerana ilay firenena. Araka ny fanisam-bahoaka rosiana tamin' ny taona 2010 dia 137,5 tapitrisa no miteny rosiana manerana ny firenena; 4,3 tapitrisa no niteny
tatara
, ary 1,1 tapitrisa no miteny
okrainiana
. Manome zo ny
repoblika
tsirairay ao amin' ilay firenena mba hamaritra ny fiteny ôfisialiny avy ho fanampin' ny fiteny rosiana ny
lalàmpanorenana
; io lalàmpanorenana io koa dia miantoka ny zon' ny olom-pireneny hitahiry ny fitenin-drazany sy handrafitra fepetra hianarana sy hampandrosoana ireo fiteny ireo. Na izany aza dia nilaza ny manam-pahaizana isan-karazany fa mihena haingana ny fisian' ny fiteny samihafa ao Rosia noho ny fiteny maro lasa tandindomin-pahafatesana.
Fivavahana
hanova
hanova ny fango
I Rosia dia
firenena laîka
araka ny
lalàmpanorenana
izay mametraka amin' ny fomba ôfisialy ny fahalalahan' ny
fivavahana
. Ny
kristianisma ôrtôdôksa tatsinanana
, izay ahitana indrindra ny
Fiangonana Ôrtôdôksa Rosiana
, no fivavahana lehibe indrindra, izay ekena araka ny lalàna amin' ny fisahanany "andraikitra manokana" eo amin' ny "tantara sy fananganana ary fampivoarana ny ara-panahy sy ny kolontsaina" ao Rosia. Eken' ny lalàna rosiana ho fivavahana "nentim-paharazana" ao amin' ilay firenena, mandrafitra ny "lova ara-tantara", ny
kristianisma
, ny
silamo
, ny
jodaisma
ary ny
bodisma
Ny finoana silamo no fivavahana faharoa lehibe indrindra ao Rosia ary fivavahana nentim-paharazana ao amin' ny ankamaroan' ny mponina any
Kaokazy Avaratra
sy ao amin' ny
vahoaka torkika
sasany any amin' ny faritr' i Volga-Ural. Betsaka ny Bodista any Kalmykia, any Buryatia, any amin' ny Krain' i Zabaykalsky, ary izy ireo no ankamaroan' ny mponina ao Tuva. Rosiana maro no manaraka fivavahana hafa, anisan' izany ny
rôdnôvery
neôpaganisma
slava),
asianisma
(neôpaganisma skitiana), paganisman' ny foko hafa, ary ny hetsika iraisan' ny paganista toy ny
anastasianisma
, hetsika isan-karazany ao amin' ny
hindoisma
, ny
samanisma
siberiana sy ny
tengrisma
, hetsika
neo-teôzôfika
isan-karazany toy ny
roerikisma
, sy ny finoana maro hafa. Nisy antokom-pivavahan' ny vitsy anisa dia niatrika fampahoriana ary ny sasany dia voarara tao amin' ilay firenena; marihina fa tamin' ny taona 2017 dia voarara ny
Vavolombelon' i Jehovah
tany Rosia, ary niatrika fanenjehana nanomboka tamin' izay, rehefa avy nambara ho fivavahana "mahery setra" sy "tsy nentim-paharazana".
Tamin' ny taona 2012, ny fikambanana mpikaroka Sreda, izay niara-niasa amin' ny Minisiteran' ny Fitsarana, dia namoaka ny
Arena Atlas
, fanampin' ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 2010, ka mitanisa amin' ny antsipiriany ny vahoaka araka ny fivavahany sy araka ny fanjakana misy azy ao Rosia, mifototra amin' ny santionany lehibe amin' ny fanadihadiana manerana ilay firenena. Nasehon' ny vokatra fa 47,3
% amin' ny Rosiana no nilaza ny tenany ho Kristiana — anisan' izany ny 41
% Ôrtôdôksa Rosiana, ny 1,5
Ôrtôdôksa
fotsiny izao na mpikambana ao amin' ny fiangonana Ôrtôdôksa tsy rosiana, ny 4,1
% ny Kristiana tsy miankina, ary latsaky ny 1
% ny "
Ôrtôdôksa Mpino Tranainy
",
Katôlika
na
Prôtestanta
— ny 25
% mpino tsy miray finoana amin' ny fivavahana manokana, 13
% no
Ateista
(tsy mino an' Andriamanitra), ny 6,5
% Mozilmana, ny 1,2
% mpanaraka ny "fivavahana nentim-paharazana mivavaka amin'
andriamanitra
sy
razana
" (
rôdnôvery
paganisma
hafa,
samanisma
sy
tengrisma
siberiana), ny 0,5
% dia
Bodista
, ny 0,1
% no
Jiosy
ara-pivavahana ary 0,1
% no
Hindoa
Toekarena
hanova
hanova ny fango
Ankapobeny
hanova
hanova ny fango
Toekarena fangaro miankina amin' ny varotra ny toekaren' i Rosia, taorian' ny tetezamita mikorontana avy amin' ny môdelin' ny toekarena
sôvietika
manara-tetika nandritra ny taompolo 1990. Mifantoka amin' ny loharanon-karena voajanahary betsaka sy isan-karazany misy ao aminy ny ankamaroan' ny asa ara-toekarena ao amin' ilay firenena, indrindra ny
solitany
sy ny
etona voajanahary
. Nosokajian' ny
Banky Maneran-Tany
ho firenena manana fidiram-bola ambony i Rosia, izay firenena man-karena fahasivy lehibe indrindra eran-tany amin' ny
harin-karena faobe
ary ny fahenina lehibe indrindra amin' ny fampitahana ny fahefa-mividin' ny volany (
anglisy
Purchasing power parity -- PPP
); amin' ny fepetra sasany, ny toekareny dia laharana fahefatra na fahadimy maneran-tany araka ny fampitahana ny fahefa-mividin' ny volany. Miantoka ny 54
% amin' ny harin-karena faobe ny serivisy, arahin' ny
indostria
(33
%), fa ny sehatry ny fambolena kosa no kely indrindra, latsaky ny 4
% amin' ny harin-karena faobe. Manana olona ampiasana miisay 70 tapitrisa eo ho eo i Rosia, ka anisan' ny firenena valo manana an' izany betsaka indrindra eran-tany, ary ambany ny taha ôfisialin' ny tsy fananan' asa ao aminy (4,1
%).
I Rosia no firenena
mpanondrana entana
lehibe indrindra fahatelo ambin' ny folo eran-tany ary faha-21 lehibe indrindra amin' ny
fanafarana entana
. I Rosia koa dia miankina be amin' ny fidiram-bolan' ny hetra sy ny saram-panondranana ny solitany sy ny etona voajanahary, izay miantoka ny 45
% amin' ny vola miditra amin' ny tetibola federalin' i Rosia tamin' ny Janoary 2022, ary hatramin' ny 60
% amin' ny fanondranana nataony tamin' ny taona 2019. Manana anisan' ny firenena manana trosa ivelany ambany indrindra ao amin' ny firenena matanjaka ara-toekarena, ary manana ny tahirim-bola vahiny fahadimy lehibe indrindra, mihoatra ny 601 lavitrisa
dôlara
, na dia voageja any ivelany aza ny antsasak' izany, ary vola be no heverina fa lany tamin' ny Ady amin' i Okraina. Anisan' ny ambony indrindra ny tsy fitovian' ny fidiram-bola sy ny harena isan-tokantrano, raha mitaha amin' ny an' ny firenena mandroso hafa, ary misy ny tsy fitovian' ny faritra eo amin' ny lafiny fampandrosoana ara-toekarena.
Taorian' ny folo taona mahery nisian' ny fitomboana ara-toekarena haingana taorian' ny vanim-potoan' ny
Firaisana Sôvietika
, izay notohanan' ny vidin-tsolika avo lenta sy ny fisandratry ny tahirim-bola vahiny sy ny fampiasam-bola, dia simba ny toekaren' i Rosia noho ny sazy iraisam-pirenena nampiharina tamin' ny taona 2014 taorian' ny
Adin' i Rosia sy i Okraina
sy ny fanakambanana an' i
Krimea
ao amin' ny tanin' i Rosia. Taorian' ny
fanafihan' ny Rosia an' i Okraina tamin' ny taona 2022
, niatrika sazy sy ankivin' ny orinasa ilay firenena, ka lasa firenena iharan' ny sazy be indrindra eran' izao tontolo izao, mba hampitoka-monina ny toekarena rosiana amin' ny rafitra ara-bolan' ny Tandrefana. Ny fiantraikany ratsy aterak' izany dia nampitsahatra ny famoahan' ny governemanta rosiana antontan-kevitra momba ny toekarena nanomboka tamin' ny Avrily 2022. Na dia nitazona ny fahamarinan-toerana sy ny fitomboan' ny toekarena aza i Rosia — vokatry ny fandaniana ara-tafika be sy ny fanjifana isan-tokantrano ary ny fampiasam-bola — dia nihevitra ny mpahay toekarena fa hisy fiantraikany maharitra eo amin' ny toekarena rosiana ny sazy.
Fitaterana
hanova
hanova ny fango
Ny lalamby Transsiberiana no lalamby lava indrindra eran-tany, mampitohy an' i Môsko amin' i Vladivostok.
Fehezin' ny Lalamby Rosiana izay tantanin' ny fanjakana ny
fitaterana an-dalamby
any Rosia. Ny fitambaran' ny halavan' ny lalamby fampiasa mahazatra ao amin' io firenena io no fahatelo lava indrindra eran-tany, mihoatra ny 87
000 km. Tamin' ny taona 2019 dia i Rosia no manana tambajotran' arabe fahadimy lehibe indrindra eran' izao tontolo izao, manana arabe maherin' ny 1,5 tapitrisa km, na dia anisan' ny ambany indrindra eran' izao tontolo izao aza ny hakitroky ny arabe, noho ny ampahany amin' ny velaran-taniny izay midadasika. Ny
lalana an-dranomamy
anatiny any Rosia no lava indrindra eran-tany, mirefy 102
000 km. Manana
seranam-piaramanidina
maherin' ny 900 i Rosia, laharana fahafito eran-tany, ka ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenen' i Sheremetyevo ao Môsko no be mpampiasa indrindra. Ny seranan-tsambon' i Novorossiysk ao amin' ny Krain' i Krasnodar, manamorona ny
Ranomasina Mainty
, no
seranan-tsambo
lehibe indrindra any Rosia.
Angovo
hanova
hanova ny fango
I Rosia no firenena matanjaka indrindra amin' ny
angovo
. Izy no manana tahirin'
etona voajanahary
lehibe indrindra, tahirin'
arintany
faharoa lehibe indrindra, tahirin-t
solitany
fahavalo lehibe indrindra, ary ny tahirin-t
sista misy molanga
lehibe indrindra any
Eorôpa
. I Rosia ihany koa no mpamokatra etona voajanahary lehibe indrindra eran-tany, mpamokatra etona voajanahary faharoa lehibe indrindra, ary mpamokatra sy mpanondrana solitany faharoa lehibe indrindra. Ny famokarana solitany sy etona voajanahary ao Rosia dia nitarika fifandraisana ara-toekarena lalina tamin' ny
Vondrona Eorôpeana
, tamin' i
Sina
, ary tamin' ny firenena tao amin' ny
Firaisana Sôvietika
sy ny
Vondron-Tany Tatsinanana
teo aloha. Ohatra, tato anatin' ny folo taona farany, ny anjaran' i Rosia amin' ny totalin' ny tinadin' etona ho an' ny Vondrona Eorôpeana (anisan' izany ny
Fanjakana Mitambatra
) dia 25
% tamin' ny 2009 ka nitombo ho amin' ny 32
% izany tao anatin' ny herinandro talohan' ny
nanafihan' ny Rosiana an' i Okraina tamin' ny Febroary 2022
Tamin' ny tapaky ny taompolo 2000 dia manodidina ny 20
% ny anjaran' ny sehatry ny solitany sy ny etona voajanahary amin' ny
harin-karena faobe
, ary tamin' ny taona 2013 dia 20-21
% amin' ny harin-karena faobe. Ny ampahany antohan' ny solitany sy ny etona voajanahary amin' ny fanondranana any Rosia (manodidina ny 50
%) sy ny vola miditra amin' ny
tetibola
federaly (manodidina ny 50
%) dia lehibe, ary ny hetsiky ny harin-karena faoben' i Rosia dia tena miankina amin' ny vidin' ny solitany sy ny vidin' etona voajanahary, fa ny ampahany amin' ny harin-karena faobe dia ambany lavitra noho ny 50
%. Araka ny fanombanana feno voalohany toy izany navoakan' ny Rosstat, izay sampan-draharahan' ny antontan' isa rosiana, tamin' ny taona 2021, ny ampahany ambony indrindra amin'ny totaly amin' ny sehatry ny solitany sy etona voajanahary ao amin' ny harin-karena faoben' i Rosia — ao anatin' izany ny fitrandrahana, ny fanadiovana, ny fitaterana, ny fivarotana solitany sy etona, ny entana sy ny serivisy rehetra ampiasaina, ary ny hetsika fanohanana rehetra — mitentina 19,2
% tamin' ny taona 2019 ary 15,2
% tamin' ny taona 2020; izany dia azo ampitahaina amin' ny ampahany amin' ny harin-karena faobe any
Nôrvezy
sy any
Kazakstàna
, ary ambany lavitra noho ny ampahany amin' ny harin-karena faobe any Arabia Saodita sy any amin' ny
Emirata Arabo Mitambatra
I Rosia no mpamokatra
herinaratra
fahefatra lehibe indrindra eran-tany. Loharan' angovo lehibe indrindra ny etona voajanahar, miantoka ny antsasany mahery amin' ny angovo fototra rehetra ary ny 42
% amin' ny fanjifana herinaratra. I Rosia no firenena voalohany namolavola
angovo nokleary
sivily, nanangana toby nokleary voalohany eran-tany tamin' ny taona 1954; mbola mpisava lalana amin' ny teknôlôjian' ny angovo nokleary izy ary heverina ho mpitarika maneran-tany amin' ny reaktera amin' ny neotrôna haingam-piasa. I Rosia no mpamokatra angovo nokleary fahefatra lehibe indrindra eran-tany, izay mahatratra ny ampahefatry ny famokarana herinaratra manontolo. Mikendry ny fanitarana ny anjara asan' ny angovo nokleary sy hampandroso ny teknôlôjia vaovaon' ny reaktera ny pôlitika rosiana momba ny angovo.
Nankatoavin' i Rosia ny Fifanarahana tao Paris tamin' ny taona 2019. Ny fandefasaqna
etona mampihiboka hafanana
ao amin' ilay firenena no fahefatra be indrindra eran-tany. Ny arintany dia mbola miantoka saika ny ampahadimin' ny famokarana herinaratra (17,64
%). I Rosia no mpamokatra herinaratra fahadimy lehibe indrindra tamin' ny taona 2022, ka ny angovon-drano dia miantoka saika ny ampahadimin' ny famokarana herinaratra (17,54
%). Mbola kely dia kely ny fampiasana sy ny fampivoarana ny angovo azo havaozina hafa, satria i Rosia dia anisan' ny firenena vitsy tsy manana fanohanana matanjaka avy amin' ny governemanta na avy amin' ny fanjakana momba ny fanitarana ireo loharanon' angovo ireo.
Fambolena
hanova
hanova ny fango
Varimbazaha
any amin' ny Ôblastan' i Tomsk, any
Siberia
Ny sehatry ny fambolena ao Rosia dia mandray anjara eo amin' ny 5
% amin' ny fitambaran' ny
harin-karena faobe
ao amin' ilay firenena, na dia mampiasa eo amin' ny ampahatelon' ny isan' ny mpiasa aza io sehatra io. Ity sehatra ity no manana velaran-tany fahatelo lehibe indrindra eran-tany, amin' ny 1
265
267 km
. Na izany aza, noho ny fahasarotan' ny tontolo iainana ao aminy dia eo amin' ny 13,1
% monja amin' ny taniny no atokana ho an' ny fambolena, ary ny 7,4
% fanampiny dia azo volena. Heverina ho anisan' ny sompitr' i Eorôpa ny tany fambolena ao amin' ilay firenena. Maherin' ny ampahatelon' ny velaran-tany fambolena no atokana ho an' ny fambolena vilona, ary ny sisa tavela amin' ny tany fambolena dia ampiasaina hanaovana fambolena indostrialy (tsy hatao sakafo) sy fambolena
legioma
sy
voankazo
. Ny
voamadinika
no vokatra fototra ao amin' ny fambolena rosiana hatramin' izay, izay ampiasana ny antsasaky ny tany fambolena. I Rosia no mpanondrana
varimbazaha
betsaka indrindra eran-tany, mpamokatra
ôrza
sy
varimainty
betsaka indrindra, anisan' ny mpanondrana
katsaka
sy
menaka tanamasoandro
, ary mpamokatra
zezika
voalohany indrindra koa izy.
Mahita ny mpandinika maro momba ny fampifanarahana ny fambolena amin' ny
fiovan' ny toetany
fa hitondra tombontsoa lehibe ho an' ny fambolena rosiana ny sisa amin' ny taonjato faha-21 satria mitombo ny velaran-tany azo volena any
Siberia
, izany dia mety hitarika fifindra-monina anatiny sy ivelany mankany amin' io faritra io.
Jono
hanova
hanova ny fango
Noho ny morontsiraka midadasika manamorona ny
ranomasimbe
telo sy
ranomasina
an-tsisin-tany roa ambin' ny folo, dia mitazona ny laharana fahenina eran-tany amin' ny indostrian' ny
jono
i Rosia;
trondro
efa ho 5 tapitrisa taonina no azo tamin' ny taona 2018. Any no misy ny
kaviara
tsara indrindra eran-tany, atao hoe beloga (
beluga
); ary izy no mamokatra ny ampahatelon' ny trondro am-bifotsy rehetra, ary ny ampahefatry ny trondro vao sy trondro nampangatsiahina eran-tany.
Siansa sy teknôlôjia
hanova
hanova ny fango
Mikhail Lomonosov
(1711–1765) — mpahay siansa, mpamorona, pôeta ary mpanakanto
Nandany manodidina ny 1
% amin' ny harin-karena faobeny i Rosia tamin' ny fikarohana sy ny fampandrosoana tamin' ny taona 2019, izany no mahatoga azy ho ny firenena manana tetibola fahafolo avo indrindra eran-tany. Izy koa dia laharana fahafolo maneran-tany amin' ny isan' ny famoahan-boky aman-gazety siantifika tamin' ny taona 2020, miaraka amin' ny lahatsoratra 1,3 tapitrisa any ho any. Nanomboka tamin' ny taona 1904 dia nomena
Loka Nobel
ny Sôvietika sy Rosiana miisa 26, amin' ny
fizika
, ny
simia
, ny
fitsaboana
, ny
toekarena
, ny
literatiora
ary ny
fandriam-pahalemana
. Laharana faha-60 ao amin' ny Global Innovation Index i Rosia tamin' ny taona 2024, nidina izany taha mitaha amin' ny faha-45 tamin' ny taona 2021.
Hatramin' ny andron' i
Nikolay Lobachevsky
, izay nisava lalana ny jeômetria tsy eoklidiana, sy i
Pafnuty Chebyshev
, izay mpampianatra malaza, dia lasa anisan' ny nalaza indrindra eran-tany ny mpahay matematika rosiana. I
Dmitry Mendeleev
no namorona ny
tabilao periôdika
, izay rafitra fototry ny simia môderina. Sivy ny mpahay matematika sôvietika sy rosiana nahazo ny medaly Fields. i
Grigori Perelman
dia nomena ny voalohany amin' ny Clay Millennium Prize Problems Award noho ny porofo farany nomeny momba ny
vinavinan' i Poincaré
tamin' ny taona 2002, sy ny medaly Fields tamin' ny taona 2006.
Anisan' ny mpamorona ny
fampielezam-peo
(radiô) i
Aleksander Popov
, fa mpiara-mpamorona ny
lazera
sy ny
mazera
kosa i
Nikolai Basov
sy i
Aleksander Prokhorov
. Nandray anjara lehibe teo amin' ny sehatry ny fampitohizana vita amin' ny saika mpampita aratra i
Oleg Losev
, ary nahita ny
roalahiny
(diôdy) mandefa hazavana. Heverina ho anisan' ny mpanorina ny
jeôsimia
sy ny
biôjeôsimia
ary ny
radiôjeôlôjia
Vladimir Vernadsky
. Fantatra amin' ny fikarohana mpisava lalana momba ny hery fiarovan' ny vatana (imonôlôjia) i
Élie Metchnikoff
. Malaza indrindra amin' ny asany momba ny fepetra fifehazana fihetsika i
Ivan Pavlov
. Nandray anjara fototra tamin' ny sehatra maro momba ny fizika teôrika i
Lev Landau
Fanta-daza indrindra amin' ny fahafantarana ny foibe niandohan' ny zavamaniry ambolena i
Nikolai Vavilov
. Fantatra indrindra amin' ny
lisenkôisma
Trofim Lysenko
. Mpahay siansa sy mpamorona rosiana malaza maro no nifindra monina. Mpisava lalana amin' ny fanamboarana fiaramanidina i
Igor Sikorsky
. I
Vladimir Zworykin
no mpamorona ny fampitana fahitalavitra ikônpôskôpy sy kineskôpy. Olo-malaza amin' ny sehatry ny biôlôjian' ny fivoarana miandalana i
Theodosius Dobzhansky
. Anisan' ny mpiaro ny
teôrian' ny Big Bang
George Gamow
Fikarohana eny amin' ny habakabaka
hanova
hanova ny fango
Mir
, toby ana habakabaka rosiana miasa amin' ny ôrbitan-tany ambany
Ny Roscosmos no misahana ny habakabaka ao Rosia. Ny zava-bitan' ilay firenena eo amin' ny sehatry ny teknôlôjian' ny habakabaka sy ny fikarohana eny amin' ny habakabaka dia azo tsapain-tanana noho ny asan' i
Konstantin Tsiolkovsky
, rain' ny
astrônaotika
teôrika, izay nanome aingam-panahy ny injeniera malazan' ny sambondanitra sôvietika, toa an' i
Sergey Korolyov
sy i
Valentin Glushko
ary ny maro hafa, izay nandray anjara amin' ny fahombiazan' ny fandaharan' asa sôvietika moba ny habakabaka tany am-piandohan' ny "hazakazaka eny amin' ny habakabaka" sy ny sisa.
Tamin' ny taona 1957 no nandefasana ny
zanabolana
voalohany miodina amin' ny
Tany
, ny
Sputnik
. Nahomby ny fitsangatsanganan' olombelona voalohany eny amin' ny habakabaka nataon' i
Yuri Gagarin
tamin' ny taona 1961. Nanaraka an' izany ny firaketana momba ny fikarohana ana habakabaka maro hafa sôvietika sy rosiana. Tamin' ny taona 1963 dia i
Valentina Tereshkova
no vehivavy voalohany sy zandriny indrindra tonga teny amin' ny habakabaka, rehefa namita iraka irery nandritra ny fanirahana Vostok
6. Tamin' ny taona 1965 dia i
Alexei Leonov
no olona voalohany nitarika fitsangatsanganana ana habakabaka, nivoaka ny kapsiolan-kabakabaka nandritra ny
Voskhod
Tamin' ny taona 1957 dia ilay alika Laika no biby voalohany teny amin' ny habakabaka nanodidina ny Tany, tao anaty zanabolana
Sputnik
. Tamin' ny taona 1966 dia i Luna
9 no
sambondanitra
voalohany afaka nipetraka tsy nisy fahasimbana teo ambony zava-mitsingevana eny an-danitra, teny amin' ny
Volana
izany. Tamin' ny taona 1968 dia nitondran' i
Zond
ny zavamananaina voalohany avy eto amin' ny Tany (sokatra roa sy zavamananaina hafa) mba hihodidina ny Volana. Tamin' ny taona 1970, i
Venera
no sambondanitra voalohany nipetraka teo amin' ny planeta hafa, i
Venosy
. Tamin' ny taona 1971, i Mars
3 no sambondanitra voalohany nipetraka teo amin' ny planeta
Marsa
. Nandritra io vanim-potoana io ihany, i
Lunokhod
no zanabolana mpandehandeha ho an' ny fikaroka eny amin' ny habakabaka, fa i
Salyut
kosa no toby ana habakabaka voalohany eran-tany.
Nanana satelita miasa miisa 172 teny amin' ny habakabaka i Rosia tamin' ny Avrily 2022, ka izany no fahatelo betsaka indrindra eran-tany. Teo anelanelan' ny sidina farany tamin' ny prôgrama Space Shuttle (amerikana) tamin' ny taona 2011 sy ny iraka voalohany nataon' ny ekipan' ny SpaceX (amerikana) tamin' ny taona 2020, ireo fioze Soyuz no hany fiara afaka nitondra ny mpanamory sambondanitra ho any amin' ny International Space Station (na ISS). I Luna
25, izay natomboka tamin' ny Aogositra 2023, no voalohany tamin' ny prôgrama fikarohana Luna-Glob Moon.
Fizahàn-tany
hanova
hanova ny fango
Ny Lapan' i Peterhof ao
Saint Petersburg
, vakoka eran-tanin' ny
UNESCO
Araka ny filazan' ny World Tourism Organization dia i Rosia no firenena fahenina ambin' ny folo be mpitsidika indrindra eran' izao tontolo izao, ary firenena fahafolo be mpitsidika indrindra any
Eorôpa
, tamin' ny taona 2018, izay nahitana mpitsidika maherin' ny 24,6 tapitrisa. Araka ny filazan' ny Rosturisma dia nahatratra 24,4 tapitrisa ny isan' ny fitsangatsanganana nataon' ny teratany vahiny tany Rosia tamin' ny taona 2019. Nahatratra 11,6 lavitrisa
dôlara
ny vola azo tamin' ny
fizahàn-tany
iraisam-pirenena rosiana tamin' ny taona 2018. Tamin' ny taona 2019 dia ny fitsangatsanganana sy ny fizahàn-tany dia manodidina ny 4,8
% amin' ny fitambaran' ny
harin-karena faobe
ao amin' ilay firenena. Taorian' ny areti-mifindra
COVID-19
dia nihena be ny fizahàn-tany tamin' ny taona 2020, ka maherin' ny 6,3 tapitrisa fotsiny ny vahiny mpitsidika.
Ny lalan' ny fizahàn-tany lehibe ao Rosia dia ahitana ny fandehanana manodidina ny Zolotoye koltso Rossii ("Peratra volamenan' i Rosia") (toerana any avaratra-atsinanan' i
Môsko
, eo anelanelan' ny ony
Volga
sy ny renirano Klyazma), lalana andalovana sy itsidihana ny tanàn-dehibe rosiana tranainy; fitsangantsanganana eny ambonin' ny
ony
sy
renirano
lehibe toa an' i Volga; fandehanana eny amin' ny tandavan-tendrombohitra toy ny
Tandavan-tendrombohitra Kaokazy
, ary mandeha amin' ny Lalamby Transsiberiana Lehibe (
rosiana
: Транссибирская магистраль /
Transsibirskaya Magistral'
). Anisan' ny toerana malaza sy be mpitsidika indrindra ao Rosia ny Kianja Mena (rosiana: Красная площадь /
Krasnaya ploshchad'
), ny Lapan' i Peterhof (rosiana: Петерго́ф /
Petergóf
), ny Kazan Kremlin (rosiana: Казанский кремль /
Kazanskiy kreml
), ny Troitsye-Sergiyeva Lavra (rosiana: Троице-Сергиева лавра /
Troitsye-Sergiyeva lavra
) ary ny
Farihy Baikal
Môsko
, renivohitra onenan' ny olona avy amin' ny firenena rehetra sy ivo manan-tantaran' ilay firenena, dia tanàna ngeza dia ngeza sady môderina; mitazona ny maritrano klasika sy tamin' ny vanim-potoana sôvietika izy io ary ahitana ny zavakanto avo lenta, balety malaza eran-tany, ary trano avo mijoalajoala môderina. I
Saint Petersburg
, renivohitrty ny
Empira Rosiana
taloha, dia malaza amin' ny maritrano klasika, ny katedraly, ny tranombakoka sy teatra, alina fotsy, ny reniranony ary ny lakandranony maro. Malaza maneran-tany i Rosia noho ny tranombakoka manankarena, toy ny Tranombako-Panjakana Rosiana (rosiana:
Gossudarstvyenniy Russkiy muzey
), ny Fitokana-monim-Panjakana (rosiana:
Gossudarstvyenniy Ermitazh
), ary ny Galeriam-Panjakana Tretiakov (rosiana:
Gosudarstvennaya Tretyakovskaya Galereya
); ary ho an' ny teatra toa ny Bolshoi sy ny Mariinsky. Ny Kremlin ao Môsko (rosiabna:
Moskovskiy Kremlʹ
) sy ny Katedraly Masindahy Vasily (rosiana:
Sobor Vasiliya Blazhennogo
) dia anisan' ny zava-boaorina ngeza ara-kolontsaina ao Rosia.
Jereo koa
hanova
hanova ny fango
Firaisan' ny Repoblika Sôsialista Sôvietika
Rosiana (vahoaka)
Firenena ao Azia:
Afganistàna
Arabia Saodita
Armenia
Azerbaijàna
Bangladesy
Bareina
Botàna
Broney
Emirata Arabo Mitambatra
Filipina
Iemena
India
Indônezia
Iràka
Iràna
Israely
Japàna
Jôrdania
Kambôdia
Katara
Kazakstàna
Kirgizistàna
Kôety
Kôrea Atsimo
Kôrea Avaratra
Laôsy
Libàna
Maldiva
Malezia
Mianmara
Môngôlia
Nepaly
Ômàna
Ozbekistàna
Pakistàna
Palestina (fanjakana)
Rosia
Sina
Singaporo
Siria
Srilanka
Tailandy
Taioàna
Tajikistàna
Torkia
Torkmenistàna
Vietnamy
Firenena ao Eorôpa:
Albania
Alemaina
Andôra
Aotrisy
Belzika
Bielôrosia
Bolgaria
Bôsnia-Herzegôvina
Danemarka
Espaina
Estônia
Fanjakana Mitambatra
Finlandy
Frantsa
Grisia
(na
Gresy
) -
Hôngria
(na
Hongaria
) -
Irlanda
Islandy
Italia
Jeôrjia
Kipra
(na
Sipra
) -
Krôasia
(na -
Krôatia
) -
Letônia
Liktenstaina
Litoania
Loksemborga
Masedônia Avaratra
(na
Makedônia Avaratra
)-
Malta
Môldavia
Môntenegrô
Nederlandy
Nôrvezy
Okraina
Pôlônia
Pôrtogaly
Tsekia
Romania
Rosia
San-Marîno
Serbia
Slôvakia
Slôvenia
Soeda
Soisa
Tsekia
Vatikàna.
Kôntinenta eto an-tany
Afrika
Amerika
Amerika Avaratra
Amerika Atsimo
Azia
Eorôpa
Ôseania
Antarktika
Mbola
ambangovangony
ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina
Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny
fanitarana azy
Jereo koa ny pejy
Ahoana ny manao takelaka
rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.
Tsiahy
hanova
hanova ny fango
ru
, Jiona 2009
en
UNDP
"Russia". Encyclopedia Britannica. Retrieved 2008-01-31
Glenn E. Curtis (ed.) (1998).
Russia: A Country Study: Kievan Rus' and Mongol Periods
. Washington, DC: Federal Research Division of the Library of Congress. Retrieved 2007-07-20.
"Russian Federation" (PDF). Organisation for Economic Co-operation and Development (OECD).
Sciolino, E. (21 December 1993). "U.S. is abandoning 'shock therapy' for the Russians". The New York Times.
Aslund A. "Russia's Capitalist Revolution" (PDF). Retrieved 28 March 2008.
Treisman, D. "Is Russia's Experiment with Democracy Over?". UCLA International Institute.
Stone, N (4 December 2007). "No wonder they like Putin". The Times (UK).
Hita tao amin'ny "
Sokajy
Endrika ampiasaina amin'ny jeografia
Vangovango
Rosia
Firenena mpikambana ao amin'ny Fikambanan'ny Firenena Mahaleotena
Firenena avy amin'ny FRSS
Rosia
Hanampy lohahevitra
US