Ny Foibe momba ny Teny
Lazantantara
Ho fampiharana ny Didim-pitondrana laharana 93.302 tamin’ny 27 Mey 1993* nanavao ny firafitry ny Akademia malagasy dia ny Didy fanapahana laharana 001/93 tamin’ny 28 Mey 1993** noraisin’ny Filohan’ny Akademia malagasy, Dr Césaire Rabenoro no nanorina ny Foibe momba ny Teny izay miantsoroka ihany koa ny andraikitra ana Ofisim-pirenena momba ny Teny.
Ny Teny faneva novoizina tamin’izany dia : « Ny teny no fitaovana voalohany ho fampandrosoana », « Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko »
Ny niandohany
Ny nidiran’ny Foibe momba ny Teny ho isan’ny mpikambana tao amin’ny RINT (Réseau International de néologie et de Terminologie) sy RIOFIL (Réseau International des Observatoires Francophones des Industries de la Langue) izay nivondrona ho RIFAL (Réseau International Francophone d’Aménagement Linguistique) taty aoriana dia nahafahany nahazo, nanomboka tamin’ny taona 1993 .
Ireo boky mirakitra voka-pikarohana momba ny terminôlôjia mbamin’ny haitao vaovao izay ampiharina eo amin’ny sehatry ny fandinihana ny Teny sy Fampandrosoana nataona mpikaroka avy amina firenena maro samihafa dia nentiny niatrika ny fampiroboroboana ny Teny malagasy araka ny fomba takian’izao vanim-potoana isian’ny fivoaran’ny teknôlôjia eo amin’ny lafiny fifandraisana izao sy nanohanana ny Akademia malagasy eo amin’ny zara andraikiny miahy ny lafiny Teny.
Koa teo anelanelan’ny taona 1993 – 1995 dia nirotsaka tamin’ny fanofanana olona vitsivitsy nandalina ny Teny malagasy teny amin’ny fampianarana ambaratonga ambony sy infôrmatisianina iray momba ny fikirana ny Teny amin’ny alàlan’ny fampiasana fitaovana infôrmatika.
Iza naompana indrindra tamin’ny :
- fikirana ny Teny amin’ny alàlan’ny fitaovana infôrmatika
- ny fampiasana ny HTML eo amin’ny fampiasana akoran-kevitra
- fananganana habaka sy banky angona amina fiteny maro azo kiraina amin’ny internet
- fampiasana lôzisialy mifanandrify amin’izany lahasa izany toy ny :
- Toolbox
- Sf Converter
- Sil encore Font Système
Teo anelanelan'ny 1993 sy 1995 dia natsangana :
ny banky angona.
ny komity momba ny asa izay niandraikitra ihany koa ny :
- fampiorenam-paka ny fomba fanoratra ny Teny malagasy,
- fanagasiana ny Teny vahiny ka ny vokatra azo tamin’izany dia nanaovana velakevitra teny amin’ny Akademia malagasy teny Tsimbazaza
- fanatonana ireo mpiandraikitra amin’ny sehatra anaovana fandinihana.
Ho tsangambaton’ny fankalazana ny Faha-100 taonan’ny Akademia Malagasy :
Nanomboka tamin’ny 2002, dia niroso tamin’ny fanefena Rakibolana Rakipahalalana ny Foibe momba ny Teny :
ny boky voalohany dia ahitana teny iditra miisa 35 000, ny 10 000 amin’izany dia zana-teny iditra izay voarafitra ho boky tamin’ny 2005 ary vita printy ny faran’ny taona 2008.
ny boky faharoa izay efa natomboka tamin’ny 6 Novambra 2008 ny famolavolana ny fomba fiasa dia miompana amin’ny anaran-tsamirery (olona, vondron’olona,vohitra na toera-manan-tantara…).
Politika momba ny Teny
Natsangana ny komity manokana ahitana solotenan’ny sokajy efatra ao amin’ny Akademia Malagasy niaraka namolavola ny Politika momba ny Teny namaritana mazava ny satan’ny Teny malagasy manoloana ny Teny vahiny.
Sahanasa hafa
Lafiny fandikan-teny
Ho fampiorenam-paka ireo voambolana avy amina sehatrasa miankina amin’ny fanjakana sy ny miahy tena ary ho famaliana ny hetahetan’ ny fiarahamonina, dia natao ho vaindohan-draharaha ny fandikan-teny.
Fanandratana ny Teny malagasy
Hetsika maro samihafa no entina isan-taona ho fampiroboroboana ny Teny malagasy :
- fanamarihana ny 21 Febroary, Andro iraisam-pirenena momba ny Teny ibeazana
- fankalazana ny iray volan’ny Teny malagasy eo ankatoky ny Fetin’ny Fahaleovantena amin’ny alàlan’ny :
- fampirantiana,
- atrikasa,
- fampisehoana an-tsehatra
iarahany manatontosa amina sampan-draharaham-panjakana, oniversite, orindraharaha sy tsanganasa, fikambanana misahana ny kolontsaina ary sekoly.
Teny faneva
nentina nanentana :
- 2000 Teny malagasy : Teny fiasana, Teny fifandraisana
- 2001 Toaviko ny Teniko, hifarimbonantsika
- 2002 Teny, Tany sy Tanindrazana
- 2003 Ndao hanao tomban’ezaka
- 2004 Ahitsio ny diso
- 2005 Anehoy hevitra manara-penitra
- 2006 Teny malagasy sy ny Asa fampandrosoana
- 2007 Aoka ho tanjona ny fahafehezana ny Teny malagasy aminy maha Teny ôfisialy azy
- 2008 Ny Teny malagasy : ibeazako, ahombiazako
- 2009 Teny malagasy, Teny velona
- 2010 Tovozy an-doharano tsy ritra ny harentsaina malagasy
- 2011 Zahay koa mahalala. Zahay koa mahay
Fanolorana ny Fandaharana Vahatra
Iarahan’ny Foibe momba ny Teny amin’ny Televisiona Malagasy (TVM) ny famoahana ny fandaharana Vahatra izay mandeha isan’andro ary natao hanehoana :
ireo harentsaina raketin’ny Teny malagasy
ireo voambolana sy rakipahalalana anatin’ny Rakibolana Rakipahalalana an’ny Akademia Malagasy
voka-pikarohana momba an’i Madagasikara sy ny Malagasy
ireo voambolana piseho ireo Teny vao voarakitra ao amin’ny banky angona iasan’ny Foibe momba ny teny mba ho fampiorenam-paka azy ireo.
Fanokafana ny habaka www.teny.org
Ny fampiasany internet sy ny fananany habaka dia natao ifaneraserana amin’ireo mpanjifa liana amin’ny Teny malagasy, avy eto an-toerana sy any am-pita ary koa momba ny fivoarany : ny Teny malagasy ankehitriny dia anisan’ireo Teny 12 mita ny sisin-taniny matanjaka indrindra aty Afrika voafantin’ny Akademia Afrikanina momba ny Teny miasa eo anivon’ny Firaisambe Afrikanina (Addis Abeba 7 Febroary 2009).
