Wikipedia — Wikipedia
Hankany amin'ny vontoatiny
Avy amin'i Wikipedia
Wikipedia
URL
Dokam-barotra ve?
No.
Mahatompony
{{{mahatompony}}}
Karazana tranokala
Online encyclopedia
Fisoratana
{{{soratana}}}
Tompony
Wikimedia Foundation
Noforonon'ny
Jimmy Wales
sy
Larry Sanger
Ny
Wikipedia
dia tranonkala iraisam-pirenena
Web
azo ampiasaina maimaimpoana.
Wiki
izany no foibe mitahiry ny pejy rehetra, ary ny
sehatra
website
) ny Wikipedia no toerana fijerena sy fanovana ny pejy rehetra. Avy amin'ny teny
haoaianina
hoe
wiki
) ny anaran'ity rakipahalalana ity. Ny teny hoe
Wikipedia
dia fitambaran'ny teny roa
wiki
sy
pedia
(fanafohezana ny hoe
encyclopedia)
. Afaka mandray anjara avokoa ao amin'ny Wikipedia ny olona te-hanampy nefa tsy terena na karamaina.
Tantara
hanova
hanova ny fango
Tamin'ny fiantombohany ny Wikipedia dia tetikasa famenon'ny
Nupedia
, raki-pahalalana iray maimaim-poana hita tamin'ny tranonkala izay manam-pahaizana manokana (avara-pianarana sy manana traikefa) no nanoratra ny votoatiny, ary misy
fitsipika maro arahin'ny mpanoratra azy. Tamin'ny 9 Martsa 2000 no niorina ny Nupedia, ary kompanian-tserasera amin'ny tranonkala iray, dia ny "Bomis, Inc", no tompony. I
Jimmy Wales
lehiben'ny Bomis sy i
Larry Sanger
, tonian'ny fanoratana no isan'ny olona nisongadina tao amin'ny Nupedia, sy ny Wikipedia tato aoriana. Arak'i Sanger, ny mahasamihafa ny Wikipedia amin'ireo raki-pahalalana efa misy dia izy malalaka ny votoatiny, tsy voafetra ny habeny noho izy voizina amin'ny tranonkala, mahitsy fijery ary miezaka ho tsotra noho izy mikendry ny sarambaben'olona sady mivelatra amin'ny lafy sy sokajin'olona maro.
Fony tamin'ny andron'ny Nupedia
, dingana fito no narahin'ny lahatsoratra iray vao vita, ary matihanina maro no manara-maso izany dingana izany, nefa tsapa tato aoriana fa ela loatra izany sivana izany ka voafetra ihany ny isan'ny lahatsoratra vita. Raha i Bomis ihany no nanohana ara-bola ny fandaniana ilaina, dia nisy fikasana hitadiavam-bola amin'ny alàlan'ny dokambarotra.
Fahazoan-dàlana manokana atao hoe Nupedia Open Content License no nitondra ny Nupedia, fa novaina ho
GFDL
talohan'ny nanorenana ny Wikipedia araka ny torohevitr'i
Richard Stallman
Tamin'ny
10 janoary
2001
dia nanolo-kevitra hampiasa wiki teo amin'ny Nupedia i Larry Sanger tao anatin'ny mailing list. Hoy indrindra izy tamin'ilay lahatsoratra "Ndeha hanao wiki":
Tsia, tsy soson-kevitra tsy mendrika akory ity. Misy hevitra hanampy zavatra kely amin'i Nupedia. Inoan'i Jimmy Wales fa maro no mety hitsipaka ny hevitra, saingy izaho kosa tsy mino. (…) Ny fampiasan'i Nupedia wiki no HANY fomba tsotra sy malalaka hanovana ny votoatiny. Efa naelinay tsikelikely ny hevitra hitady tetikasa tsotra sy malalaka kokoa hanoloana na hisolo toerana an'i Nupedia. Amiko dia ny wikis no azo mora foronina indrindra sady vetivety, tsy dia mila fanamboarana loatra sady kely risika indrindra. Raha arak'izay hitako dia io no fomba kely lafy ratsiny indrindra, sady loharano lehibe ho an'ny votoatiny.
(Dikan-teny malalaka; "Let's make a wiki":
No, this is not an indecent proposal. It's an idea to add a little feature to Nupedia. Jimmy Wales thinks that many people might find the idea objectionable, but I think not. (…) As to Nupedia's use of a wiki, this is the ULTIMATE "open" and simple format for developing content. We have occasionally bandied about ideas for simpler, more open projects to either replace or supplement Nupedia. It seems to me wikis can be implemented practically instantly, need very little maintenance, and in general are very low-risk. They're also a potentially great source for content. So there's little downside, as far as I can determine.
Nampilaza tamin'ny mailaka fampitana i Sanger momba ny fisokafan'ny Wikipedia tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny 15 janoary
2001
tao amin'ny
, ary mbola ny teny
anglisy
no teny tokana nampiasainy.
Hatramin'ny 10 janoary izy dia mbola fanampin'ny Nupedia.com ahafahan'ny daholobe manoratra lahatsoratra izay hakambana ao anatin'ny Nupedia rehefa voatsara. Tsy nankatoavin'ny mpitantana sy mpanolo-tsaina tao amin'ny Nupedia anefa ny fomba fivoarany, koa nijoro ho tetikasa mahaleotena tsy miankina amin'ny Nupedia intsony izy.
Nofaritana nandritra ny volana vitsivitsy voalohany ny fitsipika momba ny fijery tsy mitanila (anglisy:
neutral
point
of
view
), na dia mitovy betsaka tamin'ny fitsipika "nonbias" an'ny Nupedia aza izany. Nisy koa anefa fitsipika hafa vitsivitsy napetraka. Vetivety foana dia nahazo laka tamin'ireo mpandray anjara tao amin'ny Nupedia ny Wikipedia, nalaza tamin'i Slashdot ihany koa sy teo amin'ireo fikarohana sehatra. Nitombo ny isan'ny lahatsoratra, nanodidina ny 20.000 ny isany ary 18 ireo tenim-pirenena nampiasana azy tamin'ny taona voalohany nisiany. 26 izany isan'ny tenim-pirenena izany tamin'ny faran'ny taona 2002, 46 tamin'ny faran'ny taona 2003 ary 161 tamin'ny faran'ny taona 2004.
Niara-nisy ny Nupedia sy ny Wikipedia mandra-pikaton'ny Nupedia tanteraka tamin'ny taona 2003, ka nametrahana ny lahatsoratra rehetra tao anatiny ho ao amin'ny Wikipedia.
Wikipedia anglisy tamin'ny
30 martsa
2001
, roa volana sy tapany taorian'ny niorenany.
Raha araka an'i Wales sy Sanger, dia
en:Portland Pattern Repository
na WikiWikiWeb an'i
en:Ward Cunningham
no fototry ny fampiasana wiki tamin'ny Wikipedia. Nomarihin'i Wales fa reny tamin'i Jeremy Rosenfeld, mpiasa iray tao amin'ny Bomis ny ambangovangony momba azy io tamin'ny volana desambra 2000,
nefa taorian'ny nandrenesan'i Sanger ny fisian'io wiki io tamin'i Ben Kovitz
ny volana janoary 2001 vao natolony an'i Wales ny hevitra hampiasana wiki amin'ny Nupediata, sy nanombohan'ny tantaran'ny Wikipedia. Niara-nisy tamin'ny Nupedia hatramin'ny fiantombohany koa ny tetikasa iray GNUpedia izay malalaka ny votoatiny nefa tsy nampiasa wiki. Taty aoriana dia nitsahatra ny fivoarany, ary i
Richard Stallman
, fantatra indrindra eo amin'ny sehatry ny rindrankajy sady mpamorona ny GNUpedia no nitondra ny anjara-birikiny tamin'ny Wikipedia.
Naneho ny ahiahiny ny amin'ny dokambarotra sy ny fahabangan'ny fanaraha-maso amin'ny Wikipedia anglisy ny mpikambana maro tao amin'ny Wikipedia espaniôla, ary namorona ny tetikasa
Enciclopedia Libre
izay niainga avy amin'ny Wikipedia ny volana febroary 2002. Tamin'io taona io ihany, taty aoriana kely, dia nanao fanambarana i Wales fa tsy haneho dokambarotra ny Wikipedia ary hafindra ao amin'ny wikipedia.org ny sehatra. Hosinganina koa ny tetikasa Wikinfo, izay niainga avy tamin'ny Wikipedia ihany nefa niala tamin'ilay fitsipika "fijery tsy mitanila" (
neutral point-of-view
) mba hahafahany mametraka lahatsoratra hafa misy fijery "sympathetic point-of-view".
Niforona avy amin'ny Wikipedia sy ny Nupedia ny 20 jiona
2003
ny Wikimedia Foundation.
Taorian'izay dia niasa tao anatin'io fikambanana tsy itadiavam-bola io ny Wikipedia sy ireo tetikasa rahavavy. "In Memoriam: September 11
Wiki" no tetikasa rahavavin'ny Wikipedia niseho voalohany, niforona ny volana oktobra 2002 hitantarana amin'ny antsipiriany ny fanafihana an'i Etazonia tamin'ny
11 septambra
10
Natomboka ny volana desambra 2002 ny tetikasa rakibolana
Wiktionary
(na Wikibolana amin'ny teny malagasy); herinandro taorian'izay ny
Wikiquote
, tahirina quotations; ary iray volana taty aoriana ny
Wikibooks
, angom-boky maimaim-poana. Avy eo dia maro ny tetikasa hafa natomboka izay hita etsy ambany ny antsipiriany.
Tetikasa Wikipedia
hanova
hanova ny fango
Ny
Wikipedia amin'ny teny anglisy
no Wikipedia lehibe indrindra izay manana lahatsoratra eo amin'ny efatra tapitrisa eo ho eo. Manaraka aoriana ny
fiteny neerlandey
, ny
fiteny alemana
, ny
fiteny soedoa
ary ny
fiteny frantsay
izay samy manana lahatsoratra maherin'ny 2 tapitrisa.
Wikipedia amin'ny teny anglisy
hanova
hanova ny fango
Laharan'ny
Wikipedia amin'ny teny anglisy
araky tsidika isaky ny firenena
: voalohany (mena), faharoa (laoranjy).
Noforonina tamin'ny
15 Janoary
2001, sady manana lahatsoratra voatahiry maherin'ny 4 tapitrisa nanomboka tamin'ny Jolay 2012 ny Wikipedia amin'ny teny anglisy. Tamin' ny taona 2025 izy dia nanana lahatsoratra mihoatra ny 7 tapitrisa.
Izy no voalohany sy lehibe indrindra. Eo amin'ny 14,7% ny lahatsoratra eo amin'ny tetikasa Wikipedia rehetra no amin'ny teny anglisy. Nihena avy tamin'ny 50% io isa io nohon'ny fitomboan'ny Wikipedia amin'ny fiteny hafa. Eo amin'ny 9,7 gigaoktety ny lanjan'ny lahatsoratra ao amin'ny Wikipedia amin'ny teny anglisy.
Wikipedia sasantsasany
hanova
hanova ny fango
Wikipedia amin' ny fiteny eorôpeana
hanova
hanova ny fango
Indreto ny Wikipedia sasantsasany amin'ny fiteny eorôpeana:
Wikipedia amin' ny teny anglisy
(tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 7
029
636 amin' ny
teny anglisy
) (
en.wikipedia.org
Wikipedia amin' ny teny alemàna
(tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 3
035
622 amin' ny
teny
alemàna
) (
de.wikipedia.org
Wikipedia amin' ny teny frantsay
(tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 2
698
799 amin' ny
teny
frantsay
) (
fr.wikipedia.org
Wikipedia amin' ny teny soedoà
(tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 2
613
672 amin' ny
teny
soedoà
) (
sv.wikipedia.org
Wikipedia amin' ny teny neerlandey
(tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 2
193
077 amin' ny
teny
neerlandey
) (
nl.wikipedia.org
Wikipedia amin' ny teny rosiana
(tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 2
056
417 amin' ny
teny
rosiana
) (
ru.wikipedia.org
Wikipedia amin' ny teny espaniôla
(tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 2
050
552 amin' ny
teny
espaniôla
) (
es.wikipedia.org
Wikipedia amin' ny teny italiana
(tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 1
928
334 amin' ny
teny
italiana
) (
it.wikipedia.org
Wikipedia amin' ny teny pôlôney
(tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 1
664
307 amin' ny
teny
pôlôney
) (
pl.wikipedia.org
Wikipedia amin' ny teny okrainiana
(tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 1
385
498 amin' ny
teny
okrainiana
) (
uk.wikipedia.org
Wikipedia amin' ny teny pôrtogey
(tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 1
151
393 amin' ny
teny
pôrtogey
) (
pt.wikipedia.org
Wikipedia amin' ny fiteny afrikana
hanova
hanova ny fango
Indreto ny Wikipedia sasantsasany amin'ny fiteny afrikana:
Wikipedia amin' ny teny arabo ejiptiana
(tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 1
628
231 amin' ny
teny
arabo ejiptiana
) (
arz.wikipedia.org
Wikipedia amin' ny teny afrikansa
(tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 125
505 amin' ny
teny
afrikansa
) (
af.wikipedia.org
Wikipedia amin' ny teny soahily
(tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 100
838 amin' ny
teny
soahily
) (
sw.wikipedia.org
Wikipedia amin' ny teny malagasy
(tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 100
614 amin' ny
teny
malagasy
) (
mg.wikipedia.org
Wikipedia amin' ny teny haosa
(tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 63
489 amin' ny
teny
haosa
) (
ha.wikipedia.org
Wikipedia amin' ny teny igbô
(tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 43
154 amin' ny
teny
igbô
) (
ig.wikipedia.org
Wikipedia amin' ny teny iôroba
(tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 35
508 amin' ny
teny
iôroba
) (
yo.wikipedia.org
Wikipedia amin' ny teny amharika
(tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 15
440 amin' ny
teny
amharika
) (
am.wikipedia.org
Wikipedia amin' ny teny zolo
(tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 11
691 amin' ny
teny
zolo
) (
zu.wikipedia.org
Wikipedia amin' ny teny arabo marôkana
(tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 10
677 amin' ny
teny arabo marôkana
) (
ary.wikipedia.org
Wikipedia amin' ny teny folany
(tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 10
149 amin' ny
teny
folany
) (
ff.wikipedia.org
Wikipedia amin' ny fiteny aostrôneziana
hanova
hanova ny fango
Indreto ny Wikipedia sasantsasany amin'ny fiteny aostroneziana:
Wikipedia amin' ny teny seboanô
(tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 6
116
227 amin' ny
teny
seboanô
) (
ceb.wikipedia.org
Wikipedia amin' ny teny oaray-oaray
(tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 1
266
721 amin' ny
teny oaray-oaray
) (
war.wikipedia.org
Wikipedia amin' ny teny indôneziana
(tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 736
652 amin' ny
teny
indôneziana
) (
id.wikipedia.org
Wikipedia amin' ny teny maley
(tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 430
606 amin' ny
teny
maley
) (
ms.wikipedia.org)
Wikipedia amin' ny teny minangkabao
(tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 228
478 amin' ny
teny
minangkabao
) (
min.wikipedia.org
Wikipedia amin' ny teny malagasy
(tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 100
614 amin' ny
teny
malagasy
) (
mg.wikipedia.org
Wikipedia amin' ny teny javaney
(tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 74
613 amin' ny
teny
javaney
) (
jv.wikipedia.org
Wikipedia amin' ny teny sondaney
(tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 62
039 amin' ny
teny
sondaney
) (
su.wikipedia.org
Wikipedia amin' ny teny tagalôga
(tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 48
759 amin' ny
teny
tagalôga
) (
tg.wikipedia.org
Wikipedia amin' ny teny banjara
(tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 11
345 amin' ny
teny
banjara
) (
bjj.wikipedia.org
Tsiahy
hanova
hanova ny fango
Mbola
ambangovangony
ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina
Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny
fanitarana azy
Jereo koa ny pejy
Ahoana ny manao takelaka
rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.
Larry Sanger
, "
Tafatafa momba an'i Nupedia (Q & A about Nupedia)
", Nupedia, March 2000
Larry Sanger
January 10
2001
).
"Let's make a wiki"
Internet Archive.
Archived
from
the original
on 2003-04-14
Larry Sanger
January 17
2001
).
"Wikipedia is up!"
Internet Archive.
Archived
from
the original
on 2001-05-06
Larry Sanger
April 18
2005
).
"The Early History of Nupedia and Wikipedia: A Memoir"
Slashdot
Multilingual_statistics Antontan'isa Wikipedia amin'ny tenim-pirenena maro
Archived
Aogositra 12, 2005 at the
Wayback Machine
", Wikipedia,
30 martsa
2005
Jimmy Wales
, "
Re: Sanger's memoirs
Archived
Novambra 26, 2005 at the
Wayback Machine
",
20 aprily
2005
,
Richard Stallman
(1999).
"The Free Encyclopedia Project"
Free Software Foundation
Jimmy Wales: "
Announcing Wikimedia Foundation
",
20 jiona
2003
,
Nony tamin'ny taona 2006 anefa dia tsy nokilasian'ny maro ho tetikasa rahavavy ny sehatra "In Memoriam: September 11"; ary nisy torohevitra sy antso hanakatonana azy, na hamindrana toerana azy ao amin'i [[w:en:Wikia|]]. "
Sosokevitra hanakatonana tetikasa
", ahitana dinika momba an'izay ao amin'ny Meta-Wiki.
Hita tao amin'ny "
Sokajy
Pages containing cite templates with deprecated parameters
Vangovango
Raki-pahalalana
Wiki
Wikipedia
Hanampy lohahevitra